FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w09 1/4 p. 24-25
  • Nivadika Tamin’i Jehovah i Joasy Noho ny Naman-dratsy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nivadika Tamin’i Jehovah i Joasy Noho ny Naman-dratsy
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Mitovitovy Aminy
  • Joiada
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Nahoana Isika no Tokony Hatahotra An’i Jehovah?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2023
  • Tsy Natahotahotra i Joiada
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Ry Tanora, Tianareo Hanao Ahoana ny Fiainanareo?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2023
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
w09 1/4 p. 24-25

Ampianaro ny Zanakao

Nivadika Tamin’i Jehovah i Joasy Noho ny Naman-dratsy

RATSY be, tamin’izay fotoana izay, ny fiainana tao Jerosalema, ilay tanàna nisy ny tempolin’Andriamanitra. Vao avy nisy namono i Ahazia Mpanjaka. Tsy ela taorian’izay, dia novonoin’i Atalia koa ny zanakalahin’i Ahazia, nefa zafikeliny ihany ireo! Fantatrao ve ny antony?...a Amin’izay dia izy no ho mpanjaka fa tsy ireo.

Zafikelin’i Atalia koa i Joasy, izay mbola zazakely tamin’izany. Voavonjy izy, nefa tsy fantatr’io renibeny io akory. Tianao ho fantatra ve ny fomba namonjena azy?... Nafenin’i Joseba nenitoany, tao amin’ny tempolin’Andriamanitra izy. Mpisoronabe tao mantsy i Joiada vadin’i Joseba. Nataon’izy mivady àry izay hiarovana an’i Joasy.

Nafenina tao amin’ny tempoly nandritra ny enin-taona i Joasy. Nampianarina ny zava-drehetra momba an’i Jehovah Andriamanitra sy ny didiny izy tao. Rehefa feno fito taona i Joasy, dia nanao zavatra i Joiada mba hanaovana azy ho mpanjaka. Tianao ho fantatra ve izay nataon’i Joiada, sy izay nanjo an’i Atalia, ilay mpanjakavavy ratsy fanahy?...

Nanana mpiambina manokana ny mpanjaka tany Jerosalema. Nantsoin’i Joiada mangingina izy ireo, ary notantarainy ny fomba namonjen’izy mivady an’ilay zanak’i Ahazia Mpanjaka. Nasehony azy ireo avy eo i Joasy, ary nanaiky ireo hoe izy tokoa no tokony ho mpanjaka. Nisy tetika natao àry mba hanatanterahana izany.

Nasehon’i Joiada an’ny vahoaka i Joasy, ary nampanaoviny satroboninahitra. “Nitehaka izy ireo, sady nilaza hoe: ‘Ho ela velona anie ny mpanjaka!’” Nohodidinin’ny mpiambina i Joasy mba hiarovana azy. Rehefa ren’i Atalia ny horakoraky ny olona, dia nivoaka izy ary nilaza fa misy manongam-panjakana. Nasain’i Joiada novonoina ho faty anefa i Atalia.—2 Mpanjaka 11:1-16.

Joiada mampanao satroboninahitra an’i Joasy

Novonjena i Joasy

Nankatò an’i Joiada foana ve i Joasy, ka nanao ny tsara?... Nanao ny tsara izy tamin’i Joiada mbola velona. Nasainy nanome vola hanamboarana ny tempolin’Andriamanitra mihitsy aza ny vahoaka. Tsy noraharahain’i Ahazia rainy sy Jorama raibeny mantsy izy io. Andeha hojerentsika anefa izay nitranga rehefa maty i Joiada Mpisoronabe.—2 Mpanjaka 12:1-16.

Efa 40 taona teo ho eo i Joasy tamin’izay. Tsy ninamana tamin’ny mpanompon’i Jehovah intsony izy, fa mpanompo sampy indray no nataony namana. I Zakaria, zanak’i Joiada no mpisoron’i Jehovah, tamin’izay. Ahoana hoy i Zakaria, rehefa hitany ny zava-dratsy nataon’i Joasy?...

Hoy i Zakaria taminy: ‘Nahafoy an’i Jehovah ianao, ka mba hafoiny koa.’ Tezitra be i Joasy rehefa nandre izany, ka nasainy notoraham-bato ho faty i Zakaria. Mba eritrereto ange e! Novonjena tamin’ny mpamono olona i Joasy, nefa izy indray izao no nampamono an’i Zakaria.—2 Tantara 24:1-3, 15-22.

Inona no azontsika ianarana avy amin’io tantara io?... Tsy tiantsika ny hitovy amin’i Atalia, izay sady tsy nanam-pitiavana no nasiaka be. Tokony hotiavintsika kosa ny mpiara-mivavaka amintsika, ary na dia ny fahavalontsika aza. Izany no nampianarin’i Jesosy. (Matio 5:44; Jaona 13:34, 35) Tadidio koa izao: Raha efa nanao ny tsara toa an’i Joasy isika ary mbola te hanao an’izany, dia olona tia an’i Jehovah sy mandrisika antsika hanompo azy foana no tokony ho namantsika.

a Raha mamaky miaraka amin’ny ankizy ianao, dia tokony hiato sy hampirisika azy hilaza ny heviny, rehefa mahita teboka telo toy ity.

Fanontaniana:

  • Iza no saika hamono an’i Joasy, ary ahoana no fomba namonjena azy?

  • Ahoana no naha lasa mpanjaka an’i Joasy, ary inona no zavatra tsara nataony?

  • Nahoana i Joasy no lasa ratsy fanahy, ary iza no novonoiny?

  • Inona no ianarantsika avy amin’io tantara ara-baiboly io?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara