FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w02 15/12 p. 19-22
  • Fantatrao ve i Safana sy ny Fianakaviany?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fantatrao ve i Safana sy ny Fianakaviany?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nanohana ny fivavahana marina i Safana
  • Ahikama sy Gedalia
  • Gemaria sy Mikaia
  • Elasa sy Jazania
  • Tena nisy ve i Safana sy ny fianakaviany?
  • Inona no fianarana azontsika raisina?
  • Safana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ahikama
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Gemaria
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Tadidinao Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
w02 15/12 p. 19-22

Fantatrao ve i Safana sy ny Fianakaviany?

EFA mba voamarikao tao amin’ny Baibolinao ve ny firesahana momba an’i Safana sy ny fianakaviany, izay nanana toerana ambony? Iza moa izy ireo? Inona no nataony? Ary inona no fianarana azontsika raisina avy aminy?

Ny firesahan’ny Baiboly voalohany momba an’i ‘Safana, zanak’i Azalia, zanak’i Mesolama’, dia nifandray tamin’ny namerenan’i Josia tamin’ny laoniny ny fivavahana marina, tamin’ny taona 642 Talohan’i Kristy (T.K.). (2 Mpanjaka 22:3) Mifandray amin’ireo 36 taona talohan’ny nandravana an’i Jerosalema tamin’ny 607 T.K. kosa ny firesahana voalohany momba ny zanany lahy efatra, dia i Ahikama, Elasa, Gemaria, ary Jazania, sy ny zafikeliny roa lahy, dia i Mikaia sy Gedalia. (Jereo ny tabilao.) Manazava ny Rakipahalalana Judaica (anglisy) hoe: “Nanana toerana ambony [tao amin’ny fanjakan’i Joda] ny fianakavian’i Safana. Mpanora-dalànan’ny mpanjaka izy ireo, nanomboka tamin’ny andron’i Josia ka hatramin’ny Sesitany.” Hojerentsika izay lazain’ny Baiboly momba an’i Safana sy ny fianakaviany, izay nanampy an’i Jeremia mpaminany sy nanohana ny fivavahana marina tamin’i Jehovah.

Nanohana ny fivavahana marina i Safana

Mpanao kopia sy mpitan-tsoratry ny mpanjaka i Safana tamin’ny 642 T.K.; 25 taona i Josia Mpanjaka tamin’izay. (Jeremia 36:10) Inona no nataon’i Safana tamin’izany? Milaza ilay rakipahalalana voalaza tetsy ambony fa ny mpanora-dalàna sy mpitan-tsoratry ny mpanjaka dia mpanolo-tsaina akaiky azy, ary niandraikitra ny toe-karena, sady nahay nifampiraharaha tamin’ny firenen-kafa. Nanam-pahaizana momba ny raharaham-bahiny sy ny lalàna iraisam-pirenena ary ny raharaham-barotra koa izy. Anisan’ny olona ambony indrindra teo amin’ny fitondrana àry i Safana, noho izy mpitan-tsoratry ny mpanjaka.

Folo taona talohan’izay, dia “niantomboka nitady an’Andriamanitr’i Davida rainy” i Josia, na dia mbola kely aza. Toa zokin’i Josia an-taona maro i Safana, ka afaka nanome azy torohevitra ara-panahy tsara, sy nanampy azy hamerina tamin’ny laoniny ny fivavahana marina.a—2 Tantara 34:1-8.

Rehefa namboarina ny simba teo amin’ny tempoly, dia hita tao ny “bokin’ny lalàna”, ary “novakin’i Safana teo anatrehan’ny mpanjaka” ilay izy. Taitra mafy i Josia nahare izay voalaza tao, ka naniraka lehilahy azony nitokisana tany amin’i Holda mpaminanivavy, mba hanontany an’i Jehovah momba ilay boky. Anisan’ireo nirahin’ny mpanjaka i Safana sy Ahikama zanany, ka tsy maintsy ho olona natokisany.—2 Mpanjaka 22:8-14; 2 Tantara 34:14-22.

Izay ihany no zavatra nataon’i Safana tantarain’ny Baiboly. Lazaina fotsiny hoe rain’i anona na i anona izy, any amin’ny andininy hafa. Niara-niasa akaiky tamin’i Jeremia mpaminany ny taranak’i Safana.

Ahikama sy Gedalia

Araka ny efa hitantsika, dia nifandray tamin’ireo solontena nirahina tany amin’i Holda mpaminanivavy ny firesahana voalohany momba an’i Ahikama, zanak’i Safana. Milaza toy izao ny boky iray: “Na dia tsy voalaza ao amin’ny Soratra Hebreo aza ny anjara asan’i Ahikama, dia toa nitana toerana ambony izy.”

Notandindomin-doza ny ain’i Jeremia, 15 taona taorian’iny zava-nitranga iny. Rehefa nampitandrina ny vahoaka izy hoe horavan’i Jehovah i Jerosalema, dia “nosamborin’ny mpisorona sy ny mpaminany mbamin’ny vahoaka rehetra izy ka nataony hoe: Ho faty tokoa hianao.” Inona no nitranga taorian’izay? Izao no tohin’ilay fitantarana: “Ny tànan’i Ahikama, zanak’i Safana, dia nomba an’i Jeremia mba tsy hanolorana azy ho eo an-tànan’ny vahoaka hovonoiny.” (Jeremia 26:1-24) Milaza inona amintsika izany? Hoy ny Rakibolana Vatofantsika Momba ny Baiboly (anglisy): “Nohamarinin’iny zava-nitranga iny fa nanana fahefana i Ahikama, ary tsara fanahy tamin’i Jeremia izy, toy ny mpianakavin’i Safana hafa.”

Natao sesitany ny ankamaroan’ireo Jiosy rehefa afaka 20 taona teo ho eo, rehefa noravan’ny Babylonianina i Jerosalema tamin’ny 607 T.K. Tamin’izay dia voatendry ho governoran’ireo Jiosy sisa tavela ilay zafikelin’i Safana atao hoe Gedalia, zanak’i Ahikama. Nikarakara an’i Jeremia koa ve izy, toy ny nataon’ny mpianakavin’i Safana hafa? Izao no lazain’ny Baiboly: “Ary Jeremia nankany amin’i Gedalia, zanak’i Ahikama, tany Mizpa ka niara-nonina taminy.” Nisy namono i Gedalia rehefa afaka volana vitsivitsy, ary nentin’ny olona tany Ejipta i Jeremia.—Jeremia 40:5-7; 41:1, 2; 43:4-7.

Gemaria sy Mikaia

Nandray anjara lehibe tamin’ireo zava-nitranga tantarain’ny Jeremia toko faha-36 i Gemaria, zanak’i Safana, sy Mikaia, zafikeliny. Ny taona 624 T.K. tamin’izay, dia ny taona fahadimy nanjakan’i Joiakima. Tao amin’ny tranon’i Jehovah, “tao amin’ny efi-tranon’i Gemaria, zanak’i Safana”, i Baroka, mpitan-tsoratr’i Jeremia, rehefa namaky ny bokin’i Jeremia. Araka izany, dia “ren’i Mikaia, zanak’i Gemaria, zanak’i Safana, ny tenin’i Jehovah rehetra tamin’ny boky.”—Jeremia 36:9-11.

Nambaran’i Mikaia tamin’ny rainy sy ny mpanapaka hafa ny amin’ilay horonan-taratasy, ary samy te hahalala izay noraketiny izy rehetra. Nanao ahoana ny fihetsik’izy ireo? “Ary rehefa reny ny teny rehetra, dia nifampijerijery tamin-tahotra izy, ka hoy izy tamin’i Baroka: Tsy maintsy holazainay amin’ny mpanjaka izany teny rehetra izany.” Talohan’ny niresahany tamin’ny mpanjaka anefa, dia nanoro hevitra an’i Baroka izy ireo hoe: “Mandehana, ka miere hianao sy Jeremia, ary aoka tsy hisy olona hahita izay itoeranareo.”—Jeremia 36:12-19.

Araka ny efa nampoizina, dia nanda ny hafatra tao amin’ilay horonan-taratasy ny mpanjaka, ka nandoro azy io. ‘Nifona tamin’ny mpanjaka, mba tsy handoro ny horonan-taratasy ny mpanapaka sasany, toa an’i Gemaria, zanak’i Safana, kanefa tsy nety nihaino azy izy.’ (Jeremia 36:21-25) Izao no famaranan-tenin’ilay boky hoe Arkeolojia Momba An’i Jeremia (anglisy): “Nanampy an’i Jeremia foana i Gemaria tao an-dapan’i Joiakima Mpanjaka.”

Elasa sy Jazania

Noraisin’ny Babylonianina ny fitondrana tao Joda tamin’ny 617 T.K. Jiosy an’arivo no natao sesitany, ka anisan’izany i Ezekiela, sy “ny mpanapaka rehetra sy ny lehilahy mahery rehetra, . . . mbamin’ny mahay tao-zavatra rehetra sy ny mpanefy koa.” I Matania, no notendren’ny Babylonianina ho mpanjaka vaovao teo ambany fahefany, ary novany hoe Zedekia ny anarany. (2 Mpanjaka 24:12-17) Naniraka solontena tany Babylona i Zedekia, ka iray tamin’izany i Elasa, zanak’i Safana. Nanankinan’i Jeremia taratasy nisy hafatra lehibe avy tamin’i Jehovah ho an’ny Jiosy tany an-tsesitany, i Elasa.—Jeremia 29:1-3.

Asehon’ny Baiboly àry fa nampiasa ny fahefany i Safana sy ny telo tamin’ny zanany lahy ary ny roa tamin’ny zafikeliny, mba hanohanana ny fivavahana marina sy hanampiana an’i Jeremia mpaminany nahatoky. Ahoana kosa ny amin’i Jazania, zanak’i Safana? Nanompo sampy izy, fa tsy mba toy ny mpianakavin’i Safana hafa. Nahazo fahitana i Ezekiela mpaminany tamin’ny 612 T.K., na ny taona fahenina nanaovana sesitany azy, ka hitany ny lehilahy 70 nandoro ditin-kazo manitra ho an’ny sampy tao amin’ny tempolin’i Jerosalema. Anisan’izy ireo i Jazania, ary izy irery no voatonona anarana. Mety hidika izany fa izy no mpitarika azy ireo. (Ezekiela 8:1, 9-12) Ny nataon’i Jazania dia mampiseho fa tsy voatery ho tonga mpanompon’i Jehovah mahatoky ny olona iray notezaina tao amin’ny fianakaviana matahotra an’Andriamanitra. Tompon’andraikitra amin’izay fidiny hatao ny tsirairay.—2 Korintiana 5:10.

Tena nisy ve i Safana sy ny fianakaviany?

Nanjary fanao tany Joda ny fampiasana fitomboka, tamin’ny fotoana nananan’i Safana sy ny fianakaviany toerana ambony tao Jerosalema. Nampiasaina mba hanaovana sonia taratasy sy hanamarinana ny tompony ny fitomboka. Vita tamin’ny vatosoa, vy, ivoara, na tavoahangy izy ireny. Nisoratra teo amin’ilay fitomboka ny anaran’ilay tompony sy ny anaran-drainy, ary indraindray koa ny fahefan’ilay tompony.

Fitomboka tanimanga tamin’ny teny hebreo an-jato no hitan’ny mpikaroka. Hoy i Nahman Avigad, manam-pahaizana momba ny soratra tranainy: “Ny soratra eo amin’ny fitomboka ihany no soratra hebreo ahitana anaran’olona avy ao amin’ny Baiboly.” Misy fitomboka ahitana ny anaran’i Safana sy ny fianakaviany ve? Eny tokoa. Aseho eo amin’ny pejy 19 sy 21 ny fitomboka iray misy ny anaran’i Safana sy Gemaria zanany.

Milaza koa ny manam-pahaizana fa misy fitomboka hafa ahitana ny anaran’ny mpianakavin’i Safana efatra, dia i Azalia rainy, Ahikama sy Gemaria zanany, ary Gedalia, izay lazain’ny fitomboka iray fa “mpanapaka ny Tranon’ny mpanjaka.” An’i Gedalia, zafikelin’i Safana, angamba ny fahefatra tamin’ireo fitomboka ireo, na dia tsy voatonona aza ny anaran’i Ahikama rainy. Iray tamin’ireo nanam-pahefana ambony indrindra izy, araka ny soratra teo amin’ilay fitomboka.

Inona no fianarana azontsika raisina?

Ohatra tsara tokoa no navelan’i Safana sy ny fianakaviany, izay nampiasa ny fahefany mba hanohanana ny fivavahana marina sy hanampiana an’i Jeremia mpaminany nahatoky! Tokony hampiasa ny fananantsika sy ny fahefantsika koa isika, mba hanohanana ny fandaminan’i Jehovah sy hanampiana ny mpiara-mivavaka amintsika.

Mitombo ny finoantsika sy ny zavatra fantatsika, rehefa mamaky tsy tapaka ny Baiboly sy mandalina azy io isika, ary miezaka hahafantatra an’ireo vavolombelon’i Jehovah fahiny, toa an’i Safana sy ny fianakaviany. Anisan’ireo ‘vavolombelona maro be toy ny rahona’ koa izy ireo, ary afaka manaraka ny ohatra navelany isika.—Hebreo 12:1.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Tokony ho zokin’i Josia an-taona maro i Safana, satria efa olon-dehibe i Ahikama, zanak’i Safana, tamin’i Josia 25 taona.—2 Mpanjaka 22:1-3, 11-14.

[Efajoro, pejy 22]

Holda—Mpaminanivavy To Teny

Rehefa nahare ny famakiana ilay “bokin’ny lalàna” hita tao amin’ny tempoly i Josia Mpanjaka, dia naniraka an’i Safana sy ny manam-pahefana efatra hafa, mba ‘hanontany an’i Jehovah’ momba ilay boky. (2 Mpanjaka 22:8-20) Taiza no azon’izy ireo naleha? Tany Joda i Jeremia tamin’izany, ary i Nahoma sy Zefania koa angamba; samy mpaminany sy mpanoratra ny Baiboly izy ireo. Tany amin’i Holda mpaminanivavy anefa no nalehan’ireo solontena nirahina.

Hoy ilay boky hoe Arkeolojia Momba An’i Jerosalema (anglisy): “Mahagaga fa tsy nasongadin’io tantara io mihitsy ilay resaka hoe vehivavy sy lehilahy. Tsy nisy na iray aza nihevitra fa tsy nety ny nitondran’ireo lehilahy ireo an’ilay Horonan’ny Lalàna tany amin’ny vehivavy iray, mba hahafantarana ny fiavian’ilay izy. Rehefa nilaza ilay vehivavy fa tenin’Andriamanitra izy io, dia tsy nisy nitsipaka ny fahefany hilaza izany. Odian’ny manam-pahaizana tsy hita io tantara io matetika, rehefa miresaka momba ny toerana notanan’ny vehivavy teo amin’ny Isiraely fahiny izy ireo.” Mazava ho azy anefa fa avy tamin’i Jehovah ilay valin-teny.

[Kisary/Sary, pejy 21]

(Jereo ny gazety)

Ny Fianakavian’i Safana

Mesolama

↓

Azalia

↓

Safana

↓ ↓ ↓ ↓

Ahikama Elasa Gemaria Jazania

↓ ↓

Gedalia Mikaia

[Sary, pejy 20]

Nifona tamin’i Joiakima i Gemaria sy ny olon-kafa, mba tsy handorany ilay horonan-taratasy avy tany amin’i Jeremia

[Sary, pejy 22]

Mpianakavin’i Safana koa i Jazania, kanefa nasehon’ny fahitana iray fa nivavaka tamin’ny sampy izy

[Sary nahazoan-dalana, pejy 19]

Courtesy Israel Antiquities Authority

[Sary nahazoan-dalana, pejy 21]

Courtesy Israel Antiquities Authority

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara