Maherin’ny 40 Taona teo Ambany Fandraran’ny Kôminista
NOTANTARAIN’I MIKHAIL VASILEVICH SAVITSKII
Nanao tatitra Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Aprily 1956 fa nisy “fanadiovana lehibe ho fanesorana” ny Vavolombelon’i Jehovah, natao tamin’ny 1, 7, 8 Aprily 1951. “Daty tsy hay hadinoina ireo ho an’ny vavolombelon’i Jehovah any Rosia”, hoy ny fanazavan’ilay Tilikambo Fiambenana. “Tamin’ireo telo andro ireo, ny vavolombelon’i Jehovah rehetra izay hita tany Ukraine Andrefana, tany Rosia Fotsy [Biélorussie], tany Bessarabie, Moldavia, Letonia, Litoania sy Estonia — lehilahy sy vehivavy maherin’ny fito arivo (...) dia nafatratra tao anaty sarety sy nentina tany amin’ny gara ary natao tao anaty vagaon’omby ka nalefa lavitra be.”
TAMIN’NY 8 Aprily 1951, ny vadiko sy ny zanako lahy valo volana mbamin’ny ray aman-dreniko sy ny zandriko lahy ary Vavolombelona maro hafa dia nalaina avy tao an-tranony tao Ternopol’, any Ukraine, sy teny amin’ny manodidina. Rehefa avy nafatratra tao anaty vagaon’omby izy ireo, dia nandeha nandritra ny tapa-bolana teo ho eo. Tamin’ny farany izy ireo dia nampidinina tany amin’ny taiga (faritra rakotr’alan-kesika, any atsimon’ny Arktika) any Siberia, any andrefan’ny Farihy Baikal.
Nahoana no tsy voafaoka tao amin’io fanadiovana io ny tenako? Alohan’ny hitantarako hoe taiza aho tamin’io fotoana io sy ny hoe inona no nitranga taminay rehetra taorian’izay, dia mamelà ahy hilaza aminareo ny fomba nahatongavako ho Vavolombelon’i Jehovah.
Tody tany aminay ny fahamarinana ara-baiboly
Tamin’ny Septambra 1947, fony aho vao 15 taona monja, dia notsidihin’ny Vavolombelon’i Jehovah roa ny tranonay tao amin’ny vohitra kelin’i Slaviatin, tokony ho 50 kilaometatra avy eo Ternopol’. Fantatro fa tsy nitovy tamin’ny fivavahana hafa rehetra akory ilay izy, fony izahay sy i Neny nipetraka nihaino ireo tanora ireo. I Maria no anaran’ny iray tamin’izy ireo. Nanazava ny zavatra ninoany izy ireo ary namaly mazava tsara ireo fanontanianay momba ny Baiboly.
Nino aho fa Tenin’Andriamanitra ny Baiboly, saingy nandiso fanantenana ahy ny eglizy. Niteny toy izao i Dadabe, taloha: “Ampitahorin’ny mompera amin’ny toriteny momba ny fijaliana any amin’ny afobe mirehitra ny olona, kanefa ny mompera aza tsy matahotra na inona na inona. Tsy manao afa-tsy ny mangalatra sy mamitaka ny mahantra fotsiny izy ireo.” Tadidiko ny herisetra sy fandoroam-pananana natao tamin’ireo Poloney nonina tao an-tanànanay, tany am-piandohan’ny Ady Lehibe Faharoa. Nanafintohina fa hay ny mompera katolika grika no nandamina ireny fanafihana ireny. Nahita ny fatin’ireo olona maro naripaka aho taorian’izay, ary niriko mafy ny hahafantatra izay anton’izany habibiana izany.
Nanomboka takatro ilay izy, arakaraka ny nianarako ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelona. Nianatra fahamarinana fototra ara-baiboly aho, anisan’izany ny hoe tsy misy ny afobe mirehitra sy ny hoe mampiasa ny fivavahan-diso i Satana Devoly mba hampirisihana ny ady sy ny fandatsahan-dra. Imbetsaka aho no niato kely nandritra ny fianarako manokana, ka nanao vavaka tamim-pahatsorana mba hisaorana an’i Jehovah noho izay zavatra nianarako. Nanomboka nampita ireny fahamarinana ara-baiboly ireny tamin’i Stakh, zandriko lahy, aho, ary tena faly rehefa nanaiky izany izy.
Fampiharana izay nianarako
Takatro fa nila nanao fiovana aho ka niala avy hatrany tamin’ny sigara. Takatro koa fa nilaina ny niara-nivory tsy tapaka tamin’ny hafa mba hiara-mianatra ny Baiboly tamin’ny fomba voalamina. Mba hanaovana izany, dia nandeha an-tongotra namakivaky ala tokony ho folo kilaometatra aho mba hahatongavana tany amin’ny toerana niafina nanaovana fivoriana. Vehivavy vitsivitsy monja indraindray no tonga tany am-pivoriana, hany ka nangatahina hitarika izany aho, na dia mbola tsy vita batisa aza.
Nety ho nahitan-doza ny fananana zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly, ary raha tratra tamin’izany dia nety ho voasazy hatramin’ny 25 taona an-tranomaizina. Na izany aza, dia naniry hanana ny fitambaram-bokiko manokana aho. Nisy mpifanila trano taminay efa nianatra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, saingy noho ny tahotra, dia nitsahatra izy ary naleviny tao an-jaridainany ireo zavatra vita an-tsoratra nananany. Tena nisaotra an’i Jehovah mihitsy aho rehefa nofongarin’ilay rangahy avokoa ny boky aman-gazetiny ka nekeny ny hakako azy! Nafeniko tao amin’ireo tranon-tantelin’i Dada izy ireny, tao amin’ny toerana izay tsy hoeritreretin’ny hafa hosavaina.
Nanolotra ny fiainako ho an’i Jehovah aho tamin’ny Jolay 1949, ka natao batisa ho mariky ny fanoloran-tenako. Io no andro nahasambatra indrindra teo amin’ny fiainako. Nantitranterin’ilay Vavolombelona izay nitarika ilay fanaovana batisa niafina, fa tsy mora izany hoe tonga Kristianina marina izany, ary maro ny fisedrana miandry. Tsy ela dia fantatro fa marina ny teniny! Na izany aza, dia nanomboka tamim-pifaliana ny fiainako tamin’ny naha Vavolombelona vita batisa ahy. Roa volana taorian’ny batisako, dia nanambady an’i Maria aho, dia ny iray tamin’ireo roa vavy nampahafantatra ny fahamarinana anay sy i Neny.
Tonga tampoka ny fisedrana ahy voalohany
Teny an-dalam-podiana avy tany amin’ny tanàna kelin’i Podgaitsi aho tamin’ny 16 Aprily 1950, raha nifanehatra tampoka tamin’ny miaramila izay nahita zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly teny amiko. Handeha hitondra izany tany amin’ilay antokon’olona niara-nianatra, izay nisy ahy aho. Nosamborina aho. Nokapohina tamin’ny hazo sady tsy navela hihinana na hatory aho, nandritra ireo andro vitsy voalohany nitanana ahy. Nodidiana koa aho mba hitsangana dia hipetraka mininginingina avy eo, ny tanana natao teo ambony loha, ka hamerimberina izany injato. Torovana loatra aho ka tsy nahavita izany hatramin’ny farany. Nalefa tao amin’ny lakaly nangatsiaka sy mandomando nandritra ny 24 ora aho, taorian’izay.
Mba hampihenana ny hamafin’ny fanoherako ka hanamorana ny fahazoana fanazavana avy atỳ amiko, no nokendrena tamin’ilay fitondrana ratsy. “Taiza ianao no nahazo ireo boky, ary hoentinao any amin’iza izy ireo?”, hoy ny fanontanian’izy ireo. Tsy nety nanambara na inona na inona aho. Tamin’izay dia novakina tamiko ny ampahany iray tamin’ilay lalàna izay hitsarana ahy. Nilaza izy io fa mahatonga fanasaziana ho faty na fanaovana an-tranomaizina 25 taona, ny fampielezana na fitahirizana zavatra vita an-tsoratra manohitra ny fanjakana sovietika.
“Iza amin’ireo sazy ireo no tianao kokoa?”, hoy ny fanontanian’izy ireo.
“Tsy misy tiako ireo”, hoy ny navaliko, “kanefa matoky an’i Jehovah aho, ka noho ny fanampiany, dia hanaiky izay rehetra avelany hitranga aho.”
Akory ny hagagako fa navelan’izy ireo handeha aho, rehefa afaka fito andro. Nanampy ahy io zavatra niainako io mba hahatakatra ny fahamarinan’ilay fampanantenan’i Jehovah manao hoe: “Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory”. — Hebreo 13:5.
Tamin’ny fotoana nodiako tany an-trano, dia narary mafy aho, kanefa nentin’i Dada tany amin’ny dokotera, ary tsy ela dia sitrana. Na dia tsy niombon-kevitra ara-pivavahana tamin’ny sisa tamin’ny mpianakaviny aza i Dada, dia nanohana anay teo amin’ny fanompoam-pivavahana narahinay izy.
Fanaovana am-ponja sy sesitany
Volana vitsivitsy tatỳ aoriana, dia voantso ho miaramila tao amin’ny tafika sovietika aho. Nohazavaiko ny fandavako tsy hanao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretako. (Isaia 2:4). Na izany aza, dia nomelohina hanefa sazy efa-taona aho ary nalefa tany amin’ny fonjan’i Ternopol’, tamin’ny Febroary 1951. Nafindra tany amin’ny fonja iray tany L’viv, tanàna lehibe kokoa, tokony ho 120 kilaometatra avy teo aho, tatỳ aoriana. Tany, fony izaho mbola tany am-ponja no nandrenesako fa Vavolombelona maro no natao sesitany tany Siberia.
Tamin’ny fahavaratra 1951, ny antokon’olona nisy anay dia nalefa tany ankoatran’i Siberia, tonga hatrany Extrême-Orient. Nandeha nandritra ny iray volana izahay, nanao 11 000 kilaometatra teo ho eo, namakivaky hasin’ora 11! Indray mandeha monja izahay no mba nijanona tamin’ny toerana iray namelana anay handro, rehefa afaka tapa-bolana mahery teny an-damasinina. Teo amin’ny trano lehibe fandroam-bahoaka tany Novosibirsk, any Siberia, izany.
Teo amin’io toerana io, teo anivon’ny voafonja nihahohaho, no nandrenesako lehilahy iray niteny mafy hoe: “Iza aminareo eto no anisan’ny fianakavian’i Jonadaba?” Tamin’izany fotoana izany, ny teny hoe “Jonadaba” dia nampiasaina mba hampahafantarana ireo manana fanantenana fiainana mandrakizay eto an-tany. (2 Mpanjaka 10:15-17; Salamo 37:11, 29). Nisy voafonja maromaro nampahafantatra avy hatrany ny tenany ho Vavolombelona. Hafaliana toy inona moa ny anay nifampiarahaba!
Asa ara-panahy tany am-ponja
Raha mbola tao Novosibirsk izahay, dia nifanaiky fa hampiasa teny famantarana, izay hahafahanay hifamantatra rehefa ho tody any amin’izay halehanay. Samy niafara tany amin’ny tobin’ny voafonja mitovy ihany izahay rehetra, tany akaikin’ny Ranomasin’i Japon, tsy lavitra an’i Vladivostok. Nandamina fivoriana tsy tapaka hianarana ny Baiboly izahay tany. Tena nanatanjaka ahy ara-panahy tokoa ny niarahako tamin’ireo rahalahy matotra sy efa be taona izay voaheloka hanefa sazy lava be tany am-ponja. Samy nifandimby nitarika ny fivoriana izy ireo, ka nampiasa andinin-teny tao amin’ny Baiboly sy hevitra nifandray tamin’izany, izay tsaroan’izy ireo avy tao amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana.
Nisy fanontaniana napetraka, ary namaly ireo rahalahy. Maro taminay no nandrovitra sombin-taratasy avy tamin’ireo lasàkana simenitra efa tsy nisy na inona na inona, ka nandray an-tsoratra ireo fanazavana teo amin’izany. Notehirizinay ireny taratasy ireny ary natambatray niaraka mba hampiasainay ho toy ny fitambaram-bokinay manokana fakanay teny. Rehefa afaka volana vitsivitsy, dia nalefa tany amin’ireo toby tany amin’ny farany avaratr’i Siberia ireo izay nahazo sazy lava be. Rahalahy tanora kokoa telo izahay no nafindra tany Nakhodka, tanàna iray teo akaiky teo, izay tsy ampy 650 kilaometatra avy teo Japon. Nandany roa taona tao amin’ny fonja tany aho.
Indraindray izahay dia nahazo gazety Ny Tilikambo Fiambenana iray. Izany no sakafonay ara-panahy nandritra ny volana maro. Naharay taratasy koa izahay, tamin’ny farany. Nampipotrapotraka ny ranomasoko ilay taratasy voalohany noraisiko avy tamin’ny fianakaviako (izay tany an-tsesitany tamin’izay). Voatantara tao fa notafihina ny tranon’ireo Vavolombelona, ary adiny roa monja no nomena ireo fianakaviana mba hialany tao, araka ilay voalazalaza tao amin’ilay Tilikambo Fiambenana voatonona tetsy am-piandohana.
Niaraka tamin’ny fianakaviako indray
Nafahana aho tamin’ny Desambra 1952, rehefa avy namita roa taona tamin’ilay saziko efa-taona. Nankany amin’ny fianakaviako tany amin’ilay toerana nanaovana sesitany azy aho, tany Gadaley, vohitra kely any akaikin’i Tulun, any Siberia. Mazava ho azy fa nahafinaritra ny niaraka tamin’izy ireo indray. Kely sisa dia ho feno telo taona i Ivan, zanako lahy, ary efa ho roa taona i Anna, zanako vavy. Voafetra anefa ny fahafahako. Nohazonin’ireo manam-pahefana teo an-toerana ny pasipaoroko, ary narahi-maso akaiky aho. Tsy nahazo nandeha mihoatra ny telo kilaometatra avy tao an-trano aho. Tatỳ aoriana, dia navela hitaingina soavaly nankany an-tsenan’i Tulun aho. Naneho fitandremana aho ka nihaona tamin’ireo Vavolombelona namako tany.
Tamin’izay izahay dia efa nanan-janaka roa vavy, i Anna sy i Nadia, sy roa lahy, dia i Ivan sy i Kolya. Niteraka lahy hafa izahay, i Volodya, tamin’ny 1958, ary vavy hafa, i Galia, tatỳ aoriana, tamin’ny 1961.
Matetika no nitana sy naka am-bavany ahy ny KGB (masoivohon’ny fiarovam-panjakana teo aloha). Ny zava-nokendreny dia tsy vitan’ny hoe hanao izay hanambarako fanazavana momba ny kôngregasiôna, fa mba hahatonga ny hafa koa hiahiahy ahy ho niara-niasa tamin-drizareo. Koa nentiny tany amin’ny hotely fisakafoana faran’izay tsara aho ary niezahany ho azo sary teo am-pitsikiana sy teo am-piaraha-nifaly taminy. Takatro anefa ny antony nanosika azy ireo, ka ninia niezaka aho mba hampiketrona foana ny handriko. Isaky ny voatana aho, dia nolazaiko tamin’ireo rahalahy izay tena nitranga marina. Tsy nisalasala ny amin’ny tsy fivadihako mihitsy izy ireo, noho izany.
Fifandraisana tamin’ireo toby
Rehefa nandeha ireo taona, dia Vavolombelona an-jatony maro no natao tany amin’ireo tobin’ny voafonja. Nandritra izany fotoana izany, dia nifandray tsy tapaka tamin’ireo rahalahinay voafonja izahay, ka namatsy zavatra vita an-tsoratra azy ireo. Ahoana no nanaovana izany? Rehefa nisy rahalahy na anabavy nafahana avy tany amin’ny toby iray, dia fantatray avy tamin’izy ireny ny fomba azo nampidirana mangingina zavatra vita an-tsoratra tany, na dia teo aza ireo fanaraha-maso henjana. Afaka namatsy ireo rahalahinay tany amin’ireny toby ireny, gazety sy boky izay azonay tamin’ny alalan’i Polonina sy ny tany hafa izahay, nandritra ny folo taona teo ho eo.
Maro tamin’ireo anabavinay kristianina no nandany ora maro nandreraka mba hanaovana kopia tamin’ny sora-tanana madinika dia madinika ireo zavatra vita an-tsoratra, hany ka azo nafenina tao anaty zavatra kely toy ny boatin’afokasoka ny gazety iray manontolo! Tamin’ny 1991, rehefa tsy teo ambany fandrarana intsony izahay ka naharay gazety niloko tsara tarehy, dia hoy ny iray tamin’ireo anabavinay: “Hadino izao izahay”. Diso hevitra izy. Na dia mety hanadino aza ny olombelona, i Jehovah dia tsy hanadino na oviana na oviana ny asan’ny olona tsy nivadika toy ireny! — Hebreo 6:10.
Fifindran-toerana sy loza
Tamin’ny faramparan’ny taona 1967, dia voasava ny tranon’ny zandriko lahy tany Irkoutsk. Nisy filma sy zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly hita tao. Voaheloka izy ary nomena sazy telo taona an-tranomaizina. Tsy nahitana na inona na inona anefa ny fisavana ny tranonay. Na izany aza, dia nino mafy ireo manam-pahefana fa voarohirohy tamin’izany izahay, ka voatery nandao ilay faritra ny fianakaviako. Nifindra niankandrefana, tokony ho 5 000 kilaometatra izahay, tany amin’ny tanànan’i Nevinnomyssk, any Caucase. Nifofotra hatrany tamin’ny fanambarana tsy ara-potoana izahay tany.
Namely ny loza tamin’ny andro voalohany naha vakansy ny mpianatra, tamin’ny Jona 1969. Tratran’ny herinaratra nahery vaika i Kolya, zanakay lahy 12 taona, raha iny izy nanandrana haka baolina iray teo akaikin’ny fanovana herinaratra faran’izay mahery iny. Nihoatra ny 70 isan-jaton’ny vatany no may. Nitodika tany amiko izy tany amin’ny hopitaly, ka nanontany hoe: “Ho afaka hiaraka hankany amin’ilay nosy indray ve isika?” (Niresaka ny amin’ny nosy falehanay izay, izy). “Eny, ry Kolya a!”, hoy aho, “hankany amin’io nosy io indray isika. Rehefa hatsangan’i Jesosy Kristy ho amin’ny fiainana ianao, dia tena hankany amin’io nosy io tokoa isika.” Tsy dia tena nahatsiaro saina tsara intsony izy raha nanohy nihira ny iray tamin’ireo hiran’ilay Fanjakana tiany indrindra, dia hira izay tiany narahina tamin’ny trompetrany, tao amin’ny orkestry ny kôngregasiôna. Telo andro taorian’izay, dia maty izy, natoky ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty.
Voantso ho miaramila i Ivan, zanakay lahy 20 taona, ny taona nanaraka. Rehefa tsy nety nanao raharaha miaramila izy, dia nosamborina ka nandany telo taona tany am-ponja. Voantso ho miaramila aho tamin’ny 1971, ary norahonana hampidirina am-ponja indray noho ny tsy fanaovana raharaha miaramila. Nitarazoka amam-bolana teny ilay raharaha nahakasika ahy. Teo anelanelan’izay anefa dia nanjary voan’ny kansera ny vadiko, ka nila fikarakarana be. Noho io antony io, dia napetrak’izy ireo ilay raharaha nahakasika ahy. Maty tamin’ny 1972 i Maria. Namana nahatoky sy tsy nivadika tamin’i Jehovah mandra-pahafatiny izy.
Niparitaka tany an-tany hafa ny fianakavianay
Nanambady an’i Nina aho, tamin’ny 1973. Noroahin-drainy tsy ho ao an-tranony izy tamin’ny 1960, noho izy tonga Vavolombelona. Mpitory be zotom-po izy, anisan’ireo anabavy niasa mafy tamin’ny fanaovana kopia ireo gazety ho an’ireo tany amin’ny toby. Nanjary tia azy koa ireo zanako.
Sahiran-tsaina noho ny asanay tany Nevinnomyssk ireo manam-pahefana ka nandodona anay hiala tao. Koa nifindra tany amin’ny faritra atsimon’i Caucase, any Géorgie, izahay mivady sy ireo zanako vavy, tamin’ny 1975. Tamin’izay fotoana izay i Ivan sy i Volodya, zanako lahy, dia nifindra tany Djamboul, any amin’ny sisiny atsimon’i Kazakhstan.
Vao niandoha ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Géorgie. Nanao fitoriana tsy ara-potoana izahay, tao amin’ny tanàna roa sy ny manodidina azy, izany hoe tao Gagra sy Sukhumi, eo amin’ny Morontsiraky ny Ranomasina Mainty, ary herintaona tatỳ aoriana, dia Vavolombelona vaovao folo no natao batisa tao amin’ny ony iray avy any an-tendrombohitra. Tsy ela dia nanesika anay handao ilay faritra ireo manam-pahefana, ka nifindra tany amin’ny faritra atsinanan’i Géorgie izahay. Tany dia nohamafisinay ny ezaka nataonay mba hahitana olona toy ny ondry, ka nitahy anay i Jehovah.
Niara-nivory izahay, nanao antokony maromaro nisy olom-bitsy avy. Zava-nanahirana ny fitenenana satria tsy nahay ny fiteny tany Géorgie izahay, ary tsy niteny rosianina tsara ny mponina tany. Tamin’ny voalohany izahay dia tsy niara-nianatra afa-tsy tamin’ny Rosianina ihany. Tsy ela anefa, dia nandroso ny fitoriana sy ny fampianarana tamin’ny fiteny tany Géorgie, ary ankehitriny dia misy an’arivony maro ireo mpitory ilay Fanjakana any Géorgie.
Tamin’ny 1979, noho ny faneren’ny KGB, dia nilaza tamiko ny mpampiasa ahy fa tsy nankasitrahana intsony ny fijanonako tao amin’ny taniny. Tamin’izay fotoana izay no voan’ny lozam-piarakodia i Nadia, zanako vavy, ka niara-maty tamin’ny zanany vavikely. Herintaona talohan’izay, dia maty nahatoky teo anatrehan’i Jehovah i Neny, tany Nevinnomyssk, ka nandao an’i Dada sy ny zandriko lahy. Koa nanapa-kevitra ny hiverina tany izahay.
Fitahiana noho ny faharetana
Nanohy namoaka zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly tamim-piafenana izahay tany Nevinnomyssk. Indray mandeha, teo antenatenan’ireo taona 1980, rehefa nampanantsoin’ny manam-pahefana aho, dia nilazako izy ireo fa nanonofy nanafina ireo gazetinay aho. Nihomehy izy ireo. Rehefa nandao azy ireo aho, dia hoy ny iray taminy: “Enga anie ianao tsy hanonofy intsony ny amin’ny fomba hanafenanao ny bokinao.” Namarana ny teniny toy izao izy: “Tsy ho ela dia hirantiranty eo amin’ny talantalanao ny bokinao, ary hankany amin’ny fivoriana hifampisakambina amin’ny vadinao ianao sady hitondra ny Baiboly eny an-tananao.”
Nalahelo izahay tamin’ny 1989, fa maty noho ny anévrisme tao amin’ny atidohany i Anna, zanako vavy. Vao 38 taona monja izy. Tamin’iny taona iny ihany, tamin’ny Aogositra, dia nanofa lamasinina iray ny Vavolombelona tany Nevinnomyssk ka nankany Varsovie, any Polonina, mba hamonjy fivoriambe niraisam-pirenena. Nisy mpanatrika 60 366 tany, anisan’izany ireo an’arivony maro avy tatỳ amin’ny Firaisana Sovietika. Tena nieritreritra tokoa izahay hoe nanonofy! Tsy ampy roa taona tatỳ aoriana, tamin’ny 27 Martsa 1991, dia nahazo tombontsoa aho ho anisan’ireo dimy lahy, loholon’ny kôngregasiôna efa hatramin’ny ela teto amin’ny Firaisana Sovietika, izay nanao sonia taratasy manan-tantara iray, tany Moscou. Fanekena ho ara-dalàna ny fikambanana ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay taratasy!
Ravoravo aho fa manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana ireo zanako mbola velona. Ary tsy andriko ilay tontolo vaovaon’Andriamanitra hahafahako hahita indray an’i Anna, i Nadia sy ny zanany vavy, ary koa i Kolya. Rehefa ho tafatsangana amin’ny maty izy, dia hitana ny teny nataoko aho, ka hitondra azy any amin’ilay nosy izay niarahanay nankafy aoka izany, taona maro lasa izay.
Ambara-pahatongan’izany, dia hafaliana ny ahy mahita ny hafainganan’ny fitombon’ny fahamarinana ara-baiboly eto amin’ity tany midadasika ity! Tena mahasambatra ahy tokoa ny anjara fiainako, ary misaotra an’i Jehovah aho noho ny namelany ahy ho tonga iray amin’ireo Vavolombelony. Mino mafy aho fa marina ny Salamo 34:8 manao hoe: “Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy.”
[Sary, pejy 25]
Ilay taona nankanesako tany amin’ny fianakaviako tany Tulun
[Sary, pejy 26]
Ambony: Ny raiko sy ireo zanako, teo ivelan’ny tranonay tany Tulun, any Siberia
Ambony ankavanana: Nadia, zanako vavy, sy ilay zanany vavy izay niara-maty taminy tamin’ny lozam-piarakodia
Ankavanana: Sarim-pianakaviana tamin’ny 1968