Fitokanana ny Foibem-pampianaran’ny Watchtower — Andro Firavoravoana ho An’i Jehovah
EFA anisan’ny fanompoam-pivavahana marina hatramin’ny andro fahiny ireo andro firavoravoana mahafaly. Ny sasany tamin’ireo andro firavoravoana natao teo amin’ny Isiraely fahiny dia naharitra andro maromaro ary natrehin’olona an’arivony maro mpivavaka tamin’i Jehovah. Naharitra fito andro ny fitokanana ny tempolin’i Solomona, ary izany dia narahin’ny Andro Firavoravoana Fitoerana Amin’ny Trano Rantsan-kazo naharitra herinandro. Nahatonga ireo Isiraelita ho afaka hisaintsaina ny amin’ilay fomba mahatalanjona nifampiraharahan’i Jehovah tamin’izy ireo, izany. Nody tany aminy izy ireo, “sady faly no ravoravo ny fony noho ny soa rehetra nataon’i Jehovah”. — 1 Mpanjaka 8:66.
Nahatonga ireo mpitsidika hahatsiaro ireny andro firavoravoana nahafaly fahiny ireny, ny zava-nitranga tany amin’ny Foibem-pampianaran’ny Watchtower any Patterson, any New York, any Etazonia, tamin’ny 17-22 May 1999. Izy io dia herinandro nanaovan-javatra manokana izay nifantoka tamin’ny fitokanana ireo fitambaran-trano 28 izay natao mba hampandrosoana ny fampianarana ara-baiboly maneran-tany. Nisy fandaharana natao mba hahafahan’ireo mpiasa rehetra 5 400 ao amin’ny foibe any Brooklyn sy Wallkill ary Patterson, hitsidika ireo trano rehetra ao Patterson mandritra io herinandro tsy hay hadinoina io. Anisan’ireo nasaina ny mpiasan’ny fanorenana taloha maherin’ny 500 izay nandray anjara tamin’ny asa nandritra ny fanorenana ilay foibem-pampianarana, mbamin’ny solontena avy any amin’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower 23, ary ny hafa avy tamin’ireo kôngregasiôna manodidina — izany hoe 8 100, fara fahakeliny, tamin’ny fitambarany.
Mampiana-javatra ireo fampirantiana tamin’ilay fitsidihana
Nisy fampirantiana sary manokana sy fampisehoana vidéo natao hampianarana, ary fitsidihana tsy notarihina, nalamina mba hampahafantarana ilay foibem-pampianarana tamin’ny mpitsidika. Tao amin’ilay efitrano lehibe indrindra fandraisana olona, dia nanintona avy hatrany ny mpitsidika ny tempoly kely iray mampiseho ilay tempoly nisy tany Jerosalema tamin’ny fotoana nanompoan’i Jesosy teto an-tany. Nisy fampirantiana hafa izay nampisongadina ny fiandohan’ny tantaran’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower sy ireo fivoriambe nanan-tantara ary ireo fivorian’ny kôngregasiôna. Nisy koa nampisongadina ny fivoaran’ny fampianarana Baiboly any an-tokantrano amin’ny andro ankehitriny izay misy an-tapitrisany maro izao no tarihina isan-kerinandro, ary nisy nampisongadina ny asa ataon’ny Sampan-draharaha Momba ny Lalàna mba hampahalalaka hatrany izany asa izany, ho fankatoavana ny didin’i Jesosy. — Matio 28:19, 20.
Tao amin’ilay efitrano fivoriana teo akaiky teo, izay misy seza mampiadana 1 700, no nampifaliana ireo mpitsidika nandritra ilay fotoam-pitokanana, ka nampisehoana vidéo naharitra 33 minitra, mitondra ny lohateny hoe “Tsy Amin-kery — Fa Amin’ny Fanahiko!” Nasehon’io vidéo io ny fomba nampisy ny Foibem-pampianaran’ny Watchtower. Nisy fanadinadinana nampiharihary zava-nitranga izay nampiseho mazava fa notarihin’i Jehovah ny raharaha, ary notahiny ireo ezaka natao mba hamitana soa aman-tsara io tetik’asa naharitra 15 taona io. An’arivony maro ireo tena nandray anjara tamin’ilay asa fanorenana. Nisy fotoana, tamin’ny 1994, nampisy mpiasa 526 teo amin’ny toeram-panorenana, ka anisan’izany ireo mpiasa an-tsitrapo manontolo andro 350, ireo mpiasa vonjimaika 113, ary ireo 63 tonga isan’andro mba hanampy. Maro kokoa no nanohana ilay asa tamin’ny fanomezana. Samy mahatakatra izy rehetra ireo fa tsy ho vita mihitsy izany raha tsy teo ny fanahin’i Jehovah. — Zakaria 4:6.
Ireo izay nanao ilay fitsidihana dia afaka nahita fa nifantoka tamin’ny fampandrosoana ny fampianarana avy amin’Andriamanitra ny asa atao ao amin’ilay foibem-pampianarana. Ilay fampirantiana teo amin’ny fidirana mankao amin’ny Sekolin’i Gileada, tao ambany rihan’ilay trano fianarana, dia nampisongadina ny lova ara-panahy sarobidy ananan’ilay sekoly sy ny tantarany. Nampiofana mpianatra maherin’ny 7 000 ho amin’ny fanompoana misionera ny Sekolin’i Gileada hatramin’ilay kilasiny voalohany tamin’ny 1943, tany amin’ilay toerana voalohany nisy ilay sekoly, tany South Lansing, any New York. Ireo fampirantiana tao amin’ny rihana voalohany amin’ilay trano fianarana dia nampiseho ny Sekolin’ireo Anisan’ny Komitin’ny Sampana sy ny Sekolin’ireo Mpiandraikitra Mpitety Faritany, izay samy atao ao. Hatramin’ny nanombohany tamin’ny Novambra 1995, ny sekolin’ny sampana dia nanome fampianarana ambony ho an’ny mpikambana 360, anisan’ny Komitin’ny Sampana, avy any amin’ny tany 106.
Vetivety dia takatr’ireo olona nanao ilay fitsidihana fa tsy fampirantiana sary fotsiny akory no azon’izy ireo nojerena tany amin’ny ankamaroan’ireo faritra. Afaka nitsofoka avy hatrany tao amin’ny sampan-draharaha maro samihafa izy ireo, nitsidika ireo birao sy toeram-piasana hafa, ary nahita tanteraka ny asa natao. Toerana nisongadina tamin’ilay fitsidihana ny trano misy ny Sampan’asa Momba ny Cassette sy ny Vidéo. Izany ka trano tsara dia tsara ampiasaina mba hampandrosoana ny fampianarana ara-baiboly! Tamin’ny alalan’ny fitohitohizana fampirantiana nahalalan-javatra sy tamin’ny vidéo fohy, dia nampiana ireo mpitsidika mba hahatakatra ny fomba fanaovana fandraisam-peo sy ny fomba fanomanana vidéo. Niana-javatra izy ireo mahakasika ny fikarohana be dia be atao amin’ny fanomanana ireo kojakojan’entana sy fitafiana fanao eny ambony sehatra. Hitan’izy ireo ny fomba fanangana sehatra faran’izay tsy andaniam-bola, kanefa voatandrina amin’ny fomba miavaka ny tsipiriany aminy. Natrehin’izy ireo maso ny fomba fampiasana ny mozika mba hahatonga ny olona hihevitra fa tena miaina ilay fampisehoana hitany ny tenany. Hatramin’ny 1990 ny Fikambanana dia namokatra vidéo folo amin’ny fiteny 41. Mampisongadina foto-kevitra ara-baiboly maro samihafa izy ireo, ho fanampin’ireo vidéo hafa natao ho an’ireo mampiasa ny Baiko Moana amerikanina.
Maro tamin’ireo mpitsidika no nankany amin’ny Laboratoara Fakana Sary, sy tany amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanaovana Sary ary tany amin’ny Sampan’asa Momba ny Filan-kevitra izay manome fampiofanana sy fanampiana momba ny ôrdinatera. Maro koa no tany amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana izay manara-maso ny asan’ireo kôngregasiôna 11 242 sy mpiandraikitra mpitety faritany 572, sy tany amin’ny Sampan’asan’ny Famaliana Taratasy, izay mamaly fanontaniana 14 000 eo ho eo isan-taona. Nampiaiky volana azy ireo ny fikarohana atao ho an’ireo taratasy alefa ho valiny, sy ny fiahiana marina aseho amin’ireo izay hita avy amin’ny fanazavana angatahiny fa miezaka handresy zava-manahirana lehibe.
Nisy andiana mpitsidika tsy tapaka nankao amin’ny Sampan’asan’ny Fandikan-teny. Gaga izy ireo nahafantatra fa nandritra ireo dimy taona lasa, dia niampy 102 ny isan’ny fiteny amoahan’ny Fikambanana zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly. Maneran-tany, dia 80 isan-jaton’ny Vavolombelon’i Jehovah eo ho eo, no mamaky ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana amin’ny fiteny ankoatra ny teny anglisy. Mba hanomezana izay ilain’izy ireo, dia misy mpiasa an-tsitrapo maherin’ny 1 700 miasa ao amin’ny sehatry ny fandikan-teny, any amin’ny tany 100. Nisy fampirantiana Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ireo fiteny any Amerika sy Eoropa sy Azia ary Afrika. Nisy mpitsidika afaka nahita ny Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao tamin’ny fiteny 31 namoahana azy io. Fantatr’izy ireo fa misy amin’ny fiteny 332 izao ireo zavatra vita an-tsoratry ny Watch Tower, ary efa navoaka tamin’ny 219 amin’ireo ilay bokikely hoe Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?
Naseho an’ireo nitsidika ny Sampan-draharaha Momba ny Lalàna ireo sehatr’asa samy hafa izay mitaky fikarakarana mifandray amin’ny lalàna, maneran-tany. Hitan’izy ireo tao amin’ny vidéo ny fitsarana iray tena izy, izay nahitana mpisolovava Vavolombelon’i Jehovah teo am-pilazana ireo antony nandavana fampidiran-dra, tamin’ny raharaha iray. Nampahafantarina azy ireo koa izay atao mba hampahalalaka hatrany ny fitoriana ampahibemaso ny vaovao tsara. (Filipiana 1:7). Nanintonana ny sain’ny mpitsidika ilay fanapahan-kevitra nataon’ny fitsaran’ny distrika federaly, tamin’ny Martsa tamin’ity taona ity. Nasain’izy io nanova ny lalàny ny fahefana monisipalin’i Oradell, any New Jersey, any Etazonia, mba hanesorana ilay fitakiana taratasy fanomezan-dalana sy karatra famantarana ho an’ireo Vavolombelon’i Jehovah izay maniry handray anjara amin’ny fanompoany ampahibemaso isan-trano ao amin’io tanàna io.
Tsy izay fotsiny no hitan’ireo mpitsidika. Nijery fampirantiana momba ny fanorenana izy ireo, tao amin’ny trano fiasana iray fandatsahana anaty lasitra ny rihibato hatao rindrin-trano. Notsidihiny koa ireo trano fikarakarana ny rano maloto, ny Tranon-jiro, ny trano fanadiovana ny rano tsy hisy sokay, ary ireo trano maro fikojakojana fitaovana, mbamin’ny hafa koa. Indray mandeha eo amin’ny fiainana no ananana fahafahana hijery izany.
Nanantitrantitra ny fampianarana avy amin’Andriamanitra ny fandaharam-pitokanana
Natao ny Alarobia 19 May nanomboka tamin’ny 4.00 ora tolakandro ilay tena fandaharam-pitokanana. Anisan’ilay vahoaka falifaly nisy olona 6 929, ireo mpiasa tao amin’ny foibe sy ireo vahiny nasain’ny Fikambanana, ary ireo 372 tafavory tao amin’ny sampan’i Kanada, izay nampifandraisina tamin’ny alalan’ny fitaovana elektrônika.
Faly tokoa ny mpihaino nandre ireo teny fiarahabana nankahery nataon’i Milton G. Henschel, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower. Avy eo i Theodore Jaracz izay anisan’ny Fitambara-mpitantana sady mpitari-draharaha tamin’io fotoana io, dia nampiditra an’i William Malenfant. Rehefa namelabelatra “Ireo Zava-nisongadina Tamin’ilay Fandaharam-panorenana” izy, dia nanadinadina rahalahy telo izay nanana anjara asa lehibe teo amin’ny famolavolana sy ny fanaovana ny planina ary ny fanorenana ilay Foibem-pampianaran’ny Watchtower. Voalaza tao amin’ilay fanadinadinana fa, nandritra ireo taona tena nanaovana ilay asa fanorenana, dia mpiasa vonjimaika maherin’ny 8 700 no nianto-tena mba hahatongavana hiasa tao amin’ilay tetik’asa. Izany ka porofo tsara dia tsara mitory firaisan-tsaina sy fahalalahan-tanana izay nanjary nisy noho ny fampianarana avy amin’Andriamanitra!
Nanaraka izany ny fitohitohizan-dahateny mitondra ny lohateny hoe: “Fampianarana avy Amin’Andriamanitra Atao Maneran-tany.” Mpikambana efatra tamin’ny Fitambara-mpitantana no nanao izany. Nohamafisin’i John E. Barr fa miorina amin’ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra, ny fampianarana avy amin’Andriamanitra, ary izy io dia mampirisika ny Kristianina mba ‘hahavokatra amin’ny asa tsara rehetra sady hitombo amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra’. (Kolosiana 1:10). Noresahin’i Daniel Sydlik ny nandaminana tamin’ny fomba teôkratika ny fampianarana avy amin’Andriamanitra, manomboka amin’i Jesosy Kristy, ilay lohan’ny kôngregasiôna kristianina, ka hatrany amin’ireo rehetra anisan’ny fianakavian’ny mpirahalahy maneran-tany. (1 Korintiana 12:12-27). Novelabelarin’i Gerrit Lösch sy i Carey Barber ny tapany roa farany tamin’ilay fitohitohizan-dahateny. Naseho tamin’izany fa ny fampianarana avy amin’Andriamanitra no mahatonga ireo mpitory ho ampy fahaizana mba hanatratra ny olona hatraiza hatraiza, sy hampianatra azy ireny mba hahafahany koa handeha amin’ny lalan’Andriamanitra. — Isaia 2:1-4; 2 Korintiana 3:5.
Mba hampahalalana ny mpihaino ny amin’ireo sekoly maro samihafa atao ao amin’io foibem-pampianarana io, dia nisy fanadinadinana sy dinidinika natao tamin’ireo mpampianatra ary koa tamin’ireo olon-kafa tafiditra amin’ny fikarakarana ireny sekoly ireny. Naseho ny anjara asan’ny sekoly tsirairay eo amin’ny fanatanterahana ilay fandaharam-pampianarana avy amin’Andriamanitra atao maneran-tany. Nohazavaina koa fa ny Sekolin’i Gileada dia mifantoka amin’ny fianarana ny boky tsirairay ao amin’ny Baiboly sy amin’ny tantaran’ny vahoakan’i Jehovah amin’ny andro ankehitriny, ary amin’ny fiomanana ho amin’ny fanompoan’ny misionera. Ny sekolin’ny sampana dia fianarana feno tsara mahakasika ireo sehatr’asa maro samihafa izay mahakasika ireo mpikambana ao amin’ny Komitin’ny Sampana. Ny Sekolin’ny Mpiandraikitra Mpitety Faritany dia tsy natao fotsiny mba hanomezana izay ilain’ireo rahalahy mpitety faritany, fa mba hahatonga azy ireo koa ho ampy fitaovana mba hanome ilay karazam-panampiana ara-panahy izay hitondra soa indrindra ho an’ny kôngregasiôna.
Mba hamaranana ilay fandaharana tsara dia tsara, dia nanao ny lahateny fitokanana mitondra ny foto-kevitra hoe “Fiaraha-manorina Amin’ilay Mpamorona Antsika Lehibe”, i Lloyd Barry, avy amin’ny Fitambara-mpitantana. Nasehony fa mahita fahafinaretana amin’ny zava-drehetra noforoniny i Jehovah, Mpamorona, ary manasa antsika izy mba hiara-paly aminy. (Isaia 65:18). Koa satria ‘Andriamanitra no nanao ny zavatra rehetra’, dia i Jehovah Andriamanitra no mahazo ny voninahitra lehibe indrindra noho io fanorenana rehetra io. (Hebreo 3:4). Rehefa avy nilaza izany hevitra izany ilay mpandahateny dia nanao vavaka tamim-pahatsorana, ka nanokana ilay Foibem-pampianaran’ny Watchtower ho an’i Jehovah, ilay Mpamorona antsika Lehibe.a
Tsy isalasalana fa hotsaroan’ireo mpanatrika mandritra ny fotoana ela ilay herinandro manontolo nanaovana ilay fankalazana. Nahoana raha manao fandaharana mba hitsidihana ny Foibem-pampianaran’ny Watchtower? Azonay antoka fa ny fitsidihana azy io dia hampahery anao eo amin’ny ezaka ataonao mba hianarana misimisy kokoa momba ny Mpamorona antsika be fitiavana sy momba ny fari-pitsipiny marina.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Nahavita ny fihazakazahany teto an-tany tamim-pahatokiana ny Rahalahy Barry tamin’ny 2 Jolay 1999. Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Oktobra 1999, pejy faha-16.
[Sary, pejy 10]
Efitrano fivoriana feno hipoka sy mpihaino tsy omby trano tao amin’ny efitrano fisakafoana
[Sary, pejy 10]
Lafiny tena nahafaly ireo fitsidihana