Maniry Fahafahana ny Olona Rehetra
“Teraka ho olona afaka ny olombelona, ary anefa voageja izy na aiza na aiza”, hoy ny nosoratan’i Jean-Jacques Rousseau, filôzôfa frantsay, tamin’ny 1762. Teraka ho afaka. Mahafinaritra erỳ ny mieritreritra izany! Araka ny nomarihin’i Rousseau anefa, dia olona an-tapitrisany maro nandritra ny tantara no tsy nahita fahafahana mihitsy. Nandritra ny androm-piainany kosa izy ireo dia “voageja”, izany hoe voatana tao anatin’ny fandehan-javatra iray izay nanaisotra tamin’izy ireo izay nety ho fahasambarana sy fahafaham-po maharitra teo amin’ny fiainana.
OLONA maro be amin’izao andro izao no mbola mahita fa ‘manapaka ny namany ny olona ka mampiditra loza aminy’. (Mpitoriteny 8:9). Eo amin’ny fitadiavany toerana, dia misy lehilahy sy vehivavy fatra-paniry laza tsy enjehin’ny eritreriny firy, na tsy enjehin’ny eritreriny mihitsy, hanitsakitsaka ny fahafahan’ny hafa. “Namono olona 21 ny antokona mpamono olona nihetraketraka”, hoy ny tatitra mahazatra iray. Ny tatitra hafa iray dia miresaka ny amin’ny “vonoan’olona amin-kabibiana”, nataon’ny mpitandro filaminana izay ‘namono vehivavy sy ankizy ary be taona izay tsy afaka nanohitra sy tsy nanam-piarovana, nanapaka tenda, nitifitra gadra sivily teo amin’ny lohany, ary nanaraka paikady fandoroana ho fandravana tanàna sy fitifirana amin’ny tafondro amin’ny kisendrasendra fotsiny’.
Tsy mahagaga raha maniry mafy, ary, raha ny marina dia mitolona ho an’ny fahafahana amin’ny fangejana ny olona! Ny zava-marina mampalahelo anefa, dia mahafaoka fanitsakitsahana ny zo sy ny fahafahan’ny olon-kafa iray matetika, ny tolona ho an’ny fahafahan’ny olona iray. Amin’izany dia saika tsy azo ialana ny fanaovana sorona lehilahy sy vehivavy ary ankizy tsy manan-tsiny, ka “ekena ho ara-dalàna” ny fahafatesany, amin’ny fanambarana ny hevitra ijoroana ho mendrika sy ara-drariny. Tamin’ny taon-dasa, ohatra, tany Irlandy tao amin’ny tanàna kelin’i Omagh any ambanivohitra, dia nahafaty olona 29 tsy nanan-tsiny sendra teo sy nandratra olona an-jatony maro, ny baomba iray tao anaty fiarakodia napetrak’ireo “mpitolona ho an’ny fahafahana”.
Mbola “voageja” ihany
Inona anefa no azo rehefa vita ny tolona? Mety hisy fahafahana voafetra ho azo, rehefa mandresy amin’ny tolona ataony ireo “mpitolona ho an’ny fahafahana”. Tena afaka ve anefa izy ireo avy eo? Tsy marina ve fa na dia any amin’ny fiaraha-monina faran’izay manana fahafahana ao amin’ilay antsoina hoe tontolo afaka aza, dia mbola “voageja” ihany ny olona, voagejan’ny mpifehy tsy mifaditrovana toy ny fahantrana, ny tsy fahalavorariana, ny aretina, ary ny fahafatesana? Ahoana no ahafahan’ny olona iray milaza fa tena afaka tokoa izy raha mbola manandevo azy ihany ny zavatra toy izany?
Nilazalaza ny fiainana araka izay niainan’ny olona maro be nandritra ny tantara hatramin’izay ka hatramin’izao i Mosesy, mpanoratra ao amin’ny Baiboly fahiny. Mety hiaina mandritra ny 70 na 80 taona isika, hoy izy, “nefa fahasasarana sy zava-poana ny voninahiny”. (Salamo 90:10). Hiova ve izany? Ho azontsika rehetra atao ve ny hanana fiainana mahafa-po tanteraka, ho afaka amin’ny fanaintainana sy ny tahotra izay mampijaly olona maro aoka izany amin’izao andro izao?
Milaza ny Baiboly hoe eny! Miresaka ny amin’ny “fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra”, izy io. (Romana 8:21, NW ). Andeha hodinihintsika akaiky izany fahafahana izany, izay noresahin’ny apostoly Paoly tamin’ny taonjato voalohany, tao amin’ny taratasy nosoratany ho an’ny Kristianina tany Roma. Hazavain’i Paoly mazava tsara ao amin’io taratasy io ny fomba ahafahan’ny tsirairay avy amintsika mahazo ny tena ‘fahafahana be voninahitra’ maharitra.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]
Avy ao amin’ilay boky hoe Beacon Lights of History, Vol. XIII