Ny Tena Antony Tokony Hinoana An’Andriamanitra
VOALAZAN’ILAY boky koreanina mitondra ny lohateny hoe Antony 31 Mahatonga ny Tanora Handao ny Eglizy, fa maro no tsy miangona intsony satria tsy mahazo valiny mahafa-po amin’ny fanontaniany. Tian’izy ireo ho fantatra, ohatra, hoe: ‘Nahoana ny olona mino an’Andriamanitra no mijaly?’ ary ‘Nahoana isika no tsy maintsy manaiky ny zava-drehetra ampianarin’ny eglizy, na dia mampisafotofoto sy mifanipaka aza ny ankamaroany?’
Maro no diso fanantenana noho ny valiny omen’ny mpitondra fivavahana, ka manatsoaka hevitra fa tsy mamaly ny fanontaniany ny Baiboly. Matetika koa ny olona no lasa manana hevi-diso momba an’Andriamanitra sy ny Baiboly, na lasa tsy mino azy ireo mihitsy aza, rehefa mandroso ny heviny manokana ny mpitondra fivavahana.
Izany no nanjo an’i Abel, Loteranina tany Afrika Atsimo. Hoy izy: “Ampianarin’ny eglizy fa ‘alain’Andriamanitra’ ny maty rehetra. Tsy azoko anefa hoe nahoana Andriamanitra, izay fitiavana, no ‘haka’ ny ray aman-dreny, ka hampisaraka azy amin’ny zanany. Tany ambanivohitra no nahalehibe ahy, ary tsy novonoinay mihitsy ny akoho, raha tsy efa lehibe ny zanany. Tsy novonoinay koa ny ombivavy bevohoka, raha tsy rehefa teraka sy tsy mampinono intsony. Tsy azoko hoe nahoana ilay Andriamanitra fitiavana no tsy maneho fiheverana toy izany amin’ny olombelona.”
Nisalasala toy izany koa ny Kanadianina iray atao hoe Aram. “Maty ny raiko tamin’izaho 13 taona”, hoy izy. “Nandritra ny fandevenana, dia nisy mpitondra fivavahana nilaza fa nirin’Andriamanitra ho faty ny raiko, mba ho akaiky kokoa azy any an-danitra. ‘Alain’Andriamanitra ny olona tsara’, hoy izy, ‘satria tiany ny olo-marina.’ Tsy azoko hoe nahoana Andriamanitra no tia tena be toy izany.”
Nifandray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Abel sy Aram tatỳ aoriana, ary nianatra Baiboly tamin’izy ireo, ka voavaly ny fanontaniany. Nanjary tia an’Andriamanitra sy nanana finoana natanjaka izy ireo. Nanolo-tena ho an’i Jehovah koa izy ireo, ary manompo azy amim-pahatokiana hatramin’izao.
Ny fahalalana marina no fototry ny finoana an’Andriamanitra
Inona no ianarantsika avy amin’ireo zava-nitranga ireo? Hitantsika avy amin’izany fa tena ilaina ny fahalalana marina ny Baiboly, mba hinoana an’Andriamanitra. Nilaza tamin’ny Kristianina tany Filipy fahiny ny apostoly Paoly hoe: “Izao foana no angatahiko amin’ny vavaka, dia ny hitomboan’ny fitiavanareo bebe kokoa hatrany, ao anatin’ny fahalalana marina tsara sy ny fahaiza-manavaka tanteraka.” (Filipianina 1:9) Asongadin’i Paoly eo fa mifandray amin’ny fahalalana marina tsara an’Andriamanitra sy ny sitrapony, ny fitiavana azy sy ny mpiray finoana.
Ara-dalàna izany, satria ny zavatra voalohany ilaina mba hatokisana olona, dia ny fahafantarana azy. Arakaraka ny hahafantaranao azy tsara no hatokisanao azy. Mila fahalalana marina tsara koa àry ianao, mba hinoanao an’Andriamanitra. Hoy i Paoly: “Ny finoana dia fiandrasana amin-toky ny zavatra antenaina, ary fanomezana porofo mazava ny zavatra tena misy izay tsy hita maso.” (Hebreo 11:1) Mora rava toy ny trano aorina eo amin’ny fasika ny finoana an’Andriamanitra, raha tsy mifototra amin’ny fahalalana marina ny Baiboly.
Raha mianatra Baiboly ianao, dia hahita ny valin’ny fanontaniana toy ny hoe: ‘Nahoana ny olona no maty?’ Io no nanahiran-tsaina an’i Abel sy Aram hatry ny ela. Hazavain’ny Baiboly fa ‘avy tamin’ny olona iray no nidiran’ny ota ho amin’izao tontolo izao, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.’ (Romanina 5:12) Ny fahotan’i Adama no mahatonga ny olona hihantitra sy ho faty, fa tsy Andriamanitra akory no maka azy ireo ho any aminy. (Genesisy 2:16, 17; 3:6, 17-19) Asehon’ny Baiboly koa ny tena fanantenana omen’i Jehovah Andriamanitra. Mampanantena ny olombelona mpanota izy, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany, fa hisy fitsanganana amin’ny maty.—Jaona 5:28, 29; Asan’ny Apostoly 24:15.
Tantarain’ny Baiboly ny fomba nananganan’i Jesosy ny olona sasany tamin’ny maty, mba hahafantarantsika ny tena atao hoe fitsanganana amin’ny maty. (Lioka 7:11-17; 8:40-56; Jaona 11:17-45) Mariho ny fifaliana lehibe tsapan’ireo namana sy fianakavian’ilay natsangana tamin’ny maty, rehefa mamaky ireo fitantarana ireo ianao. Mariho koa fa nanosika azy ireo hidera an’Andriamanitra sy hino an’i Jesosy izany.
Mety hitarika ny olona hanao izany koa ankehitriny ny fahalalana marina an’Andriamanitra sy ny fikasany. Maro no sahiran-tsaina sy velom-panahiana ary nanjary nanao fahadisoana mihitsy aza, satria tsy nahazo valiny nahafa-po tamin’ny fanontaniana lehibe napetrany. Nahazo valiny anefa izy ireo rehefa nianatra Baiboly, ary nanova tanteraka ny fiainany izany.
Ny fitiavana an’Andriamanitra no tena antony tokony hanompoana azy
Ilaina tokoa ny fahalalana marina mba hinoana an’Andriamanitra. Misy zavatra hafa ilaina anefa mba hahatonga ny fontsika ho voatosika hankatò sy hanompo azy. Rehefa nanontaniana i Jesosy hoe inona no didin’Andriamanitra lehibe indrindra, dia namaly izy hoe: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo sy ny sainao manontolo ary ny herinao manontolo.” (Marka 12:30) Ho vonona hankatò sy hanompo an’Andriamanitra ny olona iray, raha tia azy araka ny tenin’i Jesosy. Toy izany ve ny fitiavanao an’Andriamanitra?
Milaza ny antony inoany an’Andriamanitra i Rachel, misionera any Korea efa hatramin’ny taona maro. Hoy izy: “Eritreretiko ny fahalalahan-tanan’i Jehovah amin’ny zavaboariny, sy ny famelany heloka rehefa mifampiraharaha amin’ny vahoakany. Mitady izay hahasoa antsika koa izy, ka mampahafantatra izay tiany hataontsika. Mampitombo ny fitiavako an’Andriamanitra daholo izany. Ary izany fitiavana izany no mahatonga ahy haniry hanompo azy.”
Nanompo an’i Jehovah nandritra ny 48 taona izao i Marta, vehivavy iray maty vady, any Alemaina. Hoy izy: “Nahoana aho no manompo an’i Jehovah? Satria tiako izy. Mivavaka aminy aho isan-kariva, ary milaza aminy fa tena ankasitrahako ny fitahiany rehetra, indrindra fa ny vidim-panavotana.”
Manjary te hanompo an’Andriamanitra amin’ny fontsika tokoa isika, rehefa tia azy. Ahoana anefa no hananantsika izany fitiavana izany? Ny fankasitrahana lalina ny fitiavana nasehony tamintsika no tena hanosika antsika ho tia azy. Mampahatsiahy antsika ny Baiboly hoe: “Izay tsy tia kosa dia mbola tsy mahalala an’Andriamanitra, satria Andriamanitra dia fitiavana. Izao no nanehoana ny fitiavan’Andriamanitra tamintsika: Nirahiny ho amin’izao tontolo izao ny Zanany lahitokana mba hahazoantsika fiainana amin’ny alalany. Ary amin’izany lafiny izany, ny fitiavana dia tsy ny nitiavantsika an’Andriamanitra, fa ny nitiavany antsika ka nanirahany ny Zanany ho sorona fampihavanana noho ny fahotantsika.”—1 Jaona 4:8-10.
Takatrao tsara ve ny halehiben’io fitiavana io? Eritrereto hoe mitady hilentika ao anaty renirano mahery be ianao. Misy lehilahy iray anefa manao vivery ny ainy hamonjena anao. Hanadino azy ve ianao avy eo, sa ho lalina kosa ny fankasitrahanao azy? Moa ve ianao tsy ho vonona hanao izay rehetra azonao atao hanampiana azy? Lehibe lavitra noho izany anefa ny fitiavana nasehon’Andriamanitra, rehefa nanome an’i Jesosy Kristy Zanany ho sorom-panavotana. (Jaona 3:16; Romanina 8:38, 39) Manjary tia an’Andriamanitra sy te hanompo azy amin’ny fo manontolo ianao, rehefa manohina ny fonao ny fitiavany.
Fitahiana dieny izao sy amin’ny hoavy
Marina fa ny fitiavantsika an’Andriamanitra no tena antony hanaovantsika ny sitrapony. Mampahery koa anefa ny mahafantatra fa mamaly soa ny mpanompony izy. Hoy ny apostoly Paoly: “Raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin’Andriamanitra, satria izay manatona azy dia tsy maintsy mino fa misy izy sady mpamaly soa an’izay mitady azy fatratra.”—Hebreo 11:6.
Tena mitahy ny olona tia sy mankatò azy Andriamanitra. Maro no salama kokoa, satria manaraka ny toro lalan’ny Baiboly. (Ohabolana 23:20, 21; 2 Korintianina 7:1) Mazàna no itokisan’ny mpampiasa ny olona mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly momba ny fanaovana ny marina sy ny fahazotoana miasa, hany ka tsy atahorana ho voaroaka amin’ny asany loatra izy, raha oharina amin’ny hafa. (Kolosianina 3:23) Milamin-tsaina ny mpanompon’i Jehovah rehefa matoky azy, na dia manan-java-manahirana aza. (Ohabolana 28:25; Filipianina 4:6, 7) Ny fitahiana lehibe indrindra azon’izy ireo, dia ny fanantenana fiainana mandrakizay ao amin’ny Paradisa an-tany.—Salamo 37:11, 29.
Ahoana no fiheveran’ny olona an’i Jehovah, rehefa mahazo ireo fitahiana ireo izy? Mankasitraka an’Andriamanitra i Jacqueline, Kristianina any Kanada, ka hoy izy: “Tena tsara foana ny fanomezana atolony antsika, ary azo antoka ny fiainana mandrakizay ampanantenainy.” Maneho ny fihetseham-pony koa i Abel, izay efa noresahintsika tetsy aloha. Hoy izy: “Vaovao tamiko izany hoe fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa an-tany izany, ary tena tsy andriko izay hahatongavan’izany. Na tsy hisy aza anefa ny Paradisa, dia mbola ho faly foana aho haneho ny fitiavako an’Andriamanitra, ka hanompo azy.”
Afaka ny hanana ny tena finoana koa ianao
Hoy ny Baiboly: ‘Jehovah, Tompon’ny maro mitsara marina ka mamantatra ny voa sy ny fo.’ (Jeremia 11:20) Mandinika izay tena any am-pontsika lalina any i Jehovah. Tokony hodinihintsika tsirairay àry hoe inona no mahatonga antsika hino azy. Nanao zavatra tsy nety angamba isika taloha, satria nino zavatra diso momba azy. Afaka mihavana amin’i Jehovah Andriamanitra Mpamorona anefa isika, rehefa mahazo ny fahalalana marina tsara ny Baiboly.—1 Timoty 2:3, 4.
Mampianatra Baiboly maimaim-poana any an-tranon’ny olona ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hahafantaran’izy ireo ny marina momba an’Andriamanitra. (Matio 28:20) Nanjary tia an’Andriamanitra sy tena mino azy ny ankamaroan’izay nanaiky io fanampiana io. Nianatra Baiboly izy ireo, ka nahazo “ny tena fahendrena sy ny fisainana mazava.” ‘Mandroso amin-toky’ àry izy ireo amin’izao andro sarotra izao. (Ohabolana 3:21-23) Ny tena zava-dehibe dia manana fanantenana ‘azo antoka sy mafy orina’ izy ireo izao. (Hebreo 6:19) Afaka ny hanana ny tena finoana sy hahazo ireo fitahiana ireo koa ianao.
[Efajoro, pejy 6]
Fanontaniana Nahavery Hevitra sy Nilana Valiny
“Nahita olona tsara nijaly mafy noho ny aretina sy ny loza aho, tamin’izaho niofana ho mpitsabo tany amin’ny hopitaly. Nahoana izany no mitranga, raha misy Andriamanitra? Fomba ahazoana fiadanan-tsaina fotsiny ve ny fivavahana?”—Mpanaraka ny fivavahana presbyterianina taloha, any Korea.
“Matetika aho no nanontany tena hoe lasa any amin’ny afobe ve ny fanahin’ilay dadako mamo lava, sa nankany an-danitra. Tena natahotra ny maty sy ny afobe aho. Tsy azoko hoe nahoana ilay Andriamanitra fitiavana no mandefa olona hijaly mandrakizay any amin’ny afobe.”—Katolika taloha, any Brezila.
“Inona no hoavin’ny tany sy ny olombelona? Ahoana no hahafahan’ny olombelona hiaina mandrakizay? Ahoana no hahitany ny tena fiadanana?”—Katolika taloha, any Alemaina.
“Tsy mitombina amiko ilay fampianarana hoe teraka indray ao amin’ny vatana vaovao ny olona, rehefa maty. Tsy mivavaka mantsy ny biby, ka raha voasazy noho ny fahotanao ianao, ary teraka indray ao amin’ny vatan’ny biby, ahoana moa no hahafahanao hanarina ny ratsy vitanao sy hanatsara ny fitondran-tenanao?”—Hindoa taloha, any Afrika Atsimo.
“Konfiosianista ny fianakaviako, ary nanaraka ny fombafomba natao hampitonena ny razanay foana aho. Nandray anjara tamin’ny fanomanana ny latabatra hanaovanay sorona aho, ary niankohoka teo koa. Nanontany tena aho tamin’ireny fotoana ireny, raha tonga misakafo sy mahita anay niankohoka eo tokoa ny razanay.”—Konfiosianista taloha, any Korea.
Nahazo ny valin’ny fanontaniany ireo olona rehetra ireo, rehefa nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah.