Ny Fotoana sy ny Mandrakizay — Inona no Tena Fantatsika Momba Azy Ireo?
“NY FOTOANA dia toa iray amin’ireo karazan-javatra iainan’ny olona mifono zava-miafina indrindra”, hoy ny encyclopédie iray. Eny, saika tsy azo atao mihitsy ny mamaritra ny fotoana amin’ny teny tsotra. Mety hilaza isika fa “mandalo” ny fotoana, na “mandeha”, na “mihelina”, ary mety hilaza isika fa na dia ny tenantsika mihitsy aza dia mandroso ao anatin’ny “fandehan’ny fotoana”. Tsy tena fantatsika anefa izay resahintsika.
Ny fotoana dia nofaritana ho ny “elanelana eo amin’ny fisehoan-javatra roa”. Kanefa, ny zavatra iainantsika dia toa milaza amintsika fa tsy miankina amin’ny fisehoan-javatra ny fotoana; toa mandeha foana izy io na misy zavatra mitranga na tsia. Milaza ny filôzôfa iray fa tsy tena misy ny fotoana fa zavatra foronin’ny saina fotsiny. Moa ve izay iorenan’ireo zavatra maro be niainantsika, mety ho zavatra foromporonin’ny saintsika fotsiny?
Ny fiheveran’ny Baiboly ny fotoana
Tsy manome famaritana ny atao hoe fotoana ny Baiboly, ka toa manondro izany fa angamba tsy takatry ny sain’olombelona amin’ny fomba feno izy io. Izany dia mitovy amin’ny habakabaka midadasika tsy misy farany, izay saro-takarina amintsika koa. Ny fotoana dia toa iray amin’ireo zavatra izay tsy takatry ny sain’iza na iza amin’ny fomba feno afa-tsy Andriamanitra irery ihany, satria izy irery ihany no “hatramin’ny taloha indrindra ka mandrakizay”. — Salamo 90:2.
Na dia tsy mamaritra ny atao hoe fotoana aza ny Baiboly, dia tena milaza azy io ho zavatra tena misy. Voalohany aloha, dia milaza amintsika ny Baiboly fa namorona ireo “fanazavana” — ny masoandro, sy ny volana ary ny kintana — ho famaritana fotoana, Andriamanitra mba “ho famantarana sy ho fotoana ary ho andro sy taona”. Fisehoan-javatra maro voarakitra ao amin’ny Baiboly no miorina mafy eo amin’ny fandehan’ny fotoana. (Genesisy 1:14; 5:3-32; 7:11, 12; 11:10-32; Eksodosy 12:40, 41). Ny Baiboly koa dia miresaka ny fotoana ho zavatra iray izay tokony hampiasaintsika amim-pahendrena mba hahatonga antsika ho tsara toerana mba hahazo ny fitahian’Andriamanitra ny amin’ny fotoana mandrakizay — ilay fahatsinjovana ny hiaina mandrakizay. — Efesiana 5:15, 16.
Fiainana mandrakizay — Lôjika ve izany?
Na dia mahakivy aza ny miezaka hahatakatra ny tena atao hoe fotoana, dia saro-takarina indrindra amin’ny olona maro ilay hevitra ny amin’ny fiainana mandrakizay. Antony iray mahatonga izany angamba ny hoe izay fotoana niainantsika dia nampifandraisintsika foana tamin’ny tsingerin’ny fahaterahana, ny fitomboana, ny fahanterana, ary ny fahafatesana. Araka izany, dia nanjary nampitovintsika amin’ny fizotran’ny fahanterana ny fandehan’ny fotoana. Ho an’ny maro, dia toa tsy manaiky ilay tena hevitry ny fotoana ny olona manana fiheverana hafa noho izany. ‘Nahoana ny olombelona no haningana ny amin’izay toa mahazo ny zavaboary velona hafa rehetra?’, hoy ny mety ho fanontaniany.
Amin’io fomba fanjohian-kevitra io, dia matetika no odian-tsy fantatra ny hoe efa maningana amin’ny sisa amin’ireo zavaboary ny olombelona amin’ny lafin-javatra maromaro. Ohatra, tsy manana fahaiza-misaina tahaka ny olombelona ny biby. Na dia eo aza ny fanantitranterana mifanohitra amin’izany, dia tsy mahay mamoron-javatra ankoatra izay hainy ho azy ireo biby. Tsy manana ny fahaiza-manao zavakanto na ny fahaiza-maneho fitiavana sy fankasitrahana ananan’ny olombelona, izy ireo. Raha nomena bebe kokoa amin’ireo toetra sy fahaizana ireo izay mahatonga ny fiainana hisy heviny ny olombelona, nahoana no tsy hety ny hanomezana azy ireo koa fotoana bebe kokoa, raha ny fiainana no resahina?
Etsy an-danin’izany, tsy hafahafa ve raha toa ka ny hazo izay tsy afaka mieritreritra, no velona mandritra ny an’arivony taona maro ny sasany, nefa ny olombelona manan-tsaina dia tsy afaka ny ho velona afa-tsy 70 na 80 taona monja amin’ny antsalany? Tsy fifanoheran-javatra ve raha toa ka ny sokatra izay tsy manana fahaiza-mamoron-javatra na fahaiza-manao zavakanto no afaka ny ho velona mihoatra ny 200 taona, nefa ny olombelona izay nomena be dia be amin’ireo fahaizana ireo dia tsy ho velona afa-tsy latsaka be ny antsasak’izany?
Na dia tsy takatry ny sain’olona amin’ny fomba feno aza ny atao hoe fotoana sy ny mandrakizay, dia mbola fanantenana miorina tsara ao amin’ny Baiboly ihany ny fampanantenana ny fiainana mandrakizay. Ao amin’izy io, dia miseho efa ho in-40 ny teny hoe “fiainana mandrakizay”. Raha fikasan’Andriamanitra anefa ny hiainan’ny olombelona mandrakizay, nahoana izany no mbola tsy tanteraka? Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka io fanontaniana io.