FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w05 15/4 p. 30
  • Tadidinao Ve?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tadidinao Ve?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Mitovitovy Aminy
  • Nandresy i Samsona Noho ny Herin’i Jehovah!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Miantehera Amin’i Jehovah, Hoatran’i Samsona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2023
  • Samsona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ny Lehilahy Natanjaka Indrindra
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
w05 15/4 p. 30

Tadidinao Ve?

Tianao ve ny namaky ireo nomerao faramparany tamin’ny Tilikambo Fiambenana? Jereo àry raha hainao ny mamaly ireto fanontaniana ireto:

• Inona no antony nifidianana ny 25 Desambra, mba hankalazana ny nahaterahan’i Jesosy?

Tsy milaza ny daty nahaterahan’i Jesosy ny Tenin’Andriamanitra. Hoy ny Enciclopedia Hispánica: ‘Tsy nisy kajy natao mba hahitana hoe tokony hankalazaina ny 25 Desambra ny Krismasy. Andro nankalazan’ny Romanina ny fipoiran’ny masoandro tamin’ny ririnina kosa izy io, ary novana ho fety kristianina.’ Nanao fety sy lanonana feno filibana ary nifanolotra fanomezana ny Romanina tamin’izany.—15/12, pejy 4-5.

• Nivavaka tamin’i Jesosy ve i Stefana, araka ny Asan’ny Apostoly 7:59?

Tsia. Milaza ny Baiboly fa tokony havantana amin’i Jehovah Andriamanitra irery ihany ny vavaka. Nahita an’i Jesosy tao amin’ny fahitana i Stefana, ka nihevitra angamba izy fa afaka nangataka taminy nivantana hoe: “Jesosy Tompo ô, raiso ny aiko.” Fantatr’i Stefana mantsy fa nomena fahefana hanangana ny maty i Jesosy. (Jaona 5:27-29) Niantso an’i Jesosy na nangataka taminy àry izy mba hitahiry ny ainy, na ilay hery mamelona azy, mandra-panangana azy amin’ny maty.—1/1, pejy 31.

• Ahoana no ahalalantsika fa tsy voalahatra ny hoavin’ny olona?

Nomen’Andriamanitra safidy malalaka ny olona. Noho izany, dia tsy misy ny lahatra. Tsy fanehoam-pitiavana sady tsy rariny mantsy raha efa nandahatra izay ho fiainantsika i Jehovah, nefa avy eo mitana antsika ho tompon’andraikitra amin’izay ataontsika indray. (Deoteronomia 32:4; 1 Jaona 4:8)—15/1, pejy 4-5.

• Nahoana no azo lazaina fa mieboebo fotsiny izay miteny hoe tsy misy ny fahagagana?

Misy mpahay siansa miaiky fa ampahany kely amin’ny zava-mahatalanjona nataon’Andriamanitra ihany no fantany. Noho izany, dia manaiky izy ireo fa tsy afaka manizingizina intsony hoe tsy hitranga mihitsy ny zavatra iray. Ny hany azony lazaina, dia hoe mety tsy hitranga ilay izy.—15/2, pejy 5-6.

• Nahoana i Samsona Mpitsara no nilaza tamin’ny ray aman-dreniny, fa te hanambady zanakavavin’ny Filistinina izy? (Mpitsara 14:2)

Voararan’ny lalàn’Andriamanitra ny manambady mpanompo sampy. (Eksodosy 34:11-16) ‘Nahafinaritra’ an’i Samsona anefa ilay vehivavy filistinina. ‘Nitady izay hiadiany tamin’ny Filistinina’ mantsy izy, ary io vehivavy io no nahafahany nanatratra izany tanjony izany. Nanampy an’i Samsona Andriamanitra, tamin’ny alalan’ny fanahiny. (Mpitsara 13:25; 14:3, 4, 6)—15/3, pejy 26.

• Tokony hanome vola na zavatra ho an’ny mpiasam-panjakana ve ny Kristianina, rehefa mampanao asa azy?

Ratsy ny manome kolikoly ny manam-pahefana, izany hoe manome azy zavatra mba hanaovany zavatra tsy ara-dalàna, na tsy hampiharany ny lalàna, na mba hahazoana fikarakarana manokana. Tsy manao kolikoly anefa ny olona iray, raha manome vola na zavatra ho an’ny mpiasam-panjakana noho ny asa ataony, na mba hahazoana fikarakarana ara-dalàna, na tsy hitondrana azy amin’ny fomba ratsy.—1/4, pejy 29.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara