Afaka ny ho Velona Hafiriana Isika?
Mihaela velona kokoa hatrany ny olona amin’ny ankapobeny, ka mahatonga ny maro hanontany tena hoe: ‘Afaka ny ho velona hafiriana isika?’
TAMIN’NY lasa, araka ny The New Encyclopædia Britannica (1995), dia i Pierre Joubert no neken’ny besinimaro ho olona ela velona indrindra. Maty teo amin’ny faha-113 taonany izy, tamin’ny 1814. Marina aloha fa nisy olon-kafa voalaza ho ela velona kokoa noho izy, saingy tsy nisy tahirin-kevitra mendri-pitokisana mahakasika ny taonan’izy ireny. Nohamarinin’ny tahirin-kevitra marim-pototra anefa fa nisy olona maro izay ela velona kokoa noho i Pierre Joubert.
I Jeanne Louise Calment dia teraka tany Arles, any atsimoatsinanan’i Frantsa, tamin’ny 21 Febroary 1875. Noresahina betsaka tamin’ny fampitam-baovao ny nahafatesany tamin’ny 4 Aogositra 1997, izany hoe maherin’ny 122 taona tatỳ aoriana. Tamin’ny 1986, dia maty teo amin’ny faha-120 taonany i Shigechiyo Izumi, avy any Japon. I Sarah Knauss, 118 taona, no lazain’ny Guinness Book of Records 1999 ho olona ela velona indrindra tamin’ny fotoana nanoratana an’io boky io. Teraka tamin’ny 24 Septambra 1880, tany Pennsylvanie, any Etazonia, izy. Fony nindaosin’ny fahafatesana tamin’ny 1998, teo amin’ny faha-118 taonany, i Marie-Louise Febronie Meilleur avy any Québec, any Kanada, dia zokin’i Sarah 26 andro izy.
Nitombo dia nitombo tokoa ny isan’ny olona tratra antitra be. Tombanana hitombo maherin’ny 2,2 tapitrisa ny isan’ny olona 100 taona no ho miakatra, mandritra ny tapany voalohany amin’ny taonjato manaraka! Nitombo toy izany koa ny isan’ny olona 80 taona no ho miakatra, satria 26,7 tapitrisa ny isan’izy ireo tamin’ny 1970 no nitombo ho 66 tapitrisa tamin’ny 1998. Fitomboana 147 isan-jato izany, raha oharina amin’ny fitomboana 60 isan-jato teo amin’ny tontalin’ny isan’ny mponina eto an-tany.
Tsy vitan’ny hoe ela velona kokoa ny olona, fa maro koa no mahavita zavatra tsy vitan’ny ankamaroan’ny olona 20 taona. Tamin’ny 1990, dia vitan’i John Kelley, 82 taona, tao anatin’ny dimy ora sy dimy minitra, ny hazakazaka marathon, izay mirefy 42,195 kilaometatra. Tamin’ny 1991, dia nahavita an’io halaviran-dalana io tao anatin’ny fito ora sy sivy minitra i Mavis Lindgren, vaviantitra iray 84 taona efa manan-jafiafy. Vao haingana kokoa, dia nahavita hatramin’ny farany ny hazakazaka marathon tany New York ny lehilahy iray 91 taona!
Tsy milaza akory izany fa tsy nahefa zava-bita nahagaga ireo be taona tamin’ny andro lasa. Teo amin’ny faha-99 taonany i Abrahama, patriarika voalaza ao amin’ny Baiboly, no “nihazakazaka hitsena” ny vahininy. Teo amin’ny faha-85 taonany i Kaleba no nanambara hoe: “Tahaka ny tanjako tamin’izany [45 taona tany aloha] ihany no mbola tanjako ankehitriny, mba hiady, na hivoaka, na hiditra.” Milaza koa ny Baiboly fa fony 120 taona i Mosesy dia “tsy pahina ny masony, na nihena ny heriny”. — Genesisy 18:2; Josoa 14:10, 11; Deoteronomia 34:7.
Noresahin’i Jesosy Kristy ho olona tena nisy teo amin’ny tantara i Adama, lehilahy voalohany, sy i Noa, ilay nanamboatra ny sambo fiara. (Matio 19:4-6; 24:37-39). Lazain’ny Genesisy fa niaina 930 taona i Adama, ary 950 taona kosa i Noa. (Genesisy 5:5; 9:29). Tena niaina ela be toy izany tokoa ve ny olona? Afaka ny ho velona maharitra lavitra noho izany ve isika, angamba mandrakizay? Raha sitrakao, dia diniho ny porofo omena ao amin’ny lahatsoratra manaraka.