Tantaram-piainana
Fihazonana ny Fiainana ho Tsotra mba Hanompoana An’i Jehovah
NOTANTARAIN’I CLARA GERBER MOYER
Roa amby sivifolo taona aho, ary zara raha afaka mandeha, nefa mbola manana saina matsilo sy mahay mitadidy ihany. Tena velom-pankasitrahana mihitsy aho nanana ny tombontsoa nanompo an’i Jehovah hatramin’ny fahazazana! Nanampy be dia be tamin’izany harena izany ny fananana fiainana tsotra sy tsy nohasarotina.
TERAKA tamin’ny 18 Aogositra 1907, tany Alliance, any Ohio, eto Etazonia, aho, ary zokiny indrindra tamin’ny ankizy dimy. Fony aho valo taona, dia nisy mpanompo manontolo andro teo anivon’ny Mpianatra ny Baiboly, araka ny niantsoana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany, nandeha bisikileta hatreo amin’ny toeram-piompianay. Nihaona tamin’i Laura Gerber, reniko, teo am-baravarana, izy, ary nanontany azy raha fantany ny antony namelana ny faharatsiana hisy. Efa nanontany tena momba izany foana i Neny.
Rehefa avy nanontany an’i Dada, izay tao an-tsompitra teny an-tokotany, i Neny, dia nanafatra ireo fitambaram-boky enina hoe Études des Écritures. Nankafy fatratra an’ireo izy, ary nanohina azy lalina ireo fahamarinana ara-baiboly nianarany. Nianatra ny Boky faha-6 hoe La nouvelle création izy, ka nahatakatra tamin’ny fomba nazava tsara ny ilana ny batisa kristianina, amin’ny alalan’ny fandrobohana. Tsy nahafantatra ny fomba hahitana ny Mpianatra ny Baiboly i Neny, ka nangataka an’i Dada mba hanao batisa azy tao amin’ilay sakelidrano kely tao amin’ilay toeram-piompiana, na dia tamin’ny volana nangatsiaka, tamin’ny Martsa 1916, aza tamin’izay.
Tsy ela taorian’izay, dia nahita filazana tao amin’ny gazety, izay nanambarana ny lahateny iray hatao tao amin’ny Daughters of Veterans Hall, tany Alliance, i Neny. Ny lohatenin’ilay lahateny dia hoe “Le divin plan des âges”. Vonona ny handeha avy hatrany izy, satria nitovy tamin’ny lohatenin’ilay lahateny ny lohatenin’ny Boky voalohany tamin’ny Études des Écritures. Nomanina ny voatiry, ary nandeha tany amin’ny fivorianay voalohany, tamin’ny alalan’ny soavaly sy ny voatiry, ny fianakavianay manontolo. Nanomboka tamin’io fotoana io, dia nanatrika fivoriana tany amin’ny tranon’ireo anadahy izahay, ny alahady sy ny alarobia hariva. Tsy ela taorian’izay, dia nataon’ny solontena iray tao amin’ny kôngregasiôna kristianina batisa indray i Neny. I Dada, izay be natao foana tamin’ny asa tao amin’ny toeram-piompiana, dia liana tamin’ny fianarana ny Baiboly tamin’ny farany, ka natao batisa, taona vitsivitsy tatỳ aoriana.
Fihaonana tamin’ireo izay nitari-dalana
Tamin’ny 10 Jona 1917, i J. F. Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izany, dia nitsidika tany Alliance mba hanao lahateny momba ny foto-kevitra hoe “Nahoana no Miady Ireo Firenena?” Sivy taona aho tamin’izay, ary niara-nanatrika tamin’ny ray aman-dreniko sy i Willie sy i Charles, zandriko lahy. Olona be dia be, teo amin’ny zato mahery teo, izahay no nanatrika. Taorian’ny lahatenin’ny Anadahy Rutherford, dia naka toerana mba haka sary teo ivelan’ny Sineman’i Columbia, izay nanaovana ny lahateniny, ny ankamaroan’ireo nanatrika. Ny herinandro nanaraka, teo amin’io toerana io ihany, i A. H. Macmillan dia nanao lahateny iray nitondra ny foto-kevitra hoe “Ilay Fanjakan’Andriamanitra ho Avy”. Tombontsoa ny nahazo ny fitsidihan’ireny anadahy ireny tao amin’ny tanàna kelinay.
Fivoriambe tany am-boalohany tsy hay hadinoina
Ny fivoriambe voalohany natrehiko dia tamin’ny 1918, tany Atwater, any Ohio, kilaometatra vitsivitsy avy tany Alliance. Nangataka tamin’ny solontenan’ny Fikambanana, tany, i Neny, raha ampy taona mba hatao batisa aho. Nihevitra aho fa efa nanao fanoloran-tena azo ekena tamin’Andriamanitra mba hanao ny sitrapony, ka nekena hatao batisa tao amin’ny sakelidrano iray teo akaikin’ny saham-paoma lehibe iray, tamin’io andro io. Nisolo akanjo tao amin’ny lay iray izay naorin’ireo anadahy ho amin’izany aho, ka natao batisa, ary akanjomandry natevina sy efa tonta no nanaovako.
Tamin’ny Septambra 1919, dia nandeha lamasinina ho any Sandusky, any Ohio, eo amin’ny Farihy Érié, izahay sy ny ray aman-dreniko. Tao izahay dia niakatra tamin’ny baka iray, ary vetivety, dia tonga tao Cedar Point, izay toerana hanaovana ilay fivoriambenay tsy hay hadinoina. Rehefa niala tao amin’ilay sambo izahay, dia nisy tranokely fivarotan-tsakafo masaka teo amin’ny seranan-tsambo. Nahazo mofo nosisihana toton-kena, izay tena zava-tsarobidy be tamiko tamin’izany andro izany, aho. Natsiro be ilay izy! Nisy 7 000 ny tampon’isan’ny mpanatrika ny fivoriambenay, naharitra valo andro. Tsy nisy fanamafisam-peo, noho izany dia tsy maintsy nihaino tamim-pitandremana tsara aho.
Tamin’io fivoriambe io, dia navoaka ny gazety naman’Ny Tilikambo Fiambenana, nitondra ny lohateny hoe L’Âge d’Or (Mifohaza! ankehitriny). Mba hanatrehana io fivoriambe io, dia tsy namonjy ny herinandro voalohany nanombohan’ny sekoly aho, nefa tena mendrika ny natao izany. I Cedar Point dia toerana fanaovana vakansy, ary nisy mpahandro, izay nikarakara sakafo ho an’ireo solontena, tao amin’ny hotely fisakafoana tany. Noho ny antony iray tsy voafaritra anefa, dia nitokona ireo mpahandro sy mpandroso sakafo, hany ka nisy anadahy kristianina nanana fahaizana momba ny fikarakarana sakafo, tonga nisolo toerana, mba hikarakara sakafo ho an’ireo solontena. Nandritra ny am-polony taona maro taorian’izay, dia ny vahoakan’i Jehovah ihany no nanomana ny sakafony tany amin’ny fivoriambe.
Nanana tombontsoa niverina tany Cedar Point koa izahay, tamin’ny Septambra 1922, mba hanatrika fivoriambe iray naharitra sivy andro, izay nahitana mpanatrika nahatratra tampon’isa maherin’ny 18 000. Tany no nampirisihan’ny Anadahy Rutherford anay mba ‘hanambara, hanambara, hanambara, ilay Mpanjaka sy ny fanjakany’. Ny fanompoana nataon’ny tenako manokana anefa, dia nanomboka tamin’ny fizarana taratasy mivalona sy gazety L’Âge d’Or, taona maromaro talohan’izay.
Fankasitrahana ny fanompoana
Tany am-piandohan’ny taona 1918, dia nandray anjara tamin’ny fizarana ilay taratasy mivalona hoe The Fall of Babylon (Ny Nianjeran’i Babylona), tao amin’ilay toeram-piompiana teo akaikinay aho. Noho ny hatsiaka, dia nanafana karazana vato sokay teo amin’ilay fatana kitay tao an-trano izahay, ary nitondra azy io tao anaty voatiry, mba hanafanana ny tongotray. Nanao pardesia sy satroka natevina izahay, satria tafo sy ridao teo amin’ny andaniny roa fotsiny no teo amin’ilay voatiry, fa tsy nisy fitaovana fanafanana. Fotoana nahafinaritra anefa ireny.
Tamin’ny 1920, dia nisy fanontana manokana tamin’ilay boky hoe Le mystère accompli, nantsoina hoe ZG, navoaka ho gazety. aNandeha nivoaka tao Alliance izahay sy ny ray aman-dreniko, nitondra io zavatra vita an-tsoratra io. Tamin’izany andro izany, dia nandeha irery teny am-baravarana ny rehetra, koa natahotahotra àry aho niakatra teo amin’ny fidirana mitafo iray, izay nisy olona maromaro nipetrapetraka. Rehefa vita ny fanazavako, dia hoy ny vehivavy iray: “Mahay mitory teny kely indrỳ izany”, ary noraisiny ilay zavatra vita an-tsoratra. Nahapetraka ZG 13 aho tamin’izay andro izay, ary sambany aho vao nanao fanazavana lavalava kokoa sy tamin’ny fomba ofisialy, teny amin’ny isan-trano.
Fony aho 15 taona teo ho eo, dia tratran’ny pnemonia i Neny, ary voatana teo am-pandriana nandritra ny iray volana mahery. I Hazel, zandriko faravavy dia mbola zazakely, koa nijanona tsy nianatra aho, mba hanampiana tamin’ny asa fiompiana sy hikarakarana ireo ankizy. Na izany aza, dia nihevitra ho zava-dehibe ny fahamarinana ara-baiboly ny fianakavianay, ary nanatrika tsy tapaka ny fivorian’ny kôngregasiôna rehetra izahay.
Tamin’ny 1928, tamin’ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy, dia nisy taratasy mivalona nitondra ny lohateny hoe “Where Are the Nine?” (Aiza Ireo Sivy?) nomena ny mpanatrika rehetra. Noresahina tao ny Lioka 17:11-19, izay ilazan’ny Baiboly fa ny iray tamin’ireo boka voadio ihany no mba nisaotra tamim-panetren-tena an’i Jesosy, noho ilay fanasitranana nahagaga. Nanohina ny foko izany. Nanontany tena aho hoe ‘Mahay mankasitraka ve aho?’
Koa satria nandeha tsara izao ny zava-drehetra tao an-trano, ary salama tsara sy tsy nanana andraikitra aho, dia nanapa-kevitra ny hiala tao an-trano aho, ka hanao ny fanompoan’ny mpisava lalana, araka ny iantsoana ny fanompoana manontolo andro. Nampirisika ahy mba hanao izany ny ray aman-dreniko. Koa nahazo ny fanendrena anay àry izahay sy i Agnes Aleta, namako, ary tamin’ny 28 Aogositra 1928, tamin’ny sivy ora alina, dia niakatra tao amin’ny lamasinina iray, izahay roa vavy. Valizy iray sy kitapo iray nitondrana ny boky aman-gazetinay ara-baiboly ihany no nananan’ny tsirairay taminay. Teo amin’ny gara, dia nitomany ny rahavaviko sy ny ray aman-dreniko, ary toy izany koa izahay. Nihevitra aho fa mety tsy hahita azy ireo intsony, satria nino izahay fa efa akaiky i Haramagedona. Ny ampitso maraina, dia tonga tany amin’ny toerana nanendrena anay, tany Brooksville, any Kentucky, izahay.
Nanofa efitra kely iray tao amin’ny trano fandraisam-bahiny iray izahay, ary nividy karazana paty am-bifotsy, ary nanao mofo voasesika ho anay koa. Isan’andro izahay dia nandeha tamin’ny lalana samy hafa sy niasa irery ary nanolotra boky dimy tamin’ny tompon-trano, tamin’ny fandraisana anjara 1,98 dolara (10 000 FMG teo ho eo). Niasa ilay tanàna tsikelikely izahay, ka nahita olona maro izay tena liana tamin’ny Baiboly.
Tao anatin’ny telo volana teo ho eo, dia voatsidikay ny rehetra tao Brooksville sy Augusta sy ny manodidina azy ireo. Koa nifindra izahay mba hiasa tao amin’ny tanànan’i Maysville sy i Paris ary i Richmond. Nandritra ireo telo taona nanaraka, dia niasa tamin’ny faritra maro tany Kentucky, izay tsy nisy kôngregasiôna, izahay. Matetika izahay no nampian’ny namana sy ny mpianakavy avy tany Ohio, izay niaraka taminay teny amin’ny fanompoana, nandritra ny herinandro na mahery, isaky ny tonga.
Fivoriambe hafa tsy hay hadinoina
Tena tsy hay hadinoina tokoa ilay fivoriambe tany Columbus, any Ohio, tamin’ny 24-30 Jolay 1931. Tany no nanambarana fa ho fantatra amin’ilay anarana miorina amin’ny Baiboly hoe Vavolombelon’i Jehovah, izahay. (Isaia 43:12). Talohan’izay, rehefa nisy olona nanontany anay ny fivavahanay, dia nilaza izahay hoe: “Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena.” Tsy tena nampiavaka anay tsara anefa izany, satria nisy mpianatra ny Baiboly koa tany amin’ny antokom-pivavahana hafa maro samihafa.
Nanambady i Agnes, namako, ka irery aho; koa nientam-po aho rehefa nampandrenesina fa ireo izay nitady namana mpisava lalana dia tokony ho tonga teo amin’ny toerana iray. Tany aho dia nihaona tamin’i Bertha sy i Elsie Garty ary i Bessie Ensminger. Nanana fiara roa izy ireo, ary nitady rahavavy mpisava lalana iray faninefany, mba hiara-miasa taminy. Niara-nandao ny fivoriambe izahay, na dia mbola tsy nifankahita mihitsy aza teo aloha.
Tamin’ny vanin-taona nafana, dia niasa nanerana ny fanjakan’i Pennsylvanie izahay. Avy eo, rehefa nanatona ny ririnina, dia nangataka fanendrena tany amin’ireo fanjakan’i Caroline Avaratra sy i Virginie ary i Maryland, any atsimo, izay mafana kokoa, izahay. Tamin’ny lohataona, dia niverina tany avaratra izahay. Izany no fanaon’ny mpisava lalana, tamin’izay fotoana izay. Tamin’ny 1934, i John Booth sy i Rudolph Abbuhl, izay nanaraka an’io fanao io, dia nitondra an’i Ralph Moyer sy i Willard, zandriny lahy, niaraka taminy ho any Hazard, any Kentuchky.
Efa nihaona tamin’i Ralph imbetsaka aho taloha, ary nanjary nifankahalala tsara kokoa izahay, nandritra ilay fivoriambe lehibe tany Washington, D.C., natao tamin’ny 30 May–3 Jona 1935. Niara-nipetraka teo ambony rihana izahay sy i Ralph, rehefa natao ilay lahateny momba ny “olona betsaka”. (Apokalypsy 7:9-14). Hatramin’izay, dia nino izahay fa ireo olona betsaka dia anisan’ny kilasin’ny ho an’ny an-danitra, izay tsy nanana fahatokiana firy, raha noharina tamin’ireo 144 000. (Apokalypsy 14:1-3). Koa tsy naniry ny ho iray tamin’izy ireo aho!
Maro no gaga, rehefa nohazavain’ny Anadahy Rutherford fa ireo olona betsaka dia kilasin’ireo olo-mahatoky izay ho tafita velona ao Haramagedona, ka hiaina eto an-tany. Avy eo izy dia nanasa an’ireo rehetra anisan’ny olona betsaka mba hitsangana. Tsy nitsangana aho, fa i Ralph kosa nitsangana. Tatỳ aoriana, dia nanjary nazava kokoa tao an-tsaiko ny zava-drehetra, koa ny 1935 no taona farany nandraisako anjara tamin’ny mofo sy ny divay, izay marika tamin’ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy. Nanohy nandray anjara anefa i Neny, hatramin’ny nahafatesany tamin’ny Novambra 1957.
Namana naharitra iray
Nanohy nifanoratra izahay sy i Ralph. Nanompo tany Lake Placid, any New York aho, ary izy tany Pennsylvanie. Tamin’ny 1936, dia nanamboatra tranofiara kely iray, izay azony notarihina tamin’ny fiarany, izy. Nafindrany avy tany Pottstown, any Pennsylvanie, ho any Newark, any New Jersey, ilay izy, noho ilay fivoriambe natao tany, tamin’ny 16-18 Oktobra. Taorian’ny fandaharana tamin’ny indray takariva, dia nandeha nijery ny tranofiara vaovaon’i Ralph, ny maromaro taminay mpisava lalana. Nitsangana tao anatin’ilay tranofiara, teo akaikin’ilay toerana fisasana namboariny izahay sy izy, rehefa nanontany ahy izy hoe: “Tianao ve ilay tranofiara?”
Rehefa nihatokatoka aho, dia nanontany izy hoe: “Tianao ve ny hipetraka ato anatiny?”
“Eny”, hoy ny navaliko, ary nanoroka ahy tamim-pitiavana izy, oroka izay tsy hohadinoiko na oviana na oviana. Andro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nahazo fahazoan-dalana hivady izahay. Tamin’ny 19 Oktobra, taorian’ilay fivoriambe, dia nankany Brooklyn izahay, ary nitsidika ny trano fanontam-pirintin’ny Fikambanana Watch Tower. Avy eo izahay dia nangataka faritany hiasanay. I Grant Suiter no nisahana ny faritany, ary nanontany izy hoe iza no hiasa ao. Hoy i Ralph: “Izahay, raha afaka mivady izahay.”
“Raha miverina amin’ny dimy ianareo rahariva, dia afaka mandamina izany isika”, hoy ny navalin’ny Anadahy Suiter. Koa ny harivan’io ihany, dia natao tao amin’ny tranon’ny Vavolombelona iray tao Brooklyn Heights, ny fampakaram-badinay. Niara-nisakafo tamin’ny namana sasany tao amin’ny hotely iray teo an-toerana izahay, ary avy eo dia naka fitateram-bahoaka mba ho any amin’ny tranofiaran’i Ralph tany Newark, any New Jersey.
Tsy ela taorian’izay, dia nankany Heathsville, any Virginie, izay toerana voalohany nanendrena anay, ho mpisava lalana miaraka, izahay. Niasa ny Faritr’i Northumberland izahay, ary avy eo dia nifindra tany amin’ny faritr’i Fulton sy i Franklin, any Pennsylvanie. Tamin’ny 1939, i Ralph dia nasaina hanao ny asan’ny zone, asa izay nitsidihanay kôngregasiôna maromaro nifandimby. Nitsidika kôngregasiôna tany amin’ny fanjakan’i Tennessee izahay. Ny taona nanaraka, dia teraka i Allen, zanakay lahy, ary tamin’ny 1941, dia natsahatra ny asan’ny zone. Notendrena ho any Marion, any Virginie, mba hanao ny asan’ny mpisava lalana manokana àry izahay. Nidika ho fandaniana 200 ora isam-bolana teny amin’ny fanompoana izany, tamin’izany andro izany.
Fanaovana fanitsiana
Tamin’ny 1943, dia hitako fa tena nilaina ny hialako tamin’ny fanompoan’ny mpisava lalana manokana. Ny fipetrahana tao amin’ny tranofiara kely, ny fikarakarana zaza iray, ny fikarakarana sakafo, ny asa natao mba hanaovanay rehetra akanjo madio ary ny fandaniana 60 ora teo ho eo isam-bolana, teny amin’ny fanompoana, no hany vitako. I Ralph anefa nanohy nanao ny asan’ny mpisava lalana manokana.
Tamin’ny 1945, dia niverina tany Alliance, any Ohio, izahay, ka nivarotra ilay tranofiara, izay trano fonenanay nandritra ny sivy taona, ary nifindra tao amin’ilay trano fiompiana niaraka tamin’ny ray aman-dreniko. Tao, teo amin’ny lavarangana teo anoloana, no teraka i Rebekah, zanakay vavy. Niasa tapa-potoana tany an-tanàna i Ralph, sady nanohy nanao ny asan’ny mpisava lalana maharitra. Niasa tao amin’ilay toeram-piompiana aho, ka nanao izay azoko natao mba hanampiana azy hanohy hanao ny asan’ny mpisava lalana. Na dia nanolotra tany sy trano maimaim-poana anay aza ny fianakaviako, dia tsy nanaiky i Ralph. Naniry hitoetra tsy ho voahelingelina izy, mba hahafahanay hikatsaka tamin’ny fomba feno kokoa ny tombontsoan’ilay Fanjakana.
Tamin’ny 1950, dia nifindra indray tany Pottstown, any Pennsylvanie, izahay, ary nanofa trano 25 dolara (150 000 FMG teo ho eo) isam-bolana. Nandritra ireo 30 taona nanaraka, dia nitombo 75 dolara (450 000 FMG teo ho eo) monja ilay hofan-trano. Nahatsapa izahay fa nanampy anay hihazona ny fiainanay ho tsotra i Jehovah. (Matio 6:31-33). Niasa telo andro isan-kerinandro, nanety volon’olona, i Ralph. Isan-kerinandro, dia niara-nianatra Baiboly tamin’izy mianadahy izahay, ary namonjy fivorian’ny kôngregasiôna sy nitory ny vaovao tsara momba ilay Fanjakana izahay mianakavy. Mpiandraikitra mpitantan-draharaha tao amin’ny kôngregasiôna teo an-toerana i Ralph. Tamin’ny fihazonana ny fiainanay ho tsotra, dia afaka nanao betsaka teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah izahay.
Famoizana ny vady malalako
Tamin’ny 17 May 1981, dia nipetraka tao amin’ny Efitrano Fanjakana izahay, nihaino lahateny ampahibemaso iray. Nahatsiaro ho toa narary i Ralph, ka nankany aoriana, ary naniraka mpikarakara ny mpanatrika iray hitondra taratasy fohy ho ahy, izay nilaza fa handeha hody izy. Tsy fanaon’i Ralph mihitsy izany, ka nangataka olona iray aho mba hanatitra ahy tany an-trano avy hatrany. Tao anatin’ny adiny iray, dia maty i Ralph, noho izy tapaka lalan-dra. Tamin’ny faran’ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana, dia nampandrenesina ny kôngregasiôna fa maty izy.
Efa nandany maherin’ny 50 ora teny amin’ny fanompoana, i Ralph tamin’iny volana iny. Naharitra 46 taona mahery ny nanaovany ny asan’ny mpisava lalana manontolo andro. Olona maherin’ny zato, anisan’ny nampianariny Baiboly, no tonga Vavolombelon’i Jehovah vita batisa. Tena mendrika ny sorona rehetra nataonay nandritra ireo taona maro lasa, ireo fitahiana ara-panahy noraisinay.
Velom-pankasitrahana noho ireo tombontsoako
Nandritra ireo 18 taona farany aho, dia irery, nanatrika fivoriana, nitory tamin’ny hafa, araka izay fahafahako, ary nianatra ny Tenin’Andriamanitra. Mipetraka ato amin’ny tranon’ny be taona aho izao. Fanaka vitsivitsy monja no ananako, ary mifidy ny tsy hanana televiziona aho. Feno anefa ny fiainako, sady tsy ory ara-panahy aho. Nahatoky hatramin’ny fahafatesany ny ray aman-dreniko sy ireo anadahiko roa, ary manohy mandeha amim-pahatokiana eo amin’ny lalan’ny fahamarinana ireo rahavaviko roa.
Faly aho fa loholona kristianina i Allen, zanako lahy. Nandritra ny taona maro izy, dia nametaka ireo fanamafisam-peon’ny Efitrano Fanjakana sy ny Efitrano Fivoriambe ary niasa tao amin’ny fikarakarana ny fanamafisam-peo, nandritra ny fivoriamben’ny distrika. Mpanompon’i Jehovah mahatoky ny vadiny, ary loholona ny zanany mirahalahy. I Rebekah Karres, zanako vavy, dia nandany 35 taona mahery tao amin’ny fanompoana manontolo andro, anisan’izany ireo efa-taona niasany tao amin’ny foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brooklyn. Izy mivady dia nandany ireo 25 taona lasa tamin’ny asa fitetezam-paritany, tany amin’ny faritra maro eto Etazonia.
Nilaza i Jesosy fa tahaka ny harena nafenina, izay afaka ny ho hita, ilay Fanjakana. (Matio 13:44). Velom-pankasitrahana aho fa nahita izany harena izany ny fianakaviako, taona maro be lasa izay. Tena tombontsoa ny mitodika ireo 80 taona mahery lasa nanolorako ny tenako ho amin’ny fanompoana an’Andriamanitra—tsy misy fanenenana! Raha afaka mamerina indray ny fiainako aho, dia hiaina mitovy amin’izany, satria tena ‘tsara noho ny aina ny famindram-pon’Andriamanitra’.—Salamo 63:3.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny Le mystère accompli no fahafito tamin’ny fitohitohizana boky mitondra ny lohateny hoe Études des Écritures, ka nosoratan’i Charles Taze Russell ny enina voalohany taminy. Natonta taorian’ny nahafatesan’i Russell ny Le mystère accompli.
[Sary, pejy 23]
Nihaino ny lahatenin’ny Anadahy Rutherford, tamin’ny 1917, tany Alliance, any Ohio, izahay
[Sary, pejy 23]
Niaraka tamin’i Ralph teo anoloan’ilay tranofiara namboariny
[Sary, pejy 24]
Miaraka amin’ny zanako mianadahy ankehitriny