FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w07 15/11 p. 3-4
  • Inona no Zava-dehibe Indrindra eo Amin’ny Fiainanao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Zava-dehibe Indrindra eo Amin’ny Fiainanao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Mitovitovy Aminy
  • Mahafa-po Anao ve ny Fiainanao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Zavakanto
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Zavatra Maharitra Noho ny Zavakanto
    Mifohaza!—2007
  • Ilay Safidiko Tamin’izaho Mbola Kely
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
w07 15/11 p. 3-4

Inona no Zava-dehibe Indrindra eo Amin’ny Fiainanao?

MPANERA nanam-bola be i Kenny, ary nanana fiara lafo vidy. Nipetraka tany amin’ny rihana farany ambony amin’ny trano avo be iray izy. Anisan’ny fialam-boly tiany ny mitsambikina avy eny ambony raoplanina, ary miriaria eny amin’ny habakabaka aloha, vao mamelatra elon’aina sy midina etỳ an-tany. Afa-po ve anefa izy? Hoy izy, araka Ny Gazetin’i Wall Street (anglisy): “Efa 45 taona aho izao, nefa tsy haiko hoe hanao ahoana ny hoaviko ... Tsy misy dikany ny fiainako.”

Atleta i Elyn, ary niezaka mafy mba ho tena mahay. Tanteraka ny faniriany satria lasa nalaza be izy. Nalahelo anefa izy nilaza hoe: “Tsy sambatra araka ny nantenaiko aho. Tena nanirery mantsy aho. Tsy maintsy ho antitra koa aho, ka tsapako hoe tsy misy dikany ny fiainako raha izao fotsiny, na dia manam-bola be aza aho.”

Mpanao hoso-doko nanan-talenta i Hideo. Ny asa tanany no zava-dehibe indrindra taminy. Tsy namidiny izay vitany, satria nihevitra izy fa mety hihena ny hatsaran’ny asany raha maika hahazo vola izy. Nomeny ho an’ny tranombakoka iray ny ankamaroan’ny hoso-dokony, taloha kelin’ny nahafatesany, tamin’izy 98 taona. Laniny tamin’ny hoso-doko àry ny fiainany. Tsy afa-po anefa izy, fa tiany hohatsaraina foana ny sangan’asany.

Misy indray olona miezaka mafy manao asa soa. Anisan’izany ny lehilahy iray mpamokatra filma tao Hollywood. Tale lefitry ny orinasa lehibe mpanao filma tany Etazonia izy, ka nifanerasera tamin’ny olo-malaza ary nipetraka tamin’ny trano tsara tarehy. Nanao vakansy tany Kambôja izy indray mandeha, ary nisakafo tao amin’ny hotely iray tao Phnom Penh. Nisy ankizivavy nangataka vola taminy, ka nomeny iray dolara sy ranom-boankazo. Faly erỳ ilay ankizy. Tonga indray anefa izy ny ampitso, ary mbola nangataka ihany. Hitan’ilay lehilahy àry fa nila fanampiana bebe kokoa ny mahantra.

Tapa-kevitra ny hiova asa izy, herintaona tatỳ aoriana. Niala tamin’ilay orinasa mpanao filma izy, mba hanampiana ny mahantra tany Kambôja. Nanokatra sekoly kilasimandry izy, sady nomeny sakafo ny mpianatra. Faly ihany ilay lehilahy tamin’ny zava-bitany, nefa tsy tena afa-po. Kivy sy nalahelo foana mantsy izy, satria maro be ny olana tsy voavahany.

Samy nanana tanjona teo amin’ny fiainany ireo olona efatra voalaza teo ireo. Niezaka mafy izy ireo tamin’izany, nefa samy tsy afa-po na dia tratrany aza ilay tanjona. Ary ianao? Inona no zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainanao? Matoky ve ianao fa tsy hanenenanao ny fomba fiainanao?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara