Mahasambatra ny Manome: Te Hahatsapa Izany ve Ianao?
NANOMPO an’Andriamanitra efa ho 50 taona izao ny anabavy kristianina iray. Na dia tsy natanjaka intsony aza izy noho ny fahanterany, dia tapa-kevitra ny ho any amin’ilay Efitrano Fanjakana vaovao. Niankina tamin’ny sandrin’ny rahalahy kristianina be fiahiana iray izy, rehefa niditra ilay Efitrano. Nandeha niadana izy, sady nivantana avy hatrany teny amin’ny boaty ho an’ny fanomezana. Narotsany tao ny vola kely nangoniny, mba ho fandraisana anjara tamin’ny nanaovana ilay efitrano. Naniry hanampy izy, na dia tsy afaka niasa tamin’ny fanorenana azy io aza.
Mety hampahatsiaro anao vehivavy nahatoky iray hafa, io vehivavy kristianina io. Tsy iza izany fa ilay “mpitondratena mahantra”, izay hitan’i Jesosy nandatsaka vola madinika roa tao amin’ny vata fandatsaham-bolan’ny tempoly. Tsy noresahina tamintsika ny fiainan’izy io, nefa mety ho tena sahirana ara-bola tamin’izany fotoana izany ny vehivavy tsy manambady. Azo antoka fa nangoraka io vehivavy io i Jesosy, satria fantany tsara ny fahoriany. Nataony ohatra mba hotahafin’ireo mpianany àry izy io. Nomarihin’i Jesosy koa fa “izay rehetra nananany, dia ny fivelomany rehetra” iny fanomezany kely iny.—Marka 12:41-44.
Nahoana no nanao sorona be toy izany io mpitondratena mahantra io? Satria tena tia an’i Jehovah Andriamanitra, ilay nivavahana tao amin’ny tempolin’i Jerosalema izy. Naniry hampandroso ny fanompoana masina àry izy, na dia tsy afaka nanao zavatra firy aza. Azo antoka koa fa faly izy nanome araka izay nananany.
Manohana ny asan’i Jehovah ny fanomezana
Efa anisan’ny fivavahana marina foana ny fanomezan-javatra sy vola, ary tena nilaina sady nahafaly be foana. (1 Tantara 29:9) Ireo fanomezana teo amin’ny Israely fahiny dia nampiasaina mba hanatsarana ny tempoly, sy hikarakarana ireo fandaniana isan’andro tamin’ny fanompoana natao tao. Milaza mazava ny Lalàna fa tokony hanome ny ampahafolon-karenany ny zanak’Israely, ho fanampiana ny Levita manompo ao amin’ny tempoly. Na ny Levita koa aza anefa dia tokony hanome an’i Jehovah ny ampahafolon’ny zavatra azony.—Nomery 18:21-29.
Tsy eo ambanin’ny fifaneken’ny Lalàna intsony ny Kristianina, nefa mbola antenaina hanao fanomezana hanohanana ny fivavahana marina. (Galatianina 5:1) Faly, ohatra, ireo Kristianina voalohany nanome izay nilain’ny rahalahiny mahantra. (Asan’ny Apostoly 2:45, 46) Nampahatsiahy ireo Kristianina ny apostoly Paoly, fa nanome zava-tsoa maro ho azy ireo Andriamanitra, ka tokony halala-tanana koa izy ireo. Izao no nosoratany: “Anaro ny manankarena eto amin’ity tontolo ity, mba tsy hiavonavona, na hametraka ny fanantenany amin’ny harena tsy azo antoka, fa amin’Andriamanitra izay manome antsika be dia be ny zava-drehetra mba hifaliantsika. Anaro koa izy ireny mba hanao soa, sy hanankarena amin’ny asa tsara, ho tia manome, ho vonon-kizara, ka hanana harena tsara tahiry ho an’ny tenany, izany hoe fototra tsara ho amin’ny hoavy. Amin’izay izy dia hihazona mafy ny tena fiainana.” (1 Timoty 6:17-19; 2 Korintianina 9:11) Afaka nanamarina ireto tenin’i Jesosy ireto tokoa i Paoly, noho ny zavatra niainany: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”—Asan’ny Apostoly 20:35.
Inona no ataon’ny Kristianina fanomezana ankehitriny?
Mbola mampiasa ny fananany mba hifanampiana sy hanohanana ny asan’Andriamanitra, ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny. Manome izay takany na dia ireo mahantra aza. Tsapan’ny “mpanompo mahatoky sy malina” fa andraikiny eo anatrehan’i Jehovah ny mampiasa tsara araka izay azony atao an’ireny fanomezana ireny. (Matio 24:45) Maro be ny zavatra ampiasana ny vola. Anisan’izany ny asa any amin’ny biraon’ny sampana, ny fandikana sy famokarana Baiboly sy boky ara-baiboly, ny fandaminana fivoriambe kristianina, ny fampiofanana sy fandefasana mpiandraikitra mpitety faritany sy misionera, ny fanampiana ireo tra-boina. Toy izany koa ny fanorenana toeram-pivavahana, izay hojerentsika izao.
Mivory matetika any amin’ny Efitrano Fanjakana ny Vavolombelon’i Jehovah isan-kerinandro, mba hianatra Baiboly sy hifampahery. Tsy ampy vola hanorenana Efitrano Fanjakana anefa ny Vavolombelona any amin’ny tany maro, raha tsy mahazo fanampiana. Nanao fandaharana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1999, mba hanorenana Efitrano Fanjakana any amin’ny tany mahantra kokoa. Ny vola avy any amin’ny tany manankarena kokoa no ampiasaina amin’izany. Nisy mpiasa an-tsitrapo an’arivony koa nanome ny fotoanany sy ny fahaizany, mba handraisana anjara tamin’izany fanorenana izany. Matetika izy ireny no miasa any ambanivohitra be. Mandritra ireny fotoana ireny, dia mianatra manorina trano sy mikokakoja azy ireny ny rahalahy sasany avy eo an-toerana. Ary ny Tahirim-bola ho An’ny Efitrano Fanjakana no ahafahana mividy ny fitaovana ilaina. Mankasitraka tokoa ankehitriny ireo Vavolombelona mivory amin’ireny efitrano vaovao ireny, satria nanome ny fotoanany sy ny volany ireo mpiray finoana taminy. Manome fanomezana isam-bolana koa izao izy ireo, mba hikojakojana ilay Efitrano Fanjakana vaovao sy hanonerana ny lany tamin’izy io, ary mba hanorenana efitrano hafa.
Fitaovana sy fomba fanorenana misy eo an-toerana no ampiasaina mba hanorenana Efitrano Fanjakana. Na dia tsy mirenty aza ireny trano ireny, dia manintona, sy mety tsara amin’ny fivoriana, ary ahazoana aina. Fony vao nanomboka ilay tetikasa tamin’ny 1999, dia firenena mahantra 40 no nikasana hanorenana. Firenena 116 tatỳ aoriana no tafiditra tamin’ilay tetikasa, izany hoe maherin’ny antsasaky ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany. Efitrano Fanjakana maherin’ny 9 000 no vita nandritra ny dimy taona, ka efitrano mihoatra ny 5 isan’andro izany! Mbola mila Efitrano Fanjakana vaovao 14 500 anefa any amin’ireo tany 116 ireo. Antenaina fa hisy vola ampy hanatratrarana izany tanjona izany, noho ny fitahian’i Jehovah omban’ny fahavononana sy ny fahalalahan-tanan’ny Vavolombelona eran-tany.—Salamo 127:1.
Mihabetsaka ny mpanatrika rehefa misy Efitrano Fanjakana
Inona no vokatr’izany ezaka mafy izany eo amin’ireo Vavolombelona eo an-toerana sy ny asa fitoriana ilay Fanjakana? Mitombo be izay tsy izy ny isan’ny mpanatrika fivoriana any amin’ny toerana maro, rehefa misy Efitrano Fanjakana vaovao. Mampiseho tsara izany ity tatitra avy any Burundi ity: “Feno avy hatrany ny Efitrano Fanjakana, raha vantany vao voaorina. Nanorenana efitrano antonona mpanatrika 150, ohatra, ny fiangonana iray nisy mpanatrika 100 teo ho eo. Vao vita anefa ilay efitrano vaovao, dia 250 no tonga nivory.”
Nahoana no mitombo be toy izany ny mpanatrika? Indraindray dia mampiahiahy ny olona ny mpitory tsy manana toeram-pivoriana, fa mivory eny am-body hazo na eny an-kalamanjana. Tany amin’ny tany iray dia nolazaina fa avy tamin’ny antokom-pivavahana nivory tamin’ny toerana toy ireny ny adim-poko. Namoaka lalàna àry izy ireo fa tsy maintsy any amin’ny trano fivavahana no anaovana ireny fivoriana ireny.
Rehefa manana trano fivoriana koa ny Vavolombelon’i Jehovah, dia afaka mampiseho amin’ny fiaraha-monina fa tsy mpianatry ny pasitera iray akory izy ireo. Nanoratra toy izao ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Zimbabwe: “Taloha dia nivory tany an-tranon’olona ireo rahalahy teto, ka ny anaran’ny tompon’ilay trano no nolazain’ny olona fa anaran’ny fiangonany. Nilaza izy ireo fa mpiangona ao amin-dry Ramose Ranona ireo rahalahy. Miova izany ankehitriny, satria hita mazava eny amin’ny Efitrano Fanjakana ilay soratra hoe ‘Vavolombelon’i Jehovah—Efitranon’ny Fanjakan’Andriamanitra.’ ”
Mpanome amim-pifaliana
“Ny mpanome amim-pifaliana no tian’Andriamanitra”, hoy ny apostoly Paoly. (2 Korintianina 9:7) Tena manampy tokoa ny fanomezana lehibe. Ny ankamaroan’ny vola hanatanterahan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny asany anefa, dia avy amin’ny boaty ho an’ny fanomezana any amin’ny Efitrano Fanjakana. Ilaina daholo ny fanomezana rehetra na be na kely, ary tsy azo odian-tsy hita izy ireny. Tadidio fa nipetraka teo amin’ny toerana nahitana tsara an’ilay mpitondratena mahantra, nandatsaka vola madinika roa, i Jesosy. Nahita azy koa i Jehovah sy ny anjely. Tsy fantatsika akory ny anaran’ilay mpitondratena, nefa nataon’i Jehovah izay hanoratana tao amin’ny Baiboly ny sorona nataony, mba tsy hanadinoana izany mihitsy.
Ankoatra ny fanorenana efitrano, ny fanomezana ataontsika dia ilaina amin’ny asa rehetra mifandray amin’ny fitoriana ilay Fanjakana. Mahafaly antsika ny mandray anjara amin’izany, ary mahatonga antsika hanolotra “fisaorana maro be ho an’Andriamanitra.” (2 Korintianina 9:12) Hoy ireo rahalahintsika any Bénin: “Vavaka fisaorana maro no tonga any amin’i Jehovah isan’andro, noho ny fanampiana ara-bola avy amin’ny rahalahy maneran-tany.” Afaka manome vola hampandrosoana ny fitoriana ilay Fanjakana isika rehetra, ka hahatsapa fahasambarana satria manome!
[Efajoro/Sary, pejy 22, 23]
Ireo Fomba Fidin’ny Sasany Anaovana Fanomezana
FANOMEZANA HO AN’NY ASA MANERAN-TANY
Maro no manokana, na mitsinjara vola, mba harotsaka ao amin’ny boaty ho an’ny fanomezana, misy soratra hoe “Fanomezana ho An’ny Asa Fitoriana Maneran-tany.—Matio 24:14.”
Mandefa ireny vola ireny isam-bolana any amin’ny biraon’ny sampana eo an-toerana, ny fiangonana. Azo atao ny mandefa mivantana ireo vola fanomezana an-tsitrapo, any amin’ny Biraon’ny Mpitahiry Vola, Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara (FI.MPI.BA.MA.), B.P. 116, 105 Ivato. Tokony hatao amin’ny anaran’ny “FI.MPI.BA.MA.” ny seky rehetra. Azo atao koa ny manome firavaka na zava-tsarobidy hafa. Tokony hisy taratasy fohy hampiarahina amin’ireny fanomezana ireny, milaza fa fanomezana tsy misy fepetra izy ireo.
FANOMEZANA MISY FEPETRA
Azo atao ny manome vola misy fifanarahana manokana, dia ny hamerenana ilay vola amin’ilay mpanome, rehefa mangataka izany izy. Mifandraisa amin’ny Biraon’ny Mpitahiry Vola, voalaza amin’ny adiresy etsy ambony, mba hahazoana fanazavana fanampiny.
ASA FANASOAVANA NALAMINA MIALOHA
Ankoatra ny fanomezana vola tsy misy fepetra, dia misy koa fomba fanomezana hafa mba hanohanana ny fanompoana momba ilay Fanjakana maneran-tany. Anisan’izany ny:
Fiantohana: Azo soratana amin’ny FI.MPI.BA.MA. ny vola avy amin’ny fifanekem-piantohana aina (assurance-vie) na ny fisotroan-dronono.
Kaonty any Amin’ny Banky: Azo soratana amin’ny anaran’ny FI.MPI.BA.MA., na aloa aminy, ny kaontin’ny olona iray any amin’ny banky, ny taratasy fanamarinana petra-bola, na ny kaonty misy ny fisotroan-drononony, rehefa maty ilay tompony, ary atao mifanaraka amin’ny zavatra takin’ny banky eo an-toerana.
Trano sy Tany: Azo atao fanomezana ho an’ny FI.MPI.BA.MA. ny trano sy tany azo amidy. Azo atao fanomezana tsy misy fepetra izany, na misy fepetra toy ny hoe ho fananan’ilay mpanome ilay izy, ka azony ipetrahana, mandritra ny fahavelomany. Mifandraisa amin’ny biraon’ny sampana eo amin’ny tany misy anao, alohan’ny hamindrana trano sy tany ho amin’ny anaran’ny FI.MPI.BA.MA.
Didim-pananana sy Fanankinam-pananana (fidéicommis): Azo ampandovaina fananana na vola ny FI.MPI.BA.MA., amin’ny alalan’ny didim-pananana natao manan-kery ara-dalàna. Azo tondroina ho mpandray ny tombontsoa avy amin’ny fifanarahana momba ny fanankinam-pananana koa izy. Mety tsy hisy hetra haloa amin’ny fanankinam-pananana, rehefa natao hanasoavana fikambanana iray ilay izy.
Raha misy mila fanazavana fanampiny momba ireo fandaharana ireo, dia iangaviana izy hanoratra na hiantso any amin’ny Biraon’ny Mpitahiry Vola, araka ny adiresy eto ambany.
Biraon’ny Mpitahiry Vola
Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara (FI.MPI.BA.MA.)
Telefaonina: 22 448 37
B.P. 116
105 Ivato
[Sary, pejy 20, 21]
Toeram-pivoriana tranainy sy vaovao an’ny Vavolombelon’i Jehovah
Zambia
République centrafricaine