FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w99 15/10 p. 28-31
  • Dingana Iray Lehibe ho An’ireo Tia ny Tenin’Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Dingana Iray Lehibe ho An’ireo Tia ny Tenin’Andriamanitra
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahoana no nilaina ny fandikan-teny vaovao?
  • Lafiny tsy manam-paharoa
  • Famerenana amin’ny toerany ny anaran’Andriamanitra
  • Fanatratrarana ireo mpamaky tsy mahay ny fiteny anglisy
  • Mankasitraka ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ny Olona An-tapitrisany Maro
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
  • Marina Tsara ve ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao?
    Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Natao Pirinty sy Nozaraina ny Teny Masin’Andriamanitra
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
w99 15/10 p. 28-31

Dingana Iray Lehibe ho An’ireo Tia ny Tenin’Andriamanitra

Nisy dingana iray lehibe vita tamin’ny 1998, ho an’ireo rehetra tia ny Tenin’Andriamanitra. Nandritra io taona io, dia nivoaka tao amin’ny fanontam-pirinty ny Baiboly faha-100 tapitrisa amin’ny New World Translation of the Holy Scriptures” [Ny Soratra Masina — Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao]. Izany dia nahatonga azy io ho anisan’ireo Baiboly fatra-piely indrindra navoaka tamin’ity taonjato ity!

MIAVAKA indrindra io zava-bita io raha jerena ilay fanakianana mafy natao tamin’io fandikan-teny io, fony izy io vao navoaka. Tsy vitan’ny hoe tafavoaka tamin’izany anefa izy io, fa niroborobo ihany koa, ka tonga tany an-trano sy tany am-pon’olona an-tapitrisany maro, manerana ny tany manontolo! Ahoana no niandohan’io fandikan-teny tsy manam-paharoa io? Iza no tompon’andraikitra tamin’izy io? Ary ahoana no mety handraisanao soa amin’ny fampiasana azy io?

Nahoana no nilaina ny fandikan-teny vaovao?

Nampiely Baiboly efa hatramin’ny zato taona mahery ny Watch Tower Bible and Tract Society, ilay fikambanana ara-dalàna misolo tena ny Vavolombelon’i Jehovah. Nahoana anefa ny Vavolombelon’i Jehovah no nahita fa nilaina ny namoaka dikan-teny hafa momba ny Tenin’Andriamanitra? Nanao izao fanamarihana izao ilay boky hoe So Many Versions?, nataon’i Sakae Kubo sy i Walter Specht: “Tsy misy fandikana ny Baiboly azo heverina ho raikitra. Ireo fandikan-teny dia tsy maintsy miara-mandroso amin’ny fitomboan’ny fahatakarana lalina ny Baiboly, sy amin’ireo fiovana eo amin’ny fiteny.”

Hita tato anatin’ity taonjato ity fa nitombo be ny fahatakarana ny hevitry ny fiteny hebreo sy grika ary aramianina, izay fiteny nanoratana ny Baiboly tany am-boalohany. Afa-tsy izany koa, dia nisy sora-tanana amin’ny Baiboly vao hita, izay tranainy kokoa sy araka ny marina kokoa noho ireo nampiasain’ireo mpandika tenin’ny Baiboly teo aloha. Noho izany, dia azo adika araka ny marina kokoa noho ny hatramin’izay ny Tenin’Andriamanitra! Misy antony marim-pototra àry, matoa natsangana ny Komitin’ny Fandikana ny Baibolin’ny Tontolo Vaovao, mba handray an-tanana ny fandikana ny Baiboly ho amin’ny fiteny amin’ny andro maoderina.

Tamin’ny 1950, dia navoaka ilay dikan-teny New World Translation of the Christian Greek Scriptures (Ny Soratra Grika Kristianina — Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao) tamin’ny fiteny anglisy. Na dia ilay lohateniny fotsiny aza dia efa fialana tamin-kasahiana tamin’ny fanao nahazatra, satria tsy nanaiky ilay filazana ny Baiboly ho voaforon’ny testamenta “Taloha” sy “Vaovao”. Nandritra ireo folo taona nanaraka, dia nisy ampahany tamin’ny Soratra Hebreo navoaka tsikelikely nisy fizarany maromaro. Tamin’ny 1961, dia navoaka ho boky iray ny Baiboly iray manontolo tamin’ny fiteny anglisy.

Iza marina no nandika io Baiboly miavaka io? Hoy Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 15 Septambra 1950: “Ireo lehilahy tao anatin’ilay komitin’ny fandikana dia nampahafantatra ny faniriany (...) hitoetra ho tsy hisy mpahafantatra, ary nohafatrafarany fa tsy iriny ny hamoahana ny anarany na amin’ny andro ahavelomany, na aorian’ny hahafatesany. Ny zava-kendren’ilay fandikan-teny dia ny hanandratra ny anaran’ilay Andriamanitra marina, velona.” Nisy mpanakiana sasany niampanga fa tokony hailika tsy misy hataka andro toy ny asan’olona tsy manam-pahaizana ilay asa soratra, kanefa tsy ny rehetra akory no nandray izany fomba fihevitra tafahoatra izany. Nanoratra toy izao i Alan S. Duthie: “Raha fantatsika hoe iza no mpandika na mpampanonta ny fandikan-tenin’ny Baiboly iray, moa ve izany hanampy antsika hanapaka raha tsara na ratsy izany fandikan-teny izany? Tsia avy hatrany. Tsy misy mahasolo ny fandinihana mihitsy ireo toetra mampiavaka ny fandikana tsirairay.”a

Lafiny tsy manam-paharoa

Mpamaky an-tapitrisany maro no nanao izany indrindra ka nahita fa tsy vitan’ny hoe mora vakina fotsiny ny New World Translation, fa marina amin’ny tsipiriany koa. Avy amin’ny fiteny hebreo sy aramianina ary grika tany am-boalohany no nanaovan’ireo mpandika teny ny asany, ka nampiasa ireo soratra tsara indrindra nisy izy ireo.b Nisy fitandremana koa natao mba handikana ara-bakiteny araka izay azo atao ireo soratra tranainy, kanefa amin’ny fiteny izay mora azo. Araka izany, dia nisy manam-pahaizana sasany nidera io fandikan-teny io satria sady mifanaraka akaiky amin’ny tany am-boalohany ilay izy no araka ny marina. Izao, ohatra, no nolazain’ny Andover Newton Quarterly tamin’ny Janoary 1963: “Ilay fandikana ny Testamenta Vaovao dia manaporofo fa misy manam-pahaizana manokana ampy fahaizana mba hiatrehana amim-pahakingan-tsaina ireo zava-manahirana maro eo amin’ny fandikana ny Baiboly, ao amin’ilay fikambanana.”

Nanokatra lafiny vaovao teo amin’ny fahatakarana ny hevitry ny Baiboly, ireo mpandika teny. Nanjary nazava be ireo andinin-teny ao amin’ny Baiboly izay nanjavozavo ny fahatakarana ny heviny teo aloha. Ohatra, ilay andinin-teny nahavaka ny saina tao amin’ny Matio 5:3 hoe “sambatra ny malahelo am-panahy”, dia nadika tamin’ny fomba iray nisy heviny hoe: “Sambatra ireo mahatsapa izay ilainy ara-panahy”. Tsy miovaova sy mitovy tanteraka no nandikan’ny New World Translation ireo teny fototra. Ilay teny grika hoe psy·kheʹ, ohatra, dia nadika hoe “fanahy” (âme), isaky ny miseho. Vokatr’izany, dia tsy ela ny mpamaky dia mahatakatra fa mety maty ny fanahy, mifanohitra amin’ireo teôria ara-pivavahana! — Matio 2:20, NW; Marka 3:4, NW; Lioka 6:9, NW; 17:33, NW.

Famerenana amin’ny toerany ny anaran’Andriamanitra

Anisan’ny lafiny miavaka amin’ny New World Translation ny famerenana amin’ny toerany ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah. Ao amin’ireo kopia tranainy amin’ny Baiboly hebreo, dia aseho amin’ny renisoratra efatra izay azo adika hoe YHWH na JHVH, ny anaran’Andriamanitra. Miseho efa ho im-7 000 io anarana miavaka io ao amin’ilay lazaina fa Testamenta Taloha fotsiny. (Eksodosy 3:15; Salamo 83:18). Mazava àry fa fikasan’ny Mpamorona ny hahafantaran’ireo mpivavaka aminy izany anarana izany sy ny hampiasan’izy ireo azy io!

Nahatonga ny vahoaka jiosy hitsahatra tsy hampiasa ny anaran’Andriamanitra anefa ny tahotra niharo finoanoam-poana. Taorian’ny nahafatesan’ireo apostolin’i Jesosy, dia nanomboka nanolo ny anarana manokan’Andriamanitra tamin’ny teny grika hoe Kyʹri·os (Tompo) na The·osʹ (Andriamanitra), ireo mpanao kopia ny Soratra Grika. Mampalahelo ny milaza fa notohizin’ireo mpandika teny maoderina io fomba fanao manala baraka an’Andriamanitra io, ka nofoanany tsy ho ao amin’ny ankamaroan’ny Baiboly ny anaran’Andriamanitra, ary nafeniny mihitsy aza fa manana anarana Andriamanitra. Misy izao tenin’i Jesosy izao, ohatra, ao amin’ny Jaona 17:6: “Nasehoko tamin’ny olona (...) ny anaranao”. Toy izao no nandikan’ny Today’s English Version azy io: “Nampahafantariko ianao.”

Miaro ny nanafoanana ny anaran’Andriamanitra ny manam-pahaizana sasany, satria, hono, tsy fantatra ny tena fanononana marina azy io. Misy anefa anarana mahazatra ao amin’ny Baiboly, toy ny hoe Jeremia, Isaia, sy Jesosy izay mahazatra ny mandika azy amin’ny fomba izay tsy misy itoviany firy amin’ilay fanononana azy ireo amin’ny fiteny hebreo tany am-boalohany. Koa satria fomba ara-dalàna andikana ny anaran’Andriamanitra ilay endriny hoe Jehovah, no sady anarana efa mahazatra ny olona maro rahateo, dia tsy marim-pototra ireo fanoherana ny fampiasana azy io.

Sahy nijoro ny Komitin’ny Fandikana ny Baibolin’ny Tontolo Vaovao, ka nampiasa ny anaran’i Jehovah tao amin’ny tapany hebreo sy grika amin’ny Soratra Masina. Efa nisy ny toy izany, tao amin’ireo fandikan-teny nataon’ireo misionera tany am-boalohany ho an’ny olona tany Amerika Afovoany, sy tany Pasifika Atsimo, ary tany Orient. Tsy zavatra tsy misy ilana azy eo amin’ny fiainana anefa ny fampiasana toy izany ny anaran’Andriamanitra. Tena zava-dehibe ny fahafantarana ny anaran’Andriamanitra mba hahafantarana azy amin’ny maha persona azy. (Eksodosy 34:6, 7). Nampirisika mpamaky an-tapitrisany maro hampiasa ny anaran’Andriamanitra ny New World Translation!

Fanatratrarana ireo mpamaky tsy mahay ny fiteny anglisy

Teo anelanelan’ny 1963 sy 1989, dia nanjary nisy tamin’ny fiteny folo fanampiny ny New World Translation manontolo na ny ampahany taminy. Mafy be anefa ilay asa fandikan-teny, ka ny tetik’asa sasany dia naharitra 20 taona na mihoatra. Avy eo, tamin’ny 1989, dia naorina tao amin’ny foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Sampan-draharaha Foiben’ny Fandikan-teny. Teo ambany fitarihan’ny Komitin’ny Fanoratana ao amin’ny Fitambara-mpitantana, io sampan-draharaha io dia nanomboka nanao izay hanafainganana ny fandikana ny Baiboly. Natsangana ny fomba fandikan-teny iray izay nampiaraka ny fianarana ireo teny ao amin’ny Baiboly sy ny teknôlôjia momba ny ôrdinatera. Ahoana no fiasan’izany fomba izany?

Raha vantany vao nanaiky ny handikana ny Baiboly ho amin’ny fiteny vaovao iray ny Komitin’ny Fanoratana, dia misy antokona Kristianina vita fanoloran-tena tendreny ho ekipa iray mpandika teny. Afaka mamoaka dika teny voalanjalanja kokoa noho ny olon-tokana miasa irery ny ekipa. (Ampitahao amin’ny Ohabolana 11:14.) Amin’ny ankapobeny dia efa za-draharaha eo amin’ny fandikana ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana ny mpikambana tsirairay amin’ilay ekipa. Avy eo ilay ekipa dia mahazo fampiofanana feno mahakasika ireo fitsipika arahina eo amin’ny fandikana Baiboly sy eo amin’ny fampiasana ireo praogramana ôrdinatera namboarina manokana ho amin’izany. Tsy manao ilay tena asa fandikan-teny akory ny ôrdinatera, kanefa mahatonga ilay ekipa ho afaka hizaha fanazavana lehibe izy io, ary afaka manampy azy ireo hitana an-tsoratra ny fanapahan-kevitr’izy ireo.

Misy ambaratonga roa ny tetik’asa fandikana Baiboly. Mandritra ilay ambaratonga voalohany, ireo mpandika teny dia omena ny lisitr’ireo teny sy fitenenana ampiasaina ao amin’ny New World Translation amin’ny fiteny anglisy. Ampiarahina ho antokony ireo teny misy ifandraisany, toy ny hoe “manavotra” sy “fanavotana” ary “sorom-panavotana”, ka mampahafantatra ny mpandika teny ny fisian’ny fahasamihafana kely eo amin’ny hevi-teny. Manao lisitra misy ireo teny mifanitsy amin’izany, amin’ny fiteny eo an-toerana ny mpandika teny. Indraindray anefa dia mety hisy mpandika teny hahita fahasahiranana amin’ny fandikana andinin-teny iray. Ilay fomba fanaovana fikarohana ao amin’ny ôrdinatera dia manome fanazavana momba ireo teny grika sy hebreo ary ahafahan’ireo mpandika teny mizaha ireo zavatra vita an-tsoratry ny Watch Tower.

Rehefa mandroso mankeo amin’ny ambaratonga faharoa ilay tetik’asa, dia miditra ho azy ao anatin’ireo andinin-tenin’ny Baiboly ireo teny efa voafidy handikana azy. Mahatonga ny fandikan-teny ho araka ny marina tsara sy tsy hiovaova eo amin’ny teny ampiasaina izany. Tsy misy heviny velively anefa ny fehezanteny azo avy amin’io fomba fiasa amin’ny ôrdinatera atao hoe “search and replace” (tadiavo sy soloy) io. Misy asa goavana tsy maintsy atao mba hanitsiana sy hanamboarana indray ny firafitry ny teny ao amin’ireo andinin-tenin’ny Baiboly, mba hahatonga azy ireo ho azo vakina misosa tsara.

Hita fa mandaitra amin’ny fomba miavaka io fomba fandikan-teny io. Nisy ekipa iray afaka nandika ny Soratra Hebreo manontolo tao anatin’ny roa taona monja. Ampitahao amin’izany ny ekipa iray izay niasa tamina fiteny iray mitovitovy amin’ilay teo, saingy tsy nisy fanampian’ny ôrdinatera. Enina ambin’ny folo taona no lanin’izy ireo tamin’ilay fandikan-teny. Hatramin’izao, ny Soratra Grika Kristianina dia efa natao pirinty tamin’ny fiteny 18 fanampiny hatramin’ny 1989. Ankehitriny ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao dia misy amin’ny fiteny 34, manontolo, na ny ampahany aminy. Araka izany, dia maherin’ny 80 isan-jaton’ny Vavolombelon’i Jehovah no manana, fara faharatsiny, ny Soratra Grika Kristianina amin’ny fitenin-drazany.

Nanao tatitra Ireo Fikambanana Mpampiely Baiboly Mitambatra fa amin’ireo fiteny 6 500 misy maneran-tany, dia amin’ny fiteny 2 212 monja no ahitana ampahany amin’ny Baiboly.c Noho izany, dia mpandika teny 100 eo ho eo no eo am-piasana mba hamoahana ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, amin’ny fiteny 11 ho an’ny Soratra Hebreo, ary amin’ny fiteny 8 kosa ho an’ny Soratra Grika. Ny sitrapon’Andriamanitra dia ny hahatonga “ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina”. (1 Timoty 2:4). Tsy isalasalana fa hanohy handray anjara lehibe amin’io lafiny io ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

Koa faly àry izahay fa vitan’io fandikan-teny io ilay dingana lehibe, dia ny fivoahan’ny Baiboly faha-100 tapitrisa amin’izy io. Mivavaka koa izahay mba hisian’ny Baiboly an-tapitrisany maro fanampiny amin’izy io hovokarina amin’ny hoavy. Ampirisihinay ianao handinika azy io manokana. Hankafy lafiny manokana maro amin’izy io ianao: soratra mazava tsara, lohateny eo an-tampon’ny pejy, indeksa izay afaka manampy anao hahita ny toerana misy ireo andinin-teny mahazatra anao, sarintany misy tsipiriany, ary foto-kevitra fanampiny mahasondriana. Ny mbola zava-dehibe kokoa, dia ny hoe afaka mamaky io Baiboly io ianao amin’ny fatokiana fa ampitainy amim-pahamarinana amin’ny fiteninao ireo teny nolazain’Andriamanitra.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Mahaliana fa mitovy amin’izany koa no voalaza eo amin’ny fonony ivelan’ny New American Standard Bible, ilay Fanontana Misy Fakan-teny tamin’ny 1971: “Tsy nampiasa anarana manam-pahaizana ho loharanon-kevitra na mba hiantohana ny hatsaran’ny asanay izahay, satria inoanay fa tokony hijoro amin’ny fahamendrehany ny Tenin’Andriamanitra.”

b Nampiasaina ho soratra grika fototra ny The New Testament in the Original Greek, nataon’i Westcott sy i Hort. Ny Biblia Hebraica nataon’i R. Kittel no soratra fototra ho an’ny Soratra Hebreo.

c Koa satria olona maro no mahay fiteny roa, dia misy mihevitra fa ampy tsara ny fiteny nandikana ny Baiboly manontolo na ny ampahany aminy, mba hovakin’ny olona maherin’ny 90 isan-jaton’ny mponina eto an-tany.

[Efajoro/Sary, pejy 31]

Midera ny New World Translation Ireo Manam-pahaizana

TAO amin’ny taratasy iray misy datin’ny 8 Desambra 1950, dia nanoratra toy izao mahakasika ny New World Translation of the Christian Greek Scriptures, i Edgar J. Goodspeed, izay nandika ilay “Testamenta Vaovao” grika tao amin’ny An American Translation: “Mahaliana ahy ny asa misiona ataon’ny olona ao aminareo sy ny fisian’izany maneran-tany, ary mahafaly ahy tokoa ilay fandikan-teny malalaka sy feno fahatsorana ary velombelona. Hita miharihary amin’izy io ny [fisian’ny] fahalalana ambony marim-pototra, ary azoko hamarinina izany.”

Nanoratra toy izao i Alexander Thomson, manam-pahaizana manokana momba ny fiteny hebreo sy grika: “Miharihary fa ilay fandikan-teny dia asan’ny manam-pahaizana kinga sy marani-tsaina, izay niezaka namoaka ny tena hevitry ny soratra grika, araka izay azon’ny fiteny anglisy ilazana azy.” — The Differentiator, Aprily 1952, pejy faha-52-57.

Tamin’ny 1989, dia niteny toy izao ny profesora Benjamin Kedar, manam-pahaizana manokana momba ny fiteny hebreo, any Israely: “Eo amin’ny fikarohana ataoko momba ny famakafakan-teny mifandray amin’ny Baiboly hebreo sy ny fandikan-teny, dia matetika aho no maka teny avy ao amin’ilay fanontana anglisy fantatra amin’ny hoe New World Translation. Rehefa manao izany aho, dia hitako fa voamarina imbetsaka ilay fiheverako hoe hita taratra ao amin’io asa soratra io ny ezaka amim-pahatsorana mba hahatakatra amin’ny fomba marina araka izay azo atao ny hevitr’izay voasoratra.”

[Teny notsongaina, pejy 29]

“Ilay fandikana ny Testamenta Vaovao dia manaporofo fa misy manam-pahaizana manokana ampy fahaizana mba hiatrehana amim-pahakingan-tsaina ireo zava-manahirana maro eo amin’ny fandikana ny Baiboly, ao amin’ilay fikambanana.” — Andover Newton Quarterly, Janoary 1963

[Teny notsongaina, pejy 30]

“Ireo fandikan-teny dia tsy maintsy miara-mandroso amin’ ny fitomboan’ny fahatakarana lalina ny Baiboly, sy amin’ireo fiovana eo amin’ ny fiteny”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara