FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w06 15/8 p. 30
  • Tadidinao Ve?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tadidinao Ve?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • “Sambatra Izay Olona Mahita Fahendrena”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-19 — Salamo
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
w06 15/8 p. 30

Tadidinao Ve?

Tianao ve ny namaky ireo nomerao faramparany tamin’ny Tilikambo Fiambenana? Jereo àry raha hainao ny mamaly ireto fanontaniana ireto:

• Ahoana no hamonjen’i Jesosy ny mahantra, araka ny Salamo 72:12?

Hahazo rariny ny olona rehetra ary tsy hisy intsony ny kolikoly, rehefa hanjaka izy. Ny ady matetika no mahatonga ny fahantrana. Hitondra tena fiadanana anefa i Kristy. Hangoraka ny olona izy ary hampiray saina ny rehetra. Hataony azo antoka fa hisy sakafo be dia be ho an’ny olombelona. (Salamo 72:4-16)—1/5, pejy 7.

• Ahoana no anehoantsika Kristianina fa manana ‘fahasahiana miteny’ isika? (1 Timoty 3:13; Filemona 8; Hebreo 4:16)

Afaka maneho izany isika rehefa mazoto sy sahy mitory, rehefa mampianatra sy manome torohevitra mivantana sy mandaitra, rehefa mamboraka ny ao am-pontsika amin’Andriamanitra, sady matoky fa hihaino antsika izy ary hamaly ny vavaka ataontsika.—15/5, pejy 14-16.

• Nahoana ny Lalàn’i Mosesy no nilaza fa ‘nandoto’ ny olona ny fivoahan’ny tsirinaina sy ny fadimbolana ary ny fiterahana izay samy voajanahary?

Nahatonga ny Israelita hadio sy ho salama kokoa ireo lalàna ireo, ary nanantitrantitra ny fahamasinan’ny ra sy ny ilana fanavotana noho ny ota.—1/6, pejy 31.

• Nahoana no hahasoa an’izay te ho sambatra ny mandinika ny bokin’ny Salamo?

Fantatr’ireo mpanao salamo fa sambatra ny olona rehefa mifandray tsara amin’Andriamanitra. (Salamo 112:1) Nohamafisin’izy ireo fa tsy ho sambatra toa an’ireo “manana an’i Jehovah ho Andriamaniny” ny olona iray, na manao ahoana na manao ahoana fifandraisany amin’ny hafa, na fananany, na zava-bitany. (Salamo 144:15)—15/6, pejy 12.

• Inona no fifandraisana manokana nananan’ny Israelita fahiny tamin’i Jehovah?

Nanavao ny fifandraisany tamin’ny Israelita i Jehovah tamin’ny 1513 T.K., ka nanao fifanekena tamin’izy ireo. (Eksodosy 19:5, 6; 24:7) Teraka teo anivon’ny firenena iray voafidin’Andriamanitra sady nanolo-tena ho azy ny taranak’izy ireo. Ny tsirairay taminy anefa no tsy maintsy nanapa-kevitra raha hanompo an’Andriamanitra.—1/7, pejy 21-22.

• Nahoana isika no tokony hanao ny zava-drehetra “tsy misy fimonomononana”? (Filipianina 2:14)

Maro ny ohatra ao amin’ny Baiboly mampiseho, fa nitondra fahavoazana teo amin’ny vahoakan’Andriamanitra ny fimonomononana. Ilaintsika àry ny mitadidy fa mety hanimba tsikelikely izy io. Mora mitaraina ny olona tsy lavorary. Tokony ho mailo àry isika ka handini-tena sao mitady ho be taraina, ary hanalavitra izany.—15/7, pejy 16-17.

• Ahoana no ahafantarantsika fa tsy ny fahendrena avy amin’Andriamanitra no resahin’ny Ohabolana 8:22-31?

‘Nohariana’ na noforonina ho fiandohan’ny asa famoronan’i Jehovah, ilay fahendrena resahina eo. Efa nisy foana anefa Andriamanitra ary efa hendry foana. Tsy noforonina ny fahendreny. “Mpità-marika” na mpiasa kinga teo anilan’Andriamanitra ilay fahendrena resahin’ny Ohabolana 8:22-31. Mihatra amin’ilay anjely lasa Jesosy àry izy io, dia ilay niara-niasa akaiky tamin’Andriamanitra tamin’ny famoronana. (Kolosianina 1:17; Apokalypsy 3:14)—1/8, pejy 31.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara