FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w99 15/5 p. 29-31
  • Saoly — Fanaka Voafidy ho An’ny Tompo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Saoly — Fanaka Voafidy ho An’ny Tompo
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fianakavian’i Saoly
  • Ny fanabeazana azon’i Saoly
  • Fampiasana tsara ny fahaizana
  • Nifidy An’i Saoly i Jesosy
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • “Nilamina ny Fiangonana”
    ‘Torio Amin’ny Fomba Feno ny Fanjakan’Andriamanitra’
  • Nahita Hazavana Lehibe Ilay Mpanenjika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • “Ny Mankatò no Tsara Kokoa Noho ny Sorona”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
w99 15/5 p. 29-31

Saoly — Fanaka Voafidy ho An’ny Tompo

I SAOLY avy any Tarsosy dia mpanohitra nifofo ny ain’ireo mpanara-dia an’i Kristy. Zavatra hafa anefa no nomanin’ny Tompo ho azy. Ho tonga solontena miavak’ilay hetsika izay notoheriny mafy aoka izany i Saoly. Hoy i Jesosy: “Fanaka voafidy izy [Saoly] ho fitondrana ny anarako eo anatrehan’ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak’Isiraely”. — Asan’ny Apostoly 9:15.

Niova tanteraka ny fiainan’i Saoly “mpampahory” rehefa nanehoana famindram-po izy, ka tonga ‘fanaka voafidin’i’ Jesosy Kristy Tompo. (1 Timoty 1:12, 13). Ny hery nanosika an’i Saoly handray anjara tamin’ny fitoraham-bato an’i Stefana sy ny famelezana hafa nampiharina tamin’ireo mpianatr’i Jesosy dia natokany ho amin’ny zava-kendrena hafa tanteraka, rehefa tonga ny apostoly Paoly kristianina izy. Niharihary fa nahita lafin-toetra faniry tao amin’i Saoly i Jesosy. Lafin-toetra inona avy izany? Iza moa i Saoly? Tamin’ny ahoana ny fiaviany no nahatonga azy ho mendrika hampiasaina ho amin’ny fampandrosoana ny fanompoam-pivavahana marina? Misy azontsika ianarana ve avy amin’ny zavatra niainany?

Ny fianakavian’i Saoly

Mbola “tovolahy” i Saoly tamin’ny fotoana namonoana an’i Stefana, izany hoe tsy ela taorian’ny Pentekosta 33 am.f.i. Efa “be taona” kosa izy fony nanoratra ho an’i Filemona, tokony ho tamin’ny 60-61 am.f.i. (Asan’ny Apostoly 7:58, NW; Filemona 9, NW ). Lazain’ireo manam-pahaizana fa araka ny fomba fanisana ny taona fahiny, dia eo anelanelan’ny 24 sy 40 taona ny hoe “tovolahy”, kanefa kosa manomboka eo amin’ny 50 ka hatramin’ny 56 taona ny hoe “be taona”. Koa angamba teraka taona vitsivitsy monja taorian’ny nahaterahan’i Jesosy àry i Saoly.

Tamin’izany fotoana izany, dia niaina tany amin’ny faritra maro teo amin’izao tontolo izao ny Jiosy. Anisan’ny antony nahatonga ny fielezan’izy ireo avy tao Jodia ny faharesena teo anoloan’ny firenena hafa, ny fanandevozana, ny fanaovana sesitany, ny varotra, sy ny safidy manokana hifindra monina. Na dia Jiosy tany am-pielezana aza ny fianakaviany, dia nohamafisin’i Saoly ny tsy fivadihan’izy ireo tamin’ny Lalàna; nambarany fa ny tenany dia “voafora tamin’ny andro fahavalo (...), avy amin’ny fototr’Isiraely, dia avy amin’ny firenen’i Benjamina; Hebreo sady avy amin’ny Hebreo (...); araka ny lalàna, dia Fariseo”. Nitondra ny anarana hebreo nitovy tamin’ny an’ilay olo-malaza iray anisan’ny foko nisy azy izy, dia ny an’ilay mpanjaka voalohany teo amin’ny Isiraely. Nanana anarana latina koa i Saoly avy any Tarsosy, noho izy teraka Romanina, dia i Paullus izany. — Filipiana 3:5; Asan’ny Apostoly 13:21; 22:25-29.

Noho i Saoly teraka Romanina, dia azo inoana fa nizaka izany zom-pirenena izany ny iray tamin’ireo lehilahy razambeny. Tamin’ny fomba ahoana? Mety hisy antony maromaro. Ankoatra ny fandovana ny fizakana ny zo maha olom-pirenena, dia nety ho nomena ny isam-batan’olona na ny antokon’olona izany, noho ny fahamendrehana manokana, noho ny antony ara-politika, na ho valisoa noho ny zava-bita niavaka ho an’ny Fanjakana. Tonga Romanina ny andevo iray afaka nividy ny fahafahany tamina Romanina, na nafahan’ny olom-pirenena romanina iray. Toy izany koa ny miaramila iray taloha tao amin’ny andian-tafika romanina rehefa nafahana tamin’ny raharahany. Afaka nizaka io zom-pirenena io, tamin’ny farany, ireo tompon-tany nonina tany amin’ireo zanatany romanina. Voalaza koa fa tamin’ny fe-potoana sasany, dia novidina vola be io zom-pirenena io. Tsy fantatra anefa ny fomba nahazoan’ny fianakavian’i Saoly ny zo maha olom-pirenena romanina.

Fantatsika kosa anefa fa i Saoly dia avy any Tarsosy, izay sady tanàna lehibe indrindra no renivohitry ny provansy romanin’i Kilikia (any amin’ny faritra atsimon’i Torkia ankehitriny). Nisy fiaraha-monina jiosy lehibe ihany tao; kanefa, nety ho nahatonga an’i Saoly hifampikasoka tamin’ny kolontsain’ny Jentilisa koa ny fiainana tao. Tanàn-dehibe niroborobo i Tarsosy, nalaza noho izy foiben’ny fahalalana helenistika na grika. Notombanana ho teo anelanelan’ny 300 000 sy 500 000 ny mponina tao aminy tamin’ny taonjato voalohany. Izy io dia foibem-barotra, teo amin’ny lalana lehibe indrindra nampitohy an’i Azia Minora tamin’i Syria sy i Mezôpôtamia. Niroborobo i Tarsosy noho ny varotra sy ny fahavokaran’ny tany lemaka nanodidina azy, izay namokatra voa madinika sy divay ary lamba rongony indrindra indrindra. Avy tamin’ny asa fanenomana nandroso tao aminy no niavian’ny lamba vita tamin’ny volon’osy, izay fanamboarana lay.

Ny fanabeazana azon’i Saoly

Namelon-tena tamin’ny fomba marina i Saoly na Paoly, ary nanohana ny asa misionera nataony tamin’ny fanaovana lay. (Asan’ny Apostoly 18:2, 3; 20:34). Nampiavaka an’i Tarsosy, tanàna niaviany, ny asa fanaovana lay. Azo inoana fa avy tamin’ny rainy no nianaran’i Saoly ny asa fanaovana lay, fony izy tanora.

Ny fahaizan’i Saoly fiteny maro — indrindra ny fahaizany tsara dia tsara ny teny grika, fiteny iombonana nampiasaina nanerana ny Empira Romanina — dia hita koa fa sarobidy teo amin’ny asa misionera nataony. (Asan’ny Apostoly 21:37–22:2). Milaza ireo mpanao tsikera ny asa sorany fa tsara dia tsara ny teny grika nampiasainy. Tsy ny voambolana grika kilasika na miendrika haisoratra no nampiasainy, fa ny mitovy amin’izay hita ao amin’ny Septante, dia ilay fandikan-teny grikan’ny Soratra Hebreo, izay matetika notononiny na nolazainy tamin’ny fomba hafa. Miorina amin’io porofo io, dia eken’ny manam-pahaizana maro samihafa fa nahazo, fara fahakeliny, fampianarana fototra tsara ny teny grika i Saoly, angamba tany amin’ny sekoly jiosy. Hoy ilay manam-pahaizana atao hoe Martin Hengel: “Fahiny, ny fampianarana tsara kokoa — ny fampianarana grika alohan’ny zavatra hafa rehetra — dia tsy azo maimaim-poana; tamin’ny ankapobeny, dia nitaky ny fisian’ny mpanohana ara-nofo izany.” Toa tondroin’ny fanabeazana azon’i Saoly àry fa avy tamin’ny fianakaviana ambony izy.

Azo inoana fa tsy nihoatra ny 13 taona i Saoly fony izy nanohy ny fianarany tany Jerosalema, tany amin’ny 840 kilaometatra teo ho eo avy tao amin’ny nisy azy. Teo anilan’ny tongotr’i Gamaliela, mpampianatra ny lovantsofin’ny Fariseo, nalaza sady nohajaina fatratra, no nampianarana azy. (Asan’ny Apostoly 22:3; 23:6). Izany fianarana izany, izay mitovy amin’ny fianarana eny amin’ny oniversite amin’izao andro izao, dia nanokatra malalaka ho azy ny fahafahana hahazo toerana ambony tao amin’ny Jodaisma.a

Fampiasana tsara ny fahaizana

Noho izy teraka tao amin’ny fianakaviana jiosy, tao amin’ny tanàna romanina iray foiben’ny kolontsaina helenistika, dia anisan’ny sarangan’olona telo i Saoly. Tsy isalasalana fa nanampy azy ho ‘tonga zavatra rehetra amin’ny olona rehetra’, ny fiaviana iharoan’ny fiteny sy firenena maro. (1 Korintiana 9:19-23). Noho izy nizaka ny zon’ny olom-pirenena romanina dia afaka niaro ara-dalàna ny fanompoany izy tatỳ aoriana, sady afaka nitondra ny vaovao tsara teo anoloan’ny fahefana ambony indrindra teo amin’ny Empira Romanina. (Asan’ny Apostoly 16:37-40; 25:11, 12). Mazava ho azy, fa fantatr’i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty tsara ny toetra sy ny fanabeazana ary ny fiavian’i Saoly; hoy i Jesosy tamin’i Ananiasy: “Mandehana, fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo anatrehan’ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak’Isiraely; fa hasehoko azy ny habetsahan’izay tsy maintsy hiaretany ho voninahitry ny anarako.” (Asan’ny Apostoly 9:13-16). Rehefa notarihina tamin’ny lalana tsara ny zotom-pon’i Saoly dia tonga fitaovana tsara mba hanelezana ny hafatra momba ilay Fanjakana tany amin’ny faritany lavitra.

Fisehoan-javatra tsy nanam-paharoa teo amin’ny tantaran’ny Kristianisma ny nifidianan’i Jesosy an’i Saoly ho amin’ny asa nanirahana manokana. Manana fahaizana sy toetra manokana mampiavaka azy anefa ny Kristianina rehetra amin’izao andro izao; azony ampiasaina amin’ny fomba mandaitra izany mba hanelezana ny vaovao tsara. Rehefa takatr’i Saoly izay notadiavin’i Jesosy taminy, dia tsy niahotra izy. Nanao izay rehetra azony natao izy mba hampandrosoana ny tombontsoan’ilay Fanjakana. Marina ve izany raha ny aminao?

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 1996, pejy faha-26-29, momba ny toetoetra sy ny votoatin’ny fampianarana nety ho azon’i Saoly tamin’i Gamaliela.

[Efajoro/Sary, pejy 30]

Fanoratana sy Fanamarinana Ara-panjakana ny Maha Olom-pirenena Romanina

I Aogosto no nanorina ny fanoratana ara-panjakana ny anaran’ny zanaka ara-dalànan’ireo olona nizaka ny zom-pirenena romanina, ka lalàna roa no navoaka momba izany tamin’ny taona faha-4 sy faha-9 am.f.i. Tsy maintsy natao tao anatin’ny 30 andro taorian’ny nahaterahana, ny fanoratana anarana. Tany amin’ireo provansy, dia tsy maintsy nanao fanambarana teo anatrehan’ny mpitsara iray tao amin’ny biraom-panjakana fandraiketana anarana ny fianakaviana, ka nilaza fa ara-dalàna ilay zaza sady nizaka ny zom-pirenena romanina. Nosoratana ara-panjakana koa ny anaran’ny ray aman-dreny, ny anaran’ilay zaza sy ny hoe lahy izy sa vavy, ary ny daty nahaterahany. Na dia talohan’ny namoahana ireo lalàna ireo aza, dia efa nohavaozina isaky ny dimy taona tamin’ny alalan’ny fanisam-bahoaka, ny fanoratana ara-panjakana ny anaran’ireo olom-pirenena; natao tany amin’ireo biraon’ny tanàna sy zanatany ary distrika romanina rehetra izany.

Azo noporofoina tamin’ny alalan’ny antontam-porofo voatahiry araka ny tokony ho izy tao amin’ny arsiva àry ny mombamomba ny olona iray. Azo natao ny nahazo kopia voamarina ny amin’izany firaketana izany, tamin’ny endriky ny takelaka hazo azo naforitra sady azo nentina. Araka ny hevitr’ireo manam-pahaizana sasany, fony Paoly nanizingizina ny naha Romanina azy, dia nety ho nampiseho taratasy fanamarinana izy ho fanamafisana. (Asan’ny Apostoly 16:37; 22:25-29; 25:11). Koa satria saika noheverina mihitsy hoe “masina” ny fizakana ny zom-pirenena romanina, ary nahazoan’ny olona iray tombontsoa maro, dia fandikan-dalàna faran’izay lehibe ny fanaovana hosoka ny taratasy toy ireny. Nosazina ho faty ny mpisandoka ny mombamomba ny tena.

[Sary nahazoan-dalana]

Historic Costume in Pictures/Dover Publications, Inc., New York

[Efajoro/Sary, pejy 31]

Anarana Romanina Nentin’i Saoly

Tsy maintsy nanana anarana telo fara fahakeliny, ny lehilahy rehetra nizaka ny zom-pirenena romanina. Nanana fanampin’anarana sy anaram-pianakaviana izy (izay nampifandraisina tamin’ny foko na antokon’olona nisy azy) ary anaram-bosotra. Ny ohatra iray malaza dia ny an’i Gaius Julius Caesar. Tsy milaza ireo anarana romanina feno ny Baiboly, fa lazain’ireo loharanon-kevitra tsy ara-pivavahana amintsika kosa fa i Agripa dia Marcus Julius Agrippa. I Galio dia Lucius Junius Gallio. (Asan’ny Apostoly 18:12; 25:13). Ireo ohatra ao amin’ny Soratra Masina ny amin’ny anarana roa farany amin’ny anaran’ny olona iray dia ny an’i Pontio Pilato (soratra etsy ambany), Sergio Paolo, Klaodio Lysia, sy Porsio Festosy. — Asan’ny Apostoly 4:27; 13:7; 23:26; 24:27.

Tsy azo atao ny milaza marimarina na fanampin’anaran’i Saoly na anaram-bosotra ny hoe Paullus. Nahazatra ny nanampy anarana hafa izay nety ho niantsoan’ny fianakaviana sy ny olom-pantatra ny olona iray. Etsy an-danin’izany, dia nety ho nampiasaina ho solon’anarana ny anarana tsy romanina toy ny hoe Saoly. “Tsy nety mihitsy tamin’ny naha anarana romanina [ny hoe Saoly]”, hoy ny manam-pahaizana iray, “kanefa nety tsara tokoa izy io tamin’ny naha anarana nomena teo am-pahaterahana mba ho anarana hafa ho an’ny olom-pirenena romanina iray.” Tany amin’ireo faritra ampiasana fiteny maro, dia ny toe-javatra no mety ho nanapaka hoe anarana inona no nofidin’ny lehilahy iray hampiasaina.

[Sary nahazoan-dalana]

Photograph by Israel Museum, ©Israel Antiquities Authority

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara