Taratasy avy any Aostralia
“Hamaky Azy ity Aho Rahalina Rehefa Mitanina Afo”
TANY ngazana sy karakaina ary mahamay be no tonga ao an-tsain’ny olona maro, raha vao mandre ny hoe faritra afovoan’i Aostralia. Misy olona tokony ho 180 000 mipetraka anefa any, izany hoe ny 1 isan-jaton’ny mponina eto Aostralia.
Vavolombelon’i Jehovah ny ray aman-dreniko, ary nentin’izy ireo nitory tany amin’iny faritra iny aho tamin’ny mbola kely. Nahafinaritra ahy ilay faritra satria midadasika sy be vatolampy. Tiako koa ny mponina any. Matanjaka izy ireo sady tsy mba sarotsarotiny. Efa manambady aho izao, ary manan-janaka mianadahy, izay 10 sy 12 taona. Mba tiako hahita an’izany rehetra izany koa izy ireo.
Nanomana ny dia
Nandinika ny vola mety ho lany aloha izahay. Aiza ny toerana farany lavitra azonay aleha? Hafiriana izahay no hijanona any? Naniry hiaraka taminay ny mpivady iray sy ny mpitory manontolo andro anankiroa. Nanapa-kevitra izahay fa amin’ny vakansin’ny mpianatra no handeha, izany hoe ny tapatapaky ny taona. Nanoratra tany amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Sydney, eto Aostralia, izahay, mba hangataka faritany. Tany akaikin’i Goondiwindi no faritany nomena anay. Any amin’ny 400 kilaometatra andrefan’i Brisbane, tanàna misy anay, izy io.
Renay fa misy fiangonana kelin’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Goondiwindi. Fitahiana koa izany! Tena hahafinaritra ny hihaona amin’ireo rahalahy sy anabavy any. Nolazainay tamin’ilay fiangonana hoe ho avy any izahay, ka faly be izy ireo. Tsy andriny mihitsy ny hahatongavanay.
Niara-nandinika ny fomba hitoriana amin’io faritra io izahay, taloha kelin’ny handehananay. Tianay ny hanaja ny kolontsaina sy ny fomban’ireo tompon-tany antsoina hoe Aborizenina. Heverin’ny foko sasany ho tsy mahalala fomba, ohatra, ianao raha miditra ao amin’ny tanànany nefa tsy nahazo alalana.
Tany amin’ilay toerana
Tonga ilay andro lehibe. Indreny fiara roa samy feno olona sy entana nizotra nankany afovoan’i Aostralia. Nahita tanimboly aloha izahay, ary avy eo tany lemaka feno bozaka sy hazo kininina vitsivitsy. Manga ny lanitra tamin’izay. Tonga tao Goondiwindi izahay rehefa afaka ora maromaro, ary nanofa efitra hatoriana.
Nangatsiatsiaka erỳ ny rivotra rehefa niposaka ny masoandro ny ampitson’iny, izany hoe ny alahady maraina. Tena nety tsara izany mba handehanana hitory. Maherin’ny 40 degre mantsy ny hafanana any, amin’ny fahavaratra. Nankany amin’ny tanàna kely iray, 30 kilaometatra avy teo amin’ny nisy anay izahay, tamin’ny voalohany. Nankany amin’ny vehivavy zokiolona iray to teny, atao hoe Jenny aloha izahay. Nihaino tsara ny hafatra ara-baiboly izy, ary nandray ny boky Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe.a Navelany hitory tamin’ny mponina izahay avy eo.
Nihazakazaka nialoha anay ny ankizy tao an-tanàna, mba hilaza ny fahatongavanay. Nihaino tsara daholo ny olona ary nandray ny boky ara-baiboly natolotray. Vetivety dia lany ny bokinay, sady tonga koa ny ora tsy maintsy handehananay hivory tany Goondiwindi. Nampanantena izahay fa hiverina hitsidika an’ireo mbola tsy niresahanay.
Naresaka be tao amin’ny Efitrano Fanjakana ny tolakandron’iny. Faly ireo rahalahy sy anabavy ary vetivety dia lasa mpinamana izahay. Misy mpitory 25 ao amin’io fiangonana io. Miezaka mafy izy ireo mitory amin’ireo mponina tokony ho 11 000, izay miparitaka ao amin’io faritra mirefy 30 000 kilaometatra toradroa io. Hoy ny Vavolombelona iray: “Misaotra betsaka tamin’ny ezaka mafy nataonareo mba hanampiana anay.” Niara-nanao ody ambavafo ny rehetra nony nirava. Rehefa hatory izahay, dia nomenay sakafo ireo biby toy ny kangoroa kely nandehandeha teo an-tokotaninay.
“Rehefa mitanina afo”
Nitory tany amin’ireo tanàna mitokana manamorona ny sisin-tanin’i Nouvelle-Galles du Sud izahay, nandritra ny roa andro nanaraka. Kininina efa maina no tazanay teny an-tanety. Niraoka ahitra teny an-kijana ny andian’omby sy ondry. Nahita kangoroa maromaro koa izahay teny an-dalana. Ranga erỳ ny sofin’izy ireo raha vao henony ny feon’ny fiaranay. Niedinedina teny lavitra teny kosa ny vorona maromaro kelikely noho ny aotirisy.
Nifanena tamin’ny andian’omby izahay ny talata tolakandro. Nidina moramora nanaraka ny arabe izy ireo. Mila mandeha lavitra be ny omby vao mahita toerana hiraofana ahitra, indrindra rehefa maina ny andro. Nahita mpiandry omby efa zokiolona nitaingin-tsoavaly izahay avy eo. Najanoko ny fiara, ary nivoaka aho mba hiarahaba azy. Namaly izy hoe: “Manahoana e!” Nijanona niresaka tamiko izy, ary mba nijanona koa ny alikany.
Nitory taminy aho, rehefa avy niresaka vetivety momba ny hain-tany izahay. Hoy ilay rangahy avy eo: “Tamin’ny mbola kely aho no nandre resaka Baiboly farany!” Nilaza koa izy fa ny mpitondra fivavahana no mahatonga ny fitondran-tenan’ny olona hikororosy. Tena nanaja ny Baiboly anefa izy. Nahafinaritra ny resakay, ary nomeko boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?b izy. Nofihininy tamin’ny tanany roa ilay izy, avy eo nataony tao am-paosy, sady hoy izy: “Raha ahafantarako ny fampianaran’ny Baiboly tokoa ity boky ity, dia hamaky azy ity aho rahalina rehefa mitanina afo.”
Nitodi-doha nody
Rehefa tonga tao amin’ny Efitrano Fanjakana izahay ny harivan’iny, dia notantarainay tamin’ireo rahalahy sy anabavy ny zavatra hitanay. Nampanantena izy ireo fa hitsidika an’ireo olona liana. Tsy mora ny nisaraka. Lasa nifankatia be mantsy izahay, ary samy nahazo fampaherezana.—Romanina 1:12.
Nandeha nody izahay ny ampitson’iny. Tsapanay fa tena nitahy ny ezaka nataonay i Jehovah. Nihanatanjaka ny finoanay. Hoy aho tamin’izy mianadahy rehefa tonga tao an-trano izahay: “Aiza indray no tianareo hanaovana vakansy amin’ny manaraka? Any an-tendrombohitra ve?” Namaly izy ireo hoe: “Tsy aleo mankany amin’ny toerana hoatran’ilay teo iny ihany?” Hoy koa ny vadiko: “Andao tokoa e! Mbola tsisy vakansy tsara hoatra an’iny mihitsy!”
[Fanamarihana ambany pejy]
a Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
b Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.