Afaka Manatona Andriamanitra Tsy Hita Maso ve Ianao?
‘Ahoana no ahafahako mamboly fifandraisana akaiky amin’ny olona iray tsy hitako?’, hoy ny mety ho fanontanianao. Toa mety hitombina izany fanontaniana izany. Diniho anefa izao:
TENA zava-dehibe ve ny fahitana mba hambolena fifandraisana feno fitiavana sy maharitra? Tsy zava-dehibe toy izany koa ve ny lafin-javatra tsy hita maso, raha tsy hoe zava-dehibe kokoa aza? Eny tokoa! Noho izany antony izany, dia namboly fifandraisana akaiky tamin’ny hafa tamin’ny alalan’ny fifanoratana tsy tapaka, ny olona sasany. Ny taratasin’izy ireo dia miresaka amim-pahatsorana ny amin’ny zavatra tiany sy tsy tiany, ny zava-kendreny, ny foto-pitsipika arahiny, ny fitiavany vazivazy, ary ny lafin-toetra hafa maha izy azy, na ny zavatra hafa mahaliana azy.
Ny olona jamba koa dia porofo mampiseho fa tsy tena zava-dehibe eo amin’ny fambolena fifandraisana akaiky amin’ny olona hafa iray, ny fahitana. Diniho ny ohatr’i Solo sy i Nivo, mpivady izay samy jamba.a Nihaona tamin’i Nivo, olon-dehibe niara-nianatra taminy tany amin’ny sekolin’ny jamba, i Solo. Nampiaiky azy ny toetran’i Nivo, indrindra fa ny filazany ny marina sy ny fanaovany ny marina, ary ny toe-tsainy tsara dia tsara nanoloana ny asa. Nanintona an’i Nivo koa i Solo, satria, hoy izy, “nobeazina hihevitra toetra sasany ho zava-dehibe aho, ary ireny toetra rehetra ireny indrindra anefa no nasehon’i Solo”. Nanomboka niaraka izy roa, ary nivady, telo taona tatỳ aoriana.
“Rehefa miaraka eny”, hoy i Solo, dia “tsy mampiova inona loatra eo amin’ny fanorenana fifandraisana amin’ny olon-kafa iray, ny fahajambana. Mety ho tsy afaka ny hifankahita, nefa tsy jamba akory ny fihetseham-po.” Mbola mifankatia be ihany izy roa ankehitriny, 57 taona atỳ aoriana. Manazava izy ireo fa mahafaoka zavatra efatra, fara fahakeliny, ny tsiambaratelon’ilay fifandraisana mahatalanjona eo amin’izy ireo: 1) manamarika ny toetra tsaran’ny iray, 2) misaintsaina ny amin’ireny toetra ireny ka voasinton’izy ireny, 3) mihazona fifampiresahana tsara, ary 4) miara-manao zavatra.
Tena ilaina ireo lafin-javatra efatra ireo mba hananana fifandraisana tsara, na eo amin’ny mpinamana izany, na eo amin’ny mpivady, ary indrindra indrindra eo amin’ny olona sy Andriamanitra. Ao amin’ny lahatsoratra manaraka, dia hojerentsika hoe amin’ny ahoana ny fampiharana ireo lafin-javatra ireo no afaka manampy antsika hamboly fifandraisana akaiky amin’Andriamanitra, na dia tsy afaka mahita azy aza isika.b
[Fanamarihana ambany pejy]
a Novana ny anarana.
b Tsy mba sahala amin’ny fifandraisana eo amin’ny samy olombelona ny fifandraisana amin’Andriamanitra, fa miorina kosa amin’ny finoana fa misy izy. (Hebreo 11:6). Mba hahitana fanazavana feno momba ny fanorenana finoana matanjaka an’Andriamanitra, dia jereo, aza fady, ilay boky hoe Y a-t-il un Créateur qui se soucie de vous?, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.