Inona no Ilaina mba Hahavanona ny Fanambadiana?
Hifidy ny hitsoraka ao anaty renirano ve ianao raha tsy efa nianatra nilomano aloha? Mety hanimba ny fanaovan-javatra amin-kadalana toy izany — mahafaty mihitsy aza. Eritrereto anefa ny amin’ireo olona maro izay maimay ny hanambady, nefa tsy mahalala firy ny amin’ny fomba hiantsorohana ireo andraikitra tafiditra amin’izany.
HOY i Jesosy: “Iza moa aminareo, raha ta hanao tilikambo, no tsy mipetraka aloha mihevitra izay ho lany hanaovany izany, na misy hahavitany azy, na tsia?” (Lioka 14:28). Izay marina amin’ny fanorenana tilikambo, dia marina koa amin’ny fanorenana fanambadiana. Ireo izay maniry hanambady dia tokony haminavina amim-pitandremana izay ho sandan’ny fanambadiana, mba hahazoana antoka fa ho afaka hameno ireo zavatra takina izy ireo.
Topy maso amin’ny fanambadiana
Tena fitahiana tokoa ny fananana vady, mba hizarana ny fifaliana sy ny alahelo eo amin’ny fiainana. Afaka mameno ny banga ateraky ny fahatsapana ho manirery sy ny famoizam-po ny fanambadiana. Voajanahary ao amintsika ny faniriana mafy hotiavina sy hahazo namana ary hifankahazo am-po amin’olona, ka afaka manome fahafaham-po izany ny fanambadiana. Noho ny antony marim-pototra no nilazan’Andriamanitra toy izao, taorian’ny namoronany an’i Adama: “Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy.” — Genesisy 2:18; 24:67; 1 Korintiana 7:9.
Eny, afaka mandamina zava-manahirana sasany ny fananana vady. Hampiditra zava-manahirana vaovao sasany koa anefa izy io. Nahoana? Satria ny fanambadiana dia fampitambarana toetra roa samy hafa izay angamba mifanaraka nefa tsy mitovy. Noho izany, na dia ny mpivady mifanentana tsara aza dia hifandona ihany indraindray. Nanoratra i Paoly apostoly kristianina fa ireo manambady dia “hanam-pahoriana amin’ny nofo”, na “hanam-pahoriana sy alahelo eo amin’ny fiainana ara-batana”, araka ny andikan’ny The New English Bible azy. — 1 Korintiana 7:28.
Nijery lafy ratsin-javatra ve i Paoly? Tsy izany velively! Nampirisika fotsiny an’ireo izay mieritreritra ny hanambady izy, mba hijery ny zava-misy. Tsy fanombanana araka ny marina izay ho fiainan’ny mpivady mandritra ireo volana sy taona aorian’ny andro fampakaram-bady, ny fihetseham-po mahafinaritra tsapa rehefa voasariky ny olona iray ny tena. Manana ny zava-tsarotra sy ny zava-manahirana manokana mampiavaka azy ny fanambadiana tsirairay. Ny zava-dehibe dia tsy ny hoe hipoitra ve izy ireny sa tsia, fa ny fomba hiatrehana azy kosa rehefa hipoitra izy ireny.
Ny zava-manahirana dia manome fahafahana ny mpivady mba hampiseho fa tena mifankatia marina izy ireo. Indro misy ohatra: Mety ho toa mahatalanjona erỳ ny fahitana ny sambo iray rehefa mipetra-potsiny eo am-piantsonana izy io. Eny an-dranomasina anefa, angamba aza eo anivon’ny onja maherin’ny tafiotra iray, no anaporofoana fa tena azo antoka hanaovana dia an-dranomasina izy io. Toy izany koa fa tsy azo faritana fotsiny mandritra ny fotoana milamina hanjakan’ny fitiavana, ny hamafin’ny fatoram-panambadiana. Indraindray dia ao anatin’ny tarehin-javatra sarotra izay amakivakian’ny mpivady tafiotram-pahoriana, no anaporofoana izany.
Mba hanaovana izany, ny mpivady iray dia mila manaiky hanaja ny fanambadiany, satria nokasain’Andriamanitra “hikambana amin’ny vadiny” ny lehilahy, ary “ho nofo iray ihany” izy roa. (Genesisy 2:24). Mampahatahotra olona maro amin’izao andro izao ilay hevitra hoe manaiky hanaja ny fanambadiana. Azon’ny saina ekena tsotra izao anefa ny hoe ny olon-droa tena mifankatia dia haniry hanome fampanantenana mavesa-danja fa hiara-dalana. Mampisy fahamendrehana ny fanambadiana ny fanekena hanaja azy io. Izany dia manome fototra hahatonga ny mpivady hatoky fa hifanohana izy ireo na inon-kihatra na inon-kidona.a Tsy tena vonona ho amin’ny fanambadiana ianao, raha tsy vonona hanaiky hanaja azy io. (Ampitahao amin’ny Mpitoriteny 5:3, 4.) Na ireo izay efa manambady aza dia mety hila ny hanatsara ny fahatakarany ny maha zava-dehibe ny hanekena hanaja ny fanambadiana mba hampaharitra azy io.
Topy maso amin’ny tenanao
Tsy isalasalana fa afaka mitanisa ireo toetra irinao ho hita ao amin’ny vadinao ianao. Sarotra lavitra anefa ny mijery ny tenanao mba hamaritana ny fomba hahafahanao hitondra ny anjara birikinao amin’ny fanambadiana. Zava-dehibe ny fandinihan-tena, aloha sy aorian’ny hanaovana voadim-panambadiana. Ohatra, apetraho amin’ny tenanao izao fanontaniana manaraka izao:
• Vonona ny hampanantena ny vadiko ve aho fa hanaiky hanaja ny fanambadiako, mandritra ny androm-piainako? — Matio 19:6.
Tamin’ny andron’i Malakia mpaminany voalaza ao amin’ny Baiboly, dia lehilahy maro no nandao ny vadiny, angamba mba hanambady vehivavy tanora kokoa. Nilaza i Jehovah fa feno ranomason’ireo vehivavy nilaozam-bady ny alitarany, ary nanameloka ireo lehilahy izay ‘namitaka’ ny vadiny izy. — Malakia 2:13-16.
• Raha mieritreritra ny hanambady aho, moa ve aho efa dila ny vanim-potoan’ny fahatanorana izay mampirongatra be ny fihetseham-po eo amin’ny maha lahy sy ny maha vavy ka ahafahan’izy io manolana ny fahaiza-mitsara zavatra? — 1 Korintiana 7:36.
“Tena mety hahitan-doza ny manambady raha mbola tanora loatra”, hoy i Nikki, izay 22 taona fony izy nanambady. Nampitandrina toy izao izy: “Tsy hitsaha-miova ny fihetseham-ponao sy ny tanjonao ary ny zavatra tianao, manomboka eo amin’ny faramparan’ny fotoana maha zatovo anao, mandra-pahatongan’ny faha-25 ka hatramin’ny faha-29 taonanao.” Mazava ho azy fa tsy azo faritana amin’ny taona fotsiny ny fahavononana ho amin’ny fanambadiana. Na izany aza, dia mety hanolana ny fihevitry ny tena sy hanajamba ny tena amin’ireo zava-manahirana mety hitranga, ny manambady raha mbola tsy dila ny vanim-potoana maha zatovo ny tena, satria amin’izay dia mbola vaovao sy mafy indrindra ny fihetseham-po eo amin’ny maha lahy sy ny maha vavy.
• Inona avy ireo lafin-toetra ananako izay hanampy ahy ho anisan’ny hahatonga ny fanambadiako ho vanona? — Galatiana 5:22, 23.
Nanoratra toy izao ho an’ireo Kolosianina ny apostoly Paoly: “Mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana”. (Kolosiana 3:12). Sahaza tsara an’ireo mieritreritra ny hanambady sy ireo efa manambady, io torohevitra io.
• Manana ny fahamatorana ilaina mba hanohanana ny vadiko mandritra ny fotoan-tsarotra ve aho? — Galatiana 6:2.
“Rehefa mipoitra ny zava-manahirana”, hoy ny dokotera iray, dia eo “ny fironana hanome tsiny ny vadin’ny tena. Tsy ny hahafantarana hoe iza no diso no zava-dehibe indrindra, fa ny fomba ahafahan’ny mpivady miara-miasa mba hanatsarana ny fifandraisany.” Mihatra amin’ny mpivady ireo tenin’i Solomona, mpanjaka hendry. “Tsara ny roa noho ny iray”, hoy ny nosoratany, “raha misy lavo izy, dia arenin’ny namany; fa mahantra ny lavo izay tsy manana namana hanarina azy.” — Mpitoriteny 4:9, 10.
• Moa ve aho falifaly sy mijery lafy tsaran-javatra mazàna, sa manjombon-dava sy saika mijery lafy ratsin-javatra foana? — Ohabolana 15:15.
Mihevitra ny andro tsirairay ho tsy mahafinaritra ny olona iray mifantoka amin’ny lafy ratsin-javatra. Tsy manova amin’ny fomba mahagaga io fihetsika io ny fanambadiana! Raha be fanakianana na tsy mijery afa-tsy ny lafy ratsin-javatra ny mpitovo iray, lehilahy na vehivavy, ka saika izany amin’ny ankapobeny no toetrany, dia tsy hisy hafa amin’izany ihany izy rehefa manambady. Mety hampisy fihenjanana lehibe eo amin’ny fanambadiana ny fomba fijery mifantoka amin’ny lafy ratsin-javatra toy izany. — Ampitahao amin’ny Ohabolana 21:9.
• Moa ve aho mitoetra ho tony rehefa misy fanerena mianjady amiko, sa kosa aho manaiky ho resin’ny fisafoahana? — Galatiana 5:19, 20.
Didiana mba “ho malain-ko tezitra” ny Kristianina. (Jakoba 1:19). Aloha sy mandritra ny fanambadiana, ny lehilahy na ny vehivavy iray dia tokony hamboly ny fahaizana miaina mifanaraka amin’izao torohevitra izao: “Tezera, fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.” — Efesiana 4:26.
Topy maso amin’ilay mety ho vadinao
“Ny mahira-tsaina mandinika ny diany”, hoy ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly. (Ohabolana 14:15). Tena marina indrindra izany rehefa mifidy vady. Iray amin’ireo fanapahan-kevitra lehibe indrindra hataon’ny lehilahy iray na ny vehivavy iray ny fifidianana vady. Voamarika anefa fa olona maro no mandany fotoana betsaka mba hanapahan-kevitra ny amin’izay fiara hovidina na ny sekoly hianarana. Kely kokoa noho izany anefa ny fotoana laniny hanapahan-kevitra ny amin’izay ho vadiny.
‘Hozahan-toetra aloha’ ireo olona anankinana andraikitra ao amin’ny kôngregasiôna kristianina. (1 Timoty 3:10). Raha mieritreritra ny hanambady ianao, dia hirinao ny hahazo antoka fa ‘voazaha toetra’ ilay olona mety ho lasa vadinao. Diniho, ohatra, ireto fanontaniana manaraka ireto. Na dia aseho avy amin’ny fomba fijerin’ny vehivavy aza ireo fanontaniana ireo, dia maro amin’ireo foto-pitsipika ireo koa no mihatra amin’ny lehilahy. Ary afaka mandray soa amin’ny fandinihana ireo hevitra ireo na dia ireo manambady aza.
• Karazana laza manao ahoana no ananany? — Filipiana 2:19-22.
Ny Ohabolana 31:23 dia milazalaza ny lehilahy iray “hajaina eo am-bavahady, raha miara-mipetraka eo amin’ny loholona”. Mipetraka eo amin’ny vavahadin’ny tanàna ireo loholona mba hamoaka didim-pitsarana. Koa miharihary àry, fa nitokisan’ny vahoaka izy. Ny fomba iheveran’ny hafa ny lehilahy iray dia milaza zavatra momba ny lazany. Amin’izay azo ampiharana izany, dia diniho koa ny fomba iheveran’ireo eo ambany fahefany azy. Mety hanondro ny fomba hiheveranao azy any aoriana izany, rehefa lasa vadiny ianao. — Ampitahao amin’ny 1 Samoela 25:3, 23-25.
• Karazana fitondran-tena manao ahoana no ananany?
Ny fahendrena araka an’Andriamanitra dia “madio aloha”. (Jakoba 3:17). Ny fahafaham-pon’ny tenany eo amin’ny firaisana ve no mahaliana kokoa ilay mety ho vadinao, fa tsy ny toerany sy ny toeranao eo anatrehan’Andriamanitra? Raha tsy manao fiezahana mba hiaina mifanaraka amin’ny fari-pitsipika ara-pitondran-tenan’Andriamanitra izy ankehitriny, dia inona no fototra hinoana fa hanao izany izy aorian’ny fanambadiana? — Genesisy 39:7-12.
• Ahoana no fomba itondrany ahy? — Efesiana 5:28, 29.
Milazalaza ny amin’ny lehilahy izay “matoky” ny vadiny, ny Ohabolana, boky ao amin’ny Baiboly. Ambonin’izany dia “midera azy” izy. (Ohabolana 31:11, 28). Tsy saro-piaro amin’ny fomba tafahoatra izy, no sady tsy mila voatsiary. Nanoratra i Jakoba fa ny fahendrena avy any ambony dia “tia fihavanana, [mahalala ny antonony, NW ], (...) be famindrampo sy be voka-tsoa”. — Jakoba 3:17.
• Ahoana no fomba itondrany ny mpianakaviny? — Eksodosy 20:12.
Tsy zavatra takina amin’ny ankizy fotsiny ny fanajana ray aman-dreny. Milaza toy izao ny Baiboly: “Maneke ny rainao izay niteraka anao, ary aza manamavo ny reninao, saingy efa antitra izy.” (Ohabolana 23:22). Mahaliana fa nanoratra toy izao ny Dr. W. Hugh Missildine: “Fahasahiranana ara-panambadiana sy tsy fifanarahan-toetra maro no azo halavirina — na fara faharatsiny, hita mialoha — raha mifampitsidika tsy amim-pihafahafana any an-tranon’ny ankilany ireo mpifamofo, ka mandinika ny fifandraisana misy eo amin’ilay ‘fofombady’ sy ny ray aman-dreniny. Ny fomba fijeriny ny ray aman-dreniny, dia ho taratry ny fomba hiheverany ny vadiny. Tsy maintsy apetraka amin’ny tena izao fanontaniana izao: ‘Moa ve aho maniry ny hoentina toy ny fitondrany ny ray aman-dreniny?’ Ary ny fomba fitondran’ny ray aman-dreniny azy dia hanondro mazava tsara izay fomba hitondrany ny tenany sy izay hantenainy hitondranao tena eo anatrehany — aorian’ny volan-tantely.”
• Mirona hanapoaka ny fahatezerany ve izy na hiteny ratsy?
Manoro hevitra toy izao ny Baiboly: “Esory aminareo ny fo-lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy (...) rehetra”. (Efesiana 4:31). I Paoly dia nampitandrina an’i Timoty ny amin’ireo Kristianina sasany izay “adala amin’ny fiadian-kevitra sy ny fiadian-teny”, ary izay manaiky ho resin’ny “fialonana, fifandirana, fanaratsiana, fiahiahian-dratsy, fifandirana lalandava”. — 1 Timoty 6:4, 5.
Fanampin’izany, i Paoly dia nanoratra fa ny olona izay mahafeno fepetra ho amin’ny tombontsoa manokana ao amin’ny kôngregasiôna, dia tokony ho “tsy mpikapoka”. (1 Timoty 3:3). Tsy mety ho olona mikapoka ara-batana na mandrahona am-bava izy io. Tsy vady sahaza ho an’ny tena ny olona iray izay mirona ho mahery setra amin’ny fotoanan’ny fahatezerana.
• Inona avy ireo tanjony?
Mikatsaka harena ny sasany ary mijinja ny vokany tsy azo ialana. (1 Timoty 6:9, 10). Tsy manana tanjona hotratrarina ny hafa, fa mivenjivenjy fotsiny eny mandritra ny androm-piainany. (Ohabolana 6:6-11). Ny lehilahy iray tia an’Andriamanitra anefa dia hampiseho fahatapahan-kevitra toy ny nataon’i Josoa izay nilaza hoe: “Raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an’i Jehovah izahay.” — Josoa 24:15.
Valisoa sy andraikitra
Zava-naorin’Andriamanitra ny fanambadiana. Nahazoan-dalana avy tamin’i Jehovah Andriamanitra ny fanambadiana, ary izy no nanorina azy io. (Genesisy 2:22-24). Izy no nanao ny fandaharana ny amin’ny fanambadiana mba hanorenana fatorana maharitra eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray mba hahafahan’ny andaniny avy mifanampy. Raha ampiharina ireo foto-pitsipika ara-baiboly, dia afaka manantena ny mpivady fa hahafaly ny fiainany. — Mpitoriteny 9:7-9.
Tsy maintsy takatra anefa fa miaina amin’ny ‘fotoan-tsarotra tsy mora setraina’ isika. Nanambara mialoha ny Baiboly fa mandritra an’io vanim-potoana io, ny olona dia “ho tia ny tenany, ho tia vola, ho mpieboebo, ho mpiavonavona, (...) hivadika, tsy hanana firaiketam-po voajanahary, tsy ho azo ifampiraharahana, (...) ho mpamadika, ho mafy hatoka, ho fatra-pirehareha”. (2 Timoty 3:1-4, NW ). Mety hisy fiantraikany be eo amin’ny fanambadian’ny olona iray ireo lafin-toetra ireo. Araka izany, ireo izay mieritreritra ny hanambady dia tokony hanombana amim-pitandremana izay ho sandan’izany. Ary ireo izay efa manambady ankehitriny dia tokony hilofo hatrany mba hanatsara ny fatorana eo amin’izy ireo amin’ny fianarana sy ny fampiharana ny tari-dalana avy amin’Andriamanitra hita ao amin’ny Baiboly.
Eny, ho tsara ny hijeren’ireo izay mieritreritra ny hanambady ny any ambadiky ny andro fampakaram-bady. Ary tsy ny hoe hanambady fotsiny no tokony hodinihin’ny rehetra fa ny fiainam-panambadiana koa. Mitodiha any amin’i Jehovah hahazoana tari-dalana mba ho ny tena zava-misy no hibaiko ny fisainanao, fa tsy ny fihetseham-po entanim-pitiavana fotsiny. Amin’ny fanaovana izany, dia ho azo antoka kokoa fa hanana fanambadiana vanona ianao.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny Baiboly dia tsy mamela afa-tsy antony tokana ahafahana misara-panambadiana ka ahafahana manambady indray. Tsy inona akory izany fa ny “fijangajangana” — firaisana ivelan’ny fanambadiana. — Matio 19:9.
[Efajoro, pejy 5]
“Filazalazana Tsara Indrindra Novakiko Hatramin’izay Mahakasika ny Fitiavana”
“Ahoana no ahafantaranao raha tena raiki-pitia ianao?”, hoy ny nosoratan’ny Dr. Kevin Leman. “Misy boky tranainy iray izay mirakitra filazalazana ny atao hoe fitiavana. Efa ho roa arivo taona izao ilay boky, nefa dia mbola izy io ihany no filazalazana tsara indrindra novakiko hatramin’izay, mahakasika ny fitiavana.”
Ny Dr. Leman dia nanisy firesahana ny amin’ny tenin’i Paoly, apostoly kristianina, hita ao amin’ny Baiboly, ao amin’ny 1 Korintiana 13:4-8, manao hoe:
“Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otripo, tsy mifaly amin’ny tsi-fahamarinana, fa miara-mifaly amin’ny fahamarinana kosa, mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra. Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay”.
[Efajoro, pejy 8]
Mety Hamitaka ny Fihetseham-po
Niharihary fa nahafantatra tsara ny hery mamitaka ananan’ny fihetseham-pon’ny mpifankatia, ilay zazavavy solemita tamin’ny andron’ny Baiboly. Rehefa nitady fitia taminy i Solomona, mpanjaka malaza, dia nilaza tamin’ireo ankizivavy namany toy izao ilay zazavavy: “Aza manaitra na mamoha ny fitiavana raha tsy efa sitrapony.” (Tonon-kiran’i Solomona 2:7). Tsy nirin’io tovovavy hendry io ny haneren’ireo namany azy hotapahin’ny fihetseham-pony. Azo ampiharina amin’ireo mieritreritra ny hanambady koa izany. Fehezo mafy hatrany ny fihetseham-ponao. Raha manambady ianao, dia tokony ho noho ianao raiki-pitia amin’ny olona iray, fa tsy noho ny fiheverana fotsiny hoe hanambady.
[Sary, pejy 6]
Afaka manatanjaka ny fatoram-panambadiany, na dia ireo efa nanambady hatramin’ny ela aza
[Sary, pejy 7]
Ahoana no fomba itondrany ny ray aman-dreniny?