FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w03 15/1 p. 2-3
  • Nanjakan’i Satana ve ny Taonjato Faha-20?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nanjakan’i Satana ve ny Taonjato Faha-20?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny Famonoana Tambabe: Inona no Lazain’ny Baiboly?
    Foto-kevitra Hafa
  • Nahoana no Navelan’Andriamanitra Hamono Olona Tambabe ny Nazia?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Ny Fijalian’ny Olombelona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Tena Miaina Amin’ny “Andro Farany” ve Isika?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
w03 15/1 p. 2-3

Nanjakan’i Satana ve ny Taonjato Faha-20?

“REHEFA jerena ny faharatsiana be dia be tamin’ity taonjato ity, dia mety ny hilazana fa nanjakan’i Satana izy ity. Mbola tsy mafy toy izao mihitsy ny faniriana hamono olona an-tapitrisa noho ny firazanany na ny fivavahany na ny sarangany.”

Izany no hita tao amin’ny Gazetin’i New York (anglisy) tamin’ny 26 Janoary 1995. Ny nahatonga izany fanamarihana izany dia ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny nanafahana ireo gadra tsy nanan-tsiny tany amin’ny toby famonoan’ny Nazia olona. Jiosy enina tapitrisa teo ho eo no naripak’izy ireo nandritra ny Ady Lehibe II. Io no anisan’ny malaza indrindra amin’ny fandripahana foko hatramin’izay. Maro be koa ny tsy Jiosy novonoina, toy ireo Poloney efa ho telo tapitrisa. Matetika anefa izy ireo no tsy raharahaina satria tsy Jiosy.

Hoy i Jonathan Glover ao amin’ilay bokiny hoe Ny Fitondran-tenan’ny Olona Nandritra ny Taonjato Faha-20 (anglisy): “Tombanana ho 86 tapitrisa ny olona matin’ny ady teo anelanelan’ny 1900 ka hatramin’ny 1989.” Hoy koa izy: “Sarotra vinanina anefa ny tena isan’ny olona matin’ny ady tamin’ity taonjato faha-20 ity, satria be loatra. Fanombantombanana fotsiny izany fa tsy mampiseho ny tena zava-misy. Efa ny androatokony eo ho eo (na 58 tapitrisa) mantsy no maty nandritra ny Ady Lehibe I sy II. Raha tsinjaraina mitovy anefa ny isan’ireo maty ireo nandritra ny taonjato faha-20, dia olona 2 500 teo ho eo isan’andro no ho matin’ny ady. Izany hoe maherin’ny 100 isan’ora no maty tsy an-kijanona, nandritra ny 90 taona.”

Izany no iantsoana ny taonjato faha-20 hoe taonjato be vonoan’olona indrindra. Niresaka momba ny fisedrana tamin’ny fotoana nitondran’i Staline, i Nadezhda Mandelstam, ao amin’ilay boky hoe Manantena Tsy Misy (rosianina). Hoy izy: “Nandresy ny ratsy, satria nodikaina sy tsy noraharahaina ny fitsipika andrandrain’ny olombelona.” Miady amin’ny ratsy tokoa ny tsara, nefa nandresy ve ny ratsy?

[Sary nahazoan-dalana, pejy 2]

FONONY: Zazavavy sy ny reniny: J.R. Ripper/SocialPhotos

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

U.S. Department of Energy photograph

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara