FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w08 1/1 p. 13
  • Ao Am-po ve ny Fanjakan’Andriamanitra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ao Am-po ve ny Fanjakan’Andriamanitra?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Mitovitovy Aminy
  • Ao Am-ponao ve ny Fanjakan’Andriamanitra?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Ao Am-po ve ny Fanjakan’Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Fanjakan’Andriamanitra
    Mifohaza!—2013
  • Inona no Nampianarin’i Jesosy Momba ny Fanjakan’Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
w08 1/1 p. 13

Manontany ny Mpamaky

Ao Am-po ve ny Fanjakan’Andriamanitra?

Olona maro no mino izany. Milaza toy izao mihitsy, ohatra, Ny Rakipahalalana Katolika (anglisy): ‘Ny dikan’ny hoe fanjakan’Andriamanitra, dia hoe manjaka ao am-pontsika Andriamanitra.’ Mampianatra an’izany ny mpitondra fivavahana maro. Milaza tokoa ve anefa ny Baiboly fa ao am-pon’ny olona ny Fanjakan’Andriamanitra?

Misy mihevitra fa i Jesosy mihitsy no nampianatra an’izany voalohany. Izany no fandraisan’izy ireo an’ilay teniny hoe: “Eo afovoanareo ny fanjakan’Andriamanitra.” (Lioka 17:21) Ny fandikan-teny sasany aza manao hoe: “Ny fanjakan’Andriamanitra dia ao anatinareo.” Marina ve izany fandikan-teny izany? Te hilaza tokoa ve i Jesosy fa ao am-pon’ny olona ny Fanjakan’Andriamanitra?

Voalohany, manao ahoana moa ny fon’ny olona? Ao amin’ny Baiboly ny hoe fo dia mety hanondro ny maha izy ny olona, anisan’izany ny eritreriny sy ny fomba fisainany ary ny fihetseham-pony. Mety hahafinaritra tokoa raha ao am-pon’ny olona ny Fanjakan’Andriamanitra be voninahitra, ka manatsara ny toetrany, ohatra. Mitombina ve anefa izany?

Hoy ny Baiboly: “Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina.” (Jeremia 17:9) Nilaza koa i Jesosy hoe: “Avy ao anatin’ny olona, eny, avy ao am-pony, no ivoahan’ny eritreri-dratsy, dia fijangajangana, halatra, vonoan’olona, fanitsakitsaham-bady, fitsiriritana, fanaovan-dratsy.” (Marka 7:20-22) Tsy avy ao am-pon’ny olona mpanota tokoa ve ny faharatsiana be dia be eran-tany? Ho afaka ny ho ao am-po àry ve ny Fanjakan’Andriamanitra, izay lavorary? Tsy hisy mihitsy izany, toy ny hoe tsy afaka mamoa aviavy mihitsy ny tsilo.—Matio 7:16.

Faharoa, iza moa no nilazan’i Jesosy an’ireo teny ao amin’ny Lioka 17:21? Hoy ny andininy eo alohan’izy io: “Nanontanian’ny Fariseo i Jesosy ny amin’ny fotoana hahatongavan’ny fanjakan’Andriamanitra.” (Lioka 17:20) Fahavalon’i Jesosy ny Fariseo. Nilaza izy fa tsy hiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ireo mpihatsaravelatsihy ireo. (Matio 23:13) Koa raha ry zareo aza tsy hiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia ho ao am-pony indray ve izy io? Mazava ho azy fa tsia! Inona àry no tian’i Jesosy holazaina?

Mitovitovy amin’ny an’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, ny fomba andikan’ny Baiboly maro ilay tenin’i Jesosy. Misy, ohatra, milaza hoe ilay Fanjakana dia “eo aminareo” na “eo anivonareo.” Nahoana no lazaina hoe ny Fanjakan’Andriamanitra dia teo amin’ny olona tamin’izany, anisan’izany ny Fariseo? I Jesosy no voatendrin’i Jehovah Andriamanitra ho Mpanjakan’ilay Fanjakana. Teo afovoan’izy ireo izy tamin’izay, izany hoe niara-niaina taminy. Nampianatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra izy. Nanao fahagagana mihitsy aza izy, mba hampisehoana izay hataon’izy io. Tena teo afovoan’izy ireo àry ilay Fanjakana.

Mazava araka izany fa tsy milaza mihitsy ny Soratra Masina hoe ao am-pon’ny olona ny Fanjakan’Andriamanitra. Fitondram-panjakana tena misy kosa izy io, ary hanova tanteraka ny fiainana eto an-tany, araka ny nolazain’ireo mpaminany.—Isaia 9:5, 6; Daniela 2:44.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara