FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w99 15/10 p. 8-11
  • Fianarana Ilay Lalana Tsara Indrindra, dia ny Fitiavana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fianarana Ilay Lalana Tsara Indrindra, dia ny Fitiavana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tsy maintsy mianatra ny ho tia an’Andriamanitra isika
  • Fianarana ho tia ny mpiara-belona amintsika
  • Ampitomboy ny fitiavanao
  • Takina ny ezaka mitohy
  • Inona no Dikan’ny hoe Tia Namana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Tiavo Ilay Andriamanitra Tia Anao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • ‘Tia ny Namanao Tahaka ny Tenanao’ ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
w99 15/10 p. 8-11

Fianarana Ilay Lalana Tsara Indrindra, dia ny Fitiavana

Kosovo, Liban, ary Irlandy. Ireo dia anarana nipoitra matetika tamin’ny vaovao, tato anatin’ireo taona faramparany. Mahatonga ny olona hieritreritra fandatsahan-dra sy fandarohana baomba ary vonoan’olona izy ireo. Mazava ho azy fa tsy zava-baovao akory ny fifandonana misy herisetra, ateraky ny fahasamihafan’ny fivavahana, na firazanana, na foko, na fahasamihafana hafa. Raha ny marina, dia feno azy ireo ny pejin’ny tantara, ary nahatonga fahoriana tsy hay lazaina ho an’ny olombelona izy ireo.

HITAN’NY maro fa nisy ady nandritra ny tantara manontolo, ka nanjary nanatsoaka hevitra izy ireo fa tena tsy azo ihodivirana ny ady, ary efa voajanahary eo amin’ny olombelona ny fifankahalana. Izany fomba fijery izany anefa dia mifanohitra tanteraka amin’ireo fampianaran’ny Tenin’Andriamanitra, dia ny Baiboly. Milaza mazava toy izao ny Soratra Masina: “Izay tsy tia dia tsy mba mahalala an’Andriamanitra; fa Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8). Mazava fa irin’ny Mpamorona hifankatia ny olombelona.

Ambaran’ny Baiboly koa fa noforonina araka ny endrik’Andriamanitra ny olombelona. (Genesisy 1:26, 27). Midika izany fa ny olombelona dia nomena ny fahafahana hanome taratr’ireo toetran’Andriamanitra, ka ny misongadina indrindra amin’izany dia ny fitiavana. Koa satria izany no izy, nahoana ny olombelona no tsy nahomby tamin’ny fomba nampahonena tokoa, raha ny amin’ny fifanehoana fitiavana, nandritra ny tantara manontolo? Eto indray koa, dia manome fanazavana ny Baiboly. Ny antony dia satria nikomy tamin’Andriamanitra i Adama sy i Eva, ilay mpivady olombelona voalohany, ka latsaka tao amin’ny fahotana. Vokatr’izany, dia nandova ota sy tsy fahalavorariana ny taranany rehetra. Manazava toy izao ny Romana 3:23: “Samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra”. Simban’ny ota sy ny tsy fahalavorariana nolovana ilay fahaiza-mitia nomen’Andriamanitra. Midika ve izany fa tsy mahay mifankatia intsony ny olombelona? Inona no azo anantenana fa hanana fifandraisana milamina sy feno fitiavana amin’ny mpiara-belona amintsika isika indray andro any?

Tsy maintsy mianatra ny ho tia an’Andriamanitra isika

Fantatr’i Jehovah Andriamanitra fa mbola afaka maneho fitiavana foana ny olombelona na dia tsy lavorary aza. Izany no antony itakiany amin’ireo rehetra maniry hampifaly azy mba haneho fitiavana araka izay fara fahaizany. Nanambara mazava an’io zavatra takina io i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra, rehefa nasaina nilaza ny didy lehibe indrindra ao amin’ny Lalàna nomena ny Isiraely. Hoy izy: “ ‘Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra’. Izany no didy lehibe sady voalohany.” Hoy ny teny nanampiny avy eo: “Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: ‘Tiava ny namanao tahaka ny tenanao’. Izany didy roa izany no ihantonan’ny lalàna rehetra”. — Matio 22:37-40.

Mihevitra anefa ny maro fa tena sarotra aminy ny ho tia olona tsy hitany, ary tsy afaka mahita maso an’i Jehovah Andriamanitra rahateo isika olombelona, satria fanahy izy. (Jaona 4:24). Na izany aza anefa, dia misy akony eo amintsika isan’andro ny asan’Andriamanitra, satria miankina amin-java-tsoa maro izay noforoniny hahasoa antsika, isika rehetra. Nanintona ny saina ho amin’io zava-misy io ny apostoly Paoly rehefa nilaza hoe: “Tsy namela ny tenany tsy hanana vavolombelona [Andriamanitra]; fa manao soa Izy, mampilatsaka ny ranonorana avy eny amin’ny lanitra ho anareo sady manome taon-jina ka mahavoky ny fonareo amin’ny hanina sy ny fifaliana.” — Asan’ny Apostoly 14:17.

Na dia ny olon-drehetra aza no mandray soa amin’ny fomba samihafa, avy amin’ny zavatra omen’ny Mpamorona, dia somary vitsy ihany no velom-pankasitrahana azy, na voatosiky ny fony hisaotra azy. Noho izany, dia ilaintsika ny mandinika tsara ireo zava-tsoa rehetra nataon’Andriamanitra ho antsika, sy ny misaintsaina ireo toetrany mahatalanjona manenika ny zavatra rehetra ataony. Ny fanaovana izany dia tokony hanampy antsika hahafantatra ny fahendrena sy ny hery mahatahotr’ilay Mpamorona Lehibe antsika. (Isaia 45:18). Ambonin’ny zava-drehetra, izany dia tokony hanampy antsika hahita fa Andriamanitra be fitiavana tokoa izy, satria tsy vitan’ny hoe nanome antsika ny fiainana izy, fa nataony koa izay hahafahantsika hifaly amin’ireo zava-mahafinaritra maro eo amin’ny fiainana.

Eritrereto, ohatra, ny amin’ireo karazam-boninkazo tsara tarehy tsy hita lany, izay noforonin’Andriamanitra eto an-tany. Finaritra erỳ isika, satria nomeny antsika koa ny fahafaha-mahita, mbamin’ny fahafaha-mahazo fahafinaretana be avy amin’ireny zavatra kanto ireny! Nomen’Andriamanitra an’izao karazan-tsakafo mahavelona rehetra izao koa isika mba hahavelona antsika. Niahy antsika tokoa izy tamin’ny namoronany antsika hahatsapa tsiron-javatra, mba hahafahantsika hahita fahafinaretana avy amin’ny fihinanan-kanina! Moa ve izany tsy porofo mibaribary fa tena tia antsika Andriamanitra ka nikendry izay hahasoa antsika indrindra? — Salamo 145:16, 17; Isaia 42:5, 8.

Nampahafantatra ny tenany tamin’ny alalan’ny “bokin’ny natiora” ilay Mpamorona. Ankoatra izany anefa, dia asehony antsika amin’ny alalan’ny Teniny — ny Baiboly — hoe karazan’Andriamanitra manao ahoana izy. Izany dia satria ao amin’ny Baiboly no iraketana an-tsoratra ny maro amin’ireo asa fanehoam-pitiavana nataon’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny lasa, sy ireo fitahiana maro be ampanantenainy fa harotsaka amin’ny olombelona amin’ny hoavy tsy ho ela. (Genesisy 22:17, 18; Eksodosy 3:17; Salamo 72:6-16; Apokalypsy 21:4, 5). Ambonin’ny zava-drehetra, dia ampahafantarin’ny Baiboly antsika ilay fomba lehibe indrindra nanehoan’Andriamanitra ny fitiavany ny olombelona, dia ny nanomezany ny Zanany lahitokana ho Mpanavotra antsika, mba ho afaka amin’ny fanandevozan’ny ota sy ny fahafatesana isika. (Romana 5:8). Eny tokoa, arakaraka ny ianarantsika ny mombamomba ilay Mpamorona antsika be fitiavana no mahatonga antsika hatosiky ny fontsika ho tia azy.

Fianarana ho tia ny mpiara-belona amintsika

Araka ny nohazavain’i Jesosy, dia tokony ho tia ny namantsika tahaka ny tenantsika isika, ho fanampin’ny fitiavantsika an’Andriamanitra amin’ny fontsika sy ny fanahintsika ary ny saintsika rehetra. Raha ny marina, dia manery antsika ho tia ny olombelona tahaka antsika ny fitiavantsika an’Andriamanitra. Nanazava toy izao ny apostoly Jaona: “Ry malala, raha izany no nitiavan’Andriamanitra antsika, dia mba tokony hifankatia kosa isika.” Nanome izao fanamafisana fanampiny izao izy: “Raha misy manao hoe: Tia an’Andriamanitra aho, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy; fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, hataony ahoana no fitia an’Andriamanitra Izay tsy hitany? Ary izao no didy efa azontsika taminy: Izay tia an’Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny rahalahiny koa.” — 1 Jaona 4:11, 20, 21.

Amin’izao andro izao isika dia miaina ao anatin’ny tontolo iray izay anehoan’ny ankamaroan’ny olona toe-tsaina hoe izaho aloha, hany ka “tia tena” izy ireny, tsy misy hafa amin’izay efa nambaran’ny Baiboly mialoha. (2 Timoty 3:2). Noho izany, dia tsy maintsy miezaka mafy hanavao ny saintsika sy hanahaka ilay Mpamorona antsika be fitiavana isika, fa tsy hanaraka ny lalana feno fitiavan-tenan’ny olona amin’ny ankapobeny, raha tiantsika ny hianatra ilay lalana tsara indrindra, dia ny fitiavana. (Romana 12:2; Efesiana 5:1). “Mora fanahy amin’izay tsy misaotra sy ny ratsy fanahy” mihitsy aza Andriamanitra, ka “mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina”. Koa satria manome izany ohatra faran’izay tsara izany ho antsika ilay Raintsika any an-danitra, dia tokony hiezaka mafy ny ho tsara fanahy sy ho vonon-kanampy ny olon-drehetra isika. Amin’ny fanaovana izany no ahafahantsika mampiseho ny tenantsika ho ‘zanak’ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra’. — Lioka 6:35; Matio 5:45.

Manampy olona ho tonga mpivavaka amin’ilay Andriamanitra marina, indraindray, ny fanaovan-javatra mampiseho fitiavana toy izany. Taona vitsivitsy lasa izay, ny vehivavy iray mpikarakara tokantrano izay Vavolombelon’i Jehovah, dia niezaka nampita hafatra ara-baiboly tamin’ny vehivavy iray mpiara-monina taminy, saingy nanda mafy izy io. Tsy kivy tamin’ny fihetsik’ilay ramatoa anefa izy, fa nanohy naneho hatsaram-panahy taminy kosa, ka niezaka nanampy azy. Nanampy an’ilay mpiara-monina taminy hifindra trano izy indray mandeha. Tamin’ny fotoana hafa iray, dia nangataka olon-kafa iray hiaraka tamin’ilay mpiara-monina taminy tany amin’ny seranam-piaramanidina izy, rehefa nitsena ny havany izy io. Tatỳ aoriana, dia nanaiky hianatra Baiboly ilay mpiara-monina taminy ary tonga Kristianina be zotom-po, na dia teo aza ny fanenjehana mafy dia mafy avy tamin’ny vadiny. Eny, nametraka ny fototra ho amin’ny fitahiana mandrakizay ireny fanehoam-pitiavana ireny.

Raha milaza ny marina isika, dia hiaiky fa tsy noho ny fananantsika toetra mahate hidera maro be akory no itiavan’Andriamanitra antsika. Mifanohitra amin’izany fa tia antsika izy, na dia manana fahalemena sy kilema maro aza isika. Koa satria izany no izy, dia tokony hianatra ny ho tia ny olombelona tahaka antsika koa isika, na dia eo aza ireo kilema maron’izy ireny. Raha mampiofana ny tenantsika hahay hanavaka sy hankasitraka ireo toetra tsara dia tsara ananan’ny hafa isika, fa tsy mitady ny kileman’izy ireny, dia ho hitantsika ho mora lavitra ny ho tia azy ireny. Mety ho lasa lavitra kokoa noho ny fitiavana baikoin’ny foto-pitsipika mihitsy aza ny fihetseham-pontsika amin’izy ireny, ka hahafaoka koa ilay firaiketam-po mafana misy eo amin’ny mpinamana akaiky.

Ampitomboy ny fitiavanao

Mila hampitomboina sy hokolokoloina ny fitiavana sy ny fisakaizana, ary anisan’ny toetra tena ilaina amin’izany ny fahatsoram-po sy ny filazana ny marina. Miezaka hanafina ny kilemany ny sasany, satria amin’izay ireo olona tiany hoentina toy ny namana dia hihevitra azy ho tsara. Matetika anefa no mifanohitra amin’ny nampoizina ny vokatry ny fanaovana izany, satria ho hitan’ny hafa ihany amin’ny farany ny tena marina, ka hahatsapa rikoriko noho izany tsy filazana ny marina izany izy ireo. Noho izany, dia tsy tokony hatahotra ny hamela ny hafa hahalala izay tena maha isika antsika isika, na dia manana kilema izay ezahintsika mafy horesena aza isika. Mety hanampy mba hanorenana fisakaizana amin’izy ireo izany.

Ohatra, ny anabavy Vavolombelona iray efa zokiolona, ao amin’ny kôngregasiôna iray any Extrême-Orient, dia zara raha nandia fianarana. Na izany aza anefa, dia tsy miezaka na oviana na oviana ny hanafina izany amin’ny hafa izy. Miaiky amim-pahatsorana izy, ohatra, fa tsy hainy porofoina amin’ny hafa, avy amin’ny faminaniana ara-baiboly sy ny tantara, ny hoe nifarana tamin’ny 1914 ny Andron’ny Jentilisa.a Manome ohatra tsara dia tsara anefa izy eo amin’ny zotom-pony ho amin’ny fanompoana, sy ny fitiavany an’ireo rahalahy, ary ny fahalalahan-tanany amin’izy ireo, hany ka resahina amim-piraiketam-po ho olona tena sarobidy eo anivon’ny kôngregasiôna ny tenany.

Any amin’ny kolontsaina sasany, dia tsy ankasitrahana ny fanehoana ampahibemaso firaiketam-po, satria ampianarina mba hanaraka fitsipika raikitra fanehoana fahalalam-pomba ny olona rehefa mifandray amin’ny hafa. Na dia tsara foana aza ny mahalala fomba sy mihevitra ny hafa, dia tsy tokony havelantsika hisakana antsika tsy haneho ny fihetseham-pontsika amin’ny hafa, na hanafina izany, ny fahalalam-pombantsika. Tsy menatra i Jehovah rehefa nanambara ampahibemaso ny firaiketam-pony tamin’ilay vahoaka voafidiny, dia ny Isiraely fahiny. Hoy tokoa mantsy izy tamin’izy ireo: “Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao”. (Jeremia 31:3). Toy izany koa fa niteny toy izao tamin’ireo mpiray finoana taminy tany Tesalonika ny apostoly Paoly: “Toy izany no nahazoto anay, noho ny fitiavanay anareo indrindra, hanome anareo, tsy ny filazantsaran’Andriamanitra ihany, fa ny ainay koa aza, satria efa malalanay hianareo.” (1 Tesaloniana 2:8). Koa eo am-piezahantsika hamboly firaiketam-po marina amin’ny olombelona tahaka antsika àry, dia mifanaraka kokoa amin’ny fampianaran’ny Baiboly ny hamelana ny fihetseham-po toy izany hiseho ara-dalàna, fa tsy hokobonina.

Takina ny ezaka mitohy

Ezaka mitohy ny fianarana ho tia sy hampiseho fitiavana amin’ny hafa. Mitaky ezaka be dia be avy amintsika ny fanaovana izany, satria tsy maintsy milofo mafy isika mba handresena ny tsy fahalavorariantsika, sy mba hahatoherana ilay fitaomana mahery ampiharin’ity tontolo tsy manam-pitiavana ity. Tena mendrika ny hanaovana ezaka anefa ireo valisoa tondraka entin’izany. — Matio 24:12.

Na dia eto amin’ity tontolo tena tsy lavorary ity aza, dia afaka ny hanatsara ny fifandraisantsika amin’ireo mpiara-belona amintsika isika, ka ho fifaliana sy fiadanana ary fahafaham-po be dia be ho an’ny tenantsika sy ny hafa no ho vokatr’izany. Amin’ny fanaovana izany ezaka izany, dia afaka mampiseho ny tenantsika ho mendrika ilay fanantenana mahatalanjona hiaina mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra isika. Ambonin’ny zava-drehetra, dia mety hahazo ny fankasitrahana sy ny fitahian’ilay Mpamorona antsika be fitiavana isika, dieny izao sy ho mandrakizay, amin’ny fianarana ilay lalana tsara indrindra, dia ny fitiavana!

[Fanamarihana ambany pejy]

a Mba hahitana ny tsipiriany, dia jereo ny Étude perspicace des Écritures, Boky II, pejy faha-1056-1059.

[Sary, pejy 10]

Azo aseho amin’ny fanaovan-javatra maneho hatsaram-panahy ny fitiavana kristianina

[Sary nahazoan-dalana, pejy 8]

UN PHOTO 186226/M. Grafman

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara