FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w05 1/1 p. 31
  • Fanontanian’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny Mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Mitovitovy Aminy
  • “Tena Nankasitrahan’Andriamanitra i Stefana Sady Nomeny Hery Be”
    ‘Torio Amin’ny Fomba Feno ny Fanjakan’Andriamanitra’
  • Notoraham-bato i Stefana
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Stefana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fantatrao Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
w05 1/1 p. 31

Fanontanian’ny Mpamaky

Midika ve ny tenin’i Stefana ao amin’ny Asan’ny Apostoly 7:59, fa tokony havantana amin’i Jesosy ny vavaka?

Hoy ny Asan’ny Apostoly 7:59: “Tsy nitsahatra nitora-bato an’i Stefana ireo, fa izy kosa niantso hoe: ‘Jesosy Tompo ô, raiso ny aiko.’ ” Nahatonga fanontaniana tao an-tsain’ny olona izany, satria i Jehovah no lazain’ny Baiboly hoe “Mpihaino vavaka.” (Salamo 65:2) Nivavaka tamin’i Jesosy tokoa ve i Stefana? I Jesosy ihany ve izany no Jehovah?

“Niantso an’Andriamanitra” i Stefana, hoy ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques (anglisy). Tsy mahagaga àry raha maro no nitovy hevitra tamin’i Matthew Henry, mpivaofy teny ara-baiboly, izay nilaza hoe: “Nivavaka tamin’i Kristy i Stefana teto, ary tokony hanao toy izany koa isika.” Hevi-diso anefa izany. Fa nahoana?

Miaiky ny Fanamarihan’i Barnes Momba ny Testamenta Vaovao (anglisy) hoe: “Tsy ao amin’ny soratra tany am-boalohany ilay teny hoe Andriamanitra, ka tsy tokony ho tao amin’ilay fandikan-teny koa. Tsy ao amin’ireo [sora-tanana] na dika-teny tranainy izy io.” Nahoana àry no tafiditra tao amin’io andininy io ilay teny hoe “Andriamanitra”? Milaza ilay manam-pahaizana atao hoe Abiel Livermore, fa “ohatra iray monja amin’ny fahadisoan-kevitr’ireo mpandika teny” izy io. Tsy nampiditra ny hoe “Andriamanitra” àry ny ankamaroan’ny fandikan-teny maoderina.

Dikan-teny maro anefa no milaza fa “nivavaka” tamin’i Jesosy i Stefana. Asehon’ny fanamarihana ambany pejin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao koa, fa mety hidika hoe “fitalahoana, vavaka” ny hoe “niantso.” Koa moa ve izany tsy midika fa i Jesosy no ilay Andriamanitra Hery Fara Tampony? Tsia. Hazavain’ny Diksioneran’i Vine Manazava ny Testamenta Taloha sy Vaovao (anglisy), fa rehefa ampiasaina amin’io heviny io ny teny grika tany am-boalohany hoe e·pi·ka·leʹo, dia midika hoe: “Miantso, mitalaho; ... mangataka fanampian’izay manana fahefana.” Io teny io koa no nampiasain’i Paoly, rehefa nilaza izy hoe: “Ampakariko any amin’i Kaisara ny raharaha!” (Asan’ny Apostoly 25:11) Mety àry ny ilazan’ny Fandikan-teny Protestanta hoe “niantso” an’i Jesosy i Stefana.

Inona no nahatonga azy hiantso? Hoy ny Asan’ny Apostoly 7:55, 56: ‘Feno fanahy masina i Stefana, ary nibanjina ny lanitra ka nahita ny voninahitr’Andriamanitra sady nahita an’i Jesosy nijoro teo an-tanana ankavanan’Andriamanitra.’ Nahazatra an’i Stefana ny nangataka tamin’i Jehovah tamin’ny anaran’i Jesosy. Hitany tao amin’ny fahitana anefa i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty, ka angamba izy nihevitra fa afaka nangataka taminy nivantana hoe: “Jesosy Tompo ô, raiso ny aiko.” Fantatr’i Stefana mantsy fa nomena fahefana hanangana ny maty i Jesosy. (Jaona 5:27-29) Koa nangataka an’i Jesosy izy mba hitahiry ny ainy, na ilay hery mamelona azy, mandra-panangan’i Jesosy azy any an-danitra ka tsy ho faty intsony.

Modely ho antsika mba hivavahana amin’i Jesosy ve ny teny fohy nataon’i Stefana? Tsia. Navahan’i Stefana tsara mantsy i Jesosy sy Jehovah, rehefa nilaza izy hoe nahita an’i Jesosy “nijoro teo an-tanana ankavanan’Andriamanitra.” Toe-javatra naningana koa izany. I Stefana sy ny apostoly Jaona ihany no voalaza fa nahita sy niresaka tamin’i Jesosy tao amin’ny fahitana.—Apokalypsy 22:16, 20.

Isaky ny mivavaka ny Kristianina ankehitriny, dia i Jehovah no ivavahany, ary mety izany. Manana finoana tsy azo hozongozonina koa anefa izy ireo hoe i Jesosy no “fananganana ny maty sy fiainana.” (Jaona 11:25) Nino i Stefana fa vitan’i Jesosy ny manangana ny mpanara-dia azy amin’ny maty. Nanampy azy tao anatin’ny fitsapana izany finoana izany, ary afaka manampy antsika koa.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara