“Manatòna An’Andriamanitra, dia Hanatona Anareo Izy”
Fiainana Taloha sy Ankehitriny—Nahazo Hery Izy, ka Niova
NIHEVITRA ny tenany ho toy ny ondry nania tao amin’ny fianakaviany i Sandra, vehivavy iray any Meksika. Nailikilika sy tsy nanehoana fitiavana izy, tamin’izy zatovo. Hoy izy: “Tsapako ho banga foana ny fiainako tamin’izaho zatovo, ary nanontany tena aho hoe nahoana aho no velona, ary inona no dikan’ny fiainana.”
Nanomboka nisotro ny divay napetraky ny rainy tao an-trano izy, fony nianatra teny amin’ny lise. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanomboka nividy toaka mihitsy izy, ka lasa alkaolika. “Tsy te ho velona intsony aho”, hoy izy. Kivy i Sandra, ka nampiasa zava-mahadomelina. “Ny toaka sy ny zava-mahadomelina nentiko tao anaty poketrako no hany nanampy ahy hanadino ny zava-nanahirana ahy”, hoy izy.
Lasa mpisotro toaka be i Sandra, rehefa vita ny fianarany ho dokotera. Nanandrana namono tena izy, nefa mbola velona ihany.
Nankany amin’ny fivavahana maro samy hafa izy mba hitady fanampiana ara-panahy sy ara-pihetseham-po, nefa tsy nahita. Kivy sy namoy fo izy, ka imbetsaka no nitaraina tamin’Andriamanitra hoe: “Fa aiza àry ianao no tsy manampy ahy?” Tamin’izy nahatsiaro tena ho tsy nisy hajany intsony no nisy Vavolombelon’i Jehovah niresaka taminy. Nahatonga azy hianatra Baiboly izany. Tena faly i Sandra rehefa fantany fa eo “akaikin’izay manana fo mangorakoraka Jehovah.”—Salamo 34:18.
Nanampy an’i Sandra ny mpampianatra Baiboly azy hahatakatra hoe fantatr’i Jehovah fa mora resin’ny fakam-panahy isika, satria nandova ota sy tsy fahalavorariana avy tamin’i Adama. Takatr’i Sandra fa fantatr’Andriamanitra hoe tsy vitantsika ny manaraka an-tsakany sy an-davany ny fitsipiny marina. (Salamo 51:5; Romana 3:23; 5:12, 18) Nahafaly azy ny nahafantatra fa tsy mifantoka amin’ny fahalementsika i Jehovah, ary tsy mitaky mihoatra noho izay azontsika atao. Nanontany ny mpanao salamo hoe: “Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô, iza no hahajanona, Tompo ô?”—Salamo 130:3.
Ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy no fahamarinana ara-baiboly tena nampientam-po an’i Sandra. Na dia tsy lavorary aza ny olombelona dia anehoan’i Jehovah famindram-po amin’ny alalan’io sorona io. Raha mankatò azy, izy ireo, dia hanana laza tsara eo anatrehany. (1 Jaona 2:2; 4:9, 10) Eny, afaka mahazo famelan-keloka isika, ka amin’izay dia tsy hahatsapa tena ho tsy mendrika intsony.—Efesiana 1:7.
Nianatra lesona sarobidy avy tamin’ny ohatry ny apostoly Paoly i Sandra. Namindra fo tamin’i Paoly Andriamanitra, ka namela ny fahadisoany tamin’ny lasa, sy nanampy azy tamin’ny ady mafy nataony mba handreseny ny fahalemena niverimberina. Tena nankasitraka izany i Paoly. (Romana 7:15-25; 1 Korintiana 15:9, 10) Nanitsy ny fiainany i Paoly. ‘Nasiany mafy ny tenany ho mangana ka nandevoziny’ mba hahazoany sitraka foana tamin’Andriamanitra. (1 Korintiana 9:27) Tsy namela ny tenany ho andevon’ny faniriana hanota izy.
Nampahory an’i Sandra ny fahalemeny, nefa tsy nitsahatra niady tamin’izany izy. Nivavaka mafy tamin’i Jehovah izy mba hanampy azy handresy ny fahalemeny, sady nangataka ny famindram-pony. (Salamo 55:22; Jakoba 4:8) Afaka nanova ny fiainany i Sandra, satria tsapany fa miahy azy Andriamanitra. “Faly aho satria mampianatra Baiboly olona no andaniako ny ankamaroan’ny fotoanako”, hoy izy. Nanana tombontsoa nanampy ny zokiny vavy sy ny zandriny vavy hahafantatra an’i Jehovah i Sandra. Maniry “hanao soa” koa izy, ka manolo-tena hampiasa ny fahaizana ara-pitsaboana ananany any amin’ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah.—Galatiana 6:10.
Ahoana ny amin’ny fahazaran-dratsin’i Sandra? Feno toky izy nilaza hoe: “Milamina ny saiko. Tsy misotro, na mifoka sigara, na mampiasa zava-mahadomelina intsony, aho. Tsy mila an’ireny intsony aho. Hitako izay notadiaviko.”
[Teny notsongaina, pejy 9]
“Hitako izay notadiaviko”
[Efajoro, pejy 9]
Manan-kery ny Toro Lalan’ny Baiboly
Ireto misy toro lalan’ny Baiboly izay nanampy ny maro hanafa-tena tamin’ny fahazaran-dratsy maloto:
“Aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo na amin’ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.” (2 Korintiana 7:1) Ireo nanadio ny tenany ho afaka amin’ny fahalotoana, ka miala amin’ny fahazaran-dratsy no tahin’Andriamanitra.
“Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an’i Jehovah.” (Ohabolana 8:13) Ny tahotra sy ny fanajana an’Andriamanitra dia manampy ny olona iray hanafa-tena amin’ny fahazaran-dratsy, toy ny fidorohana zava-mahadomelina. Mampifaly an’i Jehovah sady voaro amin’ny aretina mampahatahotra ny olona nanao fiovana.
‘Maneke izay manapaka sy manam-pahefana, mankatoava’ azy ireo. (Titosy 3:1) Fandikan-dalàna ny manana sy mampiasa zava-mahadomelina, any amin’ny toerana maro. Tsy manana na mampiasa zava-mahadomelina tsy ara-dalàna ny Kristianina marina.