FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w04 1/11 p. 8-13
  • Sambatra ny Mpanompon’i Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Sambatra ny Mpanompon’i Jehovah
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Mahatsapa fa mila an’Andriamanitra
  • Afaka ny ho sambatra ny ory
  • Sambatra ny malemy fanahy
  • Sambatra ny noana ny fahamarinana
  • Sambatra ny mamindra fo
  • Madio am-po sy mpampihavana
  • Mahasambatra ny Fanarahana ny Tenin’i Jesosy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Sambatra Izay Manompo An’ilay “Andriamanitra Falifaly”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
  • Ny Tena Mahasambatra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • Momba ny Fahasambarana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
w04 1/11 p. 8-13

Sambatra ny Mpanompon’i Jehovah

“Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.”—MATIO 5:3.

1. Inona no atao hoe tena fahasambarana, ary manaporofo inona izany?

FANANANA sarobidin’ny vahoakan’i Jehovah ny fahasambarana. Hoy i Davida mpanao salamo: “Sambatra ny firenena izay manana an’i Jehovah ho Andriamaniny.” (Salamo 144:15) Ny olona miadana sy milamin-tsaina ary finaritra no atao hoe sambatra. Ny fahasambarana lehibe indrindra, tsapantsika any anatintsika lalina any, dia avy amin’ny fahafantarana hoe tahin’i Jehovah isika. (Ohabolana 10:22) Ny fahasambarana toy izany dia porofo fa mifandray akaiky amin’ilay Raintsika any an-danitra isika, ary mahafantatra fa manao ny sitrapony. (Salamo 112:1; 119:1, 2) Misy zavatra sivy nolazain’i Jesosy fa mahasambatra antsika. Hiresaka izany ity lahatsoratra ity sy ilay manaraka. Hanampy antsika izany hahatakatra hoe tena ho sambatra isika, raha manompo amim-pahatokiana an’i Jehovah, ilay “Andriamanitra falifaly.”—1 Timoty 1:11.

Mahatsapa fa mila an’Andriamanitra

2. Oviana i Jesosy no niresaka momba ny fahasambarana, ary inona no teny nanokafany izany?

2 Nanao ny lahateny anisan’ny nalaza indrindra hatramin’izay i Jesosy, tamin’ny taona 31. Antsoina hoe Toriteny teo An-tendrombohitra izy io, satria nataon’i Jesosy teny an-tehezan-tendrombohitra, tany akaikin’ny Ranomasin’i Galilia. Hoy ny Filazantsaran’i Matio: “Rehefa nahita ny vahoaka [i Jesosy], dia niakatra teo an-tendrombohitra. Ary nanatona azy ny mpianany nony tafapetraka izy. Dia nanomboka nampianatra azy ireo izy hoe: ‘Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra, fa azy ny fanjakan’ny lanitra.’ ”—Matio 5:1-3.

3. Nahoana no sambatra ny olona manetry tena?

3 Noresahin’i Jesosy tamin’io toriteniny io fa tena ho sambatra ny olona, raha mahatsapa fa mila an’Andriamanitra. Mangataka ny famelan-kelok’i Jehovah, miorina amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy, ny Kristianina manetry tena, satria mahatakatra tsara fa mpanota izy. (1 Jaona 1:9) Milamin-tsaina sy tena sambatra izy ireo amin’izay. “Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany.”—Salamo 32:1; 119:165.

4. a) Inona no ataontsika raha tsapantsika fa mila an’Andriamanitra isika sy ny olon-kafa? b) Inona no vao mainka mahasambatra antsika, rehefa mahatsapa fa mila an’Andriamanitra isika?

4 Hiezaka hanao an’ireto isika, raha mahatsapa fa mila an’Andriamanitra: mamaky Baiboly isan’andro, mandray sakafo ara-panahy omen’ny ‘mpanompo mahatoky sy malina amin’ny fotoana mety’, ary manatrika fivoriana tsy tapaka. (Matio 24:45; Salamo 1:1, 2; 119:111; Hebreo 10:25) Tia ny mpiara-belona amintsika isika, sady mahatsapa fa mila an’Andriamanitra izy ireo. Izany no mahatonga antsika hazoto hitory sy hampianatra ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. (Marka 13:10; Romanina 1:14-16) Mahasambatra antsika ny miresaka ny fahamarinana ara-baiboly amin’ny olona. (Asan’ny Apostoly 20:20, 35) Vao mainka sambatra isika, rehefa misaintsaina ny fanantenana mahafinaritra momba ilay Fanjakana sy ny fitahiana hoentin’izy io. Manantena ny tsy ho faty mandrakizay any an-danitra, sy ho anisan’ny mpanjaka ao amin’ny Fanjakan’i Kristy, ohatra, ny “ondry vitsy”, na Kristianina voahosotra. (Lioka 12:32; 1 Korintianina 15:50, 54) Ny “ondry hafa” kosa manantena ny hiaina mandrakizay eto an-tany, eo ambanin’io Fanjakana io.—Jaona 10:16; Salamo 37:11; Matio 25:34, 46.

Afaka ny ho sambatra ny ory

5. a) Iza ireo “ory” resahina eto? b) Inona no mampahery azy ireny?

5 Toa mifanohitra ny tenin’i Jesosy manaraka momba ny fahasambarana. Hoy izy: “Sambatra ny ory, fa izy no hampiononina.” (Matio 5:4) Ahoana tokoa no mety hahasambatra ny olona ory? Tokony hofantarintsika hoe inona ilay fahoriana noresahin’i Jesosy, mba hahazoantsika izay tiany holazaina. Nohazavain’i Jakoba mpianatra fa tokony hahatonga antsika ho ory ny maha mpanota antsika. Hoy izy: “Diovy ny tananareo, ry mpanota, ary diovy ny fonareo, ry mpisalasala. Aoka ianareo ho ory, ary malahelova sy mitomania. Aoka ny fihomehezanareo hanjary ho alahelo, ary ny fifalianareo ho fahakiviana. Manetre tena eo anatrehan’i Jehovah, dia hanandratra anareo izy.” (Jakoba 4:8-10) Mahazo hery ireo tena malahelo noho ny fahotany, rehefa fantany fa azo avela izany, raha mino ny sorom-panavotan’i Kristy izy, ary tena mibebaka sy manao ny sitrapon’i Jehovah. (Jaona 3:16; 2 Korintianina 7:9, 10) Afaka mifandray tsara amin’i Jehovah àry izy ireo, ka manantena ny hiaina mandrakizay mba hanompo sy hidera azy. Tena mahasambatra azy ireo izany.—Romanina 4:7, 8.

6. Inona no mahatonga ny olona sasany ho ory, ary ahoana no hampiononana azy ireo?

6 Voafaoka ao amin’ny tenin’i Jesosy koa ireo ory noho ny zava-mahatsiravina manjaka eto an-tany. Nampiharin’i Jesosy tamin’ny tenany ilay faminaniana ao amin’ny Isaia 61:1, 2, hoe: “Ny Fanahin’i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy, ary ... hampionona ny malahelo rehetra.” Irahina hanao toy izany koa ny Kristianina voahosotra eto an-tany. Ampian’ny “ondry hafa” namany izy ireo, eo am-panaovana izany. Izy ireo dia samy manisy marika ny handrin’ireo “misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao eo aminy [Jerosalema nivadi-pinoana, mifanitsy amin’ny Kristianisma Anarana].” (Ezekiela 9:4) Mampionona an’ireo ory ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana.” (Matio 24:14) Faly izy ireo mahafantatra fa tsy ho ela dia hosoloan’ny tontolo vaovao sy marin’i Jehovah ny tontolo ratsin’i Satana.

Sambatra ny malemy fanahy

7. Tsy midika hoe ahoana ilay teny hoe “malemy fanahy”?

7 Izao no tohin’ny tenin’i Jesosy, tamin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra: “Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.” (Matio 5:5) Heverina ho kanosa ny olona malemy fanahy indraindray. Tsy marina anefa izany. Izao no nosoratan’ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly, mahakasika ilay teny adika hoe “malemy fanahy”: “Ny lafiny misongadina indrindra amin’ny toetran’ny olona [malemy fanahy], dia ny hoe mahay mifehy tena tanteraka izy. Tsy olona tsy misy hazondamosina izy, na entin’ny fihetseham-po fotsiny, na saro-kenatra loatra. Mahay mifehy ny heriny kosa izy.” Hoy i Jesosy momba ny tenany: “Malemy fanahy aho sady manetry tena am-po.” (Matio 11:29) Naneho herim-po anefa i Jesosy, rehefa niaro ny toro lalana marina.—Matio 21:12, 13; 23:13-33.

8. Mifandray akaiky amin’ny inona ny fahalemem-panahy, ary nahoana izy io no ilaintsika eo amin’ny fifandraisana amin’olona?

8 Mifandray akaiky amin’ny fifehezan-tena àry ny fahalemem-panahy. Niara-notononin’ny apostoly Paoly tokoa ny fahalemem-panahy sy ny fifehezan-tena, rehefa nitanisa ireo “vokatry ny fanahy” izy. (Galatianina 5:22, 23) Tsy maintsy iezahana ananana, amin’ny alalan’ny fanampian’ny fanahy masina, ny fahalemem-panahy. Toetra kristianina manampy antsika izy io, mba ho tsara fihavanana amin’olona eo anivon’ny fiangonana sy any ivelany. Hoy i Paoly: “Mitafia fitiavana lalina sy fangoraham-po, hatsaram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, ary fahari-po. ... Mahaiza foana mifampizaka sy mifamela heloka tanteraka.”—Kolosianina 3:12, 13.

9. a) Nahoana no tsy eo amin’ny fifandraisana amin’olona ihany no ilantsika ny fahalemem-panahy? b) Inona no dikan’ilay hoe “handova ny tany” ny olona malemy fanahy?

9 Tsy eo amin’ny fifandraisana amin’olona ihany anefa no ilantsika ny fahalemem-panahy. Malemy fanahy koa isika, rehefa manaiky an-tsitrapo ny zon’i Jehovah hitondra. Ohatra lehibe indrindra amin’izany i Jesosy Kristy, satria nasehony teto an-tany fa nalemy fanahy sy nanaiky tanteraka ny sitrapon’ny Rainy izy. (Jaona 5:19, 30) I Jesosy no voalohany handova ny tany, satria izy no voatendry ho Mpitondra azy io. (Salamo 2:6-8; Daniela 7:13, 14) “Mpiara-mandova” aminy koa ny 144 000, nofidina avy teo “amin’ny olombelona”, mba “ho mpanjaka hitondra ny tany.” (Romanina 8:17; Apokalypsy 5:9, 10; 14:1, 3, 4; Daniela 7:27) Hanjaka amin’ny lehilahy sy vehivavy toy ny ondry an-tapitrisany i Kristy sy ireo mpiara-manjaka aminy. Ny momba azy ireo indrindra no noresahin’ity faminanian’ny salamo ity, hoe: “Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.”—Salamo 37:11; Matio 25:33, 34, 46.

Sambatra ny noana ny fahamarinana

10. Inona no fomba iray mety hahavoky an’ireo “noana sy mangetaheta ny fahamarinana”?

10 Izao kosa ny fahasambarana manaraka noresahin’i Jesosy tao amin’ilay toriteny: “Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa izy no hovokisana.” (Matio 5:6) Nanao fitsipiky ny fahamarinana ho an’ny Kristianina i Jehovah. Noana sy mangetaheta ny fitarihan’Andriamanitra àry ireo noana sy mangetaheta ny fahamarinana. Fantatr’izy ireny tsara fa mpanota sy tsy lavorary izy, ary tena iriny ny hahazo ny fankasitrahan’i Jehovah. Faly izy ireo rehefa fantany avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra fa ho afaka ny ho olo-marina eo anatrehan’Andriamanitra izy, raha mibebaka sy mitady famelan-keloka, miorina amin’ny sorom-panavotan’i Kristy!—Asan’ny Apostoly 2:38; 10:43; 13:38, 39; Romanina 5:19.

11, 12. a) Ahoana no hahatonga ny Kristianina voahosotra ho marina? b) Ahoana no hamokisana fahamarinana an’ireo naman’ny voahosotra?

11 Nilaza i Jesosy fa ho sambatra izy ireny, satria “hovokisana.” (Matio 5:6) Ambara ho “marina ho amin’ny fiainana” ny Kristianina voahosotra nantsoina hiaraka “hanjaka” amin’i Kristy any an-danitra. (Romanina 5:1, 9, 16-18) Natsangan’i Jehovah ho zanany ara-panahy izy ireo. Lasa mpiara-mandova amin’i Kristy izy ireo, ary voantso ho mpanjaka sy mpisorona ao amin’ny Fanjakany any an-danitra.—Jaona 3:3; 1 Petera 2:9.

12 Mbola tsy ambara ho marina ho amin’ny fiainana ireo naman’ny voahosotra ankehitriny. Marina ihany anefa izy ireo amin’i Jehovah, satria mino ny ra nalatsak’i Kristy. (Jakoba 2:22-25; Apokalypsy 7:9, 10) Heverina ho marina ireo naman’i Jehovah ireo, ka mendrika ny havotana amin’ny “fahoriana lehibe.” (Apokalypsy 7:14) Vao mainka hovokisana fahamarinana izy ireo, rehefa hanjakan’ny “lanitra vaovao”, sy ho anisan’ny tany vaovao “hitoeran’ny fahamarinana.”—2 Petera 3:13; Salamo 37:29.

Sambatra ny mamindra fo

13, 14. Ahoana no hanehoantsika famindram-po, ary inona no soa ho azontsika avy amin’izany?

13 Nanohy ny toriteniny toy izao i Jesosy: “Sambatra ny mamindra fo, fa izy no hamindrana fo.” (Matio 5:7) Ny hoe mamindra fo, any amin’ny fitsarana, dia hoe tsy mampihatra ny sazy feno takin’ny lalàna ho an’ny mpanao ratsy ilay mpitsara. Ny “famindram-po” resahin’ny Baiboly kosa, dia fiheverana amin-katsaram-panahy na fiantrana, izay manamaivamaivana an’ireo sahirana. Manao zavatra hampisehoany ny fangoraham-pony àry ny olona mamindra fo. Ohatra tsara mahakasika ny olona “niantra” an’izay nila fanampiana, ilay Samaritanina tsara fanahy tao amin’ny fanoharan’i Jesosy.—Lioka 10:29-37.

14 Tokony haneho hatsaram-panahy amin’ireo mila izany isika, raha te ho sambatra toa an’ireo mamindra fo. (Galatianina 6:10) Nangoraka ny olona hitany i Jesosy. ‘Nangoraka azy ireo izy, satria toy ny ondry tsy misy mpiandry ireo. Ary nanomboka nampianatra azy zavatra maro izy.’ (Marka 6:34) Takatr’i Jesosy fa ny fifandraisana amin’Andriamanitra no zavatra voalohany ilain’ny olombelona. Afaka mangoraka sy mamindra fo koa isika, ka hanome azy ireo ny zavatra tena ilainy, dia ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana.” (Matio 24:14) Azontsika atao koa ny manampy ny namantsika kristianina zokiolona sy ny vehivavy maty vady ary ny kamboty, ka “hanao teny mampahery ny kivy.” (1 Tesalonianina 5:14; Ohabolana 12:25; Jakoba 1:27) Sady hahasambatra antsika izany, no hahazoantsika ny famindram-pon’i Jehovah koa.—Asan’ny Apostoly 20:35; Jakoba 2:13.

Madio am-po sy mpampihavana

15. Inona no ataon’ny olona madio am-po sy mpampihavana?

15 Izao no nolazain’i Jesosy momba ny zavatra fahenina sy fahafito mahasambatra: “Sambatra ny madio am-po, fa izy no hahita an’Andriamanitra. Sambatra ny mpampihavana, fa izy no hantsoina hoe ‘zanak’Andriamanitra.’ ” (Matio 5:8, 9) Ny olona madio am-po dia tsy maloto fitondran-tena, sady madio amin’ny lafiny ara-pivavahana, ary mahafoy tena ho an’Andriamanitra amin’ny fomba feno. (1 Tantara 28:9; Salamo 86:11) Tsara fihavanana amin’ny rahalahiny ny mpampihavana, ary mifandray tsara amin’ny mpiara-belona aminy koa, raha mbola azony atao. (Romanina 12:17-21) ‘Mitady fihavanana sy mitandro azy io’ izy.—1 Petera 3:11.

16, 17. a) Nahoana no antsoina hoe “zanak’Andriamanitra” sy ‘mahita’ azy ny voahosotra? b) Ahoana no ahafahan’ny “ondry hafa” ‘mahita an’Andriamanitra’? d) Amin’ny fomba ahoana sy rahoviana ny “ondry hafa” no ho tonga “zanak’Andriamanitra” amin’ny fomba feno?

16 “Hantsoina hoe ‘zanak’Andriamanitra’ ” sady “hahita an’Andriamanitra” ny mpampihavana madio am-po. Nateraky ny fanahy ny Kristianina voahosotra ka atsangan’i Jehovah ho ‘zanany’, na dia mbola eto an-tany aza. (Romanina 8:14-17) Manompo eo anatrehan’i Jehovah sy mahita azy mivantana izy ireo, rehefa atsangana ka miaraka amin’i Kristy any an-danitra.—1 Jaona 3:1, 2; Apokalypsy 4:9-11.

17 Manompo an’i Jehovah eo ambany fitarihan’i Jesosy Kristy, Mpiandry Tena Tsara, ny “ondry hafa” mpampihavana, ary izy no lasa Ray Mandrakizay ho azy ireo. (Jaona 10:14, 16; Isaia 9:5) Hatsangana ho zanak’i Jehovah eto an-tany ireo tafita amin’ny fitsapana farany aorian’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy, ary “hanana ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.” (Romanina 8:21; Apokalypsy 20:7, 9) Efa manantena izany izy ireo izao, ka miantso an’i Jehovah ho Rainy, satria nanokana ny fiainany ho azy, ary manaiky azy ho Mpanome aina. (Isaia 64:7) ‘Mahita an’Andriamanitra’ amin’ny mason’ny finoana izy ireo, toa an’i Joba sy Mosesy fahiny. (Joba 42:5; Hebreo 11:27) Manana fahalalana marina tsara an’i Jehovah izy ireo sady mahita ny toetra tsarany amin’ny ‘mason’ny fony’, ka manahaka azy sy manao ny sitrapony.—Efesianina 1:18; Romanina 1:19, 20; 3 Jaona 11.

18. Iza no sambatra ankehitriny, araka ireo fahasambarana fito voalohany noresahin’i Jesosy?

18 Tena mahita fahasambarana eo am-panompoana an’i Jehovah àry ireo mahatsapa fa mila azy, ireo ory, malemy fanahy, noana sy mangetaheta ny fahamarinana, mamindra fo, madio am-po, ary mpampihavana. Niatrika fanoherana sy fanenjehana foana anefa izy ireo. Mampihena ny fahasambarany ve izany? Hovaliana ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.

Famerenana

• Inona no fahasambarana hitan’ireo mahatsapa fa mila an’Andriamanitra?

• Ahoana no hampiononana ny ory?

• Ahoana no anehoantsika fahalemem-panahy?

• Nahoana isika no tokony hamindra fo sy hadio am-po ary ho mpampihavana?

[Sary, pejy 10]

“Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra”

[Sary, pejy 10]

“Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana”

[Sary, pejy 10]

“Sambatra ny mamindra fo”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara