Nanao ny Sitrapon’i Jehovah Izy Ireo
Nanao Asa Ambany Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra
FANTATR’I Jesosy fa ho sarobidy ireo ora farany hiarahany amin’ny apostoliny. Kely sisa dia hosamborina izy, ary handalo fitsapana mbola tsy nisy toy izany ny finoany. Takatr’i Jesosy koa fa misy fitahiana lehibe miandry azy. Tsy ho ela dia hasandratra ho eo an-tanana ankavanan’Andriamanitra izy ary homena “anarana izay ambony noho ny anarana rehetra, mba ho amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, na ny any ambanin’ny tany”. — Filipiana 2:9, 10.
Kanefa, na ny tebitebiny momba ny fahafatesany efa nananontanona, na ny fahamaizany hahazo ilay valisoa nampanantenaina azy, dia samy tsy nampivily ny sain’i Jesosy tsy hifantoka tamin’ireo zavatra nilain’ny apostoliny. “Tia azy hatramin’ny farany” izy, hoy ny firaketana an-tsoratra nataon’i Jaona ao amin’ny Filazantsarany, tatỳ aoriana. (Jaona 13:1). Ary tamin’ireo ora farany tena lehibe teo amin’ny fiainany naha olombelona lavorary azy ireo no nanomezan’i Jesosy fianarana tena lehibe ho an’ny apostoliny.
Fianarana momba ny fanetren-tena
Niaraka tamin’i Jesosy tao amin’ny efitrano ambony rihana iray tany Jerosalema ny apostoly mba hankalaza ny Paska. Talohan’izay, dia efa ren’i Jesosy izy ireo nifanditra ny amin’izay lehibe indrindra teo amin’izy ireo. (Matio 18:1; Marka 9:33, 34). Efa niara-nidinika tamin’izy ireo ny amin’io raharaha io i Jesosy, ary niezaka nanitsy ny fomba fijerin’izy ireo. (Lioka 9:46). Izao anefa, dia nohamafisin’i Jesosy ireny fianarana ireny tamin’ny fampiasana fomba hafa. Tsy ny hiresaka tamin’izy ireo momba ny fanetren-tena fotsiny no nofidiny hatao, fa ny hampiseho izany tamin’ny ohatra koa.
“Nitsangana niala teo am-pihinanana [i Jesosy] ka nametraka ny lambany”, hoy ny nosoratan’i Jaona. “Naka lamba famaohana [izy], ka nisikinany; ary rehefa vita izany, dia nampidina rano tamin’ny tavy Izy ka nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra sy namaoka azy tamin’ny lamba famaohana izay nisikinany.” — Jaona 13:4, 5.
Mafana ny toe-tany tany Moyen-Orient fahiny, ka mazàna ny olona no nanao kapa rehefa nandeha tamin’ny lalana be vovoka. Rehefa niditra tao an-tranon’olon-tsotra iray izy ireo, dia noarahabain’ny tompon-trano izay nanome azy ireo tavin-drano sy rano mba hahafahany hanasa ny tongony. Tany amin’ny tokantrano nanankarena kokoa, dia ny mpanompo iray no nanao ilay asa fanasan-tongotra. — Mpitsara 19:21; 1 Samoela 25:40-42.
Tsy vahinin’iza na iza i Jesosy sy ny apostoliny tao amin’ilay efitrano ambony rihana. Tsy nisy tompon-trano tao mba hanome tavin-drano, ary tsy nisy mpanompo mba hanao ilay fanasan-tongotra. Rehefa nanomboka nanasa ny tongotr’izy ireo i Jesosy, dia nahasanganehana ny tarehin-javatra nisy ny apostoly. Indro fa Ilay lehibe indrindra teo amin’izy ireo no nanao ilay asa ambany indrindra!
Tamin’ny voalohany, dia tsy namela an’i Jesosy hanasa ny tongony i Petera. Nilaza taminy toy izao anefa i Jesosy: “Raha tsy hosasako hianao, dia tsy manana anjara amiko.” Rehefa vitan’i Jesosy avokoa ny fanasana ny tongotry ny apostoly rehetra, dia hoy izy: “Fantatrareo va izay nataoko taminareo? Hianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo; ary marina ny filazanareo, fa izany tokoa Aho. Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, hianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra. Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo.” — Jaona 13:6-15.
Tsy nanorina fombafomba momba ny fanasan-tongotra akory i Jesosy. Nanampy ny apostoliny kosa izy mba hanana fomba fisaina vaovao, dia fomba fisaina tia manetry tena sy vonona hanao ny asa ambany indrindra ho an’ireo rahalahiny. Miharihary fa azon’izy ireo ilay hevitra. Diniho ange izay nitranga taona maromaro taorian’izay e, rehefa nipoitra ilay raharaha mahakasika ny famorana. Na dia nisy “ady hevitra be ihany” aza nitranga, dia nihazona ny filaminana sy samy nihaino tamim-panajana ny hevitry ny hafa, ireo nanatrika teo. Ankoatra izany, dia toa i Jakoba mpianatra no nitantan-draharaha tamin’io fivoriana io, fa tsy ny iray tamin’ny apostoly, araka ny mety ho nampoizintsika noho ny naha teo azy ireo. Milaza io tsipirian’ny fitantarana ao amin’ny Asan’ny Apostoly io fa nisy fivoarana be vitan’ny apostoly teo amin’ny fanehoana fanetren-tena. — Asan’ny Apostoly 15:6-29.
Fianarana ho antsika
Nanome fianarana mafonja momba ny fanetren-tena i Jesosy, tamin’ny nanasany ny tongotry ny mpianany. Rehefa dinihina tokoa, dia tsy tokony hihevi-tena ho ambony ny Kristianina ka hoe ny hafa foana no tokony hanompo azy, no sady tsy tokony hitady toerana ahazoam-boninahitra sy laza koa izy. Tokony harahiny kosa ny modely navelan’i Jesosy izay “tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro”. (Matio 20:28). Eny, samy tokony ho vonona hanao ireo asa ambany indrindra ho an’ny andaniny avy ireo mpanara-dia an’i Jesosy.
Nisy antony tsara matoa i Petera nanoratra hoe: “Samia misikina fanetren-tena hianareo ka mifanompoa; fa ‘Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena’.” (1 Petera 5:5). Ny teny grika nadika hoe “misikina” dia avy amin’ilay teny midika hoe “aron’akanjon’ny mpanompo iray”, ka tao ambanin’izany no nasikina hiakatra ny akanjo iray nigoragora. Mety ho nanisy firesahana ny amin’i Jesosy nisikina lamba famaohana sy nanasa ny tongotry ny apostoliny ve i Petera? Tsy azo atao ny milaza izany amin’ny fomba azo antoka. Na izany aza, dia namela soritra tsy azo nokosehina tao am-pon’i Petera ilay asa ambany nataon’i Jesosy. Tokony hamela soritra toy izany koa ao am-pon’izay rehetra ho tonga mpanara-dia an’i Kristy izany. — Kolosiana 3:12-14.