FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w99 1/4 p. 23-27
  • Nitady Paradisa

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nitady Paradisa
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fiverenana ho amin’ny fiainana ambanivohitra
  • Nifoha ny finoana an’Andriamanitra
  • Ny valim-bavako
  • Fandrosoana ara-panahy
  • Fanampiana rehefa tao anatin’ny fahoriana
  • Fiezahana hanatratra zavatra tsara kokoa
  • Betela: Paradisa ara-panahy miavaka
  • Vonona Hanompo ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
  • Mety ho io ve no Asa Tsara Indrindra ho Anao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Mianatra Foana Aho Hatramin’izao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2024
  • Faly Manasa Anao Izahay!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
w99 1/4 p. 23-27

Nitady Paradisa

NOTANTARAIN’I PASCAL STISI

Efa alina be tamin’izay, ary tsy nisy olona intsony teny amin’ny araben’i Béziers, any atsimon’i Frantsa. Rehefa hitanay sy ilay namako fa vao avy nolokoana ny rindrin’ny mpivaro-boky ara-pivavahana iray, dia nosoratsoratanay teo ny tenin’i Nietzsche, ilay filôzôfa alemà, manao hoe: “Maty ireo andriamanitra. Ho ela velona ny Olona Tapitra Ohatra!’ Soratra mainty ngezabe no nanaovanay azy. Inona anefa no nahatonga ahy hanao izany rehetra izany?

TERAKA tany Frantsa tamin’ny 1951 aho, tao amin’ny fianakaviana katolika nanana razambe italianina. Fony aho mbola kely, dia mpankany atsimon’i Italia izahay nanao vakansy. Samy nanana ny sarivongan’i Maria Virjiny ny vohitra tsirairay tany. Niara-nandeha tamin’ny raibeko aho nanaraka ireny sarivongana goavana nampiakanjoana ireny, tao anatina filaharana tsy nety tapitra, namakivaky tendrombohitra. Tao anatin’ny tsy finoana tanteraka no nanaovako izany. Namita ny fianarako fototra tao amin’ny sekoly ara-pivavahana notantanan’ny Zezoita, aho. Na izany aza, dia tsy tsaroako hoe nandre na inona na inona izay mba tena nanorina ny finoako an’Andriamanitra, aho.

Fony aho niditra tao amin’ny oniversiten’i Montpellier mba hianatra ho dokotera, no nanombohako nisaintsaina ny amin’ny zava-kendren’ny fiainana. Naratra nandritra ny ady ny raiko, ka nisy dokotera foana teo anilan’ny fandrianany. Tsy aleo ve faranana ny ady, toy izay handany fotoana sy ezaka be toy izao mba hanasitranana olona avy amin’ny fandravana entiny? Tao anatin’ny fara heriny anefa ny Adin’ny Vietnam tamin’izay. Tamiko, ny hany fomba lôjika fitsaboana ny kanseran’ny havokavoka, ohatra, dia ny fanafoanana ny antony voalohany mahatonga azy io, dia ny fifohana sigara. Ary ahoana ny amin’ireo aretina vokatry ny tsy fahampian-tsakafo any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana sy ireo aretina vokatry ny fihinanana tafahoatra any amin’ny tany manankarena? Tsy aleo ve manaisotra ny antony toy izay hiezaka hanasitrana ny vokany mampanaintaina? Nahoana no misy fijaliana be aoka izany eto an-tany? Tsapako fa nisy zavatra tena tsy mety mihitsy tamin’ity fitambaran’olona nandringan-tena ity, ary noraisiko ho tompon’andraikitra ny fitondram-panjakana.

Nosoratan’olona iray mpankasitraka ny fanjakan’Ibaroa ny boky nankafiziko indrindra, ary nisy fehezanteny avy tao anatiny, nosoratako teny amin’ny rindrina. Lasa mpankasitraka ny fanjakan’Ibaroa tsikelikely teny koa aho, tsy nanana finoana na lalàna ara-pitondran-tena, no sady tsy nila Andriamanitra na tompo. Tamiko, Andriamanitra sy ny fivavahana dia zavatra noforonin’ny olona manankarena sy manan-kery mba hahafahany hanjakazaka sy hanararaotra antsika rehetra. Toa miteny izy ireo hoe: ‘Miasà mafy ho anay eto an-tany, ary ho lehibe ny valisoanareo any amin’ny paradisa any an-danitra.’ Efa tapitra anefa ny fotoanan’ireo andriamanitra. Nila ny hilazana izany ny olona. Ny fanoratsoratana eny amin’ny rindrina no fomba iray ilazana izany aminy.

Nanjary latsa-danja kokoa ny fianarako, ho vokatr’izany. Teo anelanelan’izay, dia niditra nianatra jeografia sy ny momba ny tontolo iainana tany amin’ny oniversiten’i Montpellier hafa iray nanjakan’ny fikomiana aho. Arakaraka ny nianarako momba ny tontolo iainana no nitomboan’ny fahatsapako rikoriko nahita ny fandotoana ny planetantsika kanto.

Isan-taona, nandritra ny vakansy tamin’ny fahavaratra, dia nanao auto-stop aho nandeha an-kilaometatra maro nanerana an’i Eoropa. Teny am-panaovako dia lavitra sy tamin’ny firesahako tamin’ireo mpamily fiara an-jatony maro no nahitako maso ny faharatsiana sy ny fahasimbana nahazo ny fiaraha-monin’olombelona. Indray mandeha, teo am-pitadiavana paradisa aho no sendra torapasika tena tsara tarehy, teo amin’ilay nosy kanton’i Kreta, kanjo hitako fa rakotry solitany ilay izy. Nalahelo mafy ny foko. Mba misy sombim-paradisa sisa tavela ve any ho any eto an-tany?

Fiverenana ho amin’ny fiainana ambanivohitra

Ireo mpiaro ny tontolo iainana teto Frantsa dia nampirisika ny hiverenana ho amin’ny fiainana ambanivohitra, satria izany, hono, no vahaolana amin’ireo loza mahazo ny fitambaran’olona. Naniry hiasa tamin’ny tanako aho. Koa nividy trano vato tranainy iray tao amin’ny vohitra kely dia kely teo am-pototry ny Tendrombohitra Cévennes, any atsimon’i Frantsa, aho. Nosoratako teo am-baravarana ilay teny fanevan’ireo hippies amerikanina nanao hoe: “Paradisa Dieny Izao”. Nisy tovovavy alemà iray sendra nandalo, tonga sakaizako niray trano tamiko. Tsy ho nekeko mihitsy ny hisora-panambadiana teo anatrehan’ny ben’ny tanàna, izay solontenan’ny fitondram-panjakana. Ary ny tany am-piangonana? Sanatria izany!

Nandeha tsy nikiraro izahay tamin’ny ankamaroan’ny fotoana, ary lava volo sy nisarakorako volombava aho. Nahasondriana ahy ny fambolena voankazo sy legioma. Tamin’ny fahavaratra, dia manga ny lanitra ary nihira ny jorery. Namerovero aoka izany ireo voninkazo teny amin’ny tany rakotra kirihitra, ary be ranony aoka izany ireo voankazo mediteraneanina nambolenay, dia ny voaloboka sy ny aviavimbazaha! Toa paradisa no fahitanay ny toerana nisy anay.

Nifoha ny finoana an’Andriamanitra

Tany amin’ny oniversite, dia sady nianatra biôlôjia momba ny sela aho no nianatra ny amin’ny fanjary tsaika sy ny anatômia, ka nanaitra lalina ny saiko ny hoe be kojakojany sy mirindra avokoa ireny fomba fiasan-javatra rehetra ireny. Noho izaho afaka nandinika nivantana ny zavaboary isan’andro, dia talanjona tamin’ny hakantony sy ny fahafahany manao zavatra aho. Isan’andro isan’andro, dia tsy sasatry ny miteny amiko ireo pejin’ny bokin’ny zavaboary. Indray andro, rehefa nandehandeha nitsangantsangana naharitra tany amin’ireo havoana aho, ka avy nisaintsaina lalina ny amin’ny fiainana, dia tonga tamin’ny fanatsoahan-kevitra hoe tsy maintsy misy Mpamorona iray. Nanapa-kevitra tao am-poko tao aho fa hino an’Andriamanitra. Nahatsiaro fahabangana tao am-poko aho talohan’izay, fahatsiarovan-tena ho manirery izay nampikorontan-tsaina ahy. Tamin’ilay andro nanombohako nino an’Andriamanitra, dia niteny anakampo aho hoe: ‘Tsy ho irery intsony ialahy, ry Pascal.’ Fahatsapan-javatra hafa kely ilay izy.

Tsy ela taorian’izay, izahay sy ilay sakaizako dia niteraka vavikely, i Amandine. Izy no masoandrom-piainako. Koa satria nino an’Andriamanitra aho, dia nanomboka nanaja ireo lalàna ara-pitondran-tena vitsy mba fantatro. Nitsahatra tsy nangalatra sy tsy nandainga aho, ary tsy ela dia takatro fa nanampy ahy mba hanalavitra zava-nanahirana maro tamin’ireo nanodidina ahy izany. Eny, nanana ny zava-nanahirana anay izahay, ary tsy tena araka ny nanantenako azy ilay paradisako. Ireo mpamboly voaloboka teo an-toerana dia nampiasa poizim-bibikely sy fanafody famonoana ahitra izay nandoto koa ny zavatra novokariko. Mbola tsy voavaly ilay fanontaniako momba ny anton’ny faharatsiana. Ambonin’izany, na dia efa namaky boky maro momba ny fiainam-pianakaviana aza aho, dia tsy nisakana ny fifamaliana mafy tamin’ilay sakaizako izany. Tsy nanana namana firy izahay, ary ireo nanananay dia sakaiza manody; ny sasany aza nanandrana mihitsy hanao izay hahatonga ilay sakaizako hanitsakitsaka ahy. Tsy maintsy misy paradisa tsara kokoa noho izany.

Ny valim-bavako

Matetika dia matetika aho no nivavaka araka izay mba saim-pantatro, nangataka tamin’Andriamanitra mba hitari-dalana ahy teo amin’ny fiainana. Indray alahady maraina, dia tonga teo am-baravaranay ny vehivavy sariaka iray nantsoina hoe Irène Lopez, sy ny zanany lahikely. Vavolombelon’i Jehovah izy. Nihaino izay nolazainy aho ary nanaiky ny hotsidihina indray. Nisy roa lahy tonga nitsidika ahy. Zavatra roa no tadidiko tamin’ny resakay, dia ny hoe, Paradisa sy Fanjakan’Andriamanitra. Notahiriziko tamim-pitandremana tao am-poko ireo hevitra ireo, ary rehefa nandeha teny ny volana maro, dia takatro fa tsy maintsy ho voatery hanitsy ny fiainako teo anatrehan’Andriamanitra aho indray andro any, raha ta hanana feon’ny fieritreretana madio sy tena fahasambarana.

Mba hampifanarahana ny fiainanay tamin’ny Tenin’Andriamanitra, dia vonona ny hanambady ahy aloha ilay sakaizako, tamin’ny voalohany. Niaraka tamin’ny naman-dratsy anefa izy avy eo, tamin’olona izay naniratsira an’Andriamanitra sy ny lalàny. Rehefa tonga tao an-trano aho, indray takarivan-dohataona, dia akory ny fahatairako fa babangoana ny tranonay. Lasa ilay sakaizako, ka nentiny niaraka taminy ny zanakay vavy telo taona. Niandry ny fiverenan’izy ireo nandritra ny andro maro aho, fa ehe, sasa-poana! Tsy nanome tsiny an’Andriamanitra aho fa nivavaka taminy kosa mba hanampy ahy.

Tsy ela taorian’izay, dia naka ny Baiboly aho ka nipetraka teo ambanin’ny aviaviko, ary nanomboka namaky. Raha ny marina, dia nandray ireo teny tao, aho. Na dia efa namaky izao karazam-boky nosoratana psikanalista sy psikôlôgy rehetra izao aza aho, dia mbola tsy sendra fahendrena toy izany mihitsy. Tsy maintsy ho avy tamin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra ity boky ity. Nampitolagaga ahy ny fampianaran’i Jesosy sy ny fahatakarany ny toetra maha izy ny olombelona. Nahazo fampiononana avy tamin’ny Salamo aho ary talanjona noho ilay fahendrena azo ampiharina tao amin’ny Ohabolana. Vetivety dia takatro fa na dia tsara dia tsara aza ny fandinihana ny zavaboary mba hisarihana olona hanatona an’Andriamanitra, dia tsy afaka mampiharihary afa-tsy “ny sisintsisin’ny alehany” ihany izany. — Joba 26:14.

Navelan’ilay Vavolombelona ho ahy koa ilay boky hoe Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay sy ilay hoe Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra.a Nanokatra ny masoko ny famakiana azy ireo. Ny boky Fahamarinana dia nanampy ahy hahatakatra ny antony iatrehan’ny olona ny fihanahan’ny fandotoana, ny ady, ny fitomboan’ny herisetra sy ny fandrahonan’ny fandringanana niokleary. Ary toy ny nanambaran’ilay lanitra mena hitako avy teo an-jaridainako fa ho tsara ny andro ny ampitso, no anaporofoan’ireo fisehoan-javatra ireo fa tena akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra. Raha ny amin’ilay boky Fiainam-pianakaviana kosa, dia naniry koa aho raha naniry ny mba ho afaka hampiseho azy io tamin’ilay sakaizako ka hilaza aminy fa afaka ny ho sambatra izahay amin’ny fampiharana ny torohevitry ny Baiboly. Tsy azo natao intsony anefa izany.

Fandrosoana ara-panahy

Niriko ny hahafantatra misimisy kokoa, ka nangatahiko mba hitsidika ahy i Robert, Vavolombelona iray. Nahagaga azy tokoa ny nilazako taminy fa naniry ny hatao batisa aho, ka natomboka ny fianarana Baiboly. Nanomboka avy hatrany niresaka tamin’ny hafa ny amin’izay nianarako aho sady nanomboka nizara ireo zavatra vita an-tsoratra izay azoko tany amin’ny Efitrano Fanjakana.

Mba hahafahako hahazo vola hivelomana, dia niditra nianatra ny asan’ny mpandatsa-biriky aho. Noho ny fahatakarako fa afaka mitondra soa ho an’ny olona iray ny Tenin’Andriamanitra, dia nohararaotiko avokoa izay fahafahana rehetra hitory tsy ara-potoana tamin’ireo mpiara-mianatra tamiko sy tamin’ireo mpampianatra. Nifanena tamin’i Serge tao an-dalantsara aho, indray takariva. Nisy gazetiboky teny an-tanany. “Hitako fa tia mamaky boky ianao”, hoy aho taminy. “Eny, saingy efa mankaleo ahy ireto.” “Ta hahazo zavatra tena tsara hovakina ve ianao?”, hoy aho nanontany azy. Nisy resaka tsara dia tsara nifanaovanay momba ny Fanjakan’Andriamanitra, ary nandray zavatra vita an-tsoratra sasany momba ny Baiboly izy taorian’izay. Niaraka tamiko nankany amin’ny Efitrano Fanjakana izy ny herinandro nanaraka an’izay, ary natomboka ny fianarana ny Baiboly.

Nanontany an’i Robert aho, indray andro, raha afaka nitory isan-trano. Nankao amin’ny fitoeran’akanjony izy, ary nahita kompile iray ho ahy. Nanao ny dingana voalohany teo amin’ny fanompoana niaraka taminy aho, ny alahady nanaraka an’iny. Farany, dia nanamarika ampahibemaso ny fanoloran-tenako ho an’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny batisa aho, tamin’ny 7 Martsa 1981.

Fanampiana rehefa tao anatin’ny fahoriana

Teo anelanelan’izay, dia hitako ny toerana nipetrahan’i Amandine sy ny reniny, tany an-tany hafa. Nampalahelo fa noraran-dreniny tsy hahita an-janako vavy aho, ary ara-dalàna tanteraka izany, araka ireo lalàn’ilay tany nisy azy. Difotry ny alahelo aho. Nanambady ny renin’i Amandine, ary vao mainka lalina kokoa ny famoizam-poko rehefa naharay filazana ofisialy aho fa nanangana ny zanako vavy ilay rangahy vadiny — tsy nisy fanekena avy atỳ amiko na dia kely akory aza. Tsy nanan-jo intsony tamin-janako aho. Na dia nampiakatra ilay raharaha tany amin’ny fitsarana aza aho, dia tsy afaka nahazo zo hitsidika. Toy ny nilanja zavatra 50 kilao tao andamosiko aho, fa mafy loatra ny fahoriako.

Nanohana ahy tamin’ny fomba maro anefa ny Tenin’i Jehovah. Indray andro, raha iny aho faran’izay ory iny, dia naverimberiko imbetsaka ny teny tao amin’ny Ohabolana 24:10 manao hoe: “Raha [kivy, NW ] amin’ny andro fahoriana hianao, dia kely ny herinao.” Nanampy ahy mba tsy hidaraboka, io andinin-teny io. Tamin’ny toe-javatra hafa iray, rehefa avy tsy nahomby teo amin’ny fiezahako hahita ny zanako aho, dia nivoaka nanao fanompoana ka nofihiniko mafy araka izay tratrako ny tahon’ilay kitapoko. Nandritra izany fotoan-tsarotra izany, dia afaka nahita ny fahamarinan’ny Salamo 126:6 aho. Hoy tokoa mantsy izy io: “Mandeha mitomany mitondra ny voa afafiny izy, fa hiverina mitondra ny amboarany amin’ny fihobiana kosa.” Ny lesona lehibe azoko rehefa mandia fisedrana lehibe, dia izao: Raha vantany vao vitanao izay rehetra azonao natao mba handaminana azy, dia tsy maintsy mametraka azy io any ivohonao ianao, ary manohy amim-pahatapahan-kevitra ny fanompoana an’i Jehovah. Izany ihany no hany fomba hitananao ny fifalianao.

Fiezahana hanatratra zavatra tsara kokoa

Rehefa nahita ireo fiovana nataoko ny ray aman-dreniko tsy foiko, dia nilaza ny hanampy ahy hanohy ny fianarako tany amin’ny oniversite izy ireo. Nisaotra azy ireo aho, saingy efa nanana tanjona hafa aho tamin’izay. Ny fahamarinana dia nanafaka ahy tamin’ny filôzôfian’olombelona sy ny fivavahana mifono zava-miafina ary ny astrôlôjia. Nanana tena namana izay tsy hifamono mihitsy ao amin’ny ady, aho izao. Ary azoko ihany tamin’ny farany ny valin’ny fanontaniako momba ny antony isian’ny fahoriana be eto an-tany. Noho ny fankasitrahana, dia naniry hanompo an’Andriamanitra tamin’ny heriko rehetra aho. Nanokan-tena manontolo ho an’ny fanompoany i Jesosy, ary ta hanaraka ny ohatra navelany aho.

Tamin’ny 1983, dia niala tamin’ilay fandraharahana fandatsaham-biriky nataoko aho mba ho tonga mpanompo manontolo andro. Ho valin’ny vavaka nataoko, dia nahita asa tapa-potoana tao amin’ny zaridainam-panjakana aho mba hivelomako. Hafaliana moa ny ahy nanatrika ny sekolin’ny mpisava lalana niaraka tamin’i Serge, ilay tovolahy nanaovako fanambarana tany amin’ny sekoly fianarana mandatsa-biriky! Rehefa afaka telo taona nanaovana ny asan’ny mpisava lalana maharitra aho, dia nahatsapa faniriana hanao bebe kokoa ihany teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Noho izany, tamin’ny 1986, dia voatendry ho mpisava lalana manokana tany Provins, ilay tanàna mahafinaritra tsy lavitra an’i Paris, aho. Rehefa tonga tao an-trano aho ny takariva, dia matetika no nandohalika nivavaka mba hisaotra an’i Jehovah noho ilay andro nahafinaritra laniko tamin’ny firesahana ny momba azy tamin’ny hafa. Ny fahafinaretana roa lehibe indrindra teo amin’ny fiainako, raha ny marina, dia ny miresaka amin’Andriamanitra sy ny miresaka ny momba an’Andriamanitra.

Fifaliana lehibe hafa ho ahy ny batisan’ny reniko efa 68 taona, izay nipetraka tany Cébazan, vohitra kely any atsimon’i Frantsa. Rehefa nanomboka namaky ny Baiboly ny reniko, dia nandefasako famandrihana tamin’ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Olona nisaina izy, ary tsy ela dia nanjary takany fa fahamarinana izay novakiny.

Betela: Paradisa ara-panahy miavaka

Rehefa nanapa-kevitra ny hampihena ny isan’ireo mpisava lalana manokana ny Fikambanana Watch Tower, dia nanao fangatahana aho ho amin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana sy ho ao amin’ny Betela, izay biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Frantsa. Tiako ho i Jehovah no hanapaka izay fomba tsara indrindra azoko anompoana azy. Volana vitsivitsy taorian’izay, tamin’ny Desambra 1989, dia nasaina ho any amin’ny Betela any Louviers, any avaratrandrefan’i Frantsa, aho. Hita fa nisy vokany tsara dia tsara izany satria ilay toerana dia nahatonga ahy ho afaka nanampy ny rahalahiko sy ny zaobaviko hikarakara ireo ray aman-dreniko, rehefa nanjary narary be izy ireo. Tsy ho afaka nanao izany aho raha toa ka tao amin’ny fanompoana misionera tany amin’ny kilaometatra an’arivony maro lavitra tany.

Tonga nitsidika ahy imbetsaka teto amin’ny Betela ny reniko. Na dia nahafoy zavatra betsaka aza ny reniko noho izy nipetraka lavitra ahy, dia matetika izy no nilaza tamiko hoe: “Mijanòna ato amin’ny Betela, anaka. Sambatra aho fa manompo an’i Jehovah amin’izao fomba izao ianao.” Mampalahelo fa efa maty avokoa izao ny ray aman-dreniko. Manantena ny hahita azy ireo eo amin’ny tany voaova ho paradisa ara-bakiteny aho!

Tena mino tokoa aho fa raha misy trano mendrika ny holazaina hoe “Paradisa Dieny Izao”, dia ny Betela izany, ilay “Tranon’Andriamanitra”. Ara-panahy indrindra indrindra mantsy ny tena paradisa, ary manjaka ao amin’ny Betela ny fifikirana amin’ny zavatra ara-panahy. Manana fahafahana hamboly ny vokatry ny fanahy izahay. (Galatiana 5:22, 23). Anisan’ny manatanjaka ahy eo amin’ny fanompoana eto amin’ny Betela ny sakafo ara-panahy tondraka izay raisinay mandritra ny fandinihana ny andinin-teny ao amin’ny Baiboly ho an’ny andro sy ny fianaran’ny fianakaviana Ny Tilikambo Fiambenana. Ambonin’izany, dia mahatonga ny Betela ho toerana tsy manam-paharoa mba hitomboana ara-panahy, ny fahafahana hiaraka amin’ireo rahalahy sy anabavy manana toe-tsaina ara-panahy izay efa nanompo an’i Jehovah tamim-pahatokiana efa hatramin’ny am-polony taona maro. Na dia tafasaraka tamin-janako vavy efa hatramin’ny 17 taona aza aho izao, dia nahita tanora be zotom-po maro be teto amin’ny Betela, ary mihevitra azy ireo ho zanako aho, ka mahita fahafinaretana amin’ny fandrosoana ara-panahy ataon’izy ireo. Notendrena tamin’ny asa fito samy hafa aho nandritra ireo valo taona lasa. Na dia tsy mora foana aza ireny fiovana ireny, dia mahasoa ny fampiofanana toy izany rehefa mandeha ny fotoana.

Taloha aho dia namboly karazana tsaramaso izay namokatra avo zato heny. Mitovy amin’izany koa ny zavatra niainako, fa rehefa mamafy zava-dratsy ianao, dia mijinja zava-dratsy kokoa avo zato heny, ary tsy indray mandeha ihany no mijinja izany. Sekoly ny zavatra iainana, ary vidina lafo ny lesona azo amin’izany. Ho tiako kokoa raha tsy niditra tamin’izany sekoly izany mihitsy ny tenako, fa mba ho notezaina tao amin’ny lalan’i Jehovah kosa. Tombontsoa toy inona moa ny an’ireo tanora izay notezain’ny ray aman-dreny kristianina! Tsy isalasalana fa tsara kokoa ny mamafy zavatra tsara eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah ka hijinja avo zato heny, dia fiadanana sy fahafaham-po bebe kokoa. — Galatiana 6:7, 8.

Fony aho mpisava lalana, dia indraindray aho nandalo ilay fivarotam-boky ara-pivavahana nasianay teny fanevan’ny mpankasitraka ny fanjakan’Ibaroa teo amin’ny rindriny. Efa niditra tao anatiny mihitsy aza aho mba hiresaka tamin’ilay tompony mahakasika an’ilay Andriamanitra velona sy ny fikasany. Eny, velona Andriamanitra! Ary ankoatra izany, dia Ray mahatoky tsy mahafoy mihitsy ny zanany i Jehovah, ilay hany Andriamanitra marina. (Apokalypsy 15:4). Enga anie ka hisy vahoaka maro kokoa avy amin’ny firenena rehetra hahita ny paradisa ara-panahy dieny izao — sy ilay Paradisa tafaverina amin’ny laoniny mbola ho avy — amin’ny fanompoana sy fiderana an’i Jehovah, ilay Andriamanitra velona!

[Fanamarihana ambany pejy]

a Navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.

[Sary, pejy 26]

Nanapa-kevitra tao am-poko ny hino an’Andriamanitra aho, noho ireo zava-mahatalanjona eo amin’ny zavaboary. (Ankavanana) Manompo ao amin’ny Betela amin’izao andro izao

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara