Fiainana Aorian’ny Fahafatesana — Inona no Inoan’ny Olona?
“Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy?” — JOBA 14:14.
1, 2. Ahoana no itadiavan’ny maro fampiononana rehefa namoy havan-tiana nindaosin’ny fahafatesana izy ireo?
MITANJOZOTRA mangina eo anoloan’ilay vatam-paty misokatra ireo havana aman-tsakaiza tonga ao amin’ny trano iray fikarakarana fandevenana, any New York. Zazalahy iray 17 taona, izay maty vao herotrerony vokatry ny kansera, no ao anatin’ilay vatam-paty. Sady mitomany ilay reniny vonton’alahelo no mamerimberina hatrany ny hoe: “Sambatra kokoa i Tommy izao. Tian’Andriamanitra hiaraka aminy any an-danitra i Tommy.” Nampianarina hino izany tokoa mantsy ilay renim-pianakaviana.
2 Any amin’ny 11 000 kilaometatra avy eo, any Jamnagar, any Inde, dia mandrehitra kitay eo amin’ilay toerana handoroana ny fatin-drainy ilay zokiny indrindra amin’izy telo lahy zanany. Tsy re intsony ny fitefotefoky ny afo, satria mamerimberina sesilany izao teny majika amin’ny fiteny sanskrit izao ilay pretra brahman: “Enga anie ilay fanahy, izay tsy maty mihitsy, ka hanohy ny ezaka ataony mba ho tafaray amin’ilay tena izy fara tampony.”
3. Fanontaniana inona avy no nahalasa fisainana ny olona tao anatin’ireo taonjato nifandimby?
3 Zava-misy manodidina antsika rehetra ny fahafatesana. (Romana 5:12). Ara-dalàna tsotra izao ny anontaniantsika tena raha ny fahafatesana no faran’ny zavatra rehetra. Nanamarika toy izao i Joba, mpanompo nahatokin’i Jehovah Andriamanitra fahiny, rehefa nisaintsaina ny amin’ny tsingerina voajanahary misy eo amin’ny zavamaniry: “Fa azo antenaina ny hazo, satria, na dia kapaina aza izy, dia mbola hitsimoka indray, ka tsy maintsy hisy ny solofony”. Ahoana àry ny amin’ny olombelona? “Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy?”, hoy ny fanontanian’i Joba. (Joba 14:7, 14). Nandritra ireo taonjato nifandimby, dia nahalasa fisainana ny olona teo anivon’ny fiaraha-monina rehetra ireto fanontaniana ireto: Misy fiainana ve aorian’ny fahafatesana? Raha eny, karazam-piainana manao ahoana? Inona, noho izany, no nanjary ninoan’ny olona? Ary nahoana?
Valiny maro, foto-kevitra iray ihany
4. Inona no inoan’ny olona ao amin’ny fivavahana maro samihafa, mahakasika ny fiainana aorian’ny fahafatesana?
4 Kristianina anarana maro no mino fa, na mankany an-danitra ny olona, na mankany amin’ny afobe, aorian’ny fahafatesana. Ny Hindoa, kosa etsy an-danin’izany, dia mino ny fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao. Araka ny finoana silamo, dia hisy andro fitsarana aorian’ny fahafatesana. Hanombana ny fiainana niainan’ny tsirairay i Allah amin’io fotoana io, ka hanendry ny olona tsirairay ho any amin’ny paradisa, na ho any amin’ny afobe mirehitra. Any amin’ny tany sasany, dia fifangaroan-javatra hafahafa ny zavatra inoana momba ny maty, fa mifangaro ao ny lovantsofina eo an-toerana sy ny Kristianisma anarana. Any Sri Lanka, ohatra, dia samy mamela ny varavarany sy ny varavarankeliny hibanabana ny Bodista sy ny Katolika, rehefa misy maty eo anivon’ny ankohonany. Rehefa mametraka ilay vatam-paty izy ireo, dia ny tongotr’ilay maty no ataony manatrika ny varavarambe anoloana. Mino izy ireo fa manamora ny fivoahan’ny fanahin’ilay maty avy ao amin’ilay trano, izany fepetra raisiny izany. Eo amin’ireo Katolika sy Protestanta maro atsy Afrika Andrefana, dia fanao ny manarona ny fitaratra rehefa misy maty, mba tsy hisy hijery ao ka hahita ny fanahin’ilay maty. Avy eo, 40 andro atỳ aoriana, dia mankalaza ny fiakaran’ilay fanahy any an-danitra ny havana aman-tsakaiza.
5. Inona no zavatra fototra iray izay iombonan’ny ankamaroan’ny fivavahana ny finoana azy?
5 Na dia eo aza izany fahasamihafana izany, dia toa miombon-kevitra amin-javatra iray, fara fahakeliny, ny ankamaroan’ny fivavahana. Mino izy ireo fa ao anatin’ny olona ao dia misy zavatra tsy mety maty sy manohy miaina aorian’ny fahafatesan’ny vatana — na fanahy no iantsoana azy, na avelo, na matoatoa. Saika ireo fivavahana sy sekta rehetra ao anatin’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina no manohana ny finoana ny tsy fahafatesan’ny fanahy. Foto-pinoana ofisialy ao amin’ny Jodaisma koa izy io. Izy io no fototra iorenan’ilay fampianaran’ny Hindoisma momba ny fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao. Mino ny Miozolimanina fa mbola miaina ihany ny fanahy aorian’ny fahafatesan’ny vatana. Ireo Tompon-tany any Aostralia, ny Afrikanina mino ny voary ho manana fanahy, ny Shintoista, ary na dia ny Bodista aza, dia samy mampianatra an’io foto-kevitra io avokoa, saingy amin’ny endriny maro samihafa.
6. Ahoana no fahitan’ny manam-pahaizana sasany ilay hevitra hoe tsy mety maty ny fanahy?
6 Etsy an-danin’izany, dia eo koa ireo izay mihevitra fa mifarana eo amin’ny fahafatesana ny fiainana ahatsiarovan-tena. Amin’izy ireo dia toa tsy azon’ny saina ekena ilay hevitra hoe ny fiainana ara-pihetseham-po sy ara-tsaina dia mbola mitohy ao amin’ny fanahy iray tsy manana ny maha izy azy sy manjavozavo ary misaraka amin’ny vatana. Nanoratra toy izao i Miguel de Unamuno, manam-pahaizana espaniola amin’izao taonjato faha-20 izao: “Ny hoe mino ny tsy fahafatesan’ny fanahy dia hoe maniry ny fanahy tsy ho faty, nefa mino izany mafy aoka izany, hany ka izany faniriana izany dia hanao tsinontsinona ny fahaiza-misaina ary tsy hiraharaha azy [io] velively.” Misy olon-kafa manana fihevitra mitovy amin’izany koa, ka anisan’ireny ny olona tena samy hafa toa an’i Aristote sy i Épicure, filôzôfa malaza tamin’ny andro fahiny; i Hippocrate, dokotera; i David Hume, filôzôfa ekosey; i Averroës, manam-pahaizana arabo; ary i Jawaharlal Nehru, praiminisitr’i Inde voalohany, taorian’ny nahazoany ny fahaleovan-tena.
7. Fanontaniana lehibe inona avy, mahakasika ny finoana ny tsy fahafatesan’ny fanahy, no tsy maintsy dinihintsika izao?
7 Eo anatrehan’izany hevitra sy zavatra inoana mifanohitra izany, dia voatery hanontany toy izao isika: Tena manana fanahy tsy mety maty tokoa ve isika? Raha tena mety maty kosa ny fanahy, ahoana no nahafahan’io fampianaran-diso io ho tonga tapany tsy misaraka amin’ny fivavahana maro be amin’izao andro izao? Avy aiza no niandohan’io hevitra io? Tsy maintsy mahita valiny marina sy mahafa-po amin’ireo fanontaniana ireo isika, satria miankina amin’izany ny hoavintsika. (1 Korintiana 15:19). Andeha anefa aloha hodinihintsika ny fomba nipoiran’ny foto-pinoana momba ny tsy fahafatesan’ny fanahy.
Ny niandohan’ilay foto-pinoana
8. Inona no anjara asan’i Socrate sy i Platon, teo amin’ny fampandrosoana ilay hevitra hoe tsy mety maty ny fanahy?
8 I Socrate sy i Platon, filôzôfa grika tamin’ny taonjato fahadimy al.f.i., no lazaina fa anisan’ny voalohany nampandroso ilay finoana ny amin’ny tsy fahafatesan’ny fanahy. Tsy izy mirahalahy ireo anefa no loharano nipoiran’ilay hevitra. Nohatsarainy sy novany ho fampianarana filôzôfika kosa izy io, ka nataony izay hahatonga azy io hanintona kokoa an’ireo kilasin’olona nahita fianarana tamin’ny androny sy tatỳ aoriany. Ny zava-misy dia hoe nino ny tsy fahafatesan’ny fanahy koa ireo Zôrôastrianina tany Persa fahiny, sy ireo Ejipsianina talohan’izy ireo. Ny fanontaniana àry dia hoe: Inona no loharanon’io fampianarana io?
9. Inona no loharano iray nipoiran’ilay fitaomana fahita teo amin’ny kolontsaina fahiny nananan’i Ejipta sy i Persa ary i Gresy?
9 “Teo amin’ny tontolo fahiny”, hoy ilay boky hoe The Religion of Babylonia and Assyria, “i Egypta sy i Persa ary i Gresy dia nahatsapa ny fitaoman’ny fivavahana babylonianina teo aminy.” Manohy ny teniny toy izao ilay boky mahakasika ireo zavatra ara-pivavahana ninoan’ny Ejipsianina: ‘Rehefa heverina ny fifampikasohan’i Ejipta sy i Babylonia tany am-boalohany, araka ny ahariharin’ireo takelak’i El-Amarna, dia tsy maintsy ho nisy fahafahana be dia be nitsofohan’ny fomba fihevitra sy fomba babylonianina tao amin’ireo fivavahana ejipsianina.’a Azo lazaina koa izany raha ny amin’ny kolontsaina persanina sy grika fahiny.
10. Inona no fiheverana nananan’ny Babylonianina momba ny fiainana aorian’ny fahafatesana?
10 Nino ny tsy fahafatesan’ny fanahy ve anefa ireo Babylonianina fahiny? Momba izany, dia nanoratra toy izao ny Profesora Morris Jastrow, zanany, ao amin’ny Oniversiten’i Pennsylvanie, any Etazonia: “Na ny vahoaka na ny mpitondra ara-pivavahana [tany Babylonia], dia samy mbola tsy niatrika ny hoe izay natao hanam-piainana dia mety ho foana tanteraka. Ny fahafatesana [araka ny hevitr’izy ireo] dia fifindrana ho amin’ny karazam-piainana hafa, ary ny fandavana ny tsy fahafatesana [amin’izao fiainana izao] dia nanantitrantitra fotsiny ny tsy fahafahana mandositra ilay fiovana eo amin’ny fiainana entin’ny fahafatesana.” Eny, nino ny Babylonianina fa misy karazam-piainana na endri-piainana mbola mitohy aorian’ny fahafatesana. Naneho izany finoana izany izy ireo tamin’ny fandevenana zavatra niaraka tamin’ny maty, mba hampiasain’izy ireny Any Ankoatra.
11, 12. Taorian’ny Safo-drano, taiza ny toerana nahaterahan’ilay fampianarana momba ny tsy fahafatesan’ny fanahy?
11 Mazava fa efa hatrany Babylona fahiny ny fampianarana momba ny tsy fahafatesan’ny fanahy. Zava-dehibe ve izany? Eny tokoa, satria, araka ny Baiboly, dia naorin’i Nimroda, zafiafin’i Noa, ny tanànan’i Babela, na Babylona. Taorian’ilay Safo-drano naneran-tany tamin’ny andron’i Noa, dia iray ny fitenin’ny olona rehetra ary iray koa ny fivavahany. Tsy vitan’ny hoe olona “nanohitra an’i Jehovah” i Nimroda, fa naniry ‘hanao izay hahazoan’ny tenany laza’ koa izy sy ireo mpanara-dia azy. Tamin’ny fanorenana ilay tanàna sy tamin’ny fanamboarana tilikambo iray tao àry, dia nanomboka fivavahana hafa iray i Nimroda. — Genesisy 10:1, 6, 8-10, NW; 11:1-4.
12 Araka ny lovantsofina, dia fahafatesana nahery vaika no nahazo an’i Nimroda. Taorian’ny nahafatesany, dia tsy nahagaga loatra raha toa ny Babylonianina ka nirona hanaja azy fatratra, noho izy mpanorina ilay tanànan’izy ireo sy mpanjaka voalohany tao. Koa satria ilay andriamanitra natao hoe Mardouk (Merodaka) no noheverina ho mpanorina an’i Babylona, ary nampitondraina ny anarany mihitsy aza ny mpanjaka babylonianina maro, dia nanipy hevitra ny manam-pahaizana sasany fa sary nampiseho an’i Nimroda nasandratra ho andriamanitra, i Mardouk. (2 Mpanjaka 25:27; Isaia 39:1; Jeremia 50:2). Raha izany no izy, dia tsy maintsy ho efa niely patrana tamin’ny fotoana nahafatesan’i Nimroda, fara faharatsiny, ilay hevitra hoe manana fanahy mbola velona aorian’ny fahafatesana, ny olona. Na ahoana na ahoana, dia ahariharin’ny pejin’ny tantara fa taorian’ny Safo-drano, dia i Babela na i Babylona no toerana nahaterahan’ilay fampianarana momba ny tsy fahafatesan’ny fanahy.
13. Ahoana no nielezan’ny fampianarana ny amin’ny fanahy tsy mety maty nanerana ny tany, ary inona no vokany?
13 Asehon’ny Baiboly koa fa nampandamòka ny ezaka nataon’ireo mpanorina ilay tilikambo tao Babela Andriamanitra, tamin’ny fanorokoroana ny fitenin’izy ireo. Tsy afaka nifampiresaka intsony izy ireo, ka navelany ilay tetik’asany ary niely avy tao “ho eny ambonin’ny tany rehetra” izy ireo. (Genesisy 11:5-9). Tsy maintsy mitadidy isika fa na dia novana aza ny fitenin’ireny olona saika hanorina ilay tilikambo ireny, dia tsy niova kosa ny foto-pisainany sy ny fiheviny. Noho izany, dia nanaraka azy ireo tany amin’izay rehetra nalehany ireo hevitra ara-pivavahana nananany. Tamin’izany fomba izany no nielezan’ny fampianarana ara-pivavahana babylonianina nanerana ny tany ka nahatonga azy ireny ho fototra iorenan’ireo fivavahana lehibe eto amin’izao tontolo izao. Anisan’izany fampianarana izany ny tsy fahafatesan’ny fanahy. Tafaorina, araka izany, ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, ary tena mety ny ilazalazan’ny Baiboly azy io hoe “Babylona Lehibe, renin’ny mpijangajanga sy ny zava-betaveta amin’ny tany”. — Apokalypsy 17:5.
Niitatra niantsinanana ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso
14. Ahoana no nielezan’ireo zavatra inoana ara-pivavahana babylonianina tany amin’ny ampahana kontinanta indianina?
14 Milaza ny mpahay tantara sasany fa maherin’ny 3 500 taona lasa izay, dia nisy fifindra-monina nisesisesy, ka ny iray tamin’izany no nahatonga ny vahoaka aryanina, hatsatra fihodirana, avy any avaratrandrefana, hifindra nankany amin’ny Lohasahan’i Indus, izay any Pakistan sy Inde indrindra indrindra no misy azy ankehitriny. Avy tao izy ireo no niely nankany amin’ny lohasahan’ny Ony Gange sy namakivaky an’i Inde. Milaza ny manam-pahaizana sasany fa niorina tamin’ny fampianarana iranianina sy babylonianina fahiny ny hevitra ara-pivavahana nananan’ireny mpifindra monina ireny. Ireny hevitra ara-pivavahana ireny àry no nanjary ny fototra iorenan’ny Hindoisma.
15. Tamin’ny fomba ahoana no nanjary nanan-kery teo amin’ny Hindoisma amin’ny andro ankehitriny ilay hevitra hoe tsy mety maty ny fanahy?
15 Any Inde, dia ny foto-pinoana momba ny fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao no endrika nisehoan’ilay hevitra hoe fanahy tsy mety maty. Olana maneran-tany ny faharatsiana sy ny fijaliana eo amin’ny olombelona, ka ireo olon-kendry hindoa izay niady tamin’izany dia tonga tamin’izay antsoina hoe ny lalàn’ny Karma, izany hoe ny lalàn’ny antony sy ny vokany. Rehefa nakamban’izy ireo tamin’io lalàna io ny finoana ny tsy fahafatesan’ny fanahy, dia niteraka ilay fampianarana momba ny fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao. Araka an’io fampianarana io mantsy, ny fanaovan-javatra mendrika sy tsy mendrika teo amin’ny fiainana iray, dia lazaina ho valian-tsoa na hahazoana sazy ao amin’ny fiainana manaraka. Ny tanjon’ny mpanaraka ilay fivavahana dia ny moksha, na ny hoe afaka amin’ilay tsingerina misy fahaterahana miverimberina ary tonga ho iray amin’ilay antsoina hoe ilay tena izy fara tampony, na ny Nirvana. Tao anatin’ireo taonjato nifandimby, rehefa niely ny Hindoisma, dia niely torak’izany koa ny fampianarana momba ny fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao. Nanjary andry iankinan’ny Hindoisma amin’ny andro ankehitriny io foto-pinoana io.
16. Finoana inona momba ny Any Ankoatra no nanjary nahazo vahana teo amin’ny foto-pisainana ara-pivavahana sy ny fanao ara-pivavahan’ny ankamaroan’ny mponina any Azia Atsinanana?
16 Avy tamin’ny Hindoisma no nipoiran’ny finoana hafa, toy ny Bodisma sy ny Jainisma ary ny Sikhisma. Mifikitra amin’ny finoana ny fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao koa izy ireo. Ankoatra izany, rehefa tafatsofoka tany amin’ny ankamaroan’ireo tanin’i Azia Atsinanana, toa an’i Chine sy Korea sy Japon, ary tany an-toeran-kafa, ny Bodisma, dia nisy vokany lalina teo amin’ny kolontsaina sy ny fivavahan’ilay faritra manontolo izy io. Izany no nampisy ireo fivavahana izay ahitana taratry ny fifangaroam-pinoana avy amin’ny Bodisma sy ny spiritisma ary ny fivavahana amin’ny razana. Ny Taoisma sy ny Konfiosianisma ary ny Shinto no manan-kery indrindra amin’ireo. Tamin’izany fomba izany, dia nanjary nanjaka teo amin’ny foto-pisainana sy ny fanao ara-pivavahan’ny ankabetsahan’ny olombelona tany amin’iny faritra amin’ny tany iny, ny finoana fa mbola misy fiainana aorian’ny fahafatesan’ny vatana.
Ahoana ny amin’ny Jodaisma sy ny Tontolo Lazaina fa Kristianina ary ny Silamo?
17. Inona no ninoan’ny Jiosy fahiny mahakasika ny fiainana aorian’ny fahafatesana?
17 Inona no inoan’ny olona manaraka ny fivavahan’ny Jodaisma sy ny Tontolo Lazaina fa Kristianina ary ny Silamo, raha ny amin’ny fiainana aorian’ny fahafatesana? Ny Jodaisma no tena tranainy indrindra amin’ireo fivavahana ireo. Ny fototry ny Jodaisma dia tonga hatrany amin’i Abrahama, 4 000 taona lasa teo ho eo izay, ela be talohan’ny nandrafetan’i Socrate sy i Platon ny teôrian’ny tsy fahafatesan’ny fanahy. Nino ny fitsanganana amin’ny maty ny Jiosy fahiny, fa tsy nino kosa ny hoe raiki-tampisaka ao amin’ny olombelona ny tsy fahafatesana. (Matio 22:31, 32; Hebreo 11:19). Ahoana àry no nahatafiditra ny foto-pinoana momba ny tsy fahafatesan’ny fanahy, tao amin’ny Jodaisma? Manome ny valiny ny tantara.
18, 19. Ahoana no nahatafidiran’ilay foto-pinoana momba ny tsy fahafatesan’ny fanahy tao amin’ny Jodaisma?
18 Tamin’ny 332 al.f.i., dia resin’i Aleksandra Lehibe i Moyen-Orient, anisan’izany i Jerosalema. Rehefa notohizin’ireo mpandimby an’i Aleksandra ilay fandaharan’asa Fanovana ho Grika, dia nifangaro ireo kolontsaina roa, dia ny kolontsaina grika sy jiosy. Nanjary nifankazatra tamin’ny fisainana grika ny Jiosy tamin’ny farany, ka tonga filôzôfa mihitsy aza ny sasany taminy.
19 Iray tamin’ireny filôzôfa jiosy ireny i Philon avy any Aleksandria, tamin’ny taonjato voalohany am.f.i. Nanaja fatratra an’i Platon izy, ka niezaka hanazava ny Jodaisma tamin’ny teny fampiasa amin’ny filôzôfia grika, hany ka nisava lalana ho an’ireo filôzôfa jiosy tatỳ aoriana. Ny fisainana grika dia nisy fiantraikany koa teo amin’ny Talmoda, izay tsy inona akory fa fanazavana an-tsoratra nataon’ny Raby, mahakasika ny lalàna am-bava. “Ireo rabin’ny Talmoda”, hoy ny Encyclopaedia Judaica, “dia nino fa mbola misy ihany ny fanahy aorian’ny fahafatesana.” Tatỳ aoriana, dia tonga hatramin’ny fampianarana ny fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao, ny asa soratra jiosy mifono zava-miafina, anisan’izany ny Cabale. Tamin’ny alalan’ny filôzôfia grika nisoko nangina àry no nahatonga ilay hevitra momba ny tsy fahafatesan’ny fanahy ho tafiditra tao amin’ny Jodaisma. Inona kosa no azo lazaina momba ny nahatafidiran’ilay fampianarana tao amin’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina?
20, 21. a) Inona no toerana notanan’ireo Kristianina tany am-boalohany, teo anoloan’ny filôzôfia platônika na grika? b) Inona no nahatonga ny hevitr’i Platon hifangaro tamin’ny fampianarana kristianina?
20 Nanomboka tamin’i Jesosy Kristy ny Kristianisma marina. Nanoratra toy izao mahakasika an’i Jesosy, i Miguel de Unamuno, notononina tany aloha kokoa: “Nino ny fitsanganan’ny nofo amin’ny maty kosa izy, araka ny fomba jiosy, fa tsy ny tsy fahafatesan’ny fanahy, araka ny fomba platônika [grika].” Hoy ny fanatsoahan-keviny: “Ny tsy fahafatesan’ny fanahy (...) dia foto-pinoana filôzôfikan’ny fanompoan-tsampy.” Noho izany, dia azontsika atao ny mahita ny antony nanomezan’ny apostoly Paoly fampitandremana mafy an’ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, mahakasika “ny filosofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran’izao tontolo izao, fa tsy araka an’i Kristy”. — Kolosiana 2:8.
21 Oviana ary tamin’ny fomba ahoana anefa no nitsofohan’io “foto-pinoana filôzôfikan’ny fanompoan-tsampy” io tao amin’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina? Hoy ny fanazavan’ny The New Encyclopædia Britannica: “Nanomboka teo antenatenan’ny taonjato faha-2 A.D., ireo Kristianina nahazo fampiofanana araka ny filôzôfia grika, dia nanomboka nihevitra fa nila naneho ny finoany araka azy io ny tenany, mba hahafa-po ny tenany teo amin’ny ara-tsaina, nefa mba hanovana finoana an’ireo mpanompo sampy nahita fianarana koa. Ny filôzôfia sahaza azy ireo indrindra dia ny Platonisma.” Ny roa tamin’ireny filôzôfa tany am-boalohany ireny, izay tena nanan-kery teo amin’ny foto-pinoan’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina, dia i Origène avy any Aleksandria sy i Augustin avy any Hippone. Nanan-kery lalina teo amin’izy mirahalahy ireo ny hevitr’i Platon ary noho izy mirahalahy no nahatonga ireny hevitra ireny hifangaro amin’ny fampianarana kristianina.
22. Tamin’ny ahoana no nitoetra ho nisongadina teo anivon’ny Silamo ny fampianarana momba ny tsy fahafatesan’ny fanahy?
22 Na dia vokatry ny fitaoman’i Platon aza ilay hevitra momba ny tsy fahafatesan’ny fanahy ao amin’ny Jodaisma sy ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina, dia efa hatrany am-piandohana kosa io hevitra io no niditra tao amin’ny Silamo. Ny Kôrana, boky masin’ny Silamo, dia mampianatra fa manana fanahy izay mbola velona aorian’ny fahafatesana, ny olona. Izy io dia miresaka momba izay hanjo ny fanahy amin’ny farany: Na hahazo fiainana ao amin’ny zaridainam-paradisa any an-danitra, na hosazina ao amin’ny afobe mirehitra. Tsy milaza akory izany fa tsy niezaka nandravona ireo fampianaran’ny silamo sy ny filôzôfia grika, ireo manam-pahaizana arabo. Raha ny marina, dia nisy heriny teo amin’ny tontolo arabo ny asa soratr’i Aristote. Na izany aza anefa, dia mitoetra ho zavatra inoan’ny Miozolimanina ny tsy fahafatesan’ny fanahy.
23. Fanontaniana inona avy mahakasika ny fiainana aorian’ny fahafatesana no voatery hapetraka, ka hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
23 Mazava fa nampisy zavatra inoana maro be mahavaka ny saina mahakasika ny Any Ankoatra ireo fivavahana maneran-tany. Ilay fampianarana hoe tsy mety maty ny fanahy no fototra iorenan’ireny zavatra inoana ireny. Nisy fiantraikany teo amin’ny olona an’arivony tapitrisa maro ireny zavatra inoana ireny, eny, nifehy sy nanandevo azy ireo mihitsy aza. Eo anoloan’izany rehetra izany, dia voatery manontany toy izao isika: Azo atao ve ny mahafantatra ny marina momba izay mitranga rehefa maty isika? Misy fiainana ve aorian’ny fahafatesana? Inona no lazain’ny Baiboly momba izany? Izany no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a I El-Amarna no toerana misy ireo sisan-javatra rava teo amin’ilay tanàna ejipsianina atao hoe Akhetaton, izay lazaina fa naorina tamin’ny taonjato faha-14 al.f.i.
Azonao Hazavaina ve?
◻ Inona no foto-kevitra iombonan’ireo zavatra inoan’ny ankamaroan’ny fivavahana, mahakasika ny fiainana aorian’ny fahafatesana?
◻ Amin’ny ahoana ny tantara sy ny Baiboly no manondro fa i Babylona fahiny no toerana nahaterahan’ilay foto-pinoana ny amin’ny fanahy tsy mety maty?
◻ Tamin’ny fomba ahoana no nisy fiantraikany teo amin’ny fivavahana tatsinanana ilay finoana babylonianina momba ny tsy fahafatesan’ny fanahy?
◻ Tamin’ny fomba ahoana no nahatafidiran’ilay fampianarana momba ny tsy fahafatesan’ny fanahy, tao amin’ny Jodaisma sy ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina ary ny Silamo?
[Sary, pejy 12]
Nitarika ho amin’ny fifangaroan’ny kolontsaina grika sy jiosy ny fananiham-bohitra nataon’i Aleksandra Lehibe
[Sary, pejy 13]
Niezahan’i Augustin nakambana ny filôzôfia platônika sy ny Kristianisma
[Sary nahazoan-dalana, pejy 12, 13]
Aleksandra: Musei Capitolini, Roma; Augustin: Avy amin’ilay boky hoe Great Men and Famous Women