Ahoana no Ahombiazana eo Amin’ny Fikatsahana Fiainana Lava Kokoa?
MANANTENA ny olona sasany hoe hisy fandrosoana tampoka ny ezaka ataon’olombelona mba hanalavana ny fiainany, ao anatin’io taonarivo vaovao hidirana io. Mankamamy an’io fanantenana io izy ireny, ary anisan’izany ny Dr. Ronald Klatz. Izy dia prezidàn’ny Akademia Amerikanina Momba ny Fitsaboana Hoenti-miady Amin’ny Fandroson’ny Fahanterana, fikambanana iray ivondronan’ireo dokotera sy mpahay siansa nanokan-tena ho amin’ny fanalavana ny androm-piainan’olombelona. Mikendry ny hanana fiainana haharitra ela be izy sy ireo mpiara-miasa aminy. “Antenaiko fa haharitra 130 taona, fara fahakeliny, ny andro hiainako”, hoy ny Dr. Klatz. “Araka ny hevitray, dia tsy hoe tsy azo ihodivirana akory ny fandroson’ny fahanterana. Ankehitriny mantsy dia misy teknôlôjia izay afaka mampiadana, sy mampitsahatra, ary angamba mihitsy aza mampanao dia mianòtra be dia be, ny fihasimban’ny vatana sy ny aretiny, izay antsoina ankehitriny hoe fandroson’ny fahanterana voajanahary.” Mihinana pilina tokony ho 60 isan’andro ny Dr. Klatz, noho ny fikatsahany fiainana lava kokoa.
Ny fitsaboana ampiasana hôrmônina sy ny fahalalana momba ny fototarazo — Mahavelom-panantenana ve?
Sehatra iray mahabe fanantenana ny olona ny fitsaboana ampiasana hôrmônina. Ireo andrana natao izay nampiasana ilay hôrmônina fantatra amin’ny hoe DHEA, dia toa mampiadana ny fizotran’ny fahanterana teo amin’ireo biby nanaovana andrana tao amin’ny laboratoara.
Mahakasika ny kinetinina, hôrmôninan’ny zavamaniry, dia toy izao no tenin’ny Dr. Suresh Rattan, profesora iray ao amin’ny Oniversiten’i Aarhus, any Danemark, araka ny voalaza ao amin’ilay gazety soedoà mpiseho isan’andro hoe Aftonbladet: “Asehon’ireo fanandramana natao tao amin’ny laboratoaranay fa ny selan’ny hoditr’olombelona ambolena ao anaty kinetinina, dia tsy miova manaraka ilay fizotran-javatra ara-dalàna mifandray amin’ny fandroson’ny fahanterana. Mitoetra ho tanora foana izy ireo mandritra ny fotoana ahavelomany.” Ny amin’ireo bibikely nampiasana ilay hôrmônina dia voalaza fa nanan-tombo 30 ka hatramin’ny 45 isan-jaton’ny ara-dalàna ny androm-piainany.
Ny fitsaboana ampiasana melatôninina dia voalaza fa nampitombo 25 isan-jato be izao, ny androm-piainan’ny totozy. Ambonin’izany, dia tanora kokoa sy salama kokoa ary matanjaka kokoa ny fahitana ireo totozy ireo.
Milaza ireo mpanohana ny fampiasana hôrmônina miantoka ny fitomboan’ny vatan’olombelona (hGH) fa io hôrmônina io dia anisan’ny mahatonga ireto toe-javatra ireto: mandimandina ny hoditra ka manopy mena, mitombo habe ny hozatra, mitombo ny filana hanao firaisana, mahatsiaro ho falifaly kokoa ny tena, matsilo kokoa ny saina, ary toy ny an’ny zatovo ny fahafahan’ny vatana manodina ny sakafo ho hery.
Maro koa no mitodika any amin’ny fahalalana momba ny fototarazo. Nanatsoaka hevitra ireo mpahay siansa fa afaka mifehy izay ho faharetan’ny andro hahaveloman’ny kankana iray na ny viky iray, amin’ny alalan’ny fikirakirana fototarazo, izy ireo. Raha ny marina, dia nahavita nampitombo ny androm-piainan’ny sasany tamin’izy ireny ho avo enina heny noho ny ara-dalàna izy ireo. Izany dia nampitsiry fanantenana ny amin’ny hahitana sy hikirakirana fototarazo mitovy amin’izany, eo amin’ny olombelona. Niteny toy izao ny Dr. Siegfried Hekimi, ao amin’ny Oniversiten’i McGill, any Montréal, araka ny voalazan’ny gazetiboky Time: “Raha hitantsika avokoa ireo fototarazo mamaritra ny androm-piainan’olombelona, dia angamba ho azontsika atao ny hampiadana kely fotsiny ny fomba fiasan’izy ireny, ka ho afaka ny hiaina mandritra ny fotoana lava kokoa isika.”
Efa hatramin’ny ela no nahafantaran’ireo biôlôjista fa mihafohy ny tendrony iray amin’ny krômôzôma, ilay antsoina hoe telômera, isaky ny mamokatra sela hafa iray ny sela. Rehefa mihena tokony ho 20 isan-jato ny halavan’ilay telômera, dia tapitra hatreo ny fahafahan’ilay sela hamokatra sela hafa, ka maty izy. Afaka mamerina tanteraka ny halavan’ilay telômera ny anzima manokana iray antsoina hoe telômerazy, hany ka afaka mizara hatrany ilay sela. Efa tsy miasa intsony ao amin’ny ankamaroan’ny sela io anzima io, kanefa vita tamim-pahombiazana ny nampiditra telômerazy miasa tao amin’ny sela sasany, ka nahatonga ireny sela ireny hitombo sy hizara imbetsaka lavitra tsy araka ny mahazatra.
Araka ny filazan’ireo mpikaroka, dia manokatra fahafahana mahatalanjona eo amin’ny ady atao amin’ireo aretina mifandray amin’ny fandroson’ny fahanterana izany. Ahoana ny amin’ny fanoloana ireo sela fototra ao amin’ny vatana (sela miantoka ny fanavaozana ny tambatselan’ny vatana), izany hoe ny fanoloana azy ireo amin’ny sela fototra natao “tsy mety maty” tamin’ny alalan’ny telômerazy miasa? Hoy ny Dr. William A. Haseltine: “Izany dia fomba fijery mazava tsara mahakasika ny tsy fahafatesan’olombelona izay hampidirina miandalana ato anatin’ny 50 taona ho avy.” — The New York Times.
Ny nanôteknôlôjia sy ny cryogénisation ve no vahaolana?
Mahabe fanantenana ny olona koa ny nanôteknôlôjia, siansa miompana amin’ny famoronana milina mirefy iray ampaharivo tapitrisa metatra. Ireo mpanonofinofy eo amin’io sehatra io dia milaza fa ho azo atao amin’ny hoavy ny hamorona milina kely lavitra noho ny sela, milina izay hobaikoin’ny ôrdinatera. Hatao hiasa ao anatina môlekiola izy io, ka sady hanamboatra ny simba no hamerina amin’ny laoniny ireo sela sy tambatsela ary taova mihantitra. Tao amin’ny kônferansy iray momba ny ady atao amin’ny fandroson’ny fahanterana, dia nanolo-kevitra ny mpikaroka iray fa mety hampiasa ny nanôteknôlôjia ireo dokotera amin’ny taonjato faha-21, mba hanampiana ny olombelona ho tonga tsy mety maty ara-batana.
Ny cryogénisation dia ny fitahirizana ao anaty gilasy ny fatin’olombelona, noho ny fanantenana fa ho afaka hamelona indray ireo sela maty ny siansa, ka ho velona indray ilay olona. Azo tahirizina ao anaty gilasy ny vatana manontolo, na ny atidoha fotsiny. Ny lehilahy iray aza dia nampitahiry tao anaty gilasy ny rako-pandriana iray. Fa nahoana? An’ny namany iray tsy hita popòka io rako-pandriana io, izay nisy selan-koditra sy volo vitsivitsy. Niriny hotahirizina ao anaty gilasy izy ireo mba hanomezana ho an’ilay namany fahafahana ho velona indray, raha ho vitan’ny siansa ny hamerina handrafitra olona avy amin’ny sela vitsivitsy monja amin’ireo selan’ilay olona, eny, avy amin’ny iray amin’ireo selany mihitsy aza.
Aiza no tokony hametrahantsika ny fitokisantsika?
Ny olombelona dia manana faniriana voajanahary ny ho velona, fa tsy ny ho faty. Noho izany, dia ankalazaina avy hatrany sy ametrahana fanantenana be ny fandrosoana ara-tsiansa amin’io lafiny io. Hatramin’izao anefa, dia tsy misy porofo mivaingana azo anamarinana fa tena afaka mampiadana ny fandroson’ny fahanterana eo amin’ny olombelona ny DHEA, ny kinetinina, ny melatôninina, ny hGH, na zavatra hafa. Matahotra ireo be fisalasalana fandrao tsy hanao afa-tsy ny hampisy sela mety ho azon’ny kansera, ny fikitikitihana ny telômerazy ao amin’ny sela. Ary ny fampiasana ny nanôteknôlôjia sy ny cryogénisation dia mbola an’eritreritra fotsiny ihany fa tsy tena misy.
Anisan’ny nahatonga olona sasany hanana fiainana lava kokoa sy salama kokoa ny siansa, ary mety mbola ho toy izany ihany ankehitriny. Na izany aza anefa, dia tsy hahatonga na iza na iza hanana fiainana mandrakizay na oviana na oviana izy io. Fa nahoana? Raha lazaina tsotra, dia satria tsy voafehin’ny siansan’ny olombelona ny antony fototra mahatonga ny fandroson’ny fahanterana sy ny fahafatesana.
Ny antony fototra nahatonga ny fandroson’ny fahanterana sy ny fahafatesana
Eken’ny ankamaroan’ny mpahay siansa fa toa toy ny milina voafahana ho amin’ny fahanterana sy ny fahafatesana ny fototarazontsika. Ny fanontaniana àry dia hoe: Oviana ary nahoana izy ireo no azo lazaina hoe tafiditra tao amin’ny rafi-pandovan-toetra ao amin’ny tenantsika, ary ahoana no nahatonga izany?
Manome antsika ny valiny tsotra ny Baiboly, na dia tsy misy ifandraisany amin’ny fahalalana momba ny fototarazo na ADN aza, ny fomba ilazany izany. Izao no vakintsika ao amin’ny Romana 5:12: “Koa izany dia tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra”.
Nanana fahatsinjovana ny hiaina mandrakizay i Adama, ilay olombelona voalohany. Noforonina hanana ireo fahaizana ilaina mba hiainana mandrakizay sy hankafizana izany ny vatany. Nisy fepetra anefa ny fiainana mandrakizay. Tsy maintsy niara-niasa tamin’ilay Loharanon’aina, Mpamorona azy, i Adama, no sady tsy maintsy nankato azy mba hampaharitra mandrakizay ny fiainany. — Genesisy 1:31; 2:15-17.
Nifidy ny tsy hankato an’ilay Mpamorona i Adama. Raha ny marina, dia nilaza i Adama fa mahasoa kokoa ny olombelona ny manapa-tena samirery, tsy miankina amin’Andriamanitra. Nanota àry izy. Nanomboka tamin’io fotoana io, dia toy ny hoe nisy novana ny rafi-pandovan-toetra tao amin’ny tenan’i Adama. Tsy nampita fiainana mandrakizay ho lovan’ny taranany i Adama, fa nampita kosa ota sy fahafatesana. — Genesisy 3:6, 19; Romana 6:23.
Ny tena fanantenana
Tsy ho zavatra raikitra anefa io toe-javatra io. Hoy ny Romana 8:20, 21: “Izao zavatra ary rehetra izao dia nampanekena ho zava-poana, nefa tsy noho ny sitrapony, fa noho Izay nampanaiky azy, sady nahazo fanantenana”. I Jehovah Andriamanitra, Mpamorona ny olombelona, dia nanao izay hahatonga ny olombelona hiharan’ny fahafatesana, satria nanota taminy izy ireo. Nametraka fototra iorenan’ny fanantenana koa anefa i Jehovah rehefa nanao izany.
Fantatra mazava io fototra io, fony i Jesosy Kristy tonga teto an-tany. Hoy ny Jaona 3:16: “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” Amin’ny ahoana anefa ny fanehoana finoana an’i Jesosy Kristy no afaka mamonjy antsika amin’ny fahafatesana?
Raha ny ota no antony mahatonga ny fahafatesana, dia tsy maintsy esorina aloha ny ota, alohan’ny hahafahana hanafoana ny fahafatesana. Hoy i Jaona Mpanao Batisa, tany am-piandohan’ny fanompoan’i Jesosy tamin’ny naha Kristy azy: “Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao!” (Jaona 1:29). Tsy nanana ota mihitsy i Jesosy Kristy. Noho izany, dia tsy tokony hiharan’ny fahafatesana, izay sazy vokatry ny ota, izy. Na izany aza, dia navelany hovonoin’ny hafa ny tenany. Nahoana? Satria tamin’ny fanaovany izany no nandoavany ny vidin’ny otantsika. — Matio 20:28; 1 Petera 3:18.
Koa satria efa voaloa io vidin’ny fahotantsika io, dia nisokatra ho an’ny olona rehetra maneho finoana an’i Jesosy ny fahafahana hiaina tsy hisy fahafatesana. Mety ho anisan’ny hanalava kely ny fiainantsika ny siansa, fa ny fanehoana finoana an’i Jesosy kosa no tena fomba hahazoana fiainana mandrakizay. Nahazo izany fiainana izany any an-danitra i Jesosy, ary ho toy izany koa ireo apostoliny nahatoky sy ny olona sasantsasany. Ho an’ny ankamaroantsika izay maneho finoana an’i Jesosy anefa, dia ho eto an-tany ny fiainana mandrakizay, rehefa ho naverin’i Jehovah Andriamanitra amin’ny laoniny ilay Paradisa teto an-tany. — Isaia 25:8; 1 Korintiana 15:48, 49; 2 Korintiana 5:1.
Fiainana mandrakizay ao amin’ny tany zary paradisa
Nanontany toy izao ny lehilahy iray: “Firy ny olona hahatsapa fa mamy ny miaina, amin’ny fotoana izay tsy hahavoatery azy ireo ho faty?” Hanjary tsy hahaliana ve ny fiainana tsy hisy fahafatesana? Manome toky antsika ny Baiboly fa tsy izany no izy. “Ny zavatra rehetra samy nataon’Andriamanitra ho tsara amin’ny fotoany avy: ny mandrakizay nataony ao am-pon’izy ireo koa, nefa tsy azon’ny olombelona fantarina ny asa ataon’Andriamanitra hatramin’ny fiandohany ka hatramin’ny fiafarany.” (Mpitoriteny 3:11, Fandikan-teny Katolika). Maro dia maro sy tena saro-takarina ny zavatra noforonin’i Jehovah Andriamanitra, hany ka hahaliana antsika sy handrisika antsika ary hahasambatra antsika hatrany izy ireny raha mbola velona aina koa isika, eny mandrakizay.
Ny lehilahy iray nandinika ny mombamomba ilay vorona fantatra amin’ny anarana hoe mésangeai imitateur, dia niantso azy io hoe “vorona hafa kely sy mahafinaritra nifankahalala” taminy. Araka ny filazany, dia ny fandinihana an’io vorona io no iray tamin’ireo zavatra nahafinaritra indrindra teo amin’ny fiainany. Arakaraka ny nandinihana ny mombamomba an’io vorona io no nahitany azy io ho vao mainka nahaliana. Nilaza izy fa na dia taorian’ny 18 taona nandinihany ny mombamomba azy io aza, dia mbola ho ela vao ho vita ilay fandinihana ataony. Raha karazam-borona iray aza dia nahaliana sy nandrisika ary nahafaly hatrany ny lehilahy manan-tsaina iray, nandritra ilay fianarana mafy nataony naharitra 18 taona, dia alao sary an-tsaina fotsiny ny fahafahana hahita fifaliana sy fahafaham-po izay tsy maintsy ho hita amin’ny fandinihana ny zavaboary rehetra eto an-tany.
Alao sary an-tsaina ireo sehatra rehetra mahaliana amin’ny siansa, izay hisokatra ho an’ny olona tsy mba ho voafehifehin’ny fotoana. Alao sary an-tsaina ireo toerana kanto rehetra hotsidihina, sy ny olona mahaliana rehetra hihaona aminao. Miezaha hamisavisa ireo fahafahana tsy hisy farany hamolavola sy hamorona ary hanamboatra zavatra. Tsy hisy fetrany ny fahafahantsika hampivelatra sy hampiasa ny fahaizantsika mamorona. Rehefa misaintsaina ny hamaroan’ny zavaboary isika, dia miharihary fa ny mandrakizay no hany fotoana mety, afaka ny hifandanja ara-drariny amin’ireo zavatra maro azo atao eo amin’ny fiainana.
Asehon’ny Baiboly fa, amin’ny alalan’ny fitsanganana amin’ny maty, dia hotolorana fiainana mandrakizay koa ireo efa nodimandry. (Jaona 5:28, 29). Maro amin’ireo zava-tsy fantatra momba ny tantara no mety hanjary hazava amintsika rehefa ho eo ireo niaina an’izany, ka ho afaka hameno ny tsipiriany sy hamaly ny fanontaniantsika. Eritrereto ny fanazavana rehetra ho azo avy amin’ireo hatsangana amin’ny maty, mahakasika ireo vanim-potoana samy hafa teo amin’ny tantara. — Asan’ny Apostoly 24:15.
Rehefa misaintsaina izany fotoana izany ianao, dia mety hahatakatra fa mety haniry hanitsy ilay teniny ao amin’ny Joba 14:1 i Joba tafatsangana amin’ny maty, ka angamba hilaza hoe: ‘Ny olona tera-behivavy dia miaina mandrakizay sady feno fahafaham-po ankehitriny.’
Ho an’ireo mametraka ny fitokisany amin’i Jehovah ka maneho finoana an’i Jesosy, dia tsy nofinofy fotsiny akory ny fanalavana ny fiainana hanjary tsy hanam-petra. Tsy ho ela dia tena hisy izany. Tsy hisy intsony ny fahanterana sy ny fahafatesana. Izany dia mifanaraka amin’ny Salamo 68:20, izay milaza hoe: “An’i Jehovah Tompo ny fanafahana amin’ny fahafatesana.” — Apokalypsy 21:3, 4.
[Sary, pejy 5]
Nampitsiry fanantenana ny amin’ny fahafahana hiaina mandritra ny fotoana lava kokoa ny fandrosoan’ny siansa
[Sary, pejy 7]
Ny mandrakizay no hany fotoana mety, afaka ny hifandanja ara-drariny amin’ireo zavatra maro azo atao eo amin’ny fiainana