FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w98 15/11 p. 21-24
  • Iza moa Ireo Makabeo?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Iza moa Ireo Makabeo?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nisandratra avo dia avo ny Helenisma
  • Nanome tsolotra ireo mpisorona
  • Nandray fepetra i Antiochos
  • Nanao zavatra ho setrin’izany ireo Makabeo
  • Nalaina indray ny tempoly
  • Nisongona ny fitiavam-pivavahana ny politika
  • Ny Hasmonianina sy ny Lovany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Fifandonan’ny Mpanjaka Roa
    Diniho ny Faminanian’i Daniela
  • Mamarana ny Fotoan’ny Haizina ny Fahazavana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Enjehina ny Baiboly
    Mifohaza!—2011
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
w98 15/11 p. 21-24

Iza moa Ireo Makabeo?

HO AN’NY maro, ny vanim-potoan’ireo Makabeo dia toy ny boaty mainty mirakitra zava-miafina momba ny fe-potoana teo anelanelan’ny nahavitan’ireo boky farany ao amin’ny Soratra Hebreo sy ny nahatongavan’i Jesosy Kristy. Misy tsipirian-javatra sasany fantatra, ohatra, rehefa dinihina ny boaty maintin’ny fiaramanidina iray nianjera. Toraka izany koa fa misy hevi-dalina azo fantarina rehefa dinihina akaiky ny vanim-potoan’ny Makabeo, izay vanim-potoana teteza-mita sy nitondra fiovana ho an’ny firenena jiosy.

Iza moa ireo Makabeo? Tamin’ny fomba ahoana no nisy fiantraikany teo amin’ny Jodaisma izy ireo, talohan’ny nahatongavan’ilay Mesia nambara mialoha? — Daniela 9:25, 26.

Nisandratra avo dia avo ny Helenisma

Azon’i Aleksandra Lehibe tamin’ny ady avokoa ny faritra rehetra nanomboka tany Gresy ka hatrany Inde (336-323 al.f.i.). Nidadasika ny fanjakany ka izany no antony iray nampahazo vahana ny Helenisma, izay tsy inona akory fa ny fiteny sy ny kolontsaina grika. Nanambady an’ireo vehivavy teo an-toerana ireo manamboninahitra sy miaramila teo ambany fifehezan’i Aleksandra, ka nampiray ny kolontsaina grika sy vahiny. Taorian’ny nahafatesan’i Aleksandra dia nifampizaran’ireo jeneraliny ny fanjakany. Teo am-piandohan’ny taonjato faharoa al.f.i., i Antiochos III, tarana-mpanjaka séleucide grika tany Syria, dia naka an-keriny an’i Israely tsy ho eo ambany fifehezan’ny Ptolémées grika tany Ejipta. Nisy fiantraikany nanao ahoana teo amin’ireo Jiosy tany Israely ny fitondrana grika?

Hoy no nosoratan’ny mpahay tantara iray: “Koa satria tsy afaka ny tsy hifandray tamin’ireo Grika niara-belona taminy ny Jiosy, ary mainka moa fa tamin’ireo rahalahiny nonina tany ivelan’i Palestina, dia tsy azo nihodivirana ny fandraisana ny kolontsaina grika sy ny fomba fisaina grika. (...) Na dia ny fifohana rivotra fotsiny aza, tamin’ny vanim-potoana helenistika, dia efa nisy fandraisana kolontsaina grika!” Nanjary nanana anarana grika ny Jiosy sasany. Tamin’ny ambaratonga samy hafa, dia nandray ireo fomba amam-panao sy fomba fitafy grika izy ireo. Nitombo hatrany ny fandraisana ny kolontsaina grika, izay nanan-kery nisoko nangina.

Nanome tsolotra ireo mpisorona

Anisan’ireo Jiosy faran’izay mora nandairan’ny fitaoman’ny Grika ny mpisorona. Ho an’ny maro tamin’izy ireo, dia nidika ho famelana ny Jodaisma hivoatra arakaraka ny fandehan’ny fotoana ny fanekena ny Helenisma. Anisan’izy ireny ny Jiosy iray atao hoe Jasôna (antsoina hoe Josoa amin’ny teny hebreo), izay rahalahin’i Ôniasy III mpisoronabe. Nanome tsolotra an’ireo manam-pahefana grika i Jasôna raha mbola tany Antiokia i Ôniasy. Nahoana? Mba hitaomana azy ireo hanendry azy ho mpisoronabe hisolo an’i Ôniasy. Nanaiky avy hatrany ilay mpitondra séleucide grika atao hoe Antiochos Épiphane (175-164 al.f.i.). Mbola tsy nisalovana tamin’ny raharahan’ny mpisoronabe jiosy mihitsy talohan’izay ireo mpitondra grika, saingy nila vola hampiasaina tamin’ireo fanafihana sesilany nataon’ny tafiny i Antiochos. Nahafaly azy koa ny fananana mpitarika jiosy iray izay hampandroso amim-paharisihana kokoa ny Fanovana ho Grika. Nataon’i Antiochos ho tanàna grika (polis) i Jerosalema, noho ny fangatahan’i Jasôna. Nanorina kianja mitafo iray kosa i Jasôna, ho setrin’izany. Nanao lalao fifaninanana tao ireo tanora jiosy, eny, hatramin’ireo tanora mpisorona koa aza.

Niteraka fivadihana ny fivadihana. Telo taona tatỳ aoriana, dia nanome tsolotra betsaka kokoa i Ménélas, izay mety ho tsy taranaka mpisorona akory, hany ka nandositra i Jasôna. Naka vola be tao amin’ny rakitry ny tempoly i Ménélas mba homena an’i Antiochos. Koa satria niteny nanohitra izany i Ôniasy III (natao sesitany tany Antiokia), dia nanao tetika hamonoana azy ho faty i Ménélas.

Rehefa niely ny tsaho fa maty i Antiochos, dia niverina tao Jerosalema i Jasôna, niaraka tamin’ny arivo lahy, mba haka ny toeran’ny mpisoronabe teo an-tanan’i Ménélas. Tsy maty anefa i Antiochos. Rehefa ren’i Antiochos ny nataon’i Jasôna sy ny korontana teo anivon’ny Jiosy ho fanoherana ny tetika nataony ho amin’ny Fanovana ho Grika, dia fihetsika henjana no nasetriny izany.

Nandray fepetra i Antiochos

Nanoratra toy izao i Moshe Pearlman, ao amin’ilay bokiny hoe The Maccabees (Ireo Makabeo): “Na dia tsy hentitra aza ny voalazan’ny firaketana an-tsoratra, dia miharihary fa nanatsoaka hevitra i Antiochos hoe fahadisoana ara-politika ny namelana ny Jiosy hanana fahalalahana ara-pivavahana. Taminy dia tsy antony ara-pivavahana madiodio no nampisy iny fikomiana farany tao Jerosalema iny, fa noho ny fisian’ny toe-tsaina niandany tamin’i Ejipta, toe-tsaina izay nihanahazo vahana tao Jodia. Matoa niseho tamin’ny fomba nampidi-doza ireny fihetseham-po ara-politika ireny, dia satria ny Jiosy irery ihany, tamin’ny vahoakany rehetra, no nikatsaka fahaleovan-tena ara-pivavahana betsaka ka navela hanana izany. (...) Hofaranana hatreo ny amin’izany, hoy ny fanapahan-keviny.”

Mamintina toy izao ny zava-nitranga nanaraka izany i Abba Eban, mpitondra fanjakana sy manam-pahaizana israelianina: “Nandritra ny taona 168 sy 167 [al.f.i.], dia nifanesisesy haingana ny fanaovana vono moka ny Jiosy, ny fandrobana ny Tempoly, ary ny fandrarana ny fanarahana ny fivavahana jiosy. Nanjary nomelohin’ny lalàna ho faty izay nanao famorana, toy izany koa izay nitandrina ny Sabata. Tonga ny fanafintohinana lehibe indrindra tamin’ny Desambra 167, fony nisy alitara ho an’i Zeosy natsangana tao amin’ny Tempoly, araka ny baikon’i Antiochos, ka sorona nofon-kisoa, izay mazava ho azy fa naloto araka ny lalàna jiosy, no nasaina nataon’ny Jiosy ho an’ny andriamanitry ny Grika.” Nandritra io vanim-potoana io, dia nitana ny toerany hatrany i Ménélas sy ireo Jiosy hafa nandray ny kolontsaina grika, ary nanao ny asany tao amin’ny tempoly iray izay efa voaloto tamin’izay.

Jiosy maro no nanaiky ny Helenisma. Tetsy an-danin’izany anefa, dia nampirisika ny hankatoavana ny Lalàn’i Mosesy tamin’ny fomba hentitra kokoa ny vondron’olona vaovao iray nitonona ho Hasidima, izany hoe, tia fivavahana. Naharikoriko ny sarambaben’olona ireo mpisorona nandray ny kolontsaina grika tamin’izay, ka niandany tsikelikely tamin’ny Hasidima. Nanomboka ny vanim-potoana iray nanaovana maritiora, satria noterena hanao ireo fombafomba sy sorona fanaon’ny mpanompo sampy ny Jiosy nanerana ilay tany, fa raha tsy izany dia ho faty. Ireo boky apôkrifan’ny Makabeo dia mirakitra fitantarana maro ny amin’ny lehilahy sy vehivavy ary ankizy izay nifidy ny ho faty toy izay hanaiky lembenana.

Nanao zavatra ho setrin’izany ireo Makabeo

Nanosika Jiosy maro hiady ho an’ny fivavahany ny zavatra tafahoatra nataon’i Antiochos. Tany Modìna, any avaratrandrefan’i Jerosalema, any akaikin’ilay tanàna maoderina atao hoe Loda, dia nantsoina ho any afovoan-tanàna ny mpisorona iray natao hoe Matatiasy. Koa satria nohajain’ny vahoaka teo an-toerana i Matatiasy, dia niezaka nandresy lahatra azy handray anjara tamin’ny sorona fanaon’ny mpanompo sampy ilay solontenan’ny mpanjaka, mba tsy hahafaty azy sy hanomezany ohatra ho an’ny vahoaka sisa. Rehefa nanda i Matatiasy, dia niroso ny Jiosy hafa iray, vonona ny hanaiky lembenana. Nanafintohina mafy an’i Matatiasy izany ka tsy hitahita akory ny nandraisany fitaovam-piadiana hamonoana ilay Jiosy. Nivanàka ireo miaramila grika noho ny fihetsika nahery setran’io lehilahy zokiolona io, ka nilasilasy teo. Tao anatin’ny segondra vitsy anefa dia matin’i Matatiasy koa ilay manam-pahefana grika. Tsy afaka niaro tena akory ilay andian-tafika grika dia efa resin’ireo zanak’i Matatiasy dimy lahy, mbamin’ireo mponina tao an-tanàna.

Niantsoantso toy izao i Matatiasy: ‘Andao hanaraka ahy izay rehetra be zotom-po ho an’ny Lalàna.’ Nandositra tany amin’ny faritra be havoana izy sy ireo zanany mba hialana tamin’ny valifaty. Rehefa niely ny resaka momba ny zavatra nataon’izy ireo, dia nisy Jiosy (anisan’izany ny Hasidima maro) niandany tamin’izy ireo.

Notendren’i Matatiasy hisahana ny ady ara-tafika i Joda zanany lahy. Namirapiratra angamba ny fahaizan’i Joda teo amin’ny lafiny ara-tafika, ka izany no antony niantsoana azy hoe Makabeo, izay midika hoe “marotoa”. I Matatiasy sy ireo zanany lahy dia nantsoina hoe Hasmônianina, anarana nalaina avy amin’ilay anaran-tanàna hoe Hesmona na avy amin’ny razambe nitondra izany anarana izany. (Josoa 15:27). Koa satria lasa olo-nalaza nandritra ilay fikomiana i Joda Makabeo, dia nanjary nantsoina hoe Makabeo ilay fianakaviana manontolo.

Nalaina indray ny tempoly

Afaka nandamina tafika kely i Matatiasy sy ireo zanany lahy, nandritra ny taona voalohany nanaovana ilay fikomiana. Imbetsaka ireo andian-tafika grika no nanafika antoko-miaramila hasidima tamin’ny Sabata. Na dia nahay niaro tena aza izy ireo, dia tsy handika ny Sabata amin’izany fomba izany akory. Vono moka araka izany no vokany. Noheverina ho toy ny manam-pahefana ara-pivavahana tamin’izay i Matatiasy, ka namoaka didy namela ny Jiosy hiaro tena tamin’ny Sabata. Tsy vitan’ny hoe nanome aina vao ilay fikomiana io didy io, fa noraisina ho filamatra koa teo anivon’ny Jodaisma, ka namelana ireo mpitarika ara-pivavahana hanitsy ny lalàna jiosy arakaraka ny fiovan’ny tarehin-javatra. Ahitana taratr’io fironana io ny Talmoda, ao amin’ity fanambarana natao tatỳ aoriana ity: “Aoka izy ireo hanimbazimba ny Sabata iray mba hahafahany hanamasina Sabata maro.” — Yoma 85b.

Taorian’ny nahafatesan’ny rainy efa zokiolona, dia tsy misy iadian-kevitra fa i Joda Makabeo no lasa mpitarika ilay fikomiana. Takany fa tsy afaka mandresy ny fahavalony amin’ny ady an-karihary izy, ka namorona tetika vaovao, izay sahala amin’ny ady anaty akata amin’izao andro maoderina izao. Namely ny tafik’i Antiochos tany amin’ny faritra tsy nahafahan’izy ireo nampiasa ny fomba fiarovan-tenany mahazatra, i Joda Makabeo. Nahavita nandresy tafika be lavitra noho ny azy, araka izany, i Joda, tamin’ireo ady nifanesy nataony.

Tsy niraharaha firy ny amin’ny hampiharana lalàna ho fanoherana ny Jiosy ireo mpitondra teo anivon’ny Empira Séleucide, satria nisy fifandrafiana anatiny teo amin’izy ireo no sady nitombo hery hatrany i Roma, ka mbola teo am-piatrehana izany izy ireo. Izany dia nanokatra ny lalana ho an’i Joda mba hanitarana ny fanafihany hatrany am-bavahadin’i Jerosalema mihitsy. Tamin’ny Desambra 165 al.f.i. (na angamba tamin’ny 164 al.f.i.), dia azon’i Joda sy ny tafiny ny tempoly, nodioviny ireo fitaovana tao, ary notokanany indray, telo taona katroka taorian’ny nanazimbazimbana azy io. Mahatsiaro an’io fotoana io isan-taona ny Jiosy, mandritra ny Hanoukka, fety fitokanana.

Nisongona ny fitiavam-pivavahana ny politika

Tratra ny tanjona tamin’ilay fikomiana. Nesorina ny fandrarana ny fanarahana ny Jodaisma. Naverina tamin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana sy ny sorona tao amin’ny tempoly. Afa-po ny Hasidima tamin’izay ka nandao ny tafik’i Joda Makabeo ary niverina tany an-tranony. Nanan-kevitra hafa anefa i Joda. Nanana tafika tsara ofana izy, koa maninona moa raha hampiasaina hanorenana fanjakana jiosy mahaleo tena izy io? Antony ara-politika tamin’izay fotoana izay no nasolo ireo antony ara-pivavahana nanetsika ilay fikomiana. Nitohy àry ny tolona.

Nitady mpanohana i Joda Makabeo tamin’ny ady nataony ho fanoherana ny fanjakazakan’ny Séleucides, ka nanao fifanekena tamin’i Roma izy. Na dia maty tany an’ady tamin’ny 160 al.f.i. aza izy, dia nanohy ny ady ireo rahalahiny. Namboamboarin’i Jonatana rahalahin’i Joda ny raharaha mba haneken’ireo mpitondra séleucides ny hanendrena azy ho mpisoronabe sy ho mpitondra an’i Jodia, na dia mbola eo ambany fiandrianan’izy ireo ihany aza izy. Rehefa voafitaka sy nosamborina ary novonoina ho faty i Jonatana, vokatry ny teti-dratsin’ny Syriana, dia i Simeona rahalahiny, ny farany tamin’ireo Makabeo mirahalahy avy, no nandimby toerana azy. Teo ambany fitondran’i Simeona, dia voaesotra ny sisa tavela tamin’ny fitondran’ny Séleucide (tamin’ny 141 al.f.i.). Nohavaozin’i Simeona ny fifanekena tamin’i Roma ary neken’ireo mpitarika jiosy ho mpitondra sy mpisoronabe izy. Tafaorina, araka izany, ny tarana-mpanjaka hasmônianina nahaleo tena, izay teo ambany fifehezan’ireo Makabeo.

Nanorina indray ny fanompoam-pivavahana tao amin’ny tempoly ireo Makabeo, talohan’ny nahatongavan’ny Mesia. (Ampitahao amin’ny Jaona 1:41, 42; 2:13-17.) Tsy natokisan’ny olona intsony ny fisoronana noho ny zavatra nataon’ireo mpisorona nanaiky ny kolontsaina grika. Vao mainka nitombo anefa izany tsy fatokisana izany teo ambany fitondran’ireo Hasmônianina. Eny tokoa, tsy nitondra ny tena fitahiana ho an’ny vahoaka jiosy ny fitondrana iray izay mpisorona nanao politika no nitantana azy fa tsy mpanjaka taranak’i Davida nahatoky. — 2 Samoela 7:16; Salamo 89:3, 4, 35, 36.

[Sary, pejy 21]

Niantsoantso i Matatiasy, rain’i Joda Makabeo, hoe: ‘Andao hanaraka ahy izay rehetra be zotom-po ho an’ny Lalàna’

[Sary nahazoan-dalana]

Matatiasy miangavy an’ireo mpitsoa-ponenana jiosy/The Doré Bible Illustrations/Dover Publications

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara