Mifalia Amin’i Jehovah ary Ravoravoa
FOTOAM-PIFALIANA foana ny fahavitana amim-pahombiazana izay tetik’asa rehetra mendrika ny hatao. Ny fandaharam-pizarana diplaoma tamin’ny 13 Martsa 1999, tao amin’ny Foibem-pampianaran’ny Watchtower, any Patterson, any New York, dia azo antoka fa fotoam-pifaliana toy izany ho an’ireo mpianatra 48 tao amin’ny kilasy faha-106-n’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower.
Ireo teny fanokafana nataon’i Theodore Jaracz, izay anisan’ny Fitambara-mpitantana, sy nahazo diplaoma tamin’ny kilasy fahafiton’i Gileada, ary mpitari-draharaha tamin’ilay fandaharam-pizarana diplaoma, dia nanasongadina ireo teny ao amin’ny Salamo 32:11, manao hoe: “Mifalia amin’i Jehovah, ary ravoravoa, hianareo olo-marina”. Hoy indrindra izy raha nanazava ny antony nahamety ny nifalian’ny rehetra tamin’io fotoan-dehibe io: “Noho izay tanterahin’i Jehovah amin’ireo olona mahitsy fo, anisan’izany ireto mpianatsika avy eto Gileada ireto, no mahatonga antsika hifaly amin’ny fotoan-dehibe toy izao.” Nanao fandaharana mialoha mba hahatongavana tao amin’ny Sekolin’i Gileada ireo mpianatra no sady niezaka tamim-pahazotoana mba hahafeno fepetra ho amin’ny fanompoan’ny misionera. Na izany aza anefa, dia i Jehovah irery ihany no nahatonga ny zava-drehetra ho tontosa tamim-pahombiazana. (Ohabolana 21:5; 27:1). Izany, hoy ny fanantitranteran’ny Rahalahy Jaracz, no antony tokony ‘hifaliana amin’i Jehovah’.
Anisan’ireo tonga tao amin’ilay efitrano fivoriana ao Patterson ny fianakavian’ireo mpianatra sy ny olona nasain’izy ireo avy tany amin’ny tany 12, mba hanatrika an’io fotoam-pifaliana io. Raha mbola notsindrian-daona hanaraka ilay fandaharana ireo mpanatrika 5 198, anisan’izany ireo mpianakavin’ny Betelan’i Brooklyn sy Patterson ary Wallkill izay nampifandraisina tamin’ny alalan’ny feo sy ny sary, dia niharihary fa nanjaka ny toe-tsaina falifaly.
Nampirisihina mba hihazona toe-tsaina falifaly
Rehefa namarana ireo teny fanokafana nataony ny Rahalahy Jaracz, dia narosony ny voalohany tamin’ireo mpandahateny dimy, izay nanomana torohevitra araka ny Soratra Masina nampahery, tsy ho an’ireo nahazo diplaoman’i Gileada ihany, fa ho an’ny mpanatrika rehetra koa.
Ny nandray fitenenana voalohany, dia i William Malenfant, nahazo diplaoma tamin’ny kilasy faha-34-n’i Gileada, ary manampy ny Komitin’ny Fampianaran’ny Fitambara-mpitantana ankehitriny. Mifandray amin’ilay foto-kevitra nohazavainy manao hoe “Tsy Zava-poana ny ‘Zavatra Rehetra’!”, izay niorina tamin’ny Mpitoriteny 1:2, dia nametraka izao fanontaniana izao izy: “Ny tena tian’i Solomona holazaina ve dia hoe zava-poana avokoa ny zavatra rehetra tsy an-kanavaka?” Ny valiny dia hoe: “Tsia. Nohazavainy fa ny zavatra ataon’olombelona izay tsy iraharahana ny sitrapon’Andriamanitra, sy ireo fanaovan-javatra tsy araka ny sitrapon’Andriamanitra — ireo zavatra rehetra ireo no zava-poana.” Mifanohitra amin’izany fa tsy mba zava-poana ny fanompoana an’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina; tsy zava-poana koa ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, sy ny fampianarana azy io amin’ny hafa. Tsy manadino ireny ezaka ataon’ny mpanompony ireny Andriamanitra. (Hebreo 6:10). Na dia tojo loza aza ireo mahazo sitraka amin’Andriamanitra, dia “hofehezina amin’ny fehin’aina ao amin’i Jehovah” izy ireo, raha ny marina. (1 Samoela 25:29). Izany ka hevitra mamelombelona! Ny fitadidiana ireo hevitra ireo dia afaka manampy ireo mpivavaka amin’i Jehovah rehetra mba hihazona toe-tsaina falifaly.
Nankahery an’ilay kilasy nahazo diplaoma i John Barr, anisan’ny Fitambara-mpitantana, tamin’ilay lahateniny hoe “Aoka Ianao ho Finaritra Amin’ny Asa Misionera Nanendrena Anao”. Nasehony fa zavatra iray tena akaiky ny fon’i Jehovah Andriamanitra foana ny fanompoan’ny misionera. “Izy io dia zavatra iray izay tapany tsy misaraka amin’ny fanehoan’i Jehovah fitiavana amin’izao tontolo izao. Naniraka ny Zanany lahitokana ho etỳ an-tany izy. I Jesosy no misionera lehibe indrindra, ny misionera fara tampony.” Ireo nahazo diplaoma dia afaka mandinika ireo fiovana tsy maintsy nataon’i Jesosy mba hahombiazany teo amin’ny asa nanendrena azy teto an-tany, ary ireo soa nentin’ny fanompoan’i Jesosy tamin’ny naha misionera azy kosa etsy an-danin’izany, dia mbola misokatra ho an’ny olona rehetra hahay hanararaotra azy ireny. Izany no izy, satria finaritra tamin’ny fanaovana ny asan’Andriamanitra i Jesosy no sady tia ny zanak’olombelona, hoy ny fanazavan’ny Rahalahy Barr. (Ohabolana 8:30, 31). Nampirisika ireo nahazo diplaoma mba hifikitra amin’ny asa nanendrena azy, ny Rahalahy Barr, tsy ho fanehoana fiaretana fotsiny akory, fa noho izy ireo koa finaritra amin’ny fanaovana izany. “Miantehera amin’i Jehovah, fa tsy hahafoy anareo izy”, hoy ny fiangaviany an’ilay kilasy. — Salamo 55:22.
“Fandehanana Amin’ny Anaran’i Jehovah Mandrakizay”. Izany no foto-kevitra nofidin’ny mpandahateny nanaraka, dia i Lloyd Barry, mpikambana hafa iray ao amin’ny Fitambara-mpitantana. Koa satria misionera nandritra ny 25 taona mahery tany Japon ny Rahalahy Barry, taorian’ny nahavitany ny kilasy faha-11-n’i Gileada, dia nitantara ny sasany tamin’ireo zavatra niainan’ireo misionera tany am-boalohany izy, ka nilazalaza ireo zava-tsarotra tsy maintsy natrehin’izy ireny. Inona no torohevitra azo ampiharina nomeny an’ilay kilasy nahazo diplaoma? “Ambonin’ny zava-drehetra, dia tano hatrany ny fifikiranareo amin’ny zavatra ara-panahy. Ankoatra izany, dia ianaro ny fiteny sy ny kolontsaina. Tano foana ny fitiavanareo vazivazy. Mifikira amin’ilay asa; aza mety ho reraka na hilavo lefona.” Nilaza tamin’ireo nahazo diplaoma ny Rahalahy Barry fa hihaona amin’ny olona maro izay mandeha amin’ny anaran’ny andriamanitra maro samihafa izy ireo any amin’ireo tany anendrena azy. Nampahatsiahiviny azy ireo àry ny tenin’i Mika, manao hoe: “Ny firenena rehetra samy mandeha amin’ny anaran’ny andriamaniny avy; fa isika kosa handeha amin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitsika mandrakizay doria.” (Mika 4:5). Ny ohatra navelan’ireo misionera taloha dia azo antoka fa antony mahery manosika ny mpanompon’Andriamanitra rehetra handeha hatrany foana amin’ny anaran’i Jehovah sy hanompo azy amim-pahatokiana.
Ny mpandahateny nanaraka, tao amin’ilay fandaharana, dia i Lawrence Bowen, mpampianatra ao Gileada. Ny famelabelarana nataony dia niompana tamin’ilay fanontaniana hoe: “Hanaporofo ny Tenanao ho Olona Hanao Ahoana Ianao?” Nasehony fa miankina amin’ny finoana an’i Jehovah sy ny fitokisana aminy ny fahombiazana eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Ny fianteherana tanteraka tamin’i Jehovah no nahatonga an’i Asa Mpanjaka hahazo fandresena niezinezina, teo anoloan’ny tafika fahavalo nisy miaramila iray tapitrisa. Na izany aza, dia nampahatsiahivin’ny mpaminany Azaria azy fa nilaina ny niantehitra hatrany tamin’Andriamanitra. Hoy tokoa mantsy i Azaria: “Jehovah momba anareo, raha hianareo momba Azy”. (2 Tantara 14:8-11; 15:1, 2). Ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah dia mampita hevitra hoe manaporofo ny tenany ho izay rehetra ilaina izy mba hanatanterahana ny fikasany, na midika ho fahatongavany ho Mpikarakara izany, na Mpiaro, na Mpanatanteraka Didim-pitsarana mihitsy aza. Koa satria izany no izy, dia hahita fahombiazana eo amin’ny asa nanendrena azy, ireo misionera izay miantehitra amin’i Jehovah sy miasa mifanaraka amin’ny fikasan’Andriamanitra. (Eksodosy 3:14, NW ). “Aza hadinoina na oviana na oviana”, hoy ny famaranan-tenin’ny Rahalahy Bowen, “fa raha mbola ataonareo ho fikasanareo koa ny fikasan’i Jehovah, dia hataony izay hahatonga anareo ho izay rehetra ilaina mba hahatanterahanareo ny asa nanendrena anareo.”
Ny mpandahateny farany tamin’io tapany tamin’ilay fandaharana io dia i Wallace Liverance, misionera taloha sy mpitan-tsoratr’ilay sekoly ankehitriny. Ilay lahateniny nitondra ny lohateny hoe “Hazony ho Velona sy Manan-kery ao Aminareo ny Tenin’Andriamanitra”, dia nanintona ny saina ho amin’ny hafatra na fampanantenan’Andriamanitra azo antoka, izay mizotra foana ho amin’ny fahatanterahany. (Hebreo 4:12). Misy heriny eo amin’ny fiainan’ireo izay mamela azy io hanan-kery eo aminy izy io. (1 Tesaloniana 2:13). Ahoana no ahafahana mihazona an’io teny io ho velona sy hanan-kery eo amin’ny fiainantsika? Amin’ny alalan’ny fianarana ny Baiboly amim-pahazotoana. Nampahatsiahivin’ny Rahalahy Liverance an’ireo nahazo diplaoma ireo fomba fianarana Baiboly nianarana tao Gileada, anisan’izany ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra sy ny famelabelarana ny heviny ary ny fampiharana azy. Notononiny ny tenin’i Albert Schroeder, anisan’ny Fitambara-mpitantana, izay mpitari-draharaha teo anivon’ilay komity nanorina ny Sekolin’i Gileada, maherin’ny 50 taona lasa izay, manao hoe: “Rehefa mampiasa ny teny manodidina ny olona iray, dia afaka mahazo ilay hery feno sy araka ny marina ary araka ny fanahy, izay omen’Andriamanitra ao amin’ny Teniny.” Mihazona ny Tenin’Andriamanitra ho velona sy hanan-kery izany fomba fianarana Baiboly izany.
Fitantarana sy fanadinadinana mahafaly
Taorian’ireo lahateny, dia nandre fitantarana mahafaly avy tamin’ireo mpianatra ny mpanatrika. Teo ambany fitarihan’i Mark Noumair, misionera taloha sy mpampianatra ao Gileada amin’izao fotoana izao, dia nisy antokona mpianatra nitantara ny fomba niezahan’izy ireo nanao fanambarana tao anatin’ny toe-javatra maro samihafa, ka nampiseho tamin’ny alalan’ny fampisehoana ny fomba nanaovany izany. Afaka nanomboka sy nitarika fampianarana Baiboly tamin’olona tao amin’ny faritany ny sasany, tamin’ny fandinihana tsara ny tarehin-javatra nisy ireny olona ireny sy ny toetr’endrik’izy ireny, ary tamin’ny nanehoany fiheverana manokana azy ireny. Araka izany, dia ‘nitandrina ny tenany sy ny fampianarany’ ireo mpianatra no sady liana marina tamin’ny fanampiana ny hafa mba hahazo famonjena. — 1 Timoty 4:16.
Maro ny fanoloran-kevitra azo ampiharina natolotra, ary nahariharin’ny rahalahy maromaro za-draharaha, izay teo am-panaovana fiofanana tamin’ny sekoly ho an’ireo anisan’ny komitin’ny sampana, tao amin’ny Foibem-pampianaran’ny Watchtower, fa fifaliana ny manompo amin’ny maha misionera. Ny Rahalahy Samuel Herd sy i Robert Johnson, izay samy miasa ao amin’ny foibe, dia nanadinadina ireo solontenan’ireo biraon’ny sampan’ny Fikambanana any Bolivia, Zimbabwe, Nikaragoay, République centrafricaine, Repoblika Dominikanina, Papouasie-Nouvelle-Guinée, ary Cameroun. Velombelona erỳ ny nanaovan’izy mirahalahy ilay fanadinadinana.
Taorian’ireo fitantarana sy fanadinadinana, dia i Gerrit Lösch, nahazo diplaoma tamin’ny kilasy faha-41-n’i Gileada, sady anisan’ny Fitambara-mpitantana ankehitriny, no nanao ny lahateny famaranana, izay niompana tamin’ilay foto-kevitra mampisaintsaina hoe: “ ‘Malala Indrindra’ ve Ianao?” Voalohany aloha, dia nampahatsiahivin’ny Rahalahy Lösch an’ireo nahazo diplaoma fa tsy noheverin’ny olona ho malala i Jesosy, Zanak’Andriamanitra lavorary, fa “natao tsinontsinona sy nolavin’ny olona” kosa. (Isaia 53:3). Koa tsy mahagaga àry ankehitriny, any amin’ny faritra maro amin’izao tontolo izao, raha heverina ho olona tsy mahafinaritra na tsy mahate ho tia, ireo misionera. Etsy an-danin’izany, nandritra ireo taona maro nanompoan’i Daniela tany Babylona, dia intelo ny Mpamorona no niantso azy, tamin’ny alalan’ny anjely iray, hoe “malala” indrindra. (Daniela 9:23; 10:11, 19). Inona no nahatonga an’i Daniela ho toy izany? Tsy nampandefitra na oviana na oviana ireo foto-pitsipika ara-baiboly izy rehefa nanao fiovana nifanaraka tamin’ny kolontsaina tany Babylona; nanao ny marina tamin’ny lafiny rehetra izy, ka tsy nampiasa na oviana na oviana ny toerany mba hahazoana tombony ho an’ny tenany; nazoto nianatra ny Tenin’Andriamanitra koa izy. (Daniela 1:8, 9; 6:5; 9:2). Nivavaka tsy tapaka tamin’i Jehovah koa izy ary mailaka nanome voninahitra an’Andriamanitra noho izay zava-bitany. (Daniela 2:20). Amin’ny fanarahana ny ohatr’i Daniela, ny mpanompon’Andriamanitra dia afaka ny ho malala, tsy voatery ho malalan’izao tontolo izao akory, fa ho malalan’i Jehovah Andriamanitra kosa.
Ho famaranana ilay fandaharana nampahery teo amin’ny lafiny ara-panahy, dia namaky telegrama sy hafatra sasantsasany voaray avy tany amin’ny faritra rehetra amin’ny tany, ny mpitari-draharaha. Avy eo, dia nahazo ny diplaomany ny tsirairay tamin’ireo mpivady 24, ary nambara ny tany nanendrena azy ireo. Tamin’ny farany, dia namaky taratasy iray ho an’ny Fitambara-mpitantana sy ny fianakavian’ny Betela ny solontenan’ilay kilasy, ho fanehoan’ilay kilasy ny fankasitrahany noho ny fampiofanana sy ny fanomanana azon’izy ireo, tao anatin’ireo dimy volana lasa.
Teo am-pifaranan’ilay fandaharana, dia re teo anivon’ilay vahoaka nandao ilay toerana “ny fifaliana sy ny fiderana”. — Nehemia 12:27.
[Efajoro, pejy 27]
Antontan’isa Momba Ilay Kilasy
Isan’ny tany nanana solontena: 10
Isan’ny tany nanendrena: 19
Isan’ny mpianatra: 48
Isan’ireo mpivady: 24
Salanisan’ny taona: 33
Salanisan’ny taona naha tao amin’ny fahamarinana: 16
Salanisan’ny taona naha tao amin’ny fanompoana manontolo andro: 13
[Sary, pejy 25]
Fizarana Diplaoma ho An’ny Kilasy Faha-106 Amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower
Amin’ilay lisitra eto ambany, ireo laharana dia asiana nomerao avy eo aloha mankany aoriana, ary ireo anarana dia tononina avy eo ankavia miankavanana isaky ny filaharana.
1) Deakin, D.; Puopolo, M.; Laguna, M.; Davault, S.; Dominguez, E.; Burke, J. 2) Gauter, S.; Vazquez, W.; Seabrook, A.; Mosca, A.; Helly, L.; Breward, L. 3) Brandon, T.; Olivares, N.; Coleman, D.; Scott, V.; Petersen, L.; McLeod, K. 4) McLeod, J.; Thompson, J.; Luberisse, F.; Speta, B.; Lehtimäki, M.; Laguna, J. 5) Gauter, U.; Dominguez, R.; Helly, F.; Smith, M.; Beyer, D.; Mosca, A. 6) Scott, K.; Seabrook, V.; Speta, R.; Coleman, R.; Breward, L.; Davault, W. 7) Smith, D.; Lehtimäki, T.; Petersen, P.; Thompson, G.; Vazquez, R.; Beyer, A. 8) Luberisse, M.; Deakin, C.; Brandon, D.; Puopolo, D.; Olivares, O.; Burke, S.