FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w00 15/11 p. 24-27
  • Afaka Maka Lesona avy Amin’ny Mpivady Olombelona Voalohany Isika

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Afaka Maka Lesona avy Amin’ny Mpivady Olombelona Voalohany Isika
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • “Lahy sy vavy no namoronany azy”
  • “Tahaka ny endrik’Andriamanitra”
  • Nanota i Eva
  • Nihaino ny feon’ny vadiny i Adama
  • Ny vokatry ny ota
  • Lesona ho antsika
  • Inona Ilay Ota Voalohany?
    Mifohaza!—2006
  • Nahoana Isika no Mihantitra sy Maty?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2019
  • Ny antony mahatonga antsika hiharan’ny fahanterana sy ny fahafatesana
    Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
  • Nanao Ahoana ny Fiainana tao Amin’ny Paradisa?
    Mihainoa An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
w00 15/11 p. 24-27

Afaka Maka Lesona avy Amin’ny Mpivady Olombelona Voalohany Isika

NANDINIKA ny planeta Tany Andriamanitra. Teo am-panomanana azy io mba ho fonenan’ny olombelona izy. Hitany fa tsara daholo ny zavatra rehetra vao nataony. Raha ny marina, rehefa vita izany asa izany, dia nilaza izy fa “tsara indrindra” izany. (Genesisy 1:12, 18, 21, 25, 31). Talohan’ny nanaovany izany fanatsoahan-kevitra marina tanteraka izany anefa, dia nilaza Andriamanitra fa nisy zavatra “tsy tsara”. Mazava ho azy fa tsy nisy tsy lavorary ny zavatra nataon’Andriamanitra. Mbola tsy ampy fotsiny ny zavatra noforoniny. “Tsy tsara raha irery ralehilahy”, hoy i Jehovah. “Hanaovako vady sahaza ho azy izy.”​—Genesisy 2:18.

Fikasan’i Jehovah ny hiainan’ny fitambaran’olona mandrakizay ao amin’ny paradisa an-tany, ho salama sy sambatra ary hanana ny ampy. I Adama no rain’ny olombelona rehetra. I Eva vadiny dia nanjary ny “renin’ny olombelona rehetra”. (Genesisy 3:20). Na dia an’arivo tapitrisany maro aza ny taranany mameno ny tany ankehitriny, dia tsy lavorary velively ny olombelona.

Fantatry ny rehetra ny tantaran’i Adama sy i Eva. Soa inona anefa no azontsika amin’izany? Inona no lesona azontsika raisina avy amin’ny zavatra niainan’ilay mpivady olombelona voalohany?

“Lahy sy vavy no namoronany azy”

Rehefa nanome anarana ireo biby i Adama, dia hitany fa nanana vady izy ireo, fa izy kosa tsy nanana. Koa rehefa nahita ilay zavaboary tsara tarehy novolavolain’i Jehovah avy tamin’ny taolan-tehezany àry izy, dia faly. Takatr’i Adama fa tapany iray avy taminy irery ihany izy io, ka nihiaka izy hoe: “Ankehitriny dia taolana avy amin’ny taolako sy nofo avy amin’ny nofoko ity; ity dia hatao hoe ‘vehivavy,’ satria lehilahy no nanalana azy.”​—Genesisy 2:18-23.

Nila “mpanampy” ralehilahy. Nanana mpanampy iray izay nifanentana taminy tokoa izy izao. Fameno izay nety tanteraka ho an’i Adama i Eva​—mba hikarakara ilay zaridaina fonenany sy ireo biby, mba hiteraka, ary mba handrisika ny saina sy hanohana azy toy ny tena namana.​—Genesisy 1:26-30, NW.

Nomen’i Jehovah azy mivady izay rehetra niriny ara-drariny. Tamin’ny fitondrana an’i Eva tany amin’ny vadiny mba hanakambanana azy ireo tamin’ny fomba ofisialy, dia nanorina ny fanambadiana sy ilay fianakaviana izay entina handaminana ny fitambaran’olona Andriamanitra. Milaza ilay fitantarana ao amin’ny Genesisy hoe: “Ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany ireo.” Ary rehefa nitso-drano ilay mpivady voalohany i Jehovah sady nilaza taminy mba ho maro fara, dia mazava fa izao no fikasany: Ho teraka ao anatin’ny fianakaviana be fiahiana iray, misy ray sy reny hikarakara azy, ny zaza tsirairay.​—Genesisy 1:28; 2:24.

“Tahaka ny endrik’Andriamanitra”

Zanaka lavorarin’Andriamanitra, izay nataony tahaka ny ‘endriny sy ny tarehiny’, i Adama. Koa satria “Andriamanitra dia fanahy”, dia tsy nety ho ara-batana ilay fitoviana. (Genesisy 1:26; Jaona 4:24). Ny mampitovy azy dia ny toetra izay nanandratra ny olona ho ambony lavitra noho ny biby. Eny, hatramin’ny voalohany dia toetra efa napetraka tao amin’ny olona ny fitiavana, ny fahendrena, ny hery ary ny fitiavana ny rariny. Nomena safidy malalaka sy fahafahana ho liana amin’ny zavatra ara-panahy izy. Teraka nanana feon’ny fieritreretana izy, ka afaka nanavaka ny tsara sy ny ratsy. Nanana fahaizana ara-tsaina ralehilahy, ka afaka nisaintsaina momba ny anton’ny fisian’ny olombelona, nanangona fahalalana momba ny Mpamorona azy, ary nanorina fifandraisana akaiky taminy. Ampy fitaovana izao i Adama, nanana izay rehetra nilainy mba hanatontosana ilay andraikiny tamin’ny naha mpitantana ny asa tanan’Andriamanitra tetỳ an-tany azy.

Nanota i Eva

Tsy isalasalana fa nolazain’i Adama tamin’i Eva tsy nisy hataka andro ilay hany fandrarana avy tamin’i Jehovah: Afaka nihinana tamin’ny voan’ny hazo rehetra tao amin’ilay zaridaina fonenany izy ireo, afa-tsy tamin’ny iray ihany​—dia ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Tsy tokony hihinana tamin’izy io izy ireo. Raha nanao izany izy ireo, dia ho faty ny androtr’iny ihany.​—Genesisy 2:16, 17.

Tsy ela dia nipoitra ny raharaha iray nahakasika ilay voankazo voarara. Nohatonin’ny bibilava iray, izay nampiasain’ny fanahy tsy hita maso iray hitondra ny teniny, i Eva. Toy ny tsy nahafantatra na inona na inona ilay bibilava, rehefa nanontany hoe: “Hanky! efa nataon’Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra eo amin’ny saha?” Namaly i Eva fa azo natao ny nihinana tamin’ny voan’ny hazo rehetra afa-tsy ny iray ihany. Teo anefa dia nanohitra izay nolazain’Andriamanitra ilay bibilava, ka nilaza tamin-dravehivavy hoe: “Tsy ho faty tsy akory hianareo; fa fantatr’Andriamanitra fa amin’izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an’Andriamanitra hianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy.” Nanomboka niova ny fomba fijerin-dravehivavy ilay hazo voarara. “Tsara ho fihinana ny hazo sady mahafinaritra ny maso”. Voafitaka tanteraka i Eva, ka nandika ny lalàn’Andriamanitra.​—Genesisy 3:1-6; 1 Timoty 2:14.

Tsy azo nihodivirana ve ny fahotan’i Eva? Tsy izany velively! Mipetraha ange eo amin’ny toerany e! Nanolana tanteraka izay nolazain’Andriamanitra sy i Adama ilay bibilava. Hanao ahoana ny fihetseham-ponao raha misy olona tsy fantatra iray miampanga ny olona iray tianao sy itokisanao ka milaza azy ho nanao ny tsy marina? Tokony ho hafa ny fihetsik’i Eva, ka ho nampiseho rikoriko sy hatezerana, ary ho nanda tsy hihaino mihitsy aza. Rehefa heverina, iza moa ilay bibilava no sahy hametraka fisalasalana momba ny fahamarinan’Andriamanitra sy ny tenin’ny vadiny? Ho fanajana ny fahefan’izay lohany, dia tokony ho nitady torohevitra aloha i Eva vao nanapa-kevitra. Izany koa no tokony hataontsika, rehefa ilazana zavatra mifanohitra amin’ireo toromarika avy amin’Andriamanitra isika. Nino ny tenin’ilay Mpaka Fanahy anefa i Eva, ka naniry hanapa-kevitra samirery ny amin’izay tsara sy ratsy. Arakaraka ny nieritreretany foana ilay izy no nahitany ilay izy ho nanintona. Fahadisoana lehibe tokoa no nataony rehefa nanolokolo fanirian-dratsy, fa tsy nanaisotra izany tao an-tsainy na niresaka ilay raharaha tamin’ilay lohan’ny fianakaviany!​—1 Korintiana 11:3; Jakoba 1:14, 15.

Nihaino ny feon’ny vadiny i Adama

Tsy ela dia nitaona an’i Adama hiaraka hanota taminy i Eva. Nahoana i Adama no nanaraka ambokony? (Genesisy 3:6, 17). Teo anoloan’i Adama ny safidy: Iza tamin’ireo andaniny roa nifanandrina no hanehoany tsy fivadihana? Hankatò ny Mpamorona azy, izay nanome azy ny zava-drehetra, anisan’izany i Eva, vady malalany, ve izy? Moa ve i Adama hitady ny fitarihan’Andriamanitra ny amin’izay tokony hataony izao? Sa hiara-dia amin’ny vadiny hatramin’ny farany ralehilahy? Tena fantatr’i Adama tsara fa hevi-dravina ilay zavatra nantenain’ny vadiny ho azo tamin’ny fihinanana ilay voankazo voarara. Nahazo tsindrimandry hanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Tsy Adama no voafitaka, fa ny vehivavy no voafitaka, ka dia tonga mpanota.” (1 Timoty 2:14). Koa fanahy inian’i Adama àry ny nifidy ny hihantsy an’i Jehovah. Niharihary fa lehibe noho ny finoany ny fahaizan’Andriamanitra handamina ilay raharaha, ny fahatahorany ny ho tafasaraka tamin’ny vadiny.

Famonoan-tena no nataon’i Adama. Izany koa dia famonoana an’ireo taranaka rehetra izay navelan’Andriamanitra haterany noho ny famindram-pony, satria teraka tao anatin’ny ota izay nitondra fanamelohana ho faty daholo izy rehetra. (Romana 5:12). Novidina lafo dia lafo ny tsy fankatoavana noho ny fitiavan-tena!

Ny vokatry ny ota

Fahatsapana henatra no vokatry ny ota teo no ho eo. Tsy nihazakazaka hiresaka tamim-pifaliana tamin’i Jehovah izy mivady, fa niafina. (Genesisy 3:8). Rava ilay fisakaizany tamin’Andriamanitra. Rehefa nanontaniana momba izay nataony izy ireo, dia tsy nampiseho nenina, na dia samy nahafantatra aza fa nandika ny lalàn’Andriamanitra izy. Tamin’ny fihinanany ilay voankazo voarara, dia nanda ny hatsaram-pon’Andriamanitra izy ireo.

Vokatr’izany, dia nilaza Andriamanitra fa ho be ny fahorian-dravehivavy rehefa manana anaka. Ny vadiny no hianteheran’ny fanirian’i Eva mafy, ary hanapaka azy ralehilahy. Nifanohitra tanteraka tamin’ny fahaleovan-tena niezahany ho azo, araka izany, no hitany. Fahoriana izao no hihinanan’i Adama ny vokatry ny tany. Tsy mba nisasatra izy nampitony ny hanoanany tao Edena, nefa izao izy dia tsy maintsy niady mafy mba hivelomana, mandra-piveriny tamin’ny vovoka izay nanaovana azy.​—Genesisy 3:16-19.

Farany, dia noroahina avy tao amin’ny zaridainan’i Edena i Adama sy i Eva. Hoy i Jehovah: “Indro, ny olona efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ka hahalala ny tsara sy ny ratsy; ary ankehitriny, andrao haninjitra ny tànany izy, ka hakany koa ny hazon’aina, ary hohaniny, ka ho velona mandrakizay izy[..., NW ]”. “Tapaka antenatenany ilay fehezanteny”, hoy ny nomarihin’ilay manam-pahaizana atao hoe Gordon Wenham, ary anjarantsika ny mameno ny hevitra tian’Andriamanitra hambara​—angamba hoe “andeha handroaka azy tsy ho ao amin’ilay zaridaina aho”. Mazàna ny mpanoratra ny Baiboly no mitatitra ny hevitra feno nambaran’Andriamanitra. Eto anefa, hoy ihany i Wenham, dia “milaza ny hafaingan’ny zavatra nataon’Andriamanitra ny tsy filazana ny teny farany. Mbola tsy tapitra akory ny teniny, dia efa noroahina avy tao amin’ilay zaridaina izy ireo”. (Genesisy 3:22, 23). Toa nitsahatra tamin’izay ny fifandraisana rehetra nisy tamin’i Jehovah sy ilay mpivady voalohany.

Tsy maty ara-bakiteny nandritra iny andro nisy 24 ora iny i Adama sy i Eva. Maty teo amin’ny lafiny ara-panahy anefa izy ireo. Tafasaraka tamin’ilay Loharanon’ny fiainana izy ireo​—toe-javatra tsy nisy fanafany intsony​—ka nanomboka nikororosy ho amin’ny fahafatesana. Alao sary an-tsaina ny ngidin’ny nahitany voalohany olona niharan’ny fahafatesana, rehefa novonoin’i Kaina, zanany lahimatoa, i Abela, zanany lahiaivo!​—Genesisy 4:1-16.

Taorian’izay, dia vitsy kokoa ny zavatra fantatra momba ilay mpivady olombelona voalohany. Rehefa 130 taona i Adama, dia teraka i Seta, zanany lahy fahatelo. Valonjato taona tatỳ aoriana, dia maty i Adama, rehefa 930 taona sy rehefa avy niteraka “zazalahy sy zazavavy”.​—Genesisy 4:25; 5:3-5.

Lesona ho antsika

Sady mampiseho ny antony mampikororosy ny fitambaran’olona ankehitriny ny tantaran’ilay mpivady voalohany, no manome lesona tena lehibe ho antsika. Hadalana tanteraka izay rehetra mety ho fahasahiana tsy hiankina amin’i Jehovah Andriamanitra. Ireo izay tena hendry dia maneho fatokisana an’i Jehovah sy ny Teniny, fa tsy ny fahalalany manokana, izay heveriny ho ampy. I Jehovah no mamaritra ny atao hoe tsara sy ratsy, ary ny fankatoavana azy no fototry ny fanaovana izay mahitsy. Ny hoe manao ratsy dia midika hoe mandika ny lalàny sy tsy miraharaha ny foto-pitsipiny.

Andriamanitra dia nanolotra ary mbola manolotra izay rehetra mety hirin’ny olombelona​—fiainana mandrakizay, fahafahana, fahafaham-po, fahasambarana, fahasalamana, fiadanana, fahombiazana ary fahitan-java-baovao. Raha ta hahazo izany rehetra izany anefa isika, dia tokony hanaiky fa miankina tanteraka amin’i Jehovah, ilay Raintsika any an-danitra, isika.​—Mpitoriteny 3:10-13; Isaia 55:6-13.

[Efajoro/Sary, pejy 26]

Adama sy Eva​—Angano Fotsiny Ve?

Niely patrana teo amin’ny Babylonianina, ny Asyrianina, ny Ejipsianina ary ny hafa tamin’ny andro fahiny, ny finoana fa nisy paradisa iray tany am-boalohany izay nafoy noho ny ota. Samy manisy firesahana momba ny hazon’aina iray ny fitantarana maro, ary milaza fa ny voany dia hanome fiainana mandrakizay ho an’izay mihinana azy. Koa tadidin’ny olombelona àry fa nisy loza nitranga tao Edena.

Ankehitriny, dia manilika ny fitantarana ara-baiboly momba an’i Adama sy i Eva ho angano fotsiny ny olona maro. Manaiky anefa ny ankamaroan’ny mpahay siansa fa fianakaviana iray avy amin’ny razambe iombonana iray ny taranak’olombelona. Teôlôjiana maro no tsy afaka mandà fa niampita tamin’ny olombelona rehetra ny vokatry ny fahotana tany am-boalohany nataon’ny razambe iombonana iray. Ny finoana fa loharano mihoatra ny iray no niavian’ny olombelona, dia hanery azy hilaza fa razambe maromaro no nanao ilay ota tany am-boalohany. Izany kosa dia hanery azy ireo handa fa nanavotra ny olombelona i Kristy, ilay “Adama farany”. Tsy sahiran-tsaina toy izany anefa i Jesosy sy ny mpianany. Nanaiky izy ireo fa nilaza zavatra tena nisy ilay fitantarana ao amin’ny Genesisy.​—1 Korintiana 15:22, 45; Genesisy 1:27; 2:24; Matio 19:4, 5; Romana 5:12-19.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara