Mikely Aina mba ho “Mpiasa Tsy Mahazo Henatra”
NOTANTARAIN’I ANDRÉ SOPPA
Nafotaka ny Ady Lehibe Faharoa, ka faty mikararàna sy famoizam-po tsy hay lazaina no vokany. Mpandefa sy mpandray famantarana aho, tao amin’ny Tafika An-dranomasina Alemà, izay niantsona tany akaikin’i Narvik, any Norvezy. Tamin’izany no nahafahako nahita maso ny habibiana nampiharin’ny olombelona tamin’ny olombelona. Tamin’ny alina, rehefa nialokaloka teo amin’ny helodranomasina izahay, dia lasan’eritreritra lalina ny amin’ny fiainana aho nahita ny hakanto mahagagan’ireo tara-pahazavana mena sy maitso mifamahofaho, any amin’ny tendrontany avaratra. Azoko antoka fa tsy tompon’antoka tamin’ireo ady nampiseho hadalana ilay Andriamanitra nahary ireny zavatra ireny.
TERAKA tamin’ny 1923 aho, tao amin’ny vohitra kely iray any Lassoth (any Polonina ankehitriny), any akaikin’ny sisin-tanin’i Tsekôslôvakia. Nihalehibe tao amin’ny fianakaviana tantsaha nahantra ny tenako. Katolika nafana fo ny ray aman-dreniko, ary anisan’ny zava-dehibe teo amin’ny fiainanay ny fivavahana. Hatrany am-boalohany anefa dia nanomboka nisalasala ny amin’ilay fivavahana nisy ahy aho. Nisy fianakaviana protestanta telo tao an-tanànanay, ary nailikiliky ny fiaraha-monina katolika izy ireo. Tsy azoko mihitsy hoe nahoana no tokony ho izany no izy. Nampianarina katesizy izahay tany am-pianarana. Indray andro anefa, rehefa nangatahiko hanazava ny amin’ny “Andriamanitra tokana olona telo” ilay mompera, dia kapoka impolo tamin’ny hazo no hany valin-teny azoko. Na izany aza anefa, dia izay nitranga fony aho 17 taona no nanamafy ny fahadisoam-panantenako tamin’ny eglizy. Nifanelanelana iray volana no nahafatesan’ny ray aman-drenin’ny reniko, ary tsy ampy vola handoavana ny saran’ireo fotoam-pivavaham-pandevenana roa nataon’ny eglizy, ny reniko. Koa nanontany an’ilay mompera izy raha ho afaka handoa ny volany tany aoriana kokoa. “Nanan-javatra ny ray aman-dreninao, sa tsy izany?”, hoy ny navaliny. “Amidio ireo, dia ampiasao amin’ny fandevenana ilay vola.”
Taona vitsivitsy talohan’izay, rehefa avy nandray ny fahefana i Hitler tamin’ny 1933, dia tsy navela hiteny poloney intsony izahay; voatery niteny alemà izahay. Nanjary tsy hita popòka tsikelikely ireo izay tsy nety niteny alemà, na ireo tsy afaka nianatra azy io — nalefa tany amin’ny toby fitanana, hono, araka ny nolazaina taminay tatỳ aoriana. Na dia ny anaran’ny tanànanay aza, dia novana ho anarana alemà hoe Grünfliess. Nijanona tsy nianatra aho teo amin’ny faha-14 taonako. Sarotra tamiko ny nahita asa satria tsy tao anatin’ilay fikambanan’ny Tanora Hitlerianina aho. Voaray ho mpianatra asa tao amin’ny mpanefy vy anefa aho, tamin’ny farany. Raha vao nanomboka ny ady, dia nisy vavaka natao tany amin’ny eglizy mba hanohanana an’i Hitler sy ny andian-tafika alemà. Nanontany tena aho raha nisy vavaka fangataham-pandresena toy izany koa tany amin’ilay andaniny iray.
Fanompoana tao amin’ny Tafika An-dranomasina Alemà
Nilatsaka ho anisan’ny Tafika An-dranomasina Alemà aho tamin’ny Desambra 1941, ary teo am-piandohan’ny taona 1942, dia nalefa tany amin’ny morontsirak’i Norvezy mba hanompo tao amin’ny sambo mpisafo tany. Notendrena hanotrona sy hiaro sambo mpitondra miaramila, na fitaovam-piadiana, na entana, izay nivezivezy teo anelanelan’i Trondheim sy i Oslo, izahay. Teny an-dranomasina teny no sendra nandrenesako resaka nifanaovan’ny tantsambo roa mahakasika ny faran’izao tontolo izao voambara mialoha ao amin’ny Baiboly. Na dia natahotra ny hiresaka an-karihary aza izy ireo, dia nilaza tamiko ihany fa niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny ray aman-drenin’izy ireo, saingy tsy nanaraka ny ohatr’izy ireo izy roa lahy ireo. Tamin’izay no nandrenesako voalohany ny amin’ny Vavolombelon’i Jehovah.
Azon’ny Britanika babo izahay tamin’ny faran’ny ady, ka natolony ny Amerikanina mba haverina tany Alemaina. Izahay, izay nipetraka tany amin’ny faritra lasan’ny Sovietika, dia nalefa tany amin’ny tobin’ny babo an’ady tany Liévin, any avaratr’i Frantsa, mba hiasa tany amin’ireo toeram-pitrandrahana arintany. Tamin’ny Aogositra 1945 izany. Tsaroako fa nanontaniako ny iray tamin’ireo Frantsay mpiambina anay hoe inona no fivavahana nisy azy. “Katolika”, hoy ny navaliny. Koa satria Katolika koa ny tenako, dia nanontaniako izy hoe fa nahoana izahay no lasa mpifahavalo? “Tsy misy ilana hiezahana hahatakatra izany. Efa izao fotsiny no izy, dia izay!”, hoy ny valin-teniny. Tamiko, dia hadalana ny hoe olona mitovy fivavahana ka hiady sy hifamono.
Tara-pahazavana tao amin’ny toeram-pitrandrahana arintany
Tamin’ilay andro voalohany niasako tao amin’ilay toeram-pitrandrahana, niaraka tamin’ireo mpitrandraka arintany teo an-toerana, dia nisy izay Evans Emiot izay, nizara ny mofony tamiko. Efa nipetraka an-taonany maro teto Frantsa izy na dia avy tany Ohio, any Etazonia, aza no fiaviany. Niresaka tamiko ny amin’ny tontolo iray tsy hisian’ny ady intsony izy. Nahatalanjona ahy ny fihetsiny feno hatsaram-panahy. Tsy nankahala ahy izy na dia Alemà aza aho, ary izy Amerikanina. Tsy afaka nifandray intsony izahay raha tsy tany am-piandohan’ny 1948, fony izy nanome ahy ilay bokikely nitondra ny lohateny hoe “Le Prince de Paix”. Ela ny ela ka nianatra ny amin’ny Andriamanitra iray be hatsaram-po izay nankahala ny ady aho, dia ilay karazana Andriamanitra izay nalaiko sary an-tsaina fony aho nitazana ireo tara-pahazavana mena sy maitso nifamahofaho, tany amin’ny tendrontany avaratra. Tapa-kevitra ny hikaroka ilay fivavahana nampianatra izany aho. Noho i Evans niasa tany amin’ny tapany hafa amin’ilay toeram-pitrandrahana anefa, dia tsy afaka nifandray taminy aho. Lany haika aho nitety ireo antokon’olona mpivavaka tao amin’ilay toby, nanontany azy ireo raha nahafantatra ny amin’ilay bokikely izy ireo, fa ehe, tsy nisy vokany!
Farany, tamin’ny Aprily 1948, dia afaka tany amin’ilay toby aho, ka nanjary mpiasa afaka. Ny alahady nanaraka an’iny indrindra, dia taitra aho nandre lakolosy kely naneno teny amin’ny arabe. Akory ny hafaliako nahita an’i Evans! Teo izy niaraka tamin’ny antokona Vavolombelon’i Jehovah niambozona takelaka nanambara ny lohatenin’ny lahateny ampahibemaso iray. Ilay Vavolombelona nampaneno lakolosy dia i Marceau Leroy, anisan’ny Komitin’ny Sampana eto Frantsa ankehitriny. Nampifankahalalaina tamiko i Joseph Kulczak, Poloney iray niteny alemà izay nijaly tany amin’ny toby fitanana noho ny finoany. Nanasa ahy hankany amin’ny fivoriana izy tamin’io takariva io. Tsy nisy zavatra azoko firy tamin’izay nolazaina tany, fa rehefa nanangan-tanana ny mpanatrika rehetra, dia nanontaniako ny amin’ny anton’ny nanaovan’izy ireo izany, ilay olona teo anilako. “Izy ireo no afaka ny handeha hitory any Dunkerque amin’ny herinandro ambony.” “Afaka mankany ve aho?”, hoy aho nanontany. “Ia!”, hoy ny valiny. Koa nitory isan-trano aho ny alahady nanaraka an’iny. Na dia tsy hoe nahafinaritra avokoa aza ny olona rehetra hitanay, dia finaritra aho ka tsy ela dia nitory tsy tapaka.
Nianatra nifehy ny fironako ho mora nisendaotra
Nanomboka nitory tany amin’ny trano fitobian’ireo alemà afaka tany am-ponja, ny Vavolombelona, tsy ela taorian’izay. Tsy mora tamiko ilay izy satria be mpahalala aho tany, noho izaho mora nisafoaka. Rehefa nisy namazivazy ny fitoriako, dia norahonako hoe: “Raha tsy mitandrina ianao, dia hahita raharaha amiko.” Indray mandeha aza, tany amin’ny toeram-pitrandrahana, teo am-piasana tsara iny, dia nanisy totohondry olona mihitsy aho, noho izy nanaraby an’i Jehovah.
Noho ny fanampian’i Jehovah anefa, dia afaka nanova ny toetrako aho. Indray andro, raha nitory tany amin’ireny trano fitobiana ireny indrindra izahay, dia nisy andiana lehilahy efa mamomamo, nanakotaba Vavolombelona sasany. Noho ny fahafantaran’ireo rahalahy niaraka tamiko fa olona tsy tohinina aho, dia nanandrana nisakana ahy tsy hisalovana izy ireo. Nanatona ahy anefa ny iray tamin’ireo lehilahy ireo, hita ho vonon-kamely, ary nanomboka nanaisotra ny palitaony. Nidina tamin’ny bisikiletako aho, dia nomeko azy hotazoniny ilay izy, ary nataoko tao am-paosiko ny tanako. Nanaitra azy tokoa izany, ka nihaino izay nolazaiko izy. Nasaiko nandeha nody mba hatory izy ary avy eo dia ho tonga any amin’ny lahateny ampahibemaso. Inona tokoa fa teo izy, tamin’ny telo ora tolakandro. Nisy gadra taloha tokony ho 20 nanaiky ilay hafatra, tamin’ny farany. Raha ny amiko kosa, dia natao batisa aho tamin’ny Septambra 1948.
Fandaharam-potoana feno nefa nahafa-po
Nomena ahy ny andraikitra hikarakara ny faritany nitorianay sy hitady toerana azonay nanaovana lahateny ampahibemaso. Mba hanaovana izany, dia nandeha tokony ho 50 kilaometatra tamin’ny môbilety keliko aho indraindray, talohan’ny niasako tany amin’ilay toeram-pitrandrahana, niaraka tamin’ireo ekipana mpiasa niasa farany. Avy eo, rehefa tonga ny faran’ny herinandro, dia nandeha aotobisy nankany amin’ilay faritany izahay, ka teo no nasainay nidina ny fiara ny mpandahateny, niaraka tamin’ny mpitory roa na efatra. Tany amin’ireo tanàna lehibe kokoa, rehefa nahita toerana tsara izahay, dia nampifanaingeninay ny valizinay mba hatao polipitra ho an’ny mpandaha-teny. Matetika izahay no niambozona sy nibaby takelaka, mba hanambarana ny loha hevitr’ilay lahateny ampahibemaso izay nanasanay ny olona.
Tamin’ny 1951 no nifankahitako tamin’i Jeannette Chauffour, Vavolombelona avy tany Reims. Vao nifankahita izahay dia samy raiki-pitia, ary nivady herintaona taorian’izay, tamin’ny 17 May 1952. Nifindra tany Pecquencourt, tanàna nisy toeram-pitrandrahana tany akaikin’i Douai, izahay. Tsy ela anefa dia nanomboka tsy salama aho. Hita fa voan’ny silikôzy aho, aretin-tratra vokatry ny fiasana tany amin’ny toeram-pitrandrahana. Tsy afaka nahita karazan’asa hafa anefa aho. Koa tsy nisy nanakantsakana anay tsy hifindra àry rehefa nangatahina hanao izany izahay, tamin’ny fivoriambe iraisam-pirenena tany Nuremberg, any Alemaina, tamin’ny 1955. Nangatahina tokoa mantsy izahay mba hanampy kôngregasiôna kely tany Kehl, tanàna kely be indostria, manamorona ny onin’i Rhin. Tsy nisy afa-tsy mpitory 45 tamin’izay fotoana izay, tao amin’ilay kôngregasiôna. Nandritra ireo fito taona nanaraka niarahanay niasa tamin’io kôngregasiôna io, dia nitombo ho 95 ny isan’ny mpitory.
Tombontsoam-panompoana fanampiny
Rehefa hitanay fa tafaorina tsara ilay kôngregasiôna, dia nangataka tamin’ny Fikambanana izahay mba hahazo fanendrena teto Frantsa, tamin’ny naha mpisava lalana manokana. Akory ny hagaganay fa notendrena ho ao Paris, izahay. Hafaliana tsy omby tratra ny anay nandritra ireo valo volana laninay tao. Nanana tombontsoa nitarika fampianarana Baiboly 42, izahay sy i Jeannette, raha natambatra ny isan’ireo nampianarinay. Dimy tamin’ireo nampianarinay no natao batisa nandritra ny naha tany anay, ary nisy 11 hafa nanaiky ny fahamarinana tatỳ aoriana.
Koa satria nipetraka tao amin’ny Quartier Latin izahay, dia matetika no nihaona tamina profesora avy ao amin’ny Oniversiten’i Sorbonne. Nianatra Baiboly ka tonga Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny farany, ny profesorana filôzôfia iray efa nisotro ronono, izay nanao fanasitranana tamin’ny alalan’ny finoana. Indray andro, dia nanomboka dinidinika ara-baiboly tamina injenieran’ny asa vaventy aho. Nifandray akaiky tamin’ireo mpampianatra zezoita izy io. Tonga tao an-tranonay izy tamin’ny telo tolakandro ary niala tao tamin’ny folo alina. Akory ny hatairanay fa niverina teo am-baravaranay izy, adiny iray sy sasany taorian’izay. Avy niresaka tamin’ny Zezoita iray, izay tsy nahavaly ny fanontaniany momba ny faminaniana ao amin’ny Baiboly, izy. Tamin’ny iray maraina vao nody tany an-tranony izy, kanefa dia mbola niverina indray tamin’ny fito maraina. Tonga Vavolombelon’i Jehovah koa izy io, rehefa nandeha ny fotoana. Fampaherezana lehibe ho anay mivady ny hetahetam-pahamarinana toy izany.
Rehefa avy nanompo tao Paris aho, dia nasaina hanompo tamin’ny naha mpiandraikitra mpitety faritany, tany atsinanan’i Frantsa. Tena fifaliana ho anay tokoa ny nitsidika ireo kôngregasiôna niteny frantsay sy alemà, ka nanatanjaka ireo rahalahy. Nihaona tamin’i Stanislas Ambroszczak aho, fony nitsidika ny kôngregasiôna tao Rombas, any Lorraine. Poloney iray nanompo tao amin’ny sambo mpisitrika an’ny Mpiray Dina (Alliés) izy, nandritra ny ady, ary niady tany amin’ny fari-dranomasina norvezianina. Tao amin’ny andaniny mpifahavalo izahay, fony namakivaky ranomasina iray ihany. Mpirahalahy izahay ankehitriny, miara-miasa eo am-panompoana an’i Jehovah Andriamanitray. Nahita olona fantatro koa aho, indray mandeha, tany amin’ny fivoriambe tany Paris. Tsy iza izany fa ilay lehiben’ny toby nigadrako tany avaratr’i Frantsa. Hafaliana moa ny anay niara-niasa nandritra ilay fivoriambe! Toy izany ny herin’ny Tenin’Andriamanitra izay afaka manova mpifahavalo taloha ho mpirahalahy sy mpinamana akaiky!
Nampalahelo fa, taorian’ny 14 taona nanaovako ny asa fitetezam-paritany, dia voatery nitsahatra aho noho ny fitomboan’ny tsy fahasalamako. Tapa-kevitra ny hanohy hanompo an’i Jehovah araka izay tratran’ny herinay anefa izahay mivady. Koa nahita trano sy asa tany amin’ny tanànan’i Mulhouse, any atsinanan’i Frantsa, izahay, ary tonga mpisava lalana (mpitory manontolo andro).
Fifalian-dehibe hafa iray nandritra ny taona maro, ny nidirako an-tsehatra teo amin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana. Nangatahina mba handamina ekipa iray ho an’ny fanorenana any atsinanan’i Frantsa aho, tamin’ny 1985. Tamin’ny fampiasana mpiasa mahay sy tamin’ny fampiofanana mpiasa an-tsitra-po feno fahavononana, no nahafahanay namorona ekipa iray izay nandray anjara tamin’ny fanorenana sy fanavaozana efitrano maherin’ny 80, ka nahatonga azy ireny ho mendrika ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah. Ary hafaliana moa ny ahy, rehefa niasa tamin’ny fanorenana Efitrano Fivoriambe iray sy Efitrano Fanjakana dimy tany Guyane, any Amerika Atsimo aho, tamin’ny 1993!
Fikirizana na dia eo aza ny fisedrana
Afaka milaza marimarina aho fa feno hafaliana sy tombontsoam-panompoana lehibe ny fiainako nandritra ireo 50 taona lasa nanaovako asa teôkratika. Nampalahelo fa nodimandry tamin’ny Desambra 1995 ny vady malalako, izay niaraka tamiko nandritra ny 43 taona. Na dia fotoam-pahoriana be aza izany, ary mbola malahelo ihany aho amin’izao andro izao, dia nomen’i Jehovah tanjaka aho, ary tia sy nanohana ahy ireo rahalahiko sy anabaviko ara-panahy ka nanamaivana ihany ny fahoriako izany rehefa nandeha ny fotoana.
Mbola tsaroako tsara ny tenin’ny rahalahy voahosotra iray tany amin’ny fivoriambe iray tany Munich, any Alemaina, tamin’ny 1963. “André a”, hoy izy, “aza miherikerika miankavia na miankavanana. Nandia fitsapana ireo rahalahy tany amin’ny toby fitanana. Miankina amintsika izao ny fanohizana izany. Tsy tokony hitsetra tena na oviana na oviana isika. Koa mikiriza!” Nataoko tao an-tsaina mandrakariva izany. Amin’izao tsy ahafahako manao be toy ny taloha izao, noho ny tsy fahasalamako sy ny fandroson’ny taona, dia loharanom-pampaherezana ho ahy mandrakariva ireo teny hita ao amin’ny Hebreo 6:10 manao hoe: “Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany”. Eny, ny fiasana eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah no tombontsoa lehibe indrindra mety hananan’ny olona iray, na iza izy na iza. Nandritra ireo 50 taona lasa, dia ny ho “mpiasa tsy mahazo henatra” no efa tanjoko sady mbola tanjoko ihany. — 2 Timoty 2:15.
[Sary, pejy 22]
Ilay karazan-tsambo niasako tany amin’ny helodranomasin’i Norvezy
[Sary, pejy 23]
Fitoriana nampiasana bisikileta, tany avaratr’i Frantsa
[Sary, pejy 23]
Valizy nampifanaingenina mba hatao polipitra tamin’ny lahateny ampahibemaso
[Sary, pejy 24]
Niaraka tamin’i Jeannette vadiko, tamin’ny mariazinay tamin’ny 1952