Tena Fanampiana ho An’ny Fianakaviana
“Ara-drariny ny ilazana fa mandia fotoan-tsarotra ny fianakaviana atỳ Amerika. Tsy misy fanatsoahan-kevitra hafa azo atao rehefa jerena ny habetsahan’ny fisaraham-panambadiana, ny isan’ireo zaza teraka ivelan’ny fanambadiana, [sy] ny fampijaliana ankizy sy ny fampijaliana vady.”
IREO teny nataon’i Tom Brokaw, mpilaza vaovao amin’ny televiziona any Etazonia ireo, dia azo ampiharina amin’ny ankamaroan’ny tany. Midika ho inona izany krizy izany?
Amin’ny lafiny maro, dia ny fianakaviana no fototra voalohany iorenan’ny fiaraha-monina. Raha toa ka tojo fahasahiranana ny fianakaviana, dia ny fitambaran’olona koa no tojo fahasahiranana. Ny fianakaviana koa no loharano ahazoan’ny ankizy fanohanana ara-pihetseham-po sy ara-bola. Ao izy ireo no mianatra ireo lesona voalohany lehibe indrindra eo amin’ny fiainana. Raha toa ka tojo fahasahiranana ny fianakaviana, inona no ianaran’ny ankizy? Aiza no ahitan’izy ireo filaminan-tsaina? Ho karazan’olon-dehibe hanao ahoana izy ireo any aoriana?
Mety hisy fanampiana ho an’ny fianakaviana ve amin’izao fotoan-tsarotra izao? Eny. Zava-naorin’ny tenan’Andriamanitra mihitsy ny fianakaviana. (Genesisy 1:27, 28). Ary efa nomeny ao amin’ny Teniny, ny Baiboly, ny tari-dalana ilain’ny fianakaviana. (Kolosiana 3:18-21). Marina fa tsy afaka manova ny fiaraha-monina manontolo isika, kanefa azontsika ampiharina ao amin’ny fianakaviantsika manokana kosa, ny torohevitra ao amin’ny Baiboly. Ho tianay ny hitantara aminareo ny amin’ny olona sasany izay nanao izany sy ny vokatra tsara azony.
Fisorohana ny fisaraham-panambadiana
Any amin’ny tany maromaro, dia miafara amin’ny fisarahana ny 50 isan-jato eo ho eo amin’ny fanambadiana rehetra. Izany ka tsy fahombiazana lehibe eo amin’ny fifandraisan’olombelona! Maro no nanjary nitaiza irery ny zanany noho izany antony izany. Marina aloha fa be herim-po izy ireny eo amin’ny fitaizana ny zanany, saingy hanaiky ny ankamaroan’izy ireny fa tsara kokoa rehefa afaka mandamina ireo zava-manahirana azy ny mpivady ka miara-mitoetra.
Teo an-dalam-paharavana ny fanambadian’ny mpivady iray tany amin’ny Nosy Salomon. Nahery setra sady nanana fahazaran-dratsy maro ilay lehilahy, zanaky ny lehibe iray. Sarotra aoka izany ny fiainan’ilay vehivavy vadiny, hany ka nanandrana namono tena mihitsy aza izy. Nanaiky hiara-mianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah avy eo ilay lehilahy. Nianarany fa izay rehetra maniry hampifaly an’Andriamanitra dia tsy tokony hahafantatra fotsiny ny atao hoe ratsy, fa tokony ‘hankahala ny ratsy’ koa. (Salamo 97:10). Tafiditra amin’izany ny mankahala ny filazana lainga, ny fangalarana, sy ny herisetra, ary ny fimamoana. Narahiny izany torohevitra izany ary tsy ela izy dia naharesy ireo fahazaran-dratsiny sy ny toetrany mahery setra. Talanjona noho ny fiovany ny vadiny, ka tena nihatsara ny fanambadian’izy ireo, noho ny herin’ny Tenin’Andriamanitra.
Tatsy Afrika Atsimo, dia ren’ny vehivavy Vavolombelon’i Jehovah iray fa nieritreritra ny hisaraka tamin’ny vadiny ilay vehivavy mampiasa azy. Noresahin’ilay Vavolombelona tamin’io lehibeny io ny fiheveran’Andriamanitra momba ny fanambadiana, ary nasehony azy ny boky iray mitondra ny lohateny hoe Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana. Manasongadina ireo foto-pitsipika ara-baiboly mihatra amin’ny fanambadiana io boky navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah io; manantitrantitra indrindra ny fomba anampian’ny Baiboly ireo mpivady mba handamina ireo zava-manahirana azy ireo koa izy io. Niara-namaky ilay boky ilay lehibeny sy ny vadiny, ary niezaka tamim-pahatsorana nampihatra ny torohevitra ara-baiboly tao anatiny. Vokatr’izany, dia tapa-kevitra izy ireo fa tsy hisaraka. Fanambadiana hafa iray navotan’ny fampiharana ny foto-pitsipika ara-baiboly koa io!
Tsy mitovy fivavahana
Ahoana ny amin’ny fanambadian’ny mpivady tsy mitovy fivavahana? Manoro hevitra amin’ny fijerena ny zava-misy ny Baiboly rehefa milaza amin’ny Kristianina mba tsy hanambady afa-tsy “ao amin’ny Tompo ihany”. (1 Korintiana 7:39). Indraindray anefa dia miova fivavahana ny iray amin’ny mpivady. Voatery hamarana ilay fanambadiana ve izany? Tsy izany velively.
Tatsy Botswana, ny vehivavy iray tonga Vavolombelon’i Jehovah vao haingana dia nanontaniana ny amin’’ny fomba nanovan’ny finoany vaovao azy. Nasainy namaly tamin’ny toerany ny vadiny, ka izao no nolazain’ilay rangahy: “Hatramin’izay nahatongavan’ny vadiko ho Vavolombelon’i Jehovah izay, dia nahita fiovana tsara maro teo aminy aho. Ankehitriny izy dia sady tony no feno fahendrena. Tsy nanana izany toetra izany izy taloha. Nanana ny hery nialana tamin’ny sigara izy sady niaiky mafy fa vitany ny miala tamin’io. Kilema mbola tsy resiko kosa anefa izy io. Nanjary tia sy miraiki-po bebe kokoa amiko sy amin’ny ankizy izy, ary koa amin’ny hafa. Mahalefitra kokoa izy, indrindra amin’ny ankizy. Hitako mandany fotoana amin’ny fanompoany izy, amin’ny fiezahana hanampy ny hafa mba hanatsara ny fiainany. Mahita fiovana tsara eo amin’ny tenako koa aho. Tsy misy afa-tsy ny ohatra omeny, araka ny hevitro, no nahatonga izany.” Izany ka vokatra tsara dia tsara nentin’ny foto-pitsipika ara-baiboly teo amin’io fanambadiana io! Olona maro tsy Vavolombelona no nilaza zavatra mitovy amin’izany, mahakasika ny vadiny Vavolombelona.
Rehefa manao tsirambina ny andraikiny ny raim-pianakaviana
Fomba iray ananana fianakaviana matanjaka ny fisian’ny fifandraisana eo amin’ny ray sy ny zanany. Nanoro hevitra toy izao ny apostoly Paoly: “Hianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo izy.” (Efesiana 6:4). Tsy mahagaga àry ny nilazan’ny lahatsoratra iray tao amin’ny The Wilson Quarterly fa ireo raim-pianakaviana tsy manao ny anjara asany no tompon’andraikitra amin’ny olana ara-tsosialy maro. Hoy ilay lahatsoratra: “Teo anelanelan’ny taona 1960 sy 1990, dia maherin’ny avo roa heny ny fitomboana nisy teo amin’ny isan-jaton’ny ankizy tsy miara-miaina amin’ny rainy niteraka azy (...). Ny fialana andraikitra asehon’ny raim-pianakaviana no hery mitaona lehibe ao ambadiky ny maro amin’ireo olana manelingelina indrindra mahazo ny fiaraha-monina atỳ Amerika.”
Midika ve izany fa voatokana tsy hahomby ireo ankizy izay tsy mba nahazo fitarihana avy amin’ny rainy? Tsia. Hoy ny mpanao salamo iray fahiny: “Fa ny raiko aman-dreniko efa nahafoy ahy; fa Jehovah kosa no mandray ahy.” (Salamo 27:10). Hitan’ny zazalahy iray sivy taona any Tailandy fa marina izany. Namoy ny reniny izy fony izy mbola zaza menavava, ary navelan-drainy tamin’ny renibeny, satria tsy tiany. Nahatsiaro tena ho tsy nirina sy tsy tiana ilay zazalahy ka tonga mpikomy sady nanana laza ho mpampijaly kely. Hatramin’ny renibeny aza norahonany. Voamariky ny Vavolombelon’i Jehovah roa, mpitory manontolo andro ny filazantsara, fa matetika izy no nijoro teo ivelan’ny Efitrano Fanjakana teo an-toerana, ka nasainy hankany an-tranony.
Noresahin’izy ireo taminy ny momba an’Andriamanitra, ka nambarany azy fa tia ny zanany, tahaka ny ray, Andriamanitra. Noresahiny koa ny amin’ilay Paradisa an-tany ampanantenain’Andriamanitra an’ireo olona mahatoky. (Apokalypsy 21:3, 4). Nanintona ilay zazalahy izany rehetra izany, ka niverina isan’andro izy mba hahafantatra bebe kokoa. Nilaza taminy ireo Vavolombelona fa tokony hitsahatra tsy hampijaly kely izy raha tena maniry an’Andriamanitra ho tonga Rainy. Nifanaraka tamin’izao tenin’i Paoly ho an’ny Rômanina izao izany: “Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra.” (Romana 12:18). Tokony hitondra amin-katsaram-panahy ny renibeny koa izy. (1 Timoty 5:1, 2). Tsy ela izy dia nampihatra ireo foto-pitsipika ara-baiboly, ka azo antoka fa tena nanatsara ny fiainam-pianakavian’izy sy ny renibeny izany. (Galatiana 5:22, 23). Nampiaiky volana ny mpiara-monina aoka izany ny fiovana hitany teo aminy, hany ka nirin’izy ireo koa ny hiarahan’ny zanany mianatra Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah!
Toe-tsaina tia fihavanana
Nanoratra toy izao ho an’ny Kôlôsianina ny apostoly Paoly: “Mitafia ny fitiavana, izay fehin’ny hatsaram-panahy rehetra. Hanjaka ao am-ponareo anie ny fiadanan’ny Kristy”. (Kolosiana 3:14, 15, Fandikan-teny Katolika). Azo antoka fa hampifamatotra ny mpianakavy tokoa ny toe-tsaina tia fihavanana sy ny fitiavana amim-pahatsorana. Ary izany dia afaka mamitrana ny fisaratsarahana ara-pianakaviana naharitra. I Rukia, izay monina any Albania, dia tsy nifampiteny tamin’ny anadahiny nandritra ny 17 taona mahery, noho ny tsy fifanarahana teo amin’ny fianakaviana. Rehefa niara-nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy, dia takany fa ampirisihina hitady fihavanana amin’ny hafa ny mpanompon’Andriamanitra rehetra. “Aoka izy hitady fihavanana sy hanaraka azy.” — 1 Petera 3:11.
Takatr’i Rukia fa tsy maintsy mitady fihavanana amin’ny anadahiny izy. Nivavaka izy ny alina manontolo, ary nandeha nankany an-tranon’ny anadahiny ny ampitso maraina, sady nidobodoboka ihany ny fony. Ny zanak’anadahiny no namoha varavarana, sady gaga no nanontany hoe: “Inona no ataonao atỳ?” Nangataka tamin’ny fomba tony i Rukia mba hiresaka tamin’ny anadahiny, tamin’ny fanazavana fa ta hamitram-pihavanana taminy izy. Nahoana? Satria takany ankehitriny fa izany no sitrapon’Andriamanitra. Nandray azy tsara ny anadahiny, ka famihinana sy ranomasom-pifaliana no nanamarika ny fihaonan’izy ireo — fianakaviana iray tafaray noho ny fanarahana ny foto-pitsipika ara-baiboly.
Fifaneraserana ratsy
“Mijery televiziona adiny fito isan’andro amin’ny antsalany ny ankizy iray ankehitriny. Efa nahita vonoana olona maherin’ny 8000 sy fanaovana herisetra 100 000 izy mandra-pahavitan’ny fianarany any amin’ny sekoly fanabeazana fototra.” Izany no nambaran’ilay boky hoe The 7 Habits of Highly Effective Families. Inona no vokatr’izany fitaomana izany eo amin’ny ankizy? Tsy mitovy hevitra ireo “manam-pahaizana” raha ny amin’izany, kanefa mampitandrina mafy ny amin’ny fifaneraserana ratsy ny Baiboly. Izao no ambarany, ohatra: “Izay misakaiza amin’ny adala dia hidiran-doza.” (Ohabolana 13:20). Izao koa no lazainy: “Ny fifaneraserana ratsy dia manimba ny fahazarana mahasoa.” (1 Korintiana 15:33, NW ). Mihatsara ny fiainam-pianakaviana raha toa isika ka mihevitra amim-pahamalinana io foto-pitsipika io ho marina, na olona no ifaneraserana na fandaharana ao amin’ny televiziona.
Niara-nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny renim-pianakaviana iray tany Luxembourg. Nilaza tamin’ilay Vavolombelona izy indray andro fa amin’ny takariva dia tia mifanditra sy mihetraketraka ny zanany roa vavy, fito sy valo taona. Nanontanian’ilay Vavolombelona hoe inona no ataon’izy mirahavavy amin’ny takariva. Nilaza ny reniny fa mijery televiziona izy ireo raha mbola manadio ny lakozia ny tenany. Inona no fandaharana jereny? “Dessins animés ka”, hoy ny navalin’ilay renim-pianakaviana. Rehefa nolazain’ilay mpitsidika fa feno herisetra matetika ireny fandaharana ireny, dia nampanantena ny hanara-maso azy ireo ny renin’izy mirahavavy.
Ny ampitson’iny, dia nilaza ilay renim-pianakaviana fa nihoron-koditra ny tenany nahita ny dessins animés nojeren’ny zanany. Olona sampontsampona tsy tena misy avy any ambony tsy taka-maso any, izay mamono amin-kabibiana izay rehetra tojo azy no nasehon’ireo dessins animés. Nohazavainy tamin’ny zanany fa halan’i Jehovah ny herisetra ary tsy mahafinaritra azy rehefa mijery habibiana toy izany isika. (Salamo 11:5, NW ). Nanaiky ny hanao sary sy hoso-doko, fa tsy hijery televiziona, ireo zazavavy kely ireo, satria niriny ny hampifaly an’i Jehovah. Niova avy hatrany ny fihetsiny mihetraketraka, ka nihatsara ny rivo-piainana tao anatin’ilay fianakaviana.
Ohatra vitsivitsy monja ireo, mba hampisehoana fa manatsara ny fiainam-pianakaviana ny mampihatra ireo foto-pitsipika ara-baiboly. Mahakasika ny toe-javatra rehetra ny torohevitra ao amin’ny Baiboly. Azo itokiana sy manana hery mitaona ho amin’ny tsara izy io. (Hebreo 4:12). Rehefa mianatra ny Baiboly ny olona ka miezaka mampihatra amim-pahatsorana izay lazainy, dia mahazo tanjaka ireo fianakaviana, mihatsara ny toetra, ary voasoroka ny fahadisoana. Mihatsara ny tarehin-javatra na dia mpianakavy iray monja aza no manaraka ny torohevitr’Andriamanitra. Eny tokoa, amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainana, dia tokony hihevitra ny Tenin’Andriamanitra toy izay niheveran’ny mpanao salamo azy toy izao isika: “Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao.” — Salamo 119:105.
[Sary, pejy 5]
Voalamina noho ny fampiharana ireo foto-pitsipika ara-baiboly ireo zava-manahirana ara-pianakaviana