Tapa-kevitra ny Hanaraka Fomba Fiaina Araka An’Andriamanitra
Nanan-javatra be dia be hatolotra an’ireo maniry hanompo an’Andriamanitra ny Fivoriambe “Fomba Fiaina Araka An’Andriamanitra”! Ny vehivavy iray nanatrika an’iny fivoriambe iny dia nilazalaza azy iny ho “fotoana iray nahatalanjona, izay nandraisana fampianarana sy fampaherezana ary fanazavana ara-panahy”.
NILAZA ny mpanatrika iray hafa fa “nisy zavatra be dia be hampiasaina sy hosaintsainina ary horaisina” tamin’iny fivoriambe iny. Andeha àry izao hodinihintsika mihitsy ilay fandaharana.
Jesosy Kristy — Ilay Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
Izany no foto-kevitry ny andro voalohany tamin’ilay fivoriambe. (Jaona 14:6). Ilay lahateny voalohany dia nanoritra toy izao ny zava-kendren’ilay fiarahantsika nivory tao amin’ilay fivoriambe: mba hahazoantsika fampianarana fanampiny mahakasika ilay fomba fiaina tsara indrindra, dia ny fomba fiaina araka an’Andriamanitra. Mampianatra ny vahoakany ny fomba handehanana amin’ny lalany i Jehovah. Amin’ny alalan’ny Baiboly, sy ny “mpanompo mahatoky sy malina”, ary ny fanahy masina, no anomezany izany fampianarana izany. (Matio 24:45-47, NW; Lioka 4:1; 2 Timoty 3:16). Tombontsoa toy inona moa izany hoe ampianarin’ilay Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao izany!
Mifanaraka amin’ilay foto-kevitr’iny andro voalohany iny ny lahateny fototra, satria nitondra ny lohateny hoe: “Ny Avotr’i Kristy — Ny Fomba Itondran’Andriamanitra Famonjena”. Tena zava-dehibe ny hanekena ny anjara asan’i Jesosy Kristy ao amin’ny fikasan’i Jehovah, eo am-panarahana ny fomba fiaina araka an’Andriamanitra. Hoy ilay mpandahateny: “Raha tsy teo ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy, dia tsy hisy olona, na inona na inona zavatra inoany na ataony, ho afaka hahazo fiainana mandrakizay avy amin’Andriamanitra.” Notononiny tamin’izay ny Jaona 3:16, izay milaza hoe: “Toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” Ny fanehoana finoana ny sorom-panavotan’i Kristy dia mitaky ny hahatongavantsika amin’ny fahalalana araka ny marina ny fahamarinana. Tafiditra amin’izany koa ny fanolorana ny fiainantsika ho an’i Jehovah, amin’ny fanamarihana izany amin’ny alalan’ny batisa ao anaty rano, sy amin’ny fananana fiainana mifanaraka amin’ny ohatra nomen’i Jesosy Kristy. — 1 Petera 2:21.
Nanokatra ny fotoam-pivoriana tamin’ny tolakandro ny lahateny iray nitondra ny lohateny hoe: “Tsy ho Levona Mandrakizay ny Lalan’ny Fitiavana”. Izy io dia nisy famakafakana isan’andininy ny amin’ilay filazalazana mampientana nomen’i Paoly mahakasika ny fitiavana, voarakitra ao amin’ny 1 Korintiana 13:4-8. Nampahatsiahivina ny mpanatrika fa marika iray hamantarana ny Kristianisma ny fitiavana feno fahafoizan-tena, ary lafiny lehibe amin’ny fanompoam-pivavahana ankasitrahan’i Jehovah ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona.
Nanaraka izany ny fitohitohizan-dahateny iray nisy fizarana telo, nitondra ny lohateny hoe: “Ry Ray Aman-dreny — Alenteho ao Amin’ny Zanakareo ny Lalan’Andriamanitra”. Afaka manampy ny zanany mba hanompo an’Andriamanitra ny ray aman-dreny, amin’ny fanomezana ohatra tsara eo amin’ny famakiana sy ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra. Afaka mandentika ny fahamarinana ao amin’ireo zanany izy, amin’ny alalan’ny fianaram-pianakaviana tsy tapaka, ampifanarahina amin’izay ilain’ny mpianakavy. Zava-dehibe koa ny hanampiana ny ankizy mba handray anjara amin’ny asan’ny kôngregasiôna sy ny fanompoana eny amin’ny saha. Na dia zava-tsarotra aza ny fitaizana ankizy matahotra an’Andriamanitra, eo anivon’ity tontolo ratsy ity, dia mitondra valisoa lehibe ny fanaovana izany.
Taorian’io fitohitohizan-dahateny io no nanaovana ilay lahateny hoe “Avelao Hamolavola Anao ho Amin’ny Zava-kendrena Mendri-kaja i Jehovah”. Tsy misy hafa amin’ny mpanefy tanimanga iray izay mamolavola vilany tanimanga no amolavolan’Andriamanitra an’ireo maniry hanompo azy. (Romana 9:20, 21). Amin’ny fanomezana torohevitra avy ao amin’ny Teniny sy amin’ny alalan’ny fandaminany no anaovany izany. Hanampy antsika hampiasa amin’ny fomba feno ny fahaizantsika i Jehovah raha toa isika ka miezaka mba ho azo ampiasaina, mahay manararaotra ny fahafahana misokatra, ary vonona ny hamela azy hitarika ny diantsika.
Taorian’izay ny tapany iray nampientanentana tamin’ilay fandaharana, dia ny hoe “Fanompoana eo Amin’ny Saha Misionera”. Amin’izao fotoana izao, dia mpitory kristianina miisa 2 390, izay heverina ho manana ny zon’ny misionera, no manompo manerana ny tany, any amin’ny firenena 148. Mamela ohatra faran’izay tsara eo amin’ny tsy fivadihana sy ny zotom-po izy ireo, ary velom-pankasitrahana lalina noho ny tombontsoany manompo any amin’ny saha ivelan’ny taniny. Nandritra an’io tapany tamin’ilay fandaharana tamin’ny fivoriambe iraisam-pirenena io, dia nisy misionera niresaka momba ireo zava-tsarotra sy fifaliana hitany eo amin’ny fiainana amin’ny maha misionera azy.
Ny lahateny farany tamin’iny andro voalohany iny dia nitondra ny lohateny hoe: “Misy Fiainana ve Aorian’ny Fahafatesana?” Hatramin’ny an’arivony taona maro no efa nahavery hevitra ny olombelona io fanontaniana io. Niezaka hahatakatra an’io foto-kevitra io ny olona tany anivon’ny fiaraha-monina rehetra. Betsaka tokoa ny valiny nomena, izay heverina fa mahavaly azy io. Samy hafa toy ireo fombafomba sy fivavahana arahin’ireo nanolotra azy ihany ireny valiny nomena ireny. Na izany aza, dia mila mianatra ny fahamarinana ny olona.
Avy eo, dia nambaran’ilay mpandahateny ny fivoahan’ilay bokikely vaovao mahaliana, 32 pejy, izay mitondra ny lohateny hoe Inona no Mitranga Amintsika Rehefa Maty Isika? Hazavain’io bokikely io ny niandohan’ny fampianarana momba ny tsy fahafatesan’ny fanahy ary asehony ny fomba nahatonga an’io hevitra io hitana toerana lehibe, saika ao amin’ny fivavahana rehetra eto amin’izao tontolo izao ankehitriny. Fakafakain’izy io amin’ny fomba mazava sy manintona izay lazain’ny Baiboly momba ny fanahy, sy ny antony mahatonga antsika ho faty, ary izay mitranga amintsika rehefa maty isika. Hazavain’ilay bokikely ihany koa ny fanantenana ho an’ny maty sy ny velona. Na aiza na aiza misy ireo mpitady ny fahamarinana dia ho fitahiana ho azy ireo tokoa io bokikely io!
Tandremo Tsara Izay Fandehanareo
Izany ka foto-kevitra tena nety ho an’ny andro faharoa tamin’ilay fivoriambe! (Efesiana 5:15). Nifantoka tamin’ny asa fitoriana sy fanaovana mpianatra ny fandaharana tamin’ny maraina. Taorian’ny nandinihana ny andinin-teny ho an’ilay andro, dia ilay lahateny hoe “Ampio Hiditra eo Amin’ny Lalan’ny Fiainana ny Olona”, no nanohizana ny fandaharana. Eo am-panatontosana an’io asa maika io, dia zava-dehibe ny hananana toe-tsaina tsara, amin’ny fanekena fa sady tombontsoa no adidy ny firesahana amin’ny hafa ny fahamarinana. Tamin’ny taonjato voalohany am.f.i., dia nanda ny Tenin’Andriamanitra ny ankamaroan’ny olona. Na dia teo aza anefa ny fanoherana, dia nisy ireo ‘nirona araka ny mety ho amin’ny fiainana mandrakizay ka tonga mpino’. (Asan’ny Apostoly 13:48, 50, NW; 14:1-5). Mitovy amin’izany koa ny amin’izao andro izao. Na dia maro aza no mandà ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, dia manohy mikaroka an’ireo izay handray tsara isika. — Matio 10:11-13.
Ny lahateny nanaraka dia nandinika zava-tsarotra iray, dia ny fitondrana ny hafatra momba ny fiainana, any amin’ny hafa. Koa satria sarotra kokoa izao ny mahita olona any an-tranony, dia mila manao zavatra amin’ny fomba feno sy mahay mamoron-kevitra isika, raha tiantsika ny hitondra ny hafatra momba ilay Fanjakana any amin’ny olona maro araka izay azo atao. Any amin’ny tany maro, dia misy mpitory ny vaovao tsara mahita vokatra tsara dia tsara, amin’ny fitoriana an-telefaonina sy amin’ny fitoriana any amin’ny faritany be toeram-piasana, ka mahatratra olona izay tsy mora hita tamin’ny fomba hafa.
Ilay lahateny nitondra ny lohateny hoe “Ampianaro Izay Rehetra Nandidian’i Kristy Ireo Mpianatra”, dia nifantoka tamin’ny maha zava-dehibe ny fahatongavana ho kinga eo amin’ny fanompoantsika. Mihatsara ny fahaizantsika mampianatra rehefa miana-javatra avy amin’ny hafa isika ka mampihatra ny fampiofanana faran’izay tsara azo any amin’ireo fivorian’ny kôngregasiôna. Arakaraka ny maha kinga antsika eo amin’ny fampianarantsika no ahitantsika fifaliana sy fahafaham-po mitombo, eo amin’ny asantsika fanampiana ny olona mba hianatra ny fahamarinana ara-baiboly.
Nifarana tamin’ny lahateny iray momba ny hevitry ny fanoloran-tena sy ny batisa ny fotoam-pivoriana maraina. Ny iray tamin’ireo hevitra navohitr’ilay mpandahateny dia ny hoe: raha mitoky tanteraka amin’Andriamanitra isika ka miezaka amim-pahatsorana hanao ny sitrapony, dia hitahy sy hanohana antsika izy. Nanoratra toy izao ny lehilahy hendry iray: “Maneke [an’Andriamanitra] amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao.” (Ohabolana 3:6). Ilay batisa mahafaly mihitsy dia efa zavatra iray nisongadina tamin’ny fivoriambe, ka nampiseho fa maro no nanomboka nanaraka ny fomba fiaina araka an’Andriamanitra.
Taorian’ny fiatoana tamin’ny antoandro, dia ilay lahateny hoe “Manompoa ho Fikendrena ny Hiaina Mandrakizay” no nanombohan’ny fotoam-pivoriana tolakandro. Ho tanteraka ilay fikasan’Andriamanitra hoe hanompo azy mandrakizay eto an-tany ny olombelona mankato. Mety tokoa àry raha afantotsika amin’ny fanompoana an’i Jehovah ny fisainantsika sy ny fikasantsika ary ny fanantenantsika, ho fikendrena ny mandrakizay! Na dia maniry hitadidy tsara ao an-tsaina ny andron’i Jehovah aza isika, dia tena zava-dehibe ny hahatsiarovantsika fa ny hanompo mandrakizay no tanjontsika. (2 Petera 3:12). Tsy fantatsika ny fotoana marina hanatanterahan’i Jesosy ny famalian’Andriamanitra, ka izany dia mahatonga antsika ho mailo hatrany no sady manome fahafahana antsika isan’andro mba hanaporofoantsika fa tsy antony manosika feno fitiavan-tena akory no anompoantsika an’i Jehovah.
Ireo lahateny roa nanaraka izany dia nandinika ny toko fahefatra amin’ny taratasin’i Paoly ho an’ny Efesiana. Anisan’ny zavatra nodinihina ny fitahiana azontsika amin’ireo “lehilahy natolotra ho fanomezana” (NW ), izany hoe ireo lehilahy mahafeno fepetra ara-panahy izay voatendrin’ny fanahy masina. Ireny loholona ireny dia manome torohevitra sy tari-dalana mba hahasoa antsika ara-panahy. Ilay taratasin’i Paoly ara-tsindrimandry koa dia mampirisika ny Kristianina mba ‘hitafy ny toetra vaovao’. (Efesiana 4:8, 24). Anisan’ny toetra araka an’Andriamanitra ny fangoraham-po, ny hatsaram-panahy, ny fanetren-tena, ny fahalemem-panahy, ny fandeferana, ary ny fitiavana. — Kolosiana 3:12-14.
Tafiditra amin’ny fitandremantsika tsara izay fandehantsika ny fitoerantsika tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao. Izany no foto-kevitry ny lahateny nanaraka. Ilaina ny fahaiza-mandanjalanja eo amin’ny fialam-boly fidina sy ny fiaraha-mikorana ary ny fikatsahana zavatra ara-nofo. Amin’ny fampiharana ny torohevitra ao amin’ny Jakoba 1:27, ny amin’ny tokony hitoerantsika tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao, dia madio eo anatrehan’Andriamanitra isika ary manana feon’ny fieritreretana tsara. Afaka ny hanana fiainana misy zava-kendrena koa isika ary hahazo fitahiana, dia fiadanana sy fanambinana ara-panahy ary namana mahafinaritra.
Nanaraka izany ny fitohitohizan-dahateny iray nitondra ny lohateny hoe: “Ry Tanora — Araho ny Lalan’Andriamanitra”. Noho ny fahafantaran’ny tanora fa sady tia azy Andriamanitra no mankasitraka ny ezaka ataony mba hanohanana ny fanompoam-pivavahana madio, dia tokony hizatra hampiasa ny fahaizany manavaka izy ireo mba hanompoana an’Andriamanitra amim-pahatokiana. Fomba iray hampitomboana ny fahaiza-manavaka ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra isan’andro sy ny fisaintsainana azy io. Raha manao izany isika, dia afaka ny ho tonga amin’ny fahafantarana ny lalan’i Jehovah. (Salamo 119:9-11). Mitombo ihany koa ny fahaiza-manavaka rehefa ekena ny torohevitra matotra avy amin’ny ray aman-dreny sy ny loholona ary ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana. Rehefa mampiasa araka ny tokony ho izy ny fahaizany manavaka ny tanora, dia afaka manohitra ka tsy ho revo amin’ny fananana ara-nofo sy ny teny maloto ary ny fialam-boly tafahoatra, izay mampiavaka ity tontolo lavitra an’Andriamanitra ity. Amin’ny fanarahana ny fomba fiaina araka an’Andriamanitra, dia afaka ny hahita fahombiazana marina na ny tanora na ny antitra.
Ny lahateny farany tamin’iny andro iny dia hoe: “Ny Mpamorona — Ny Toetrany sy ny Lalany”. Hoy ilay mpandahateny, taorian’ny nanazavany fa olona an’arivony tapitrisa maro no tsy mahalala ny Mpamorona: “Ny fiainana tena misy heviny dia mifandray amin’ny fahalalana an’ilay Mpamorona, dia ilay Andriamanitsika velona, sy ny fahatakarana ny toetrany ary ny fanarahana ny lalany. (...) Ireo zava-misy momba ny tontolontsika sy momba izay mahaforona antsika dia azonao ampiasaina mba hanampiana olona hanaiky ny fisian’ilay Mpamorona, ka hahitany fiainana misy heviny amin’izany.” Avy eo, dia nanome porofon’ny fisian’ny Mpamorona iray hendry sy be fitiavana, ilay mpandahateny. Nahatratra ny fara tampony ilay lahateny, tamin’ny famoahana ny boky vaovao iray hoe: Y a-t-il un Créateur qui se soucie de vous?
“Ity no Làlana, ka Andehano”
Izany no foto-kevitry ny andro fahatelo tamin’ilay fivoriambe. (Isaia 30:21). Fitohitohizana lahateny telo nampientanentana, izay nifantoka tamin’ny tempoly hitan’i Ezekiela tamin’ny fahitana, no nanombohana ny fandaharana. Misy heviny lehibe ho an’ny vahoakan’Andriamanitra amin’izao andro izao io fahitana io, satria mifandray amin’ny fanompoam-pivavahana madio amin’izao androntsika izao. Inty ny fanalahidin’ny fahazoana ny hevitr’ilay fahitana: sary mampiseho ny fandaharana ataon’i Jehovah mahakasika ny fanompoam-pivavahana madio ilay tempoly ara-panahy lehiben’i Jehovah. Teo am-pandinihana ireo lafiny misongadina amin’ilay fahitana, ny mpihaino dia nisaintsaina ny amin’ny zavatra ataony ho fanohanana ny asa tontosain’ireo mpiandraikitra be fitiavana anisan’ny sisa voahosotra, sy ny asa tontosain’ireo ho anisan’ny kilasin’ny filoha.
Tatỳ aoriana kokoa tamin’io maraina io, dia nisy fampisehoana tantara ara-baiboly nahaliana. Mpilalao nanao fitafiana nifanaraka tamin’ny vanim-potoana nisehoan’ny tantara no nandray anjara tamin’izany. Ny lohatenin’ilay fampisehoana tantara dia hoe: “Ry Fianakaviana — Ataovy Fomba Fiainanareo ny Famakiana Baiboly Isan’andro!” Nampiseho ny finoana sy ny herim-pon’ireo Hebreo telo lahy izay nanda tsy hiankohoka teo anoloan’ilay sary volamena natsangan’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona, izy io. Ny zava-kendren’ilay fampisehoana tantara dia ny hampisehoana fa tsy boky mirakitra tantara tranainy fotsiny akory ny Baiboly fa tena mitondra soa koa ny toroheviny, ho an’ny ankizy sy ny olon-dehibe amin’izao andro izao.
Ny fotoam-pivoriana tolakandro no fotoana nanaovana ilay lahateny ampahibemaso hoe: “Ny Hany Lalana Mankany Amin’ny Fiainana Mandrakizay”. Taorian’ny nanasoritan’ilay mpandahateny ny tantaran’ny nahalatsahan’ny olombelona tao amin’ny ota sy ny fahafatesana, dia namarana ny lahateniny tamin’ireto teny mampisaintsaina ireto izy: “Ny loha hevitra ho an’ny andro androany dia ny Isaia toko faha-30, andininy faha-21, manao hoe: ‘Na mivily ho amin’ny ankavanana hianao, na mivily ho amin’ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe: Ity no làlana, ka andehano.’ Ahoana no andrenesantsika io feo io? Amin’ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly Masina, sy amin’ny fanarahana ny fitarihan-dalana omen’ilay Mpampianatra Lehibe antsika, dia i Jehovah Andriamanitra, amin’ny alalan’io Teniny io sy amin’ny alalan’ny fandaminany kristianina amin’ny andro ankehitriny. Eny tokoa, ny fanaovana izany no hany lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay.”
Taorian’ny famintinana ny lahatsoratra fianarana ao amin’ny Tilikambo Fiambenana tamin’iny herinandro iny no nanaovana ny lahateny famaranana, nitondra ny lohateny hoe: “Aza Mitsahatra Mandeha Araka ny Lalan’i Jehovah”. Ny ampahan’izy io dia namerina nijery indray ireo hevi-dehibe tamin’ilay fandaharana. Avy eo ilay mpandahateny dia nandroso fanapahan-kevitra holanina, ho fanehoana fahatapahan-kevitra hanohy hiaina araka ny lalan’Andriamanitra.
Nifarana tamin’ireto teny mampientanentana ireto ilay fanapahan-kevitra holanina: “Manao izao fanapahan-kevitra izao isika satria isika miaiky fa ny fomba fiaina tsara indrindra ankehitriny dia ny miaina araka ireo foto-pitsipika sy torohevitra ary fananarana ao amin’ny Soratra Masina, sady mametraka fanorenana tsara ho amin’ny hoavy, mba hihazonantsika ny tena fiainana. Ambonin’izany rehetra izany, dia manao izao fanapahan-kevitra izao isika satria tia an’i Jehovah Andriamanitra amin’ny fontsika sy ny fanahintsika sy ny saintsika ary ny herintsika manontolo!” “Eny” nanakoako no nanamafisan’ny mpanatrika rehetra ny fanekeny!
[Efajoro/Sary, pejy 8]
Misy Mpamorona Iray Miahy Anao Ve?
Ilay boky vaovao mitondra an’io lohateny io dia mampiseho porofo mampiaiky fa misy ny Mpamorona, dia i Jehovah. Mandinika ny toetran’i Jehovah koa izy io. Natao manokana ho an’ny olona avara-pianarana nefa tsy mino an’Andriamanitra izy io. Io boky 192 pejy io dia hanamafy koa ny finoan’ny olona sasany izay efa mino an’Andriamanitra, satria mampitombo fankasitrahana ny toetran’Andriamanitra sy ny lalany.
Tsy mieritreritra ny mpamaky azy ho mino an’Andriamanitra ny Y a-t-il un Créateur qui se soucie de vous? (Misy Mpamorona Iray Miahy Anao Ve?) Izy io kosa dia mamakafaka ny hoe amin’ny ahoana ireo zava-baovao hitan’ny siansa sy ny fomba fijery ara-tsiansa vao haingana no manaporofo ny fisian’ny Mpamorona. Ireto no lohatenin’ny toko sasantsasany ao anatin’izy io: “Qu’est-ce qui pourrait donner plus de sens à votre vie?” (Inona no Afaka Mampisy Heviny Kokoa ny Fiainanao?), “Apparition et développement de l’univers: la controverse” (Ilay Adihevitra Momba ny Nampisy An’izao Rehetra Izao), sy ny hoe “Vous êtes unique!” (Tsy Manan-tsahala Ianao!) Ny toko hafa dia mandinika ny antony ahafahantsika mahazo antoka fa ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ny Baiboly. Mandinika ny Baiboly amin’ny ankapobeny koa io boky vaovao io. Ny Baiboly tokoa mantsy no manambara ny toetra sy ny lalan’ny Mpamorona. Tsy vitan’ny hoe mandinika ny antony namelan’Andriamanitra hisian’ny fijaliana be dia be izy io, fa hazavainy koa ny fomba hamaranany izany mandrakizay.
[Sary, pejy 7]
Maro no natao batisa
[Sary, pejy 7]
Navoakan’i A. D. Schroeder, anisan’ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ilay bokikely vaovao
[Sary, pejy 8, 9]
Nampirisika ny hamakiana ny Baiboly isan’andro ny fampisehoana tantara nampientanentana iray