FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w99 1/9 p. 30-31
  • Nifidy “ny Anjara Tsara” i Maria

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nifidy “ny Anjara Tsara” i Maria
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nianatra teo anilan’ny tongotr’i Jesosy
  • Lesona ho antsika
  • “Mino Aho”
    Tahafo ny Finoan’izy Ireo
  • “Mino Aho”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Marta
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Nananatra an’i Marta izy, ary nanome fanazavana ny amin’ny vavaka
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
w99 1/9 p. 30-31

Nanao ny Sitrapon’i Jehovah Izy Ireo

Nifidy “ny Anjara Tsara” i Maria

TAMIN’NY andron’i Jesosy, dia voagejan’ny lovantsofin’ireo raby ny vehivavy jiosy. Tsy nampirisihina hianatra ny Lalàna izy ireo, noho izany. Izao tokoa no fomba fihevitra iray nananan’ny olona, araka izay voatonona ao amin’ny Mishnah: “Raha misy lehilahy manome fahalalana momba ny Lalàna ny zanany vavy, izany dia toy ny hoe mampianatra [ny zanany vavy] hanaram-po amin’ny filan’ny nofo izy.” — Sotah 3:4.

Vokatr’izany, dia tsy nahita fianarana firy ny vehivavy maro tany Jodia, tamin’ny taonjato voalohany. “Tsy misy porofo milaza fa talohan’ny nanompoan’i Jesosy, dia nisy vehivavy jiosy navela ho tonga mpianatry ny mpampianatra lehibe iray, mainka moa fa hoe hiara-dia tamin’ny mpampianatra toy izany, na hampianatra olona na iza na iza ankoatra ny ankizy”, hoy ny fanamarihan’ny The Anchor Bible Dictionary. Lasa lavitra kokoa teo amin’ny fanaovana tsinontsinona ny vehivavy ny mpitarika ara-pivavahana sasany, ka tonga hatramin’ny fanaovana fitsipika izay nanoritra fa tsy tokony hisy lehilahy hiresaka ampahibemaso amin’ny vehivavy!

Tsy nanisy fiheverana izany fihetsika ratsy izany i Jesosy fa nampianariny avokoa na lahy na vavy, ary samy hita teo anivon’ireo mpanara-dia azy na lahy na vavy. (Lioka 8:1-3). Indray mandeha, dia nasain’i Marta sy i Maria hivahiny tao aminy i Jesosy. (Lioka 10:38). Anabavin’i Lazarosy izy mirahavavy ireo, ary samy mpianatr’i Jesosy sy mpinamana be taminy izy telo mianadahy. (Jaona 11:5). Mety ho be mpahalala io fianakaviana io, rehefa heverina ny hamaroan’ny olona tonga nampionona an’i Marta sy i Maria, tamin’ny fotoana nahafatesan’i Lazarosy. Na ahoana na ahoana, izay nitranga tao an-tranon’izy ireo fony i Jesosy nivahiny tao, dia nanome lesona sarobidy ho azy ireo, ary tsy ho azy ireo ihany fa ho antsika koa.

Nianatra teo anilan’ny tongotr’i Jesosy

Tsy isalasalana fa may ny handroso sakafo tsara sy lafo vidy ho an’i Jesosy i Marta sy i Maria, ary angamba takatry ny fananan’izy ireo tsara ny nanao izany. (Ampitahao amin’ny Jaona 12:1-3.) Rehefa tonga anefa ilay vahinin’izy ireo, dia “nipetraka teo anilan’ny tongotry ny Tompo [i Maria] ka nihaino ny teniny”. (Lioka 10:39). Tsy nisy lovantsofin’olombelona nisakana an’i Jesosy tsy hampianatra vehivavy tso-po izay may mafy ny hianatra! Azontsika alaina sary an-tsaina i Maria, mipetraka eo anoloan’i Jesosy, maka ny toeran’ny mpianatra izay sondriana tanteraka mihaino ny fampianaran’ilay Mpampianatra azy. — Ampitahao amin’ny Deoteronomia 33:3; Asan’ny Apostoly 22:3.

Tsy mba sahala amin’i Maria i Marta fa “sahirana tamin’ny fanompoana be”. Nanomana hanim-pito loha izy, ka tena be natao noho ireo raharahany nitaky fikarakarana be. Tsy ela i Marta dia nanjary sosotra, satria izy daholo no navela hanao ny asa rehetra, fa ny rahavaviny kosa nipetraka teo anilan’ny tongotr’i Jesosy! Nanapaka ny tenin’i Jesosy tamin’i Maria àry i Marta, angamba tamin’ny fomba tampoka, ka niteny hoe: “Tompoko, moa tsy mampaninona Anao va ny amelan’ny rahavaviko ahy hanompo irery? koa mba asaovy manampy ahy izy.” — Lioka 10:40.

Raha raisina amin’ny maha fangatahana azy fotsiny, dia tsy nisy naharatsy azy akory ny fangatahan’i Marta. Rehefa dinihina tokoa, dia asa mafy ny manomana sakafo ho an’olona maromaro, ary tsy tokony hazera amin’ny olona iray ny raharaha. Hitan’i Jesosy anefa fa tokony hohararaotina hampianarana lesona sarobidy iray ny tenin’i Marta. “Marta, Marta”, hoy izy, “maro ahina sy maro herehina hianao; nefa zavatra iray loha no ilaina; fa Maria no efa nifidy ny anjara tsara, izay tsy halaina aminy.” — Lioka 10:41, 42.

Tsy nilaza akory i Jesosy hoe tsy liana tamin’ny zavatra ara-panahy i Marta. Mifanohitra amin’izany aza fa fantany hoe vehivavy nanana fifikirana lalina tamin’Andriamanitra izy.a Tsy isalasalana fa izany, voalohany indrindra, no nanosika azy hanasa an’i Jesosy hankao an-tranony. Nananatra an’i Marta tamim-pahalemem-panahy anefa i Jesosy, ka nanazava fa nanahy ny amin’ilay sakafo i Marta, hany ka diso anjara tamin’ilay fahafahana tsy fahita firy, dia ny fandraisana fampianarana manokana avy tamin’ilay Zanak’Andriamanitra.

Marina aloha fa ny kolontsaina tamin’izany andro izany dia nety ho nanohana ilay fiheverana hoe ny fahaizan’ny vehivavy nanao ireo raharaha tao an-trano no fomba tsara indrindra nanombanana ny hasarobidiny. Na izany aza anefa, dia nasehon’ireo tenin’i Jesosy fa afaka nipetraka teo anilan’ny tongotr’ilay Zanak’Andriamanitra mba handray ny tenin’ny fiainana ny vehivavy, tsy misy hafa amin’ny lehilahy! (Jaona 4:7-15; Asan’ny Apostoly 5:14). Noho izany, dia ho tsara lavitra ho an’i Marta ny nandroso sakafo vitsivitsy monja, eny, na sakafo iray loha monja aza, raha izany no ho nanome azy fahafahana hipetraka teo anilan’ny tongotr’ilay Mpampianatra ka hiana-javatra avy taminy. — Ampitahao amin’ny Matio 6:25.

Lesona ho antsika

Amin’izao andro izao, dia samy hita eo anivon’ireo izay manaiky ny fanasan’i Jesosy mba “hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina” na ny lehilahy na ny vehivavy. (Apokalypsy 22:17). Atosiky ny fitiavana ny sasany, izay be itoviana amin’i Marta, ka manao izay farany azony atao mba hikarakarana izay ilain’ireo mpiray finoana aminy. Manana toe-tsaina tia manao soa izy ireny ary mailaka ny hanao zavatra, ka mampanantena i Jehovah fa hamaly soa ny asa mafy mampiseho fitiavana ataon’izy ireny. (Hebreo 6:10; 13:16). Ny hafa angamba mitovy kokoa amin’i Maria. Malefaka sy mifantoka amin’ny zavatra ara-panahy izy ireny. Ny fahamaizan’izy ireny hisaintsaina ny Tenin’Andriamanitra dia manampy azy hitoetra ho mifahatra tsara amin’ny finoana. — Efesiana 3:17-19.

Manome fahafaham-po amin’ny zavatra tena ilaina ao amin’ny kôngregasiôna kristianina ireo karazan’olona roa ireo. Rehefa dinihina anefa, dia tokony ‘hifidy ny anjara tsara’ ny rehetra, amin’ny fanaovana ny zavatra ara-panahy ho laharam-pahamehana. Amin’ny fanaovana izay hahazoana antoka ny amin’ireo zavatra lehibe kokoa, dia hahita sitraka amin’i Jehovah sy hahazo ny fitahiany isika. — Filipiana 1:9-11.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Vehivavy araka ny fanahy sy nanam-pinoana lehibe i Marta. Niharihary izany tamin’ilay resaka nifanaovany tamin’i Jesosy taorian’ny nahafatesan’i Lazarosy anadahiny. Tamin’io fotoana io tokoa mantsy, dia i Marta no dodona kokoa hihaona tamin’ilay Mpampianatra azy. — Jaona 11:19-29.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara