FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w08 1/6 p. 9-11
  • Tian’Andriamanitra ve ny Fivavahana Rehetra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tian’Andriamanitra ve ny Fivavahana Rehetra?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fivavahana fahiny
  • Ilay fivavahana nifangaro
  • Tezitra Andriamanitra
  • Lesona ho antsika
  • Eken’Andriamanitra ve ny Karazam-panompoam-pivavahana Rehetra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Ny Fanompoam-pivavahan’iza no Eken’Andriamanitra?
    Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
  • Vao Mainka Ianao ho Faly Rehefa Tena Manompo An’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2022
  • Iza no Tena Mpivavaka?
    Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
w08 1/6 p. 9-11

Tian’Andriamanitra ve ny Fivavahana Rehetra?

“EFA ao anatin’ny olona mihitsy ny faniriana hivavaka”, hoy ilay mpampianatra atao hoe Alister Hardy, ao amin’ilay bokiny hoe Ny Fitiavan’ny Olona Mivavaka (anglisy). Marina io teniny io rehefa jerena ny fanadihadiana natao vao haingana. Milaza ho manana ny fivavahany mantsy ny 86 isan-jato eo ho eo amin’ny olona eran-tany.

Hita koa fa fivavahana lehibe 19 no misy azy rehetra. Ireo ao amin’ny fivavahana milaza ho Kristianina aza mbola mizarazara. Avy amin’ny antokom-pivavahana 37 000 be izao izy ireo! Lasa saina angamba ianao hoe: ‘Dia tian’Andriamanitra daholo ve ireo fivavahana ireo? Ary ahoana ny amin’ny fivavahako?’

Samy manana ny hevitsika momba izany isika. Fanontaniana lehibe anefa io, ka tsy tokony hianina amin’ny hevitsika fotsiny isika. Mila fantarintsika kosa ny hevitr’Andriamanitra. Tokony handinika ny Teniny àry isika, dia ny Baiboly. Nahoana? Satria hoy i Jesosy rehefa nivavaka: “Ny teninao no fahamarinana.” (Jaona 17:17) Hoy koa ny apostoly Paoly: “Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso.”—2 Timoty 3:16.

Asehon’ny Baiboly fa tsy ny fivavahana rehetra no tian’Andriamanitra. Nisy fivavahana tiany mantsy fahiny, ary nisy kosa halany. Andeha hodinihintsika izany. Ho fantatsika amin’izay hoe inona no tokony hatao sy tsy tokony hatao, mba ho tian’Andriamanitra ny fivavahantsika.

Fivavahana fahiny

Nomen’i Jehovah Andriamanitra lalàna maro ny Israelita, tamin’ny alalan’i Mosesy mpaminany. Nantsoina hoe Lalàn’i Mosesy izy ireny. Hita ao hoe ahoana no tokony hivavahana amin’Andriamanitra. Noraisiny ho vahoakany sy notahiny izy ireo, rehefa nankatò ny Lalàna. (Eksodosy 19:5, 6) Na izany aza, dia niala tamin’ilay fivavahana tian’Andriamanitra ny Israelita. Imbetsaka izy ireo no tsy nivavaka taminy intsony, fa nanaraka ny fivavahan’ny firenena nanodidina azy.

Maro ny Israelita tsy nankatò ny Lalàna, tamin’ny andron’i Ezekiela sy Jeremia mpaminany, tamin’ny taonjato fahafito T.K. Nifandray be tamin’ireo firenena nanodidina izy ireo. Lasa nanaraka ny fanao sy ny fetin’izy ireny ny Israelita. Nafangarony àry ny fivavahana marina sy diso. Maro ny Israelita nilaza hoe: “Ho tahaka ny jentilisa izahay, dia tahaka ny firenena amin’ny tany samy hafa, ka hanao fanompoam-pivavahana ho an’ny vato aman-kazo.” (Ezekiela 20:32; Jeremia 2:28) Nilaza ho nivavaka tamin’i Jehovah izy ireo, nefa nanompo sampy koa. Nataony sorona ho azy ireny mihitsy aza ny zanany.—Ezekiela 23:37-39; Jeremia 19:3-5.

Antsoin’ny mpikaroka hoe fivavahana amin’andriamanitra maro io karazana fivavahana io, na koa hoe fivavaham-bahoaka. Afaka mifidy izay fivavahana tiany ny olona ankehitriny. Maro àry no mihevitra fa tsy tokony ho sarotiny isika amin’ny zava-drehetra. Tsy diso, hono, izy ireo raha mivavaka amin’Andriamanitra araka izay tiany. Izany tokoa ve no izy? Tena tsy tokony ho sarotiny tokoa ve isika eo amin’ny resaka fivavahana? Andeha hodinihintsika ny zavatra sasany natao tao amin’ilay fivavaham-bahoaka, narahin’ny Israelita nivadi-pinoana. Hojerentsika koa ny vokany.

Ilay fivavahana nifangaro

Tany amin’ny “fitoerana avo” ny Israelita no nivavaka. Nahitana fandoroana emboka manitra, alitara, ary tsangambato masina tany. Nisy tsato-kazo masina koa tany, ary toa natao ho famantarana an’i Aseraha, andriamanibavy kananita, izy ireny. Andriamanibavin’ny fiterahana i Aseraha. Maro ny fitoerana avo tany Joda. Resahin’ny 2 Mpanjaka 23:5, 8, ohatra, fa nisy ‘fitoerana avo tany amin’ny tanànan’ny Joda sy tamin’ny manodidina an’i Jerosalema hatrany Geba [any avaratra] ka hatrany Beri-sheba [any atsimo].’

‘Nandoro ditin-kazo manitra ho an’i Bala, sy ny masoandro [ny Israelita], ary ho an’ny volana sy ny kintana amin’ny Zodiaka ary ho an’izay rehetra eny amin’ny lanitra.’ Nanana trano ho an’ny “olona nanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy” koa izy ireo “teo amin’ny tranon’i Jehovah”, ary nanolotra ny zanany tao anaty “afo ho an’i Moloka.”—2 Mpanjaka 23:4-10.

Nahita sariolona tanimanga an-jatony tany Jerosalema sy Joda ny mpikaroka. Tao anaty tranon’olona rava no tena nisy azy ireny. Sarina vehivavy miboridana sy be nono ny ankamaroany. Milaza ny mpikaroka fa i Astarta sy Aseraha (andriamanibavin’ny fiterahana) ireo sariolona ireo. “Ody natao hanampiana ny vehivavy te hiteraka”, hono, izy ireny.

Ahoana no niheveran’ny Israelita an’ireo fitoerana avo? Nilaza i Ephraim Stern, mpampianatra any amin’ny Oniversite Hebreo, fa toa “natao ho an’i Iaveh [Jehovah]” ny maro tamin’ireny. Manaporofo izany ireo soratra hita tany amin’ny toerana nanaovana fikarohana. Ireto ny santionany: “Mitso-drano anao amin’ny anaran’i Iaveh avy any Samaria sy ny aserahany aho”, “Mitso-drano anao amin’ny anaran’i Iaveh avy any Temana sy ny aserahany aho!”

Hita avy amin’izany fa sady nivavaka tamin’i Jehovah Andriamanitra ny Israelita, no nanompo sampy. Inona no vokany? Lasa naloto fitondran-tena izy ireo, ary tsy nadio intsony ny fivavahany. Ahoana no fahitan’Andriamanitra an’ilay izy?

Tezitra Andriamanitra

Nahatezitra an’Andriamanitra ilay fivavahana naharikoriko narahin’ny Israelita. Nomelohiny àry izy ireo. Hoy izy tamin’ny alalan’i Ezekiela: “Any amin’ny fonenanareo rehetra dia ho lao ny tanàna, ary ho rava ny fitoerana avo, mba ho rava sy lao koa ny alitaranareo, dia hotapatapahina sy hofoanana ny sampinareo, ary hokapaina ny tsangan-kazonareo ho an’ny masoandro, ka dia holevonina ny asanareo.” (Ezekiela 6:6) Hita àry fa tena tsy tian’i Jehovah ilay fivavahana, ka tsy nekeny.

Nilaza i Jehovah Andriamanitra hoe ahoana no handringanany ny Israelita. Hoy izy: ‘Indro, hampanalaiko Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, mpanompoko, ary ho entiko hamely ity tany ity sy ny mponina eto mbamin’ireto firenena manodidina rehetra ireto izy, ary haringako tokoa ireo. Ary ity tany rehetra ity dia ho foana.’ (Jeremia 25:9-11) Tanteraka tokoa ireo teny ireo. Nanafika an’i Jerosalema ny Babylonianina tamin’ny 607 T.K., ary nandrava tanteraka an’ilay tanàna sy ny tempoliny.

Nilaza i Stern hoe hita avy amin’ireo sisan-javatra any Jerosalema, fa “tena marina izay voalazan’ny Baiboly. (2 Mpanjaka 25:8; 2 Tantara 36:18-19) Tena noravana sy nodorana ary narodana tokoa ireo trano sy rindrina tao.” Hoy ihany izy: ‘Imbetsaka ny mpikaroka no niaiky fa marina ny voalazan’ny Baiboly, rehefa nahita ny sisan-javatra tany amin’ireo toerana voaresaka ao izy ireo. Anisan’ny tena nanaitra azy ireo anefa ireo porofo manamarina io fandravana an’i Jerosalema io.’

Lesona ho antsika

Misy lesona lehibe raisintsika avy amin’izay nataon’ny Israelita. Tsy tian’Andriamanitra izay fivavahana mampifangaro ny fampianaran’ny Baiboly amin’ny foto-pinoana sy fanaon’ny fivavahana hafa. Nazava tsara tamin’ny apostoly Paoly izany, ka niova finoana izy. Nobeazina tao amin’ilay sekta atao hoe Fariseo izy taloha. Nampianarina azy ny lalàna nifehy azy io. Niaiky anefa izy tatỳ aoriana fa i Jesosy no Mesia nampanantenaina. Inona àry no nataony? Hoy izy: ‘Izay nataoko ho tombony dia heveriko kosa ho fatiantoka noho ny amin’i Kristy.’ Nialany ilay sekta, ka lasa Kristianina nafana fo izy.—Filipianina 3:5-7.

Misionera i Paoly ka nitety tany maro. Fantany tsara àry ny fanao sy ny zavatra inoana ao amin’ny fivavahana maro. Izany no antony nilazany tamin’ireo Kristianina tany Korinto hoe: ‘Inona no iombonan’ny mazava sy ny maizina? Inona no ifanarahan’i Kristy sy Beliala? Ary inona no zavatra iombonan’ny mino amin’ny tsy mpino? Ary inona no ifanarahan’ny tempolin’Andriamanitra amin’ny sampy? “Koa mivoaha eo aminy ianareo, ary misaraha aminy”, hoy i Jehovah, “ary aza mikasika intsony izay maloto”, “dia handray anareo aho.” ’—2 Korintianina 6:14-17.

Mazava àry fa tsy ny fivavahana rehetra no tian’Andriamanitra. Mety hanontany izao ianao hoe: ‘Inona no fivavahana tiany? Ahoana no hataoko mba hifandraisako aminy? Inona no tokony hataoko mba ho tiany ny fomba ivavahako aminy?’

Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hamaly izany sy izay fanontaniana hafa momba ny Baiboly. Mankanesa any amin’ny Efitrano Fanjakana akaiky anao, na manorata any amin’ny mpampanonta ity gazety ity, raha te hianatra Baiboly maimaim-poana ianao, amin’ny fotoana sy toerana mety aminao.

[Sary, pejy 10]

Fitoerana avo fanaovana fanompoan-tsampy, tel arad, israely

[Sary nahazoan-dalana]

Garo Nalbandian

[Sary, pejy 10]

Sarin’i astarta tao amin’ny trano fahiny tany joda

[Sary nahazoan-dalana]

Photograph © Israel Museum, Jerusalem; courtesy of Israel Antiquities Authority

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara