Bokim-pahendrena Iray Misy Hafatra ho An’izao Andro Izao
“NY FAHENDRENA eran’ny harona dia sarobidy kokoa noho ny perla eran’ny harona”, hoy ny nomarihin’i Joba ilay patriarika fahiny, izay tsy isalasalana fa iray tamin’ireo lehilahy nanankarena indrindra tamin’ny androny. (Joba 1:3; 28:18, NW; 42:12). Tena sarobidy lavitra noho ny fananana ara-nofo tokoa ny fahendrena, raha ny amin’ny fanampiana olona iray mba hahomby eo amin’ny fiainany no asian-teny. “Fialokalofana ny fahendrena, ary fialokalofana ny vola”, hoy i Solomona Mpanjaka hendry, “ary ny mahatsara ny fahalalana dia izao: Maharo ny ain’ny manana azy ny fahendrena.” — Mpitoriteny 7:12.
Aiza anefa no ahafahana mahita fahendrena toy izany amin’izao andro izao? Fanaon’ny olona ny mitodika any amin’ny mpanome torohevitra an-gazety, ny manam-pahaizana momba ny saina, ny mpitsabo aretin-tsaina, eny fa any amin’ny mpanao volo sy ny mpitondra taxi mihitsy aza, mba hamboraka ny zava-manahirana azy manokana. Ary manam-pahaizana manokana tsy hita isa no vonona hanome torohevitra saika ny amin’ny loha hevitra rehetra — amin’ny sarany mirary. Matetika anefa no tsy nanao afa-tsy ny nitarika ho amin’ny fahadisoam-panantenana, sy ny loza mihitsy aza, ny teny feno “fahendrena” toy izany. Ahoana, àry no ahafahantsika mahita ny tena fahendrena?
I Jesosy Kristy izay nanana fahaiza-mahataka-javatra lehibe momba ny raharahan’olombelona, dia nilaza toy izao indray mandeha: “Ny fahendrena dia hamarinin’ny asany.” (Matio 11:19). Andeha isika hijery zava-manahirana sasany fahita eo amin’ny fiainan’ny olona, sy hijery hoe tenim-pahendrena inona no tena nanampy ireny olona ireny sy hitany fa sarobidy kokoa noho “ny perla eran’ny harona”. Mety ho afaka hahita izany “fahendrena eran’ny harona” izany koa ianao ka handray soa avy amin’izany.
Mijaly noho ny fahaketrahana ve ianao?
“Raha nampiditra ny Vanim-potoanan’ny Fitebitebena ny taonjato faha-20 teo am-piandohany, dia mahita ny fanombohan’ny Vanim-potoanan’ny Fahaketrahana izy io eo am-pifaranany”, hoy ny nomarihin’ny International Herald Tribune any Londres. Avy eo dia nanampy teny izy io fa “ahariharin’ilay fandinihana voalohany iraisam-pirenena momba ny fahaketrahana lehibe fa mitombo tsy an-kijanona maneran-tany ilay aretina. Mihamora voan’ilay aretina kokoa hatrany ny taranaka tsirairay mifandimby, any amin’ny firenena samy hafa toa an’i Taïwan, sy i Liban ary i Nouvelle-Zélande”. Voalaza fa mety ho voan’ny fahaketrahana lehibe avo telo heny noho ny raibeny sy ny renibeny, ireo olona teraka tamin’ny 1955.
Izany no nanjo an’i Tomoe, izay nijaly noho ny fahaketrahana lehibe ka nandany ny ankamaroan’ny androny teo am-pandriana. Niverina tany amin’ny tranon’ny ray aman-dreniny izy satria tsy afaka nikarakara ny zanany lahy roa taona. Tsy ela dia nitondra azy toy ny namana ny mpifanila trano iray izay nanan-janakavavy nitovy taona tamin’ny zanak’i Tomoe lahy. Rehefa nilaza tamin’ilay mpifanila trano taminy i Tomoe fa nahatsiaro tena ho tsy misy vidiny, dia nampiseho taminy teny avy tao amin’ny boky iray ilay mpifanila trano. Toy izao no vakiny: “Ny maso tsy mahazo manao amin’ny tànana hoe: Tsy mila anao aho; ary indray, ny loha tsy mahazo manao amin’ny tongotra hoe: Tsy mila anareo aho. Fa mainka ilaintsika aza ny momba ny tena izay atao ho malemilemy kokoa noho ny sasany.”a Nanganohano ny ranomason’i i Tomoe rehefa takany fa manana toerana eo amin’ny fiaraha-monina sy ilaina ny tsirairay.
Nanoro hevitra ilay mpifanila trano mba handinihany ilay boky izay nirakitra ireo teny ireo. Nihatokatoka i Tomoe, na dia tsy afaka nanao na inona na inona, sy tsy afaka nanaiky akory hanome fampanantenana tsotra aza izy hatramin’izay. Nanampy azy niantsena koa ilay mpifanila trano, ary niara-nikarakara sakafo tamin’i Tomoe izy isan’andro. Iray volana tatỳ aoriana i Tomoe dia nifoha isa-maraina, nanasa lamba, nanadio trano, niantsena, ary nikarakara sakafo, tahaka ny ataon’ny vehivavy mpikarakara tokantrano rehetra. Voatery nandresy zava-tsarotra maro izy, nefa hoy ny nolazainy: “Matoky aho fa raha manaraka fotsiny ilay tenim-pahendrena izay hitako aho, dia ho afaka hiasa.”
Tamin’ny fampiharana ilay fahendrena izay hitany, dia nandresy ireo andro nanjombona noho ny fahaketrahany i Tomoe. Izao i Tomoe dia miasa manontolo andro amin’ny fanampiana ny hafa hampihatra ireo teny izay nahatonga ny tenany ho afaka hiatrika ny zava-manahirana nahazo azy. Voarakitra ao amin’ny boky tranainy iray izay misy hafatra ho an’ny olona rehetra amin’izao andro izao, ireo tenim-pahendrena ireo.
Miatrika zava-manahirana ao an-tokantrano ve ianao?
Mitombo ny tahan’ny fisaraham-panambadiana, maneran-tany. Mitombo ny zava-manahirana ao an-tokantrano, na dia any amin’ny firenena tatsinanana izay nireharehan’ny olona ny amin’ny fananany fianakaviana tafaray tsara aza taloha. Aiza no ahafahantsika mahita tari-dalana feno fahendrena momba ny fanambadiana, izay mandaitra?
Hevero ny amin’i Shugo sy i Mihoko, mpivady iray izay nanan-java-nanahirana ara-panambadiana tsy nisy farany. Nifamaly noho ny zavatra madinika rehetra izy ireo. Saro-po i Shugo, ary nanan-kavaly foana i Mihoko isaky ny nahita fahadisoana taminy ny vadiny. Nihevitra mihitsy aza i Mihoko hoe: ‘Tsy afaka mifanaraka na amin’inona na amin’inona izahay.’
Indray andro dia nitsidika an’i Mihoko ny vehivavy iray, ary namaky taminy ireto teny avy tamin’ny boky iray ireto: “Koa amin’izany na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany”.b Na dia tsy liana tamin’ny fivavahana aza i Mihoko, dia nanaiky hianatra ilay boky nirakitra ireo teny ireo izy. Ny nahaliana azy dia ny hanatsara ny fiainam-pianakaviany. Koa rehefa nasaina hanatrika fivoriana iray izay nandinihana ny boky mitondra ny lohateny hoe Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra, àry i Mihoko, dia nanaiky avy hatrany izy sy ny vadiny.c
Tany am-pivoriana, dia voamarik’i Shugo fa tena nampihatra izay nianarany ireo nanatrika, ary toa sambatra erỳ izy ireo. Tapa-kevitra ny handinika ilay boky nianaran’ny vadiny izy. Tsy ela dia nisarika ny sainy izao filazana iray izao: “Be saina izay mahatsindry fo; fa ny malaky tezitra mampiseho ny fahadalany.”d Na dia nila fotoana aza izy mba hampiharana io foto-pitsipika io teo amin’ny fiainany, dia niseho teo amin’ireo manodidina azy, anisan’izany ny vadiny, ny fiovana tsikelikely teo aminy.
Nanomboka nampihatra izay nianarany koa i Mihoko, rehefa nahita ny fiovana teo amin’ny vadiny. Toy izao ny foto-pitsipika iray hita fa nahasoa indrindra: “Aza mitsara, mba tsy hotsaraina hianareo. Fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo”.e Koa tapa-kevitra ny hiresaka ny amin’ny lafin-toetra tsara nananany sy ny fomba ahafahany mihatsara, fa tsy hifampijery ny fahadisoana àry, i Mihoko sy ny vadiny. Inona no vokany? Hoy ny tsaroan’i Mihoko: “Tena nahasambatra ahy izany. Nanao izany isaky ny sakafo hariva izahay. Na dia ny zanakay lahy telo taona aza dia niditra tamin’ilay resaka. Tena namelombelona anay tokoa izany!”
Rehefa nampihatra ilay torohevitra misy heviny izay noraisiny io fianakaviana io, dia afaka nandresy ny zava-nanahirana izay nampihenjana ny fifandraisany ka saiky nahatapaka azy io mihitsy aza. Tsy sarobidy kokoa ho azy ireo noho ny perla eran’ny harona ve izany?
Irinao ve ny hahomby eo amin’ny fiainanao?
Ny fanangonana harena no tanjona eo amin’ny fiainana, ho an’ny olona maro amin’izao andro izao. Kanefa ny mpandraharaha iray nanankarena tany Etazonia izay nanolotra vola dolara an-jato tapitrisany maro ho an’ny mpanao asa soa, dia nilaza toy izao indray mandeha: “Voasariky ny vola ny olona sasany, nefa tsy misy olona afaka manao kiraro roa indray miaraka.” Vitsy ireo izay manaiky an’io zava-misy io, ary mbola vitsy kokoa ihany ireo izay mitsahatra tsy mikatsaka harena.
Nihalehibe tao anatin’ny fahantrana i Hitoshi, noho izany dia nanana faniriana mafy ny hanankarena izy. Nanapa-kevitra toy izao izy rehefa avy nahita ny fomba itondran’ireo tompon-trosa ny mpitrosa aminy: “Izay olona mahazo vola be indrindra no mpandresy.” Nino be loatra ny herin’ny vola i Hitoshi, hany ka nihevitra izy fa na dia ny ain’ny olona aza dia azo novidina tamin’izy io. Mba hanangonan-karena, dia nilofo tamin’ny fandraharahany momba ny fikojakojana fantson-drano izy, ary niasa mandavantaona, tsy naka andro tsy fiasana mihitsy. Tsy ela dia takatr’i Hitoshi fa, na dia niezaka mafy toy inona aza ny tenany izay mpiantoka lefitra, dia tsy ho tremalahy na oviana na oviana toy ireo mpiantoka nanome asa azy. Fahakiviana sy tahotra ny ho bankirompitra no anjara fiainany isan’andro.
Avy eo, dia tonga teo am-baravaran’i Hitoshi ny lehilahy iray, ary nanontany azy raha fantany fa maty nisolo azy i Jesosy Kristy. Koa satria nihevitra i Hitoshi fa tsy misy olona ho faty ho an’ny olona tahaka azy, dia liana ta hahafanta-javatra sy nanaiky hanao fiaraha-midinika fanampiny izy. Ny herinandro nanaraka, dia nanatrika lahateny iray izy, ary taitra nahare ilay fananarana mba ‘hihazonana ny maso ho tsotra’. Nanazava ilay mpandahateny fa ny maso “tsotra” dia izay mitsinjo lavitra sy mifantoka amin’ny zavatra ara-panahy; etsy an-danin’izany kosa, ny maso “ratsy”, na “mitsiriritra” dia tsy mifantoka afa-tsy amin’ny fanirian’ny nofo eo no ho eo sy tsy mitsinjo lavitra. Nanaitra lalina ny sainy ilay torohevitra hoe: “Izay itoeran’ny harenao, dia ho any koa ny fonao.”f Misy zavatra lehibe kokoa noho ny fahazoana harena! Mbola tsy nahare zavatra toy izany mihitsy izy.
Niaiky volana izy, ka nanomboka nampihatra izay nianarany. Tsy nanasa-tena tamin’ny vola izy, fa nanomboka kosa nametraka ireo zava-tsarobidy ara-panahy ho voalohany teo amin’ny fiainany. Nandany fotoana mba hikarakarana ny fahasalamana ara-panahin’ny fianakaviany koa izy. Mazava ho azy fa nidika ho fotoana kelikely kokoa ho an’ny asa izany, nefa nanjary nandeha tsara ny asany. Nahoana?
Niova ho malemy fanahy sy tia fihavanana ny toetrany tia ady, rehefa nandray tsara ny torohevitra nomena azy izy. Nampiaiky volana azy indrindra ilay fananarana toy izao: “Esory koa izao rehetra izao, dia fahatezerana, fiafonafonana, lolompo, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra avy amin’ny vavanareo. Aza mifandainga hianareo, fa efa narianareo ny toetra taloha mbamin’ny asany; ary efa notafinareo ny toetra vaovao, izay havaozina ho amin’ny fahalalana tsara araka ny endrik’Izay nahary azy.”g Tsy nahatonga azy hanankarena akory ny fanarahana io torohevitra io, nefa tena namela soritra tsara teo amin’ireo clients-ny ny ‘toetrany vaovao’, ary nanjary nitokisan’izy ireo izy. Eny, nanampy azy hahomby teo amin’ny fiainany ireo tenin’ny fahendrena izay hitany. Ho azy, dia sarobidy lavitra ara-bakiteny noho ny perla eran’ny harona na ny vola, izy ireo.
Hanokatra ilay harona ve ianao?
Afaka mamantatra ilay fahendrena eran’ny harona izay hita fa sarobidy aoka izany tamin’ireo olona eo amin’ny ohatra etsy ambony ve ianao? Izy io dia ilay fahendrena hita ao amin’ny Baiboly, ilay boky miely patrana indrindra sy mora hita indrindra eto an-tany. Angamba manana iray ianao, na afaka mahazo iray mora foana. Kanefa, ny fananana fotsiny perla sarobidy eran’ny harona nefa tsy mampiasa azy ireo dia tsy hitondra soa ho an’ny tompony, toy izany koa fa tsy hisy vidiny firy ny fananana fotsiny ny Baiboly. Nahoana raha manokatra ilay harona, amin’ny heviny ara-panoharana, ary mampihatra ny torohevitra ara-baiboly feno fahendrena sy ara-potoana, ka hijery ny fomba ahafahan’izy io manampy anao hiatrika amim-pahombiazana ny zava-manahirana eo amin’ny fiainana?
Raha omena perla eran’ny harona ianao, moa ve ianao tsy ho velom-pankasitrahana sy hiezaka hitady hoe iza no nanasoa anao mba hahafahanao hisaotra azy? Fantatrao ve hoe iza ilay Mpanome raha ny amin’ny Baiboly?
Mampiharihary ilay Loharanon’ny fahendrena hita ao aminy ny Baiboly rehefa milaza toy izao: “Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa”. (2 Timoty 3:16). Milaza amintsika koa izy io fa “velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra”. (Hebreo 4:12). Izany no antony mahatonga ireo teny feno fahendrena hita ao amin’ny Baiboly ho ara-potoana sy mandaitra ho antsika amin’izao andro izao. Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hanampy anao hianatra momba an’io Mpanome malala-tanana io, dia i Jehovah Andriamanitra, mba hahafahanao ho tsara toerana mba ho mpandray soa amin’ilay “fahendrena eran’ny harona” voarakitra ao amin’ny Baiboly — ilay bokim-pahendrena misy hafatra ho an’ny olona amin’izao andro izao.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Teny nalaina avy ao amin’ny 1 Korintiana 12:21, 22.
c Navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
f Matio 6:21-23; NW, fanamarihana ambany pejy.
[Efajoro/Sary, pejy 4]
Tenim-pahendrena mba Hihazonana ny Fahaiza-mandanjalanja Ara-pihetseham-po
“Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô, iza no hahajanona, Tompo ô? Fa eo aminao no misy ny famelan-keloka, mba hatahorana Anao.” — Salamo 130:3, 4.
“Ny fo ravoravo mahamiramirana ny tarehy; fa ny alahelon’ny fo mahareraka ny fanahy.” — Ohabolana 15:13.
“Aza marina loatra, ary aza miseho ho hendry loatra; nahoana no hosimbanao ny tenanao?” — Mpitoriteny 7:16.
“Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” — Asan’ny Apostoly 20:35.
“Tezera, fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.” — Efesiana 4:26.
[Efajoro/Sary, pejy 5]
Tenim-pahendrena mba Hananana Fiainam-pianakaviana Sambatra
“Ho foana ny fikasana, raha tsy misy mpisaina; fa raha maro ny mpanolo-tsaina, dia tanteraka izany.” — Ohabolana 15:22.
“Ny fon’ny manan-tsaina mahazo fahalalana; ary ny sofin’ny hendry mitady izany.” — Ohabolana 18:15.
“Ny teny atao amin’ny antony dia poma volamena ao anaty vilia volafotsy tsara soratra.” — Ohabolana 25:11.
“Mifandefera, ka mifamelà heloka hianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa. Ary aoka ho ambonin’izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin’ny fahatanterahana izany.” — Kolosiana 3:13, 14.
“Fantatrareo izany, ry rahalahy malalako. Kanefa aoka ny olona rehetra halady hihaino, ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra”. — Jakoba 1:19.
[Efajoro/Sary, pejy 6]
Tenim-pahendrena mba Hahombiazana eo Amin’ny Fiainana
“Ny mizana mandainga dia fahavetavetana eo imason’i Jehovah; fa ny vato marina no ankasitrahany.” — Ohabolana 11:1.
“Ny fiavonavonana mialoha ny fahasimbana, ary ny fanahy mirehareha mialoha ny fahalavoana.” — Ohabolana 16:18.
“Tanàna rava tsy misy mànda ny lehilahy izay tsy mahatsindry ny fanahiny.” — Ohabolana 25:28.
“Aoka tsy halaky tezitra ny fanahinao; fa ny fahatezerana mitoetra ao an-tratran’ny adala.” — Mpitoriteny 7:9.
“Atsipazo eny ambonin’ny rano ny haninao, fa ho hitanao ihany izy rehefa ela.” — Mpitoriteny 11:1.
“Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan’ny mihaino fahasoavana.” — Efesiana 4:29.
[Sary, pejy 7]
Ny fianarana ny Baiboly no dingana voalohany ho amin’ny fahatongavana ho mpandray soa amin’ny “fahendrena eran’ny harona”