Andriamanitra Be Hatsaram-panahy Miharo Fitiavana i Jehovah Tamiko
NOTANTARAIN’I JOHN ANDRONIKOS
Taona 1956 tamin’izay. Vao sivy andro monja no nanambadiako dia indro aho nijoro teo anatrehan’ny fitsarana ambony tany Komotiní, any avaratr’i Gresy. Nantenaiko fa hofoanana ilay sazy 12 volana azoko noho ny fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra. Nandrodana izany fanantenana izany ny fanapahan-kevitry ny fitsarana ambony — enim-bolana am-ponja — ary vao fiandohan’ny fitsarana nifampitohitohy lava be fotsiny izany. Nandritra izany rehetra izany anefa, dia voaporofo fa Andriamanitra be hatsaram-panahy miharo fitiavana i Jehovah tamiko.
FONY aho teraka tamin’ny 1 Oktobra 1931, ny fianakavianay dia nonina tao amin’ny tanànan’i Kaválla, ilay Neapolia tany Makedonia notsidihin’ny apostoly Paoly nandritra ny dia misionera faharoa nataony. Tonga Vavolombelon’i Jehovah i Neny fony aho dimy taona, ary na dia zara raha nahay namaky teny sy nanoratra aza izy, dia nanao araka izay fara heriny mba handentehana tsikelikely tao am-poko ny fitiavana sy ny tahotra an’Andriamanitra. Lehilahy faran’izay mpifikitra amin’ny efa mahazatra ny raiko, ka nikiry nifikitra tamin’ireo lovantsofin’ny Eglizy Grika Ôrtôdôksa. Tsy nahaliana azy mihitsy ny fahamarinana ara-baiboly ary nanohitra an-dreniko izy, matetika tamin’ny fampiasana herisetra.
Araka izany, dia nihalehibe tao anatin’ny ankohonana voazarazara aho. Nikapoka sy niteny ratsy an’i Neny i Dada, ary nandao anay mihitsy aza. Hatramin’ny fahazazako, dia nitondra ahy sy ny zandriko vavy tany amin’ny fivoriana kristianina i Neny. Rehefa feno 15 taona anefa aho, dia nampiala ahy tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fanirian’ny tanora sy ny toe-tsaina tsy tia fiankinana. Na izany aza, dia niezaka mafy dia mafy ilay reniko nahatoky, ary ranomaso toy inona moa ny azy teo am-panampiana ahy.
Noho ny fahantrana sy ny fiainan-dratsy nananako, dia nanjary narary mafy aho ary voatery nandamaka am-pandriana nandritra ny telo volana mahery. Tamin’izay no tsikaritry ny rahalahy be fanetren-tena iray fa nisy fitiavana an’Andriamanitra tamim-pahatsorana tato anatiko. Io rahalahy io no nanampy ny reniko hianatra ny fahamarinana. Nino izy fa azo nampiana mba ho tafarina ara-panahy aho. Nilaza taminy ny hafa hoe: “Lany andro fotsiny ianao miezaka hanampy an’i John; tsy hiarina mihitsy izy.” Nisy vokany anefa ny faharetan’io rahalahy io sy ny fikirizany hanampy ahy. Tamin’ny 15 Aogositra 1952, fony aho 21 taona, dia nanamarika ny fanoloran-tenako ho an’i Jehovah tamin’ny batisa anaty rano aho.
Vao nanambady dia tany am-ponja
Telo taona taorian’izay, dia nanjary nifankahalala tamin’i Martha aho. Anabavy tia zavatra ara-panahy sy nanan-toetra niavaka izy, ary tsy ela dia nifamofo izahay. Tena taitra tokoa aho indray andro, rehefa nilaza tamiko i Martha hoe: “Mikasa ny hitory isam-baravarana aho anio. Te hiaraka amiko ve ianao?” Mbola tsy nandray anjara tamin’io lafin’asa io mihitsy aho hatramin’izay, satria fitoriana tsy ara-potoana indrindra indrindra no nataoko. Voarara ny asa fitoriana teto Gresy tamin’izany fotoana izany, ary voatery nanao ny asa fitorianay tamim-piafenana izahay. Maro be ireo fisamborana, raharaha ara-pitsarana, ary sazy henjana tany am-ponja, vokatr’izany. Na izany aza, dia tsy afaka niteny hoe tsia tamin’ny fofombadiko aho!
Nivady izahay sy i Martha tamin’ny 1956. Tamin’izay, izany hoe sivy andro taorian’ny mariazinay no nahazoako ilay sazy enim-bolana am-ponja avy tamin’ilay fitsarana ambony tany Komotiní. Nanjary tonga tao an-tsaiko, noho izany, ny fanontaniana iray napetrako indray mandeha izay, tamin’ny anabavy kristianina iray naman-dreniko: “Ahoana no mety hahazoako mampiseho fa tena Vavolombelon’i Jehovah marina aho? Mbola tsy nanana fahafahana hanaporofo ny finoako mihitsy aho.” Rehefa tonga nitsidika ahy tany am-ponja io anabavy io, dia nampahatsiahiviny ahy izany fanontaniana izany ka hoy izy: “Azonao aseho an’i Jehovah izao ny halehiben’ny fitiavanao azy. Izany no asa anendrena anao.”
Rehefa reko fa nanandrana namory vola mba hamoahana ahy avy tao am-ponja ilay mpisolovavako, dia nilaza taminy aho fa aleoko manefa ny saziko manontolo. Hafaliana moa ny ahy tamin’ny faran’ireo enim-bolana nigadrako, rehefa nahita mpiara-migadra tamiko roa nanaiky ny fahamarinana! Nandritra ireo taona nanaraka, dia voarohirohy tamin’ny raharaha ara-pitsarana maro aho noho ny vaovao tsara.
Safidy tsy nanenenanay mihitsy
Tamin’ny 1959, izany hoe taona vitsivitsy taorian’ny nanafahana ahy, dia nanompo tamin’ny naha mpikarakara ny kôngregasiôna, na mpiandraikitra mpitantan-draharaha, aho, ary nasaina hanatrika ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana, izay fianarana fampiofanana ireo loholon’ny kôngregasiôna. Tamin’izay fotoana izay ihany anefa, dia notolorana asa raikitra tao amin’ny hopitalim-panjakana aho, dia asa izay ho nahatonga ahy sy ny fianakaviako hiadana ara-bola mandritra ny andro-piainanay. Inona no tokony hofidiko? Efa nanao asa an-tselika nandritra ny telo volana tao amin’ilay hopitaly aho, ary tena afa-po tamin’ny asako ilay lehibe, kanefa rehefa tonga ilay fanasana ho amin’ilay sekoly, dia tsy namela ahy haka, na dia fierana tsy hiasa tsy andraisan-karama aza, izy. Rehefa avy noeritreretiko tamim-bavaka ilay safidy nanahiran-tsaina, dia nanapa-kevitra ny hametraka ny tombontsoan’ilay Fanjakana ho eo amin’ny toerana voalohany aho, ka nolaviko ilay fanolorana asa. — Matio 6:33.
Tokotokony ho tamin’izay fotoana izay ihany, dia nitsidika ny kôngregasiônanay ny mpiandraikitra ny distrika sy ny fizaran-tany. Voatery nanao ireo fivorianay tamim-piafenana tany amin’ny tranon’olona manokana izahay noho ny fanoherana mafy nataon’ny mpitondra fivavahana ôrtôdôksa grika sy ireo manam-pahefana. Nanatona ahy ny mpiandraikitra ny distrika taorian’ny fivoriana, ary nanontany raha efa nieritreritra ny hirotsaka ao amin’ny fanompoana manontolo andro aho. Nanohina fihetseham-po iray efa tao am-poko ny soso-keviny satria efa mba nofinofiko hatramin’ny batisako izany. Izao no navaliko: “Tena iriko dia iriko tokoa izany.” Efa nanana tombon’andraikitra hitaiza zanakavavy iray anefa aho. Nilaza tamiko ilay rahalahy hoe: “Matokia an’i Jehovah, dia hanampy anao hanatanteraka ny fikasanao izy.” Araka izany, dia tsy nanao tsirambina ny andraikitray ara-pianakaviana izahay mivady, kanefa afaka nandamina ny toe-javatra nisy anay, hany ka nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana manokana tany amin’ny faritra atsinanan’i Macédoine aho, tamin’ny Desambra 1960. Dimy monja ny mpisava lalana manokana teto Gresy, ary iray tamin’izany aho.
Rehefa avy nanao ny asan’ny mpisava lalana manokana nandritra ny herintaona aho, dia nanasa ahy ho mpiandraikitra ny fizaran-tany ny biraon’ny sampana tao Atena. Rehefa nody tany an-trano aho taorian’ny iray volana niofanana ho amin’io endri-panompoana io, dia teo am-pitantarana tamin’i Martha ireo zavatra niainako indrindra aho no tonga nitsidika anay ny talen’ny toerana lehibe iray fitrandrahana manganezy, ary nanasa ahy ho lehiben’ny sampan-draharahan’ny fanadiovana ilay metaly izy. Fifanekena momba ny asa haharitra dimy taona be izao no natolony ahy, miaraka amin’ny trano tsara tarehy sy fiarakodia iray. Nomeny roa andro aho mba hamaliana. Teo indray, dia tsy nisalasala mihitsy aho nivavaka tamin’i Jehovah nanao hoe: “Inty aho, iraho aho.” (Isaia 6:8). Niombon-kevitra tanteraka tamiko ny vadiko. Nitoky tamin’Andriamanitra izahay ka nanomboka ny asa fitetezam-paritany, ary tsy nandiso fanantenana anay mihitsy i Jehovah noho ny hatsaram-panahiny miharo fitiavana.
Manompo na amin’ny mora na amin’ny sarotra
Na dia nisy aza ny olana ara-bola, dia nandroso izahay, ary nanome izay tena nilaina i Jehovah. Tamin’ny voalohany, dia nitsidika kôngregasiôna, nitaingina môtô kely, aho, nahavita halaviran-dalana hatramin’ny 500 kilaometatra. Imbetsaka aho no nahita fahasahiranana, ary nisy lozam-pifamoivoizana vitsivitsy. Rehefa teny an-dalana nody avy tamin’ny kôngregasiôna iray aho indray ririnina izay, dia teo am-piampitana sakeli-drano tondraka iny indrindra aho no maty ny môtera, ka nirobo-drano halohalika aho. Noana ny pnen’ilay môtô nony avy eo. Nisy mpandalo nanana paompin-drivotra nanampy ahy, ka tody tany amin’ilay vohitra akaiky indrindra aho ary nanamboatra ilay pne tao. Tody tany an-trano ihany aho tamin’ny farany, tamin’ny telo ora maraina, sady jihitry ny hatsiaka no reraka tanteraka.
Indray mandeha koa, rehefa nandeha avy tany amin’ny kôngregasiôna iray aho ary hankany amin’ilay manaraka, dia nibolisatra ilay môtô ka nianjera teo amin’ny lohaliko. Vokatr’izany, dia rovitra sy vonton-dra ny pataloako. Tsy nanana pataloa hafa aho, ka pataloan’ny rahalahy hafa iray no nentiko nanao lahateny iny takariva iny, na dia somary lehibe loatra tamiko aza ilay izy. Na izany aza, dia tsy nisy zava-tsarotra afaka nampihena ny faniriako hanompo an’i Jehovah sy ireo rahalahy malala.
Tamin’ny lozam-pifamoivoizana hafa iray, dia naratra mafy aho, ary tapaka ny taolan-tsandriko sy ny nifiko teo anoloana. Tamin’izay aho no notsidihin’ny anabaviko tsy Vavolombelona, izay nipetraka tany Etazonia. Nahatsiaro ho maivamaivana toy inona moa aho rehefa nanampy ahy hividy fiarakodia izy! Rehefa ren’ireo rahalahy tany amin’ny sampana tany Atena ilay voina nahazo ahy, dia nandefa taratasy fampaherezana tany amiko izy ireo, ary ankoatra ny zavatra hafa, dia nampidirin’izy ireo tao ny teny ao ny Romana 8:28, izay milaza toy izao ny ampahany aminy: “Ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra”. Imbetsaka io fanomezan-toky io no voaporofo fa tena marina teo amin’ny fiainako!
Zavatra tsy nampoizina nahafinaritra
Tamin’ny 1963 aho dia niara-niasa tamin’ny mpisava lalana manokana iray, tao amin’ny vohitra iray tsy nisy olona nandray tsara. Nanapa-kevitra ny samy hiasa irery izahay, ka samy naka sisin’arabe iray avy. Tamin’ny trano iray, dia zara raha nahadondòna ny varavarana aho raha nisintona ahy haingana mba hiditra ny vehivavy iray, ary nanidy lakile ny varavarana tao ivohoko. Zendana aho, nanontany tena ny amin’izay nitranga. Tsy ela taorian’izay dia nantsoiny haingana mba hiditra tao an-trano koa ilay namako. Hoy ilay ramatoa nibitsika taminay, nony avy eo: “Shhh! Aza misy mihetsika!” Rehefa afaka kelikely, dia nandre feon’olona maromaro feno fankahalana tany alatrano izahay. Nitady anay ny olona. Rehefa nitsahatra ilay tabataba, dia hoy ilay ramatoa taminay: “Nanao izao aho mba hiarovana anareo. Manaja anareo aho satria inoako fa Kristianina marina ianareo.” Nisaotra azy tamim-pahatsorana izahay dia lasa, rehefa avy nametraka taminy zavatra vita an-tsoratra maro.
Efatra ambin’ny folo taona tatỳ aoriana, raha teo am-panatrehana fivoriamben’ny distrika teto Gresy aho, dia nisy vehivavy iray nanatona ahy ka nanao hoe: “Tadidinao ve aho, ranadahy? Izaho ilay vehivavy nampiantrano anareo tsy ho azon’ny mpanohitra rehefa tonga nitory tany an-tanànanay ianareo.” Nifindra tany Alemaina izy, dia nianatra Baiboly, ary niaraka tamin’ny vahoakan’i Jehovah. Ao amin’ny fahamarinana avokoa ny fianakaviany manontolo ankehitriny.
Tsy azo lavina, fa nandritra izany taona rehetra izany, dia notahina izahay tamin’ny fahazoana “epistily filazan-tsoa” maro. (2 Korintiana 3:1). Nanana tombontsoa hanampy olona maro hahazo fahalalana momba ny fahamarinana ara-baiboly izahay, ka maromaro amin’ireny izao no loholona, mpanampy amin’ny fanompoana, ary mpisava lalana. Mampientam-po tokoa ny mahita fa nitombo ka tonga mpivavaka amin’i Jehovah maherin’ny 10 000 ilay antokona mpitory vitsy kely tao amin’ny fizaran-tany notsidihiko tany am-piandohan’ireo taona 1960! Ny voninahitra rehetra dia an’ilay Andriamanitsika be hatsaram-panahy miharo fitiavana, izay nampiasa anay araka izay tiany.
“Eo ambonin’ny farafara itsaboana”
Mpanampy niavaka, nanana toe-tsaina falifaly mandrakariva i Martha, nandritra ireo taona nanaovanay ny asa fitetezam-paritany. Nanjary narary mafy anefa izy tamin’ny Oktobra 1976, ary nanaovana fandidiana nampanaintaina. Nanjary nalemy ny tapany ambany tamin’ny tenany ka nampiasa seza misy kodiarana izy. Ahoana no nahafahanay nizaka ilay fandaniana sy ilay fahoriana ara-pihetseham-po? Rehefa nitoky tamin’i Jehovah indray koa izahay, dia nahita ny fahalalahan-tanany feno fitiavana. Rehefa nandeha nanompo tany Macédoine aho, dia nijanona tao amin’ny tranon’ny rahalahy iray tany Atena i Martha mba hitsabo tena. Niantso ahy an-telefaonina izy, nanao teny nampahery hoe: “Tsy maninona aho. Tohizo ny asanao, fa rehefa afaka indray aho dia hiaraka aminao amin’ny sezako misy kodiarana.” Ary izany indrindra no nataony. Nandefa taratasy nampahery maro ho anay ireo rahalahy malalanay tao amin’ny Betela. Nampahatsiahivina imbetsaka an’i Martha ireo teny ao amin’ny Salamo 41:3 manao hoe: “Jehovah hanohana azy eo ambonin’ny farafara itsaboana azy; ny fandriany rehetra eo am-paharariany dia hovanao.”
Noho ireo tsy fahasalamana lehibe ireo, dia tapaka, tamin’ny 1986, fa mety ny hanaovako ny asan’ny mpisava lalana manokana tany Kaválla. Nipetraka akaikin’ny fianakavian’ny zanakay vavy malalanay aho tany. Nodimandry tamin’ny Martsa lasa teo i Martha malalako, nahatoky hatramin’ny farany. Talohan’ny nahafatesany, rehefa nanontany azy ireo rahalahy hoe: “Manao ahoana ianao?”, dia mazàna izy no namaly hoe: “Koa satria akaiky an’i Jehovah aho, dia tena tsara!” Rehefa nanomana fivoriana izahay, na rehefa nahazo fanasana nanintona hanompo tany amin’ny faritra nahitam-bokatra betsaka, dia toy izao no fiteniny: “John a! Andao isika hanompo any amin’izay ilana fanampiana kokoa.” Tsy very mihitsy ilay toe-tsaina feno zotom-po nananany.
Taona maromaro lasa izay, dia voatery niatrika tsy fahasalamana lehibe koa ny tenako. Tamin’ny Martsa 1994, dia hita fa voan’ny aretim-po mety haningotra aina aho, ary tsy maintsy natao ny fandidiana. Teo indray koa, dia tsapako fa teo ny tanan’i Jehovah feno fitiavana, izay nanohana ahy nandritra ny fe-potoana iray nahatahorana ny amin’ny aiko. Tsy hohadinoiko mihitsy ilay vavaka nataon’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany iray teo anilan’ny fandrianako, fony aho nivoaka avy tao amin’ny toerana fikarakarana manokana ireo marary mafy. Tsy hohadinoiko toy izany koa ilay fankalazana ny Fahatsiarovana nataoko tao amin’ny efitranoko tao amin’ny hopitaly, niaraka tamin’ny marary efatra izay naneho fahalianana tamin’ny fahamarinana.
Nanampy anay i Jehovah
Mihazakazaka ny fotoana, ary nihaosa ny nofonay, fa ny toe-tsainay kosa dia nihavao tamin’ny alalan’ny fianarana sy ny fanompoana. (2 Korintiana 4:16). Efa 39 taona izao no lasa hatramin’ilay nilazako hoe: “Inty aho, iraho aho.” Fiainana feno sy sambatra ary nahafa-po ny fiainako. Eny, indraindray aho dia mihevi-tena ho “ory sy mahantra”. Amin’izay anefa, dia afaka milaza amin-toky amin’i Jehovah aho hoe: “Hianao no vonjiko sy mpanafaka ahy”. (Salamo 40:18, Fandikan-teny Katolika). Tsy azo lavina fa Andriamanitra be hatsaram-panahy miharo fitiavana tokoa izy tamiko.
[Sary, pejy 25]
Miaraka amin’i Martha, tamin’ny 1956
[Sary, pejy 26]
Ny seranan-tsambo ao Kaválla
[Sary, pejy 26]
Miaraka amin’i Martha, tamin’ny 1997