Ny Lovantsika Sarobidy—Midika ho Inona Aminao Izany?
“Avia hianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao”.—MATIO 25:34.
1. Karazan-javatra inona avy no nolovan’ny olona?
MANAN-JAVATRA nolovany ny olona rehetra. Mety hahatafiditra fomba fiaina mampiadana ara-nofo ny lova, ho an’ny olona sasany. Fiainana feno fahantrana kosa izy io ho an’ny hafa. Tamin’ny toe-javatra sasany, ny lova navelan’ireo taranaka teo aloha, noho ny zavatra niainan’izy ireo na reny, dia fankahalana lalina ny foko hafa iray. Manana zavatra iray iombonana anefa isika rehetra. Nandova ota avy tamin’ilay voalohan-dahy, i Adama, isika rehetra. Nitarika ho amin’ny fahafatesana io lova io, tamin’ny farany.—Mpitoriteny 9:2, 10; Romana 5:12.
2, 3. Inona no lova tany am-boalohany nomanin’i Jehovah ho an’ny taranak’i Adama sy i Eva, ary nahoana izy ireo no tsy nahazo azy io?
2 Amin’ny maha Ray be fitiavana any an-danitra azy, dia lova hafa lavitra no natolotr’i Jehovah ny olombelona, tany am-piandohana—fiainana mandrakizay tao anatin’ny fahalavorariana tao amin’ny Paradisa. Nomena fiandohana lavorary tsy nisy ota i Adama sy i Eva, ray aman-drenintsika voalohany. Natolotr’i Jehovah Andriamanitra ho fanomezana ho an’ny olombelona ny planeta Tany. (Salamo 115:16). Nataony ho santionan’izay toetra rehetra hampiavaka ny tany manontolo ny saha Edena, ary nanendry asa iray nahafinaritra sy faran’izay nahaliana ho an’ireo ray aman-drenintsika voalohany izy. Hanan-janaka sy hikarakara ny tany, mbamin’ireo zavamaniry isan-karazany, miaraka amin’ny biby rehetra, ary hanitatra ny sisin’ny Paradisa hanerana ny tany, izy ireo. (Genesisy 1:28; 2:8, 9, 15). Handray anjara amin’izany koa ny taranak’izy ireo. Endrey izany lova mahatalanjona azon’izy ireo nafindra tamin’ny taranany!
3 Raha tian’i Adama sy i Eva ary ny taranany anefa ny hahazo izany rehetra izany, dia tsy maintsy nanana fifandraisana tsara tamin’Andriamanitra izy ireo. Nanana adidy ho tia sy hankatò an’i Jehovah i Adama sy i Eva, kanefa tsy nankasitrahany izay nomen’Andriamanitra azy, ary tsy nankatoaviny ny didiny. Verin’izy ireo ny Paradisa fonenany sy ny fanantenana be voninahitra napetrak’Andriamanitra teo anoloany. Tsy azon’izy ireo natao àry ny nampandova ny taranany an’ireo zavatra ireo.—Genesisy 2:16, 17; 3:1-24.
4. Ahoana no ahafahantsika mahazo ilay lova narian’i Adama?
4 Noho ny famindram-pony, dia nanao fandaharana i Jehovah mba hahafahan’ny taranak’i Adama sy i Eva hahazo ilay lova narian’i Adama. Tamin’ny ahoana? Tamin’ny fotoana voatondron’Andriamanitra, ny Zanany, i Jesosy Kristy, dia nanome ny ain’olombelona lavorary nananany, ho tombontsoan’ny taranak’i Adama. Tamin’izany fomba izany no nividianan’i Kristy azy rehetra. Tsy hoe tonga dia azon’izy ireo fotsiny amin’izao anefa io lova io. Mila manana toeram-pankasitrahana eo anatrehan’Andriamanitra izy ireo. Azony atao ny mahazo izany amin’ny fanehoana finoana ny hasarobidin’ny soron’i Jesosy, sorona izay manavotra amin’ny fahotana, ary koa amin’ny fampisehoana izany finoana izany amin’ny fankatoavana. (Jaona 3:16, 36; 1 Timoty 2:5, 6; Hebreo 2:9; 5:9). Mampiseho fankasitrahana izany fandaharana izany ve ny fomba fiainanao?
Lova nampitaina tamin’ny alalan’i Abrahama
5. Ahoana no nampisehoan’i Abrahama ny fankasitrahany ny fifandraisany tamin’i Jehovah?
5 Teo am-panatanterahany ny fikasany ho an’ny tany, dia nifampiraharaha tamin’i Abrahama tamin’ny fomba manokana i Jehovah. Nanome toromarika an’io lehilahy nahatoky io izy mba handao ny taniny, ka hifindra any amin’ny toerana izay hatoron’ Andriamanitra azy. Nanaiky izany an-tsitrapo i Abrahama. Taorian’ny nahatongavan’i Abrahama tao, dia nilaza i Jehovah fa ny taranak’i Abrahama, fa tsy ny tenan’i Abrahama akory, no hahazo ilay tany ho lova. (Genesisy 12:1, 2, 7). Nanao ahoana ny fihetsik’i Abrahama? Vonona ny hanompo an’i Jehovah izy, na taiza na taiza, ary na ahoana na ahoana, nitarihan’Andriamanitra azy, mba hahafahan’ny taranany hahazo ny lovany. Nanompo mandra-pahafatiny an’i Jehovah tao amin’ny tany iray izay tsy azy, nandritra ny 100 taona, i Abrahama. (Genesisy 12:4; 25:8-10). Ho nanao izany ve ianao? Nilaza i Jehovah fa i Abrahama dia ‘sakaizany’.—Isaia 41:8.
6. a) Inona no nasehon’i Abrahama tamin’ny fahavononany hanao sorona ny zanany? b) Lova sarobidy inona no azon’i Abrahama navela ho an’ny taranany?
6 Niandry taona maro i Abrahama vao nahazo an’i Isaka zanany, izay nolalainy fatratra. Rehefa nitombo ny zaza ka tonga teo amin’ny fahatanorany, dia nandidy an’i Abrahama i Jehovah mba hitondra azy ka hanolotra azy ho sorona. Tsy fantatr’i Abrahama fa efa saika hampiseho izay hataon’Andriamanitra, izay hanolotra ny Zanany ho avotra, izy; nankatò anefa izy, ary efa teo am-panolorana an’i Isaka ho fanatitra no nosakanan’ny anjelin’i Jehovah. (Genesisy 22:9-14). Efa nilaza i Jehovah fa ho tanteraka tamin’ny alalan’i Isaka ny fampanantenana nomeny an’i Abrahama. Nino mafy àry i Abrahama fa, raha toa ka nilaina izany, Andriamanitra dia afaka ny hanangana an’i Isaka tamin’ny maty, na dia mbola tsy nisy zavatra toy izany mihitsy aza talohan’izay. (Genesisy 17:15-18; Hebreo 11:17-19). Koa satria i Abrahama tsy niaro na dia ny zanany aza, dia nanambara toy izao i Jehovah: “Amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany”. (Genesisy 22:15-18). Izany dia nanondro fa tao amin’ny taranak’i Abrahama no hiavian’ilay Taranaka voalaza ao amin’ny Genesisy 3:15, ny Mesia mpanavotra. Lova sarobidy tokoa re izany!
7. Ahoana no fomba nanehoan’i Abrahama sy i Isaka ary i Jakoba ny fankasitrahany ny lovany?
7 Tsy fantatr’i Abrahama ny dikan’izay nataon’i Jehovah tamin’izany fotoana izany; tsy nahafantatra izany koa i Isaka zanany lahy sy i Jakoba zafikeliny, izay samy tonga “mpiara-mandova izany teny fikasana izany aminy”. Samy natoky an’i Jehovah anefa izy rehetra ireo. Tsy niraiki-po tamin’ny iray tamin’ny tanàna fanjakana tao amin’ilay tany izy ireo, satria zavatra tsaratsara kokoa no notadiaviny—‘ny tanàna misy fanorenana, izay Andriamanitra no tompo-marika sy mpanao azy’. (Hebreo 11:8-10, 13-16). Tsy ny taranak’i Abrahama rehetra anefa no nankasitraka ny hasarobidin’ilay lova navelan’i Abrahama.
Ny sasany izay nanao tsinontsinona ilay lova
8. Ahoana no nampisehoan’i Esao fa tsy nankasitrahany ny hasarobidin’ilay lovany?
8 Tsy nanisy vidiny ny fizokiany i Esao, zanak’i Isaka lahimatoa. Tsy nankasitraka ireo zava-masina izy. Koa indray andro, rehefa noana i Esao, dia namidiny tamin’i Jakoba rahalahiny ny fizokiany. Namidiny ohatrinona? Natakalony hanina indray mihinana, dia mofo sy rom-boanemba! (Genesisy 25:29-34; Hebreo 12:14-17). Ilay firenena, izay hahatanterahan’ny fampanantenana nomen’Andriamanitra an’i Abrahama, dia taranaka avy tamin’i Jakoba, izay novan’Andriamanitra anarana hoe Isiraely. Fahafahana hanao inona no nosokafan’izany lova manokana izany ho azy ireo?
9. Noho ny lovan’izy ireo ara-panahy, dia nafahana tamin’ny inona ny taranak’i Jakoba, na Isiraely?
9 Nifindra nankany Ejipta i Jakoba sy ny fianakaviany, nandritra ny vanim-potoanan’ny mosary iray. Nitombo izy ireo tany, ka nanjary maro be, kanefa nanjary andevo koa. Tsy nanadino ny fanekena nataony tamin’i Abrahama anefa i Jehovah. Nanafaka ny zanak’i Isiraely tamin’ny fanandevozana Andriamanitra, tamin’ny fotoana voatondrony, ary nampahafantariny azy ireo fa hoentiny any amin’ny “tany tondra-dronono sy tantely”, tany izay nampanantenainy an’i Abrahama, izy ireo.—Eksodosy 3:7, 8; Genesisy 15:18-21.
10. Teo amin’ny Tendrombohitra Sinay, fizotran-javatra niavaka fanampiny inona avy moa no nitranga, nifandray tamin’ny lovan’ny zanak’i Isiraely?
10 Rehefa teny an-dalana ho any amin’ny Tany Nampanantenaina ny zanak’i Isiraely, dia novorin’i Jehovah teo amin’ny Tendrombohitra Sinay izy ireo. Nilazany toy izao izy ireo teo: “Raha hihaino ny feoko tokoa hianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra hianareo; fa Ahy ny tany rehetra. Dia ho fanjakà-mpisorona sy ho firenena masina ho Ahy hianareo.” (Eksodosy 19:5, 6). Rehefa niara-nanaiky izany an-tsitrapo ilay vahoaka, dia nomen’i Jehovah azy ny Lalàny—zavatra tsy nataony tamin’ny firenena hafa.—Salamo 147:19, 20.
11. Inona no sasany tamin’ireo zava-tsarobidy tafiditra tao amin’ny lova ara-panahin’ny zanak’i Isiraely?
11 Tena lova ara-panahy tokoa no nananan’io firenena vaovao io! Nanolotra fanompoam-pivavahana ho an’ilay hany Andriamanitra marina izy ireo. Nafahany tany Ejipta izy ireo, ary vavolombelona nahita maso ny fisehoan-javatra nahatahotra, fony nomena teo amin’ny Tendrombohitra Sinay ny Lalàna. Nihanitombo ny lovan’izy ireo rehefa nahazo “ny fanambarana masin’Andriamanitra” ho fanampiny, avy tamin’ireo mpaminany, izy ireo. (Romana 3:1, 2, NW ). Notendren’i Jehovah mba ho vavolombelony izy ireo. (Isaia 43:10-12). Hiseho ao amin’ny firenen’izy ireo ilay Taranaka Mesianika. Ny Lalàna dia nanambara mialoha ny aminy, hampahafantatra azy, ary tokony hanampy azy ireo hahatakatra fa mila azy izy ireo. (Galatiana 3:19, 24). Ambonin’izany, izy ireo dia hotolorana ny fahafahana hanompo, hiaraka amin’io Taranaka Mesianika io, amin’ny maha fanjaka-mpisorona sy firenena masina.—Romana 9:4, 5.
12. Na dia niditra ny Tany Nampanantenaina aza ny Isiraelita, inona no zavatra tsy hitan’izy ireo? Nahoana?
12 Nitana ny fampanantenany i Jehovah, ka nitarika ny Isiraelita ho any amin’ny Tany Nampanantenaina. Tsy hita ho “fitsaharana” marina anefa izany tany izany, araka ny nohazavain’ny apostoly Paoly tatỳ aoriana, satria tsy ampy finoana izy ireo. Tsy niditra tao amin’ny “fitsaharan’Andriamanitra” tamin’ny naha vahoaka azy izy ireo, satria tsy nijery na nanao zavatra araka ny zava-kendren’ny andro fitsaharan’Andriamanitra, izay nanomboka taorian’ny namoronana an’i Adama sy i Eva.—Hebreo 4:3-10.
13. Inona no verin’ny Isiraely, tamin’ny naha firenena azy, noho ny tsy nankasitrahany ny lovany ara-panahy?
13 Afaka nahafeno tanteraka ny isan’ireo izay hiara-manjaka amin’ny Mesia ao amin’ny Fanjakany any an-danitra, tamin’ny naha fanjakà-mpisorona sy firenena masina azy, ny Isiraely ara-nofo. Tsy nankasitraka ny lovany sarobidy anefa izy ireo. Sisa tamin’ireo Isiraelita ireo ihany no nanaiky ny Mesia, rehefa tonga izy. Vokatr’izany, dia vitsy dia vitsy no tafiditra tao amin’ilay fanjaka-mpisorona nambara mialoha. Nesorina tamin’ny Isiraely ara-nofo ilay Fanjakana, ka ‘nomena izay firenena mahavokatra ny voany’. (Matio 21:43). Inona moa io firenena io?
Lova iray any an-danitra
14, 15. a) Taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, ahoana no nanombohana nitahy ireo firenena tamin’ny alalan’ilay ‘taranak’i’ Abrahama? b) Inona no lova azon’ireo anisan’ny “Isiraelin’Andriamanitra”?
14 Ilay firenena nomena ny Fanjakana dia “ny Isiraelin’Andriamanitra”, ny Isiraely ara-panahy, voaforon’ireo mpanara-dia an’i Jesosy Kristy 144 000 nateraky ny fanahy. (Galatiana 6:16; Apokalypsy 5:9, 10; 14:1-3). Jiosy ara-nofo ny sasany tamin’ireo 144 000 ireo, fa ny ankamaroany kosa dia olona avy tamin’ny firenena jentilisa. Tamin’izany fomba izany no nanombohan’ny fahatanterahan’ny fampanantenana nomen’i Jehovah an’i Abrahama hoe amin’ny ‘taranany’ no hitahiana ny firenena rehetra. (Asan’ny Apostoly 3:25, 26; Galatiana 3:8, 9). Tamin’io fahatanterahana voalohany io, dia voahosotra tamin’ny fanahy masina ny olona avy tamin’ireo firenena, ary natsangan’i Jehovah Andriamanitra ho zanaka ara-panahy izy ireo, ho rahalahin’i Jesosy Kristy. Tonga ny tapany manarakaraka tamin’io “taranaka” io koa àry izy ireo.—Galatiana 3:28, 29.
15 Talohan’ny nahafatesany, dia nampahafantarin’i Jesosy an’ireo Jiosy ho tonga anisan’io firenena vaovao io ny fanekena vaovao, izay hanan-kery amin’ny alalan’ny rany. Hatao ho ‘tanteraka mandrakizay’ ireo izay voaray ao amin’io fanekena io, ka izany dia mifototra amin’ny finoan’izy ireo an’ilay sorona natao hampanan-kery azy io. (Hebreo 10:14-18). Azo “nohamarinina” izy ireo, ary voavela ny helony. (1 Korintiana 6:11). Amin’izany heviny izany àry, dia sahala amin’i Adama talohan’ny nanotany izy ireo. Tsy hiaina ao amin’ny tany zary paradisa anefa izy ireo. Nilaza i Jesosy fa handeha hamboatra fitoerana ho azy ireo any an-danitra izy. (Jaona 14:2, 3). Nahafoy ny fanantenany ny ho eto an-tany izy ireo, mba hahazoany ny ‘lova voatahiry any an-danitra ho azy ireo’. (1 Petera 1:4). Hanao inona any izy ireo? Nanazava toy izao i Jesosy: “Izaho dia manendry fanjakana ho anareo”.—Lioka 22:29.
16. Anjara fanompoana mahatalanjona inona no miandry an’ireo Kristianina voahosotra?
16 Avy any an-danitra, ankoatra ny zavatra hafa hataony, ireo izay hiara-manjaka amin’i Kristy dia hanampy hanaisotra ny soritra rehetran’ ny fikomiana tamin’ny fiandrianan’i Jehovah. (Apokalypsy 2:26, 27). Handray anjara amin’ny fanomezana fiainana lavorary, ho fitahiana ho an’ny olona avy amin’ny firenena rehetra, izy ireo, amin’ny maha tapany manarakaraka azy ao amin’ilay taranaka ara-panahin’i Abrahama. (Romana 8:17-21). Lova sarobidy tokoa re izany hananan’izy ireo izany!—Efesiana 1:16-18.
17. Lafiny inona avy amin’ny lovany no ankafizin’ny Kristianina voahosotra na dia mbola eto an-tany aza izy ireo?
17 Tsy hoe amin’ny hoavy avokoa anefa ny lovan’ireo voahosotra mpanara-dia an’i Jesosy ireo. Tamin’ny fomba izay tsy azon’olon-kafa na iza na iza narahina, i Jesosy dia nanampy azy ireo hahafantatra an’i Jehovah, ilay hany Andriamanitra marina. (Matio 11:27; Jaona 17:3, 26). Nampianatra azy ireo, tamin’ny teny sy tamin’ny ohatra, ny dikan’ny hoe ‘matoky an’i Jehovah’, sy izay tafiditra amin’ny fankatoavana an’i Jehovah, izy. (Hebreo 2:13, NW; 5:7-9). Nankinin’i Jesosy tamin’izy ireo ny fahalalana ny fahamarinana mahakasika ny fikasan’Andriamanitra, ary nomeny toky izy ireo fa ny fanahy masina dia hitarika azy ireo ho amin’ny fahazoana amin’ny fomba feno kokoa ny hevitr’izy io. (Jaona 14:24-26). Nalentiny tao an-tsaina sy tao am-pon’izy ireo ny maha zava-dehibe ny Fanjakan’Andriamanitra. (Matio 6:10, 33). Nankinin’i Jesosy tamin’izy ireo koa ny asa fanambarana sy fanaovana mpianatra ny olona tao Jerosalema sy Jodia sy Samaria ary ny faritra lavitra indrindra tamin’ny tany.—Matio 24:14; 28:19, 20; Asan’ny Apostoly 1:8.
Lova sarobidy ho an’ny olona betsaka
18. Tanteraka amin’ny fomba ahoana, ankehitriny, ny fampanantenan’i Jehovah ny hitahiana ny firenena rehetra, amin’ny alalan’ny ‘taranak’i’ Abrahama?
18 Azo inoana fa efa voafidy ny isa fenon’ny Isiraely ara-panahy, ny “ondry vitsy” mpandova ilay Fanjakana. (Lioka 12:32). Efa am-polony taona maromaro izao, i Jehovah dia nampitodika ny sainy ho amin’ny fanangonana olon-kafa betsaka, avy amin’ny firenena rehetra. Tanteraka amin’ny fomba mitatra, araka izany, ny fampanantenana nomen’i Jehovah an’i Abrahama hoe amin’ny ‘taranany’ no hitahiana ny firenena rehetra. Amim-pifaliana no anoloran’ny olona nahazo fitahiana toy izany fanompoana masina ho an’i Jehovah koa, sy anekeny fa ny famonjena azy dia miankina amin’ny finoany ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, i Jesosy Kristy. (Apokalypsy 7:9, 10). Moa ve ianao nanaiky ny fanasana feno hatsaram-panahin’i Jehovah, mba ho anisan’io antokon’olona sambatra io?
19. Lova inona no banjinin’ireo olona avy amin’ny firenena, dia ireo izay mahazo fitahiana dieny ankehitriny?
19 Lova sarobidy inona no atolotr’i Jehovah ho an’ireo izay tsy mba anisan’ny ondry vitsy? Tsia, tsy lova any an-danitra akory izy io. Ilay lova azon’i Adama nafindra ho an’ny taranany izy io—ny fahatsinjovana ny fiainana mandrakizay ao anatin’ny fahalavorariana, ao amin’ny paradisa iray, izay handrakotra miandalana ny bolan-tany manontolo. Ho tontolo iray “tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana”, izy io. (Apokalypsy 21:4). Aminao àry no ilazan’ny Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra hoe: “Matokia an’i Jehovah hianao, ka manaova soa, dia honina amin’ny tany hianao ka ho faly amin’ny fahamarinana. Ary miravoravoa amin’i Jehovah hianao, dia homeny anao izay irin’ny fonao. Fa rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy (...). Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana. Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.”—Salamo 37:3, 4, 10, 11, 29.
20. Amin’ny ahoana ny “ondry hafa” no manana ny ankamaroan’ny lova ara-panahin’ny Kristianina voahosotra?
20 Manana lova ao amin’ny faritra eto an-tany, tantanan’ilay Fanjakana any an-danitra, ny ‘ondry hafan’i’ Jesosy. (Jaona 10:16a). Na dia tsy ho any an-danitra aza izy ireo, dia nafindra taminy koa ny ankabeazan’ny lova ara-panahin’ireo voahosotra. Amin’ny alalan’ny kilasin’ny fitambaran’ireo voahosotra, ny “mpanompo mahatoky sy malina”, dia nosokafana ho an’ny ondry hafa ny fahaizana mahazo hevi-javatra mahakasika ireo fampanantenana sarobidy, voarakitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. (Matio 24:45-47, NW; 25:34). Miara-mahafantatra an’i Jehovah, ilay hany Andriamanitra marina, sy miara-manolotra fanompoam-pivavahana ho azy, ny voahosotra sy ny ondry hafa. (Jaona 17:20, 21). Miara-misaotra an’Andriamanitra izy ireo noho ny hasarobidin’ny soron’i Jesosy, sorona izay manavotra amin’ny fahotana. Miara-manompo amin’ny maha andiany iray izy ireo, eo ambanin’ny fitantanan’ny Mpiandry iray, i Jesosy Kristy. (Jaona 10:16b). Izy rehetra dia anisan’ny fianakaviana maneran-tanin’ny mpirahalahy be fitiavana. Miara-manana ny tombontsoa ho Vavolombelon’i Jehovah sy ny Fanjakany izy ireo. Eny, raha toa ianao ka mpanompon’i Jehovah vita fanoloran-tena sy batisa, dia tafiditra ao amin’ny anjara lovanao ara-panahy ireo rehetra ireo.
21, 22. Ahoana no ahafahantsika rehetra mampiseho fa mankamamy ny lovantsika ara-panahy isika?
21 Manao ahoana ny hasarobidin’io lova ara-panahy io aminao? Ampy ve ny fiheveranao azy io ho sarobidy, mba hametrahana ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra ho ny zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainanao? Mba hanaporofoana izany, moa ve ianao manaraka ny torohevitra omen’ny Teniny sy ny fandaminany, dia ny mba tsy ho tapatapaka amin’ny fanatrehana ireo fivoriana rehetra any amin’ny kongregasiona kristianina? (Hebreo 10:24, 25). Tena sarobidy aminao ve io lova io, ka manohy manompo an’Andriamanitra ianao na dia eo aza ny zava-tsarotra? Mafy ve ny fankasitrahanao azy io, ka izany dia manome hery anao, mba hanoherana izay rehetra mety ho fakam-panahy hanaraka lalana mety hamoizana azy io?
22 Enga anie isika rehetra samy hankamamy an’io lova ara-panahy nomen’Andriamanitra antsika io. Eo am-pibanjinantsika mafy an’ilay Paradisa ho avy, dia aoka isika handray anjara feno amin’ireo tombontsoa ara-panahy omen’i Jehovah antsika ankehitriny. Amin’ny fanorenana marina ny fiainantsika manodidina ny fifandraisantsika amin’i Jehovah, dia manome porofo mampiaiky isika fa tena sarobidy amintsika tokoa ny lova nomen’Andriamanitra antsika. Enga anie isika ho anisan’ireo izay manambara hoe: “Hanandratra Anao aho, ry Andriamanitro Mpanjaka ô, sy hankalaza ny anaranao mandrakizay doria.”—Salamo 145:1.
Ahoana no Hanazavanao azy?
• Raha tsy nivadika tamin’Andriamanitra i Adama, lova inona moa no ho nafindrany ho antsika?
• Ahoana no niheveran’ny taranak’i Abrahama ny lova natolotra azy ireo?
• Inona no tafiditra amin’ny lovan’ireo voahosotra mpanara-dia an’i Kristy?
• Inona no lovan’ny olona betsaka, ary ahoana no ahafahan’izy ireo mampiseho fa tena mankasitraka azy io izy?
[Sary, pejy 20]
Nahazo ny fampanantenana lova sarobidy iray ny taranak’i Abrahama
[Sary, pejy 23]
Mankasitraka ny lovanao ara-panahy ve ianao?