FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w08 1/2 p. 16-17
  • Momba An’ilay Tena Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Momba An’ilay Tena Andriamanitra
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Manana anarana ve Andriamanitra?
  • Iza moa i Jehovah?
  • Inona no takin’Andriamanitra amintsika?
  • Ahoana no anaporofoantsika fa tia an’Andriamanitra isika?
  • Ahoana no ianarantsika momba an’Andriamanitra?
  • Nahoana no mahasambatra ny mahalala an’Andriamanitra?
  • Iza i Jesosy Kristy?
    Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?
  • Iza moa i Jesosy Kristy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Jaona 14:6: “Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana”
    Fanazavana Andinin-teny
  • Iza i Jesosy Kristy?
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
w08 1/2 p. 16-17

Inona no Nampianarin’i Jesosy Antsika...

Momba An’ilay Tena Andriamanitra

Manana anarana ve Andriamanitra?

Nampianatra i Jesosy fa manana anarana Andriamanitra. Hoy izy: “Koa mivavaha toy izao ianareo: ‘Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao.’ ” (Matio 6:9) Milaza ny Baiboly fa Jehovah no anaran’Andriamanitra. (Salamo 83:18) Hoy i Jesosy momba an’ireo mpianany, tamin’izy nivavaka tamin’ny Rainy: “Nampahafantariko azy ny anaranao.”—Jaona 17:26.

Iza moa i Jehovah?

Nantsoin’i Jesosy hoe “ilay hany Andriamanitra marina” i Jehovah, satria izy no Mpamorona. (Jaona 17:3) Hoy i Jesosy: “Mbola tsy novakinareo ve fa izay nahary azy, dia nahary azy ho lahy sy vavy, tany am-piandohana?” (Matio 19:4) Hoy koa izy: “Andriamanitra dia Fanahy.” (Jaona 4:24) Tsy afaka mahita an’Andriamanitra àry isika.—Eksodosy 33:17-20.

Inona no takin’Andriamanitra amintsika?

Rehefa nisy nanontany an’i Jesosy hoe inona no didy lehibe indrindra, dia hoy izy: “Ny voalohany dia izao: ‘Mihainoa, ry Israely ô: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany. Koa tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo sy ny sainao manontolo ary ny herinao manontolo.’ Ny faharoa dia izao: ‘Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.’ ”—Marka 12:28-31.

Ahoana no anaporofoantsika fa tia an’Andriamanitra isika?

Hoy i Jesosy: “Tiako ny Ray.” Ahoana no nanaporofoany izany? Hoy izy: “Araka ny nandidian’ny Ray ahy no ataoko.” (Jaona 14:31) Hoy koa izy: “Manao izay sitrany foana aho.” (Jaona 8:29) Sitrapon’Andriamanitra ny hianarantsika momba azy. Hoy i Jesosy rehefa nivavaka ho an’ny mpianany: “Mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany Andriamanitra marina.”—Jaona 17:3; 1 Timoty 2:4.

Ahoana no ianarantsika momba an’Andriamanitra?

Fomba iray hianarana momba an’Andriamanitra ny fandinihana ny zavatra noforoniny. Hoy i Jesosy: “Jereo tsara ny voro-manidina: Tsy mba mamafy na mijinja na manangona ho ao an-trano fitahirizana ireny, nefa manome sakafo azy ny Rainareo any an-danitra. Tsy sarobidy noho ireny ve ianareo?” Inona no tian’i Jesosy holazaina? Tsy tokony havelantsika hampitsahatra ny fanompoantsika an’Andriamanitra, ny fanahiana momba ny zavatra ilaina eo amin’ny fiainana.—Matio 6:26-33.

Ny fianarana Baiboly no fomba tsara indrindra hahalalana an’i Jehovah. Nantsoin’i Jesosy hoe “ny tenin’Andriamanitra” ny Baiboly. (Lioka 8:21) Hoy izy tamin’Andriamanitra: “Ny teninao no fahamarinana.”—Jaona 17:17; 2 Petera 1:20, 21.

Nanampy ny olona hianatra ny marina momba an’i Jehovah i Jesosy. Hoy ny iray tamin’ny mpianany: “Tsy niredareda ve ny fontsika raha niresaka tamintsika teny an-dalana izy, ka nanazava tsara ny Soratra Masina tamintsika?” (Lioka 24:32) Tsy maintsy manetry tena sy vonona hianatra isika, raha te hahalala momba an’Andriamanitra. Hoy i Jesosy: “Tsy hiditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo, raha tsy miova ho toy ny zaza.”—Matio 18:3.

Nahoana no mahasambatra ny mahalala an’Andriamanitra?

Ilaintsika ny mahafantatra ny antony namoronana antsika, ary manampy antsika hahalala izany Andriamanitra. Hoy i Jesosy: “Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.” (Matio 5:3) Mampianatra antsika ny fomba fiaina tsara indrindra i Jehovah. Hoy i Jesosy: “Izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina izany kosa no sambatra!”—Lioka 11:28; Isaia 11:9.

Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny toko 1 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?a

[Fanamarihana ambany pejy]

a Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 16]

“Nampahafantariko azy ny anaranao.” —Jaona 17:26

[Sary, pejy 16, 17]

Manampy antsika hahalala an’i Jehovah ny zavatra noforonina sy ny Baiboly

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara