Manaiky Amim-pifaliana ny Fitarihan’i Jehovah Aho
NOTANTARAIN’I ULYSSES V. GLASS
Fotoan-dehibe tsy fahita firy ilay izy. Tsy nisy afa-tsy 127 monja ny mpianatra tao amin’ilay kilasy nahazo diplaoma. Ny mpanatrika anefa dia olona nafana fo niisa 126 387, avy tany amin’ny firenena maro. Tsy inona akory izany fa ny fizarana diplaoma ho an’ny kilasy faha-21-n’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower, natao tao amin’ny Yankee Stadium eto New York, tamin’ny 19 Jolay 1953. Nahoana no fisehoan-javatra tena lehibe teo amin’ny fiainako izany? Avelao aho hilazalaza fohy ny tantarako.
TERAKA tamin’ny 17 Febroary 1912, tany Vincennes, any Indiana, any Etazonia, aho, roa taona teo ho eo talohan’ny nahaterahan’ilay Fanjakana Mesianika, araka ny voalazalaza ao amin’ny Apokalypsy 12:1-5. Tamin’ny 1911, dia nanomboka nianatra ny Baiboly tamin’ireo boky anisan’ny Études des Écritures ny ray aman-dreniko. Isaky ny alahady maraina, dia namaky teny ho anay mianakavy avy tao amin’ny iray tamin’ireo boky ireo i Dada, ka niresaka momba izany izahay avy eo.
Nampiasain’i Neny hamolavolana ny fisainan’ireo zanany ny zavatra nianarany. Olona nahafinaritra be izy, tena tsara fanahy sy tena vonon-kanampy. Efa efatra izahay ankizy, nefa nampivelatra ny fitiavany i Neny ka tiany hatramin’ny ankizy hafa teo amin’ny manodidina. Nanokana fotoana niarahana taminay izy. Fahafinaretana ho azy ny nilaza taminay tantara avy tao amin’ny Baiboly sy ny niara-nihira taminay.
Nanasa mpanompo manontolo andro maro samihafa, nankao an-tranonay koa, i Neny. Nijanona tao aminay nandritra ny iray na roa andro monja izy ireny, ka matetika no nanao fivoriana sy nanao lahateny tao an-tranonay. Tianay indrindra ireo nampiasa sary sy nilaza tantara taminay. Indray mandeha, tamin’ny 1919, tokony ho herintaona taorian’ny nifaranan’ny ady lehibe voalohany, dia nafantok’ilay rahalahy nitsidika taminay ankizy indrindra indrindra ny fanazavany. Niresaka momba ny fanokanan-tena, izay lazaintsika ankehitriny araka ny marina kokoa hoe fanoloran-tena, izy, ka nanampy anay hahatakatra izay tokony ho herin’izany eo amin’ny fiainanay. Taoriana kokoa tamin’iny takariva iny ihany, rehefa nandeha natory aho, dia nivavaka tamin’ilay Raiko any an-danitra ka nilaza taminy fa naniry hanompo azy mandrakizay aho.
Taorian’ny 1922 anefa, dia lasa natao an-kilabao izany fahatapahan-kevitra izany, noho ny raharaha hafa nitana ny saina, teo amin’ny fiainana. Nifindrafindra toerana izahay ka tsy nanana fifandraisana tamin’ny kôngregasiônan’ny vahoakan’i Jehovah. I Dada moa tsy teo noho izy niasa tamin’ny lalamby. Tapatapaka ny fianaranay ny Baiboly. Nandranto fianarana mba ho tonga mpanakanto momba ny dokam-barotra aho ka nikasa handeha tany amin’ny oniversite nalaza iray.
Nasiako fanitsiana ny zavatra nifantohako teo amin’ny fiainana
Tao anatin’ireo taona teo antenatenan’ireo taona 1930, dia nanomboka nizotra indray ho amin’ny ady maneran-tany izao tontolo izao. Nipetraka tany Cleveland, any Ohio, izahay, fony nisy Vavolombelon’i Jehovah tonga teo am-baravaranay. Nanomboka noheverinay ho zava-dehibe kokoa ny zavatra nianaranay fony fahazaza. I Russell, zokiko lahy, dia olona tena mato-tsaina, ka izy no voalohany natao batisa. Samy hafa toetra izahay roa lahy tamin’io lafiny io, nefa natao batisa koa aho tamin’ny 3 Febroary 1936. Nihanitombo ny fahatakarako an’izay zavatra tafiditra amin’ny fanoloran-tena ho an’i Jehovah, ary nianatra hatrany ny hanaiky ny fitarihan’i Jehovah aho. Tamin’io taona io ihany, dia natao batisa koa ny anabaviko roa, dia i Kathryn sy i Gertrude. Samy nirotsaka tamin’ny fanompoana manontolo andro tamin’ny naha mpisava lalana izahay rehetra.
Tsy nidika anefa izany hoe tsy nieritreritra mihitsy zavatra hafa na inona na inona izahay. Nanongilan-tsofina erỳ aho rehefa nilazan’ny zaobaviko momba ny zazavavy iray tsara tarehy be antsoina hoe Ann, izay “seriny erỳ” hatramin’ny nandrenesany momba ny fahamarinana ary ho tonga hivory tao an-tranonay, hono. Sekretera tao amin’ny birao iray momba ny lalàna i Ann tamin’izany fotoana izany, ary tao anatin’ny herintaona dia vita batisa izy. Tsy nikasa hanambady aho, nefa niharihary fa 100 isan-jato ny fiandanian’i Ann tamin’ny fahamarinana. Naniry ny ho revo tanteraka tamin’ny fanompoana an’i Jehovah izy. Tsy mba karazan’olona nilaza toy izao mihitsy izy: “Azoko atao ve io?”, fa hoy kosa izy: “Inona no fomba tsara indrindra hoentiko hanao an’io?” Ary dia tapa-kevitra ny hamita izany hatramin’ny farany izy. Nanintona ahy izany fomba fijery tsara izany. Ambonin’izany, dia tena tsara tarehy koa izy, ary mbola toy izany foana. Lasa vadiko izy, ary tsy ela izy dia tonga namako teo amin’ny fanompoan’ny mpisava lalana.
Fampiofanana sarobidy tamin’ny naha mpisava lalana anay
Tamin’ny naha mpisava lalana anay, dia nianaranay ny fanalahidin’ny hoe mahay mianina rehefa tsy ampy vatsy sy rehefa manam-be. (Filipiana 4:11-13). Efa nanomboka ho hariva ny andro indray mandeha, ary tsy nanan-kohanina izahay. Tsy nisy afa-tsy dimy cents teo am-pelatananay. Nandeha tany amin’ny mpivaro-kena iray izahay, ka nanontany aho hoe: “Mba azonao omena izay servelà azon’ny dimy cents ve izahay?” Nibanjina anay izy ka nanome anay didiny efatra. Azoko antoka fa betsaka noho izay azon’ny dimy cents ilay izy, ka mba nanan-kohanina ihany izahay.
Tsy nahalana no tojo fanoherana mafy izahay teo am-panaovana ny fanompoanay. Tao amin’ny tanàna iray any akaikin’i Syracuse, eto New York, dia nizara taratasy fanasana sy niambozona sora-baventy teny amin’ny arabe izahay, mba hanintonana ny sain’ny olona ho amin’ny fivoriana ampahibemaso manokana iray. Nisy lehilahy ranjanana roa nambeda ahy ka nandronjindronjina ahy. Polisy ny iray, saingy tsy nanao fanamiana izy, ary tsy noraharahainy ny fangatahako mba hahita ny karatra maha polisy azy. Tamin’izay indrindra no tonga i Grant Suiter avy any amin’ny Betelan’i Brooklyn, ka nilaza izy fa ho any amin’ny paositry ny polisy izahay mba handaminana ilay raharaha. Niantso an-telefaonina ny biraon’ny Fikambanana tany Brooklyn izy avy eo, ary nasaina nandeha nivoaka indray izahay mivady tamin’io andro io ihany, nitondra sora-baventy sy taratasy fanasana, mba hananana fototra ho amin’ny fampiakarana fitsarana ilay raharaha, mba ho filamatra harahin’ny fitsarana ho an’ny raharaha karazan’izany. Araka ny nampoizina, dia nosamborina izahay. Rehefa nilaza tamin’ireo polisy anefa izahay fa hotorinay noho ny fisamborana tsy ara-dalàna izy ireo, dia navelany nandeha izahay.
Ny ampitson’iny, dia niditra an-keriny tao amin’ilay toerana nanaovanay fivoriambe ny zatovo maromaro nihetraketraka. Mompera iray no nambosy azy ireo hanao izany. Tsy nisy hita ny polisy tamin’izay. Nanakapokapoka hazo lavalava teo amin’ilay gorodona hazo ireo mpanao an-kasomparana ireo, nazerany avy teny ambony dabilio ny mpanatrika sasany, ary niakatra teny amin’ny lampihazo izy ireo, nilanja saina amerikanina, ka niantsoantso hoe: “Alefaso ny fiarahabana saina! Alefaso ny fiarahabana saina!” Nanomboka niredona ilay hira malaza hoe “Beer Barrel Polka” izy ireo avy eo. Noravan’izy ireo tanteraka ilay fivoriana. Ny tenanay mihitsy no nandia izay tian’i Jesosy holazaina fony izy niteny hoe: “Satria tsy naman’izao tontolo izao hianareo, fa Izaho efa nifidy anareo tamin’izao tontolo izao, dia halan’izao tontolo izao hianareo.” — Jaona 15:19.
Raha ny marina, ilay lahateny ampahibemaso dia lahateny noraisina feo, nataon’i J. F. Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izany fotoana izany. Nijanona andro vitsivitsy tao amin’io tanàna io izahay sy Ann, ka nitsidika ny olona mba hanomezana azy ireo fahafahana handre ilay lahateny tany an-tranon’izy ireo. Nisy olona sasantsasany nanaiky izany fanolorana izany.
Nanolo-tena ho amin’ny fanompoana tany ivelan’ny taninay
Tatỳ aoriana, dia nisy endri-panompoana vaovao nisokatra. I Russell rahalahiko, sy i Dorothy vadiny, dia niara-nasaina hanatrika ny kilasy voalohany tamin’ny Sekolin’i Gileada, tamin’ny 1943, ary nalefa ho misionera tany Cuba izy mivady avy eo. Tao amin’ny kilasy fahefatra kosa i Kathryn anabaviko. Voatendry tany Cuba koa izy. Voatendry ho any amin’ny Repoblika Dominikanina izy tatỳ aoriana, ary tany Porto Rico avy eo. Ahoana ny aminay sy i Ann?
Rehefa nandre momba ny Sekolin’i Gileada sy ny fanirian’ny Fikambanana handefa misionera ho any an-tany hafa izahay, dia nihevitra fa ho tianay ny hanao izay hahafahanay hanompo any an-tany hafa. Tamin’ny voalohany, dia nihevitra ny hikopaka elatra irery izahay mivady, angamba ho any Meksika. Nanapa-kevitra anefa izahay avy eo fa ho tsara kokoa angamba ny hiandrasana sy hamelana ny Fikambanana hanendry anay, aorian’ny hanatrehanay ny Sekolin’i Gileada. Takatray fa izany dia fandaharana nampiasain’i Jehovah.
Nasaina ho anisan’ny kilasy fahefatra tamin’ny Sekolin’i Gileada izahay. Taloha kelin’ny hanombohan’ilay fianarana anefa, i N. H. Knorr, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izany fotoana izany, dia nahatakatra tsara kokoa ny fetran’ny mety ho vitan’i Ann noho ny lefakozatra nahazo azy tamin’ny fahazazany. Niresaka tamiko ny amin’izany izy ary nanapa-kevitra fa tsy fahendrena ny handefasana anay hanompo any an-tany hafa.
Tokony ho roa taona tatỳ aoriana, fony aho nanao asa fanomanana fivoriambe, dia nihaona tamiko indray ny Rahalahy Knorr ka nanontany ahy raha mbola nahaliana anay ny hanatrika ny Sekolin’i Gileada. Nilaza tamiko izy fa tsy hotendrena hankany an-tany hafa akory izahay; zavatra hafa no tany an-tsainy. Koa rehefa voasoratra anarana àry ny kilasy fahasivy, tamin’ny 26 Febroary 1947, dia anisan’ny mpianatra tamin’izy io izahay.
Tsy hay hadinoina ireo andro nianaranay tao Gileada. Feno teo amin’ny lafiny ara-panahy ilay fianarana. Nanjary nisy fisakaizana maharitra teo amin’ireo mpianatra. Tsy nijanona fotsiny tamin’izany anefa ny fidirako an-tsehatra tamin’ilay sekoly fa niitatra lavitra.
Fivezivezena avy tany Washington nankany Gileada
Mbola somary vaovao ihany ny Sekolin’i Gileada tamin’izany. Tsy nahafantatra tsara ny zava-kendren’ilay sekoly ny fitondram-panjakana amerikanina, koa nisy fanontaniana maro nipoitra. Naniry hanana solontena tany Washington ny Fikambanana. Tany no nandefasana anay volana vitsivitsy taorian’ny nahazoanay diplaoma avy tao Gileada. Nasaina nanampy teo amin’ny fakana visa ho an’ireo olona avy tany an-tany hafa izay nasaina ho any Gileada, aho. Nasaina nanampy teo amin’ny fakana taratasy ara-panjakana koa aho, mba hahafahana handefa any ivelany ireo nahazo diplaoma, mba hanao ny asa misionera. Tena tsy nanisy fiangarana sy vonon-kanampy ny manam-pahefana sasany. Ny hafa kosa nankahala mafy ny Vavolombelona. Ny sasantsasany izay nanana fomba fijery ara-politika tsy nisy fileferana dia nanizingizina fa nifandray tamin’ny vondron’olona noheverin’izy ireo ho tsy faniry izahay.
Rehefa tany amin’ny biraon’ny lehilahy iray izay aho, dia nitsikera mafy anay izy satria sady tsy niarahaba saina izahay no tsy nandeha tany an’ady. Rehefa avy nivazavaza momba izany elaela teo izy, dia hoy aho tamin’ny farany: “Aoka ho fantatrao, ary efa fantatrao rahateo moa e, fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy miditra amin’ny ady ifanaovana amin’olona na iza na iza eto amin’izao tontolo izao. Tsy miditra amin’ny raharahan’izao tontolo izao izahay. Tsy miditra amin’ny adiny sy ny politikany izahay. Tsy momba ny atsy na ny aroa mihitsy izahay. Efa resinay ireo olana mbola atrehinareo; miray saina izahay ao anatin’ny fikambananay. (...) Koa inona indray no tadiavinao hataonay? Tianao hiverina amin’ny fanaonareo ve izahay ka hamela ny anay?” Sina tsy nahateny izy taorian’izay.
Roa andro feno isan-kerinandro no natokana ho amin’ny asa mifandray amin’ny biraom-panjakana. Fanampin’izany, dia mbola nanao ny asan’ny mpisava lalana manokana koa izahay. Tamin’izany fotoana izany, dia 175 ora isam-bolana no nolanin’ny mpisava lalana manokana teny amin’ny fanompoana teny amin’ny saha (novana ho 140 ora izy io tatỳ aoriana). Matetika àry izahay no nivoaka nanompo hatramin’ny hariva be. Finaritra erỳ izahay. Nitarika fampianarana maro tsara dia tsara niaraka tamina fianakaviana manontolo izahay, ary nanao fandrosoana tsara izy ireny. Nanapa-kevitra ny tsy hanan-janaka izahay sy i Ann, kanefa, raha teo amin’ny lafiny ara-panahy, dia tsy vitan’ny hoe nanan-janaka fotsiny izahay fa nanana zafikely sy zafiafy koa. Fifaliana ho an’ny fonay tokoa izy ireny!
Tany amin’ny faramparan’ny taona 1948, dia nahazo fanendrena fanampiny aho. Nanazava ny Rahalahy Knorr fa ho be hatao amin’ny asa lehibe hafa ny Rahalahy Schroeder, mpitan-tsoratry ny Sekolin’i Gileada sy anisan’ny mpampianatra tao, koa nasaina hampianatra tao Gileada aho rehefa nisy nilana izany. Nangitakitaka be aho niverina tany Gileada, tany South Lansing, eto New York, niaraka tamin’i Ann, tamin’ny 18 Desambra. Tamin’ny voalohany, dia tao Gileada nandritra ny herinandro vitsivitsy monja isaky ny nandeha izahay, ary avy eo dia niverina tany Washington. Tatỳ aoriana anefa, dia be kokoa ny fotoana laninay tany Gileada, niohatra tamin’ny fotoana laninay tany Washington.
Nandritra io fotoana io, araka ny nolazaiko tany aloha, no nizarana ny diplaoman’ny kilasy faha-21-n’i Gileada, tao amin’ny Yankee Stadium, eto New York. Koa satria anisan’ireo mpampianatra aho, dia nanana tombontsoa nandray anjara tamin’ilay fandaharam-pizarana diplaoma.
Fanompoana tao amin’ny foibe maneran-tany
Tamin’ny 12 Febroary 1955, dia nanomboka nanao fanompoana hafa iray nanendrena anay izahay. Nanjary anisan’ny mpianakavin’ny Betela tao amin’ny foibe maneran-tanin’ny fandaminan’i Jehovah hita maso izahay. Inona anefa no tafiditra tamin’izany? Raha ny marina, dia ny fahavononana hanao izay rehetra nanendrena anay, ny fandraisana anjara tamin’ny asa izay nitaky fiaraha-niasa tamin’ny hafa. Mazava ho azy fa efa nanao izany izahay taloha, nefa anisan’ny antokon’olona lehibe lavitra izahay izao, dia ny mpianakavin’ny Betela tao amin’ny foibe. Nekenay tamim-pifaliana ho toy ny porofon’ny fitarihan’i Jehovah io fanendrena vaovao io.
Raharaha nifandray tamin’ny filazam-baovao ny ampahany betsaka tamin’ny asako. Te hitantara zavatra nanaitra ny sain’ny olona ny gazety, no sady nahazo fanazavana avy tamin’olona nitsara an-tendrony, hany ka nanoratra fanaratsiana ny Vavolombelon’i Jehovah. Niezaka nanatsara izany toe-javatra izany izahay.
Tian’ny Rahalahy Knorr ho azo antoka hoe nanana asa ampy tsara izahay rehetra, ka mbola nisy asa hafa koa nanendrena anay. Ny sasany tamin’ireny dia nampiasana ilay fiofanana azoko tamin’ny naha mpanakanto momba ny dokam-barotra ahy. Ny asa hafa dia nifandray tamin’ny radion’ny Fikambanana, dia ny WBBR. Nisy asa natao nifandray tamin’ny sarimihetsika novokarin’ny Fikambanana. Mazava ho azy fa anisan’ny fampianarana nomena tao Gileada ny tantara teôkratika. Izao anefa dia nisy tetik’asa maro samihafa natao mba hampahafantarana bebe kokoa amin’ny vahoakan’i Jehovah ireo tsipiriany momba izany tantaran’ny fandaminana teôkratika maoderina izany, sy mba hahatonga izany ho any am-pelatanan’ny besinimaro koa. Lafiny hafa iray amin’ny fampiofanana nomena tao Gileada ny fanaovana lahateny ampahibemaso, ary nisy asa nilaina natao mba ho maro kokoa amin’ny lafiny fototra amin’ny fahaiza-manao lahateny ampahibemaso no ho azon’ireo rahalahy any amin’ny kôngregasiôna. Koa be dia be àry ny asa tokony hatao.
Anisan’ny mpikambana naharitra tao Gileada
Tamin’ny 1961, rehefa hanomboka tsy ho ela ny fampiofanana ho an’ny mpiandraikitra mpitety faritany sy ny mpiasa ao amin’ny sampana, dia nafindra ny Sekolin’i Gileada, ka natao tany Brooklyn, izay misy ireo birao lehibe eo anivon’ny Fikambanana Watch Tower. Niverina an-dakilasy indray aho — tsy mpampianatra mpisolo toerana aho tamin’io, fa anisan’ny mpampianatra raikitra tao amin’ilay sekoly kosa. Tombontsoa re izany! Miaiky mafy aho fa fanomezana avy amin’i Jehovah ny Sekolin’i Gileada, fanomezana izay nitondra soa ho an’ny fandaminany hita maso manontolo.
Tany Brooklyn, ireo kilasin’i Gileada dia nandia zavatra tsy mba hitan’ireo kilasy tany aloha. Maro kokoa ireo mpandahateny mpitsidika, ary teo koa ny fifandraisana akaiky tamin’ny Fitambara-mpitantana ary ny fiarahana betsaka tamin’ny mpianakavin’ny Betela tao amin’ny foibe. Azon’ny mpianatra natao koa ny nahazo fiofanana teo amin’ny sehatry ny asa birao, ny fomba fiasan’ny trano Betela, ary ny lafiny samy hafa tamin’ireo asa fanao tany amin’ny orinasa.
Tao anatin’ireo taona maro nifandimby, dia niovaova ny isan’ny mpianatra, ary toy izany koa ny isan’ny mpampianatra. Niova imbetsaka koa ny toerana nanaovana ilay sekoly. Ankehitriny izy io dia eo anivon’ny tontolo iainana tsara tarehy eto Patterson, eto New York.
Niara-niasa tamin’ireo mpianatra
Fifaliana tsy nisy toy izany ny nampianatra tao amin’ireny kilasy ireny! Eto no ahitana tanora izay tsy liana amin’ny fanaovana zavatra eto amin’ity fandehan-javatra tranainy ity. Nandao ny fianakaviany, sy ny namany, sy ny tranony, ary ny olona iray fiteny aminy, izy ireo. Ny toetany, ny sakafo, eny, ny zavatra rehetra dia hiova daholo. Tsy fantatr’izy ireo akory aza izay firenena handefasana azy, nefa dia zava-kendreny ny ho misionera. Tsy voatery hanao izay hananan’ny olona toy izany risi-po ny tena.
Rehefa niditra tao an-dakilasy aho, dia nataoko tanjoko foana ny nanao izay hahatonga ny mpianatra tsy hihafahafa. Tsy misy olona mianatra tsara raha ao anatin’ny fihenjanana sy ny tebiteby. Marina aloha fa mpampianatra aho, nefa fantatro hoe ohatra ny ahoana izany hoe mpianatra izany. Efa mba nipetraka tamin’ireo seza ireo koa aho taloha. Mazava ho azy fa nianatra mafy sy niana-javatra be dia be izy ireo tao Gileada, nefa tiako ho finaritra koa izy ireo.
Fantatro fa rehefa lasa tany amin’ireo tany nanendrena azy izy ireo, dia nisy zavatra sasany nilainy mba hahitany fahombiazana. Nila finoana natanjaka izy ireo. Nila fanetren-tena izy ireo, eny, nila izany be dia be. Nila nianatra nifankahazo tamin’ny hafa izy ireo, nanaiky ny toe-javatra nisy, sy vonona foana ny hamela heloka. Nila namboly hatrany ny vokatry ny fanahy izy ireo. Nila ny ho tia olona sy ho tia ilay asa nanirahana azy koa izy ireo. Ireo no zavatra niezahako nantitranterina foana tamin’ireo mpianatra, raha mbola tao Gileada izy ireo.
Tsy tena fantatro hoe firy ny mpianatra nampianariko. Fantatro kosa anefa izay tsapako momba azy ireny. Rehefa avy nandany dimy volana niarahana tamin’izy ireo tao an-dakilasy aho, dia tsy afaka ny tsy hiraiki-po tamin’izy ireo. Avy eo, rehefa nijery azy ireo nankeny amin’ny lampihazo mba handray ny diplaomany aho, tamin’ny andro fizarana diplaoma, dia fantatro fa vitan’izy ireo tamim-pahombiazana ny fianarany ary tsy ho ela izy ireo dia handeha. Toy ny hoe olona anisan’ny fianakaviako no handeha. Ahoana moa no ahafahan’ny tena tsy ho tia olona izay vonona ny hikely aina sy hanao ny asa ataon’ireny tanora ireny?
Taona maro atỳ aoriana, rehefa miverina mitsidika izy ireny, dia mandre azy ireo milaza ny fifaliany amin’ny fanompoana aho, ary fantatro fa mbola any amin’ireo tany nanendrena azy izy ireny, manao izay nanofanana azy. Mahatonga ahy hanana fihetseham-po manao ahoana izany? Mahatsiaro ho sambatra erỳ aho.
Mibanjina ny hoavy
Efa mihamanjavona ny masoko ankehitriny, ary mizaka ny tsy fahafaham-po entin’izany aho. Tsy afaka mampianatra intsony ao an-dakilasin’i Gileada aho. Teo am-boalohany, dia sarotra tamiko ny nanao izany fiovana izany, kanefa efa nianatra ny hanaiky ny toe-javatra misy sy ny hiaina mifanaraka amin’izany aho, nandritra ny androm-piainako. Matetika aho no mieritreritra ny apostoly Paoly sy ilay ‘tsilo tamin’ny nofony’. Intelo i Paoly no nangataka ny hanamaivanana izany fahoriany izany, nefa hoy ny Tompo taminy: “Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena.” (2 Korintiana 12:7-10). Nizaka izany hatrany i Paoly. Raha afaka nanao izany izy, dia tokony hiezaka ho toy izany koa aho. Na dia tsy mampianatra an-dakilasy intsony aza aho, dia velom-pankasitrahana kosa, satria mbola afaka mahita ireo mpianatra mivezivezy isan’andro aho. Afaka miresaka amin’izy ireny aho indraindray, ary mahafaly ny foko ny misaintsaina ny toe-tsaina tsara dia tsara asehon’izy ireny.
Mahatalanjona ny mandinika izay tahirizin’ny hoavy. Efa misy fototra apetraka ankehitriny. Manana anjara asa lehibe amin’izany i Gileada. Aorian’ny fahoriana lehibe, rehefa hosokafana ireo horonam-boky voalaza ao amin’ny Apokalypsy 20:12 (NW ), dia mbola hisy arivo taona hampianarana betsaka momba ny lalan’i Jehovah. (Isaia 11:9). Mbola tsy ny farany koa aza anefa izany. Vao fiandohana fotsiny izany raha ny tena izy. Mandritra ny mandrakizay manontolo, dia hisy zavatra maro kokoa hianarana momba an’i Jehovah, ary hisy zavatra maro kokoa hatao, eo am-pahitantsika ny fikasany mihamazava. Matoky tanteraka aho fa hotanterahin’i Jehovah avokoa ireo fampanantenana mahatalanjona rehetra nomeny, ary iriko ny ho eo mba handraisako anjara amin’ny fanekena ny fitarihan’i Jehovah antsika amin’izay fotoana izay.
[Sary, pejy 26]
Fizarana diplaoman’i Gileada tao amin’ny Yankee Stadium eto New York, tamin’ny 1953
[Sary, pejy 26]
Gertrude, izaho, Kathryn, sy Russell
[Sary, pejy 26]
Niara-niasa tamin’i N. H. Knorr (farany havia) sy M. G. Henschel, tamin’ ny fandaminana fivoriambe
[Sary, pejy 26]
Tao amin’ny foibe fampielezam-peo WBBR
[Sary, pejy 29]
Ao amin’ny lakilasin’i Gileada
[Sary, pejy 31]
Miaraka amin’i Ann, tsy ela loatra izay