FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w09 1/5 p. 19-21
  • Mitandrema Amin’ny Fanahy Ratsy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mitandrema Amin’ny Fanahy Ratsy
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Afaka manisy ratsy anao ve ny fanahy ratsy?
  • Inona ireo fanao halan’Andriamanitra?
  • Inona no tsy maintsy ataonao?
  • Avelao Hanampy Anao Hanohitra ny Fanahy Ratsy i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2019
  • Tohero Ireo Hery Ara-panahy Ratsy
    Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
  • Ny Anjely Tsara sy ny Anjely Ratsy
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • Mahery ireo fanahy ratsy
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
w09 1/5 p. 19-21

Mitandrema Amin’ny Fanahy Ratsy

TANY ambanivohitr’i Malaita, any amin’ny Nosy Salomon no nahalehibe an’i James. Nampianarina hivavaka tamin’ireo fanahy izy hatramin’ny fahazazany. Hoy izy: “Mbola tsy tonga tao an-tsaiko mihitsy ny hoe hangataka an’ireo fanahy hanisy ratsy olona. Tsy nino anefa aho hoe handeha tsara ny fiainako, raha tsy manao rarafonoa mba hiaro ahy.”

Tsy ny mponin’ny Nosy Salomon ihany, fa olona maro eran-tany koa no mino hoe afaka manao soa na manisy ratsy olona ireo fanahy. Melanezianina maro no miraiki-po amin’ireo fanahy antsoiny hoe mpanao soa, ary tsy atahorany izy ireny.

Maro ny fombafomba ahitana fa mino an’ireny fanahy ireny ny olona. Tamin’i James mbola kely, ohatra, dia nasain’ireo vehivavy niditra haingana tao an-trano ny zanany, isaky ny nandre ny feon’ny korokoro (vorona mitovitovy amin’ny taotaokafo) ry zareo. Nahoana? Satria mino izy ireo fa hisy olona hiharan-doza matoa maneno ilay vorona.

Misy olona koa mametraka vato fotsy manokana eo amin’ny tataom-baravarany. Nanao an’izany i James. Nino mantsy izy fa hiaro azy amin’ny fanahy ratsy ilay vato. Nangoniny koa izay ambinambin-tsakafo tsy laniny tany am-piasana, ary tsy nariany teo no ho eo. Natahotra mantsy izy sao hisy hampiasa izany mba hamosaviana azy, ka harary izy.

Tsy fahita any amin’ny tany misy anao angamba ireo fanao ireo. Mety hihevitra toa an’i James anefa ianao hoe mila manaraka fanao nentim-paharazana, mba ho voaro amin’ny fanahy ratsy. Mino angamba ianao fa hidiran-doza raha tsy manao an’izany.

Raha mino ny Baiboly anefa ianao, dia azo inoana fa ho tianao ny hahazo ny valin’ireto fanontaniana ireto: 1) Afaka manisy ratsy ahy ve ny fanahy ratsy? 2) Hanan-kery eo amiko tokoa ve izy ireny, raha manaraka fanao nentim-paharazana aho? 3) Inona no tena hiaro ahy amin’ny fanahy ratsy?

Afaka manisy ratsy anao ve ny fanahy ratsy?

Lazain’ny Baiboly fa tsy ny fanahin’ireo maty velively ny fanahy ratsy. Hoy mantsy izy io: “Fantatry ny velona fa ho faty izy, fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona.” (Mpitoriteny 9:5) Anjely nikomy ny fanahy ratsy, raha ny marina, ary miara-miasa amin’i Satana mba hamitaka ny olombelona.—Apokalypsy 12:9.

Ahariharin’ny Baiboly fa mila mitandrina amin’ny fanahy ratsy isika. Hoy ny apostoly Paoly tamin’ny Kristianina tany Efesosy: ‘Isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra, fa amin’ireo fanahy ratsy any amin’ny faritry ny lanitra.’ Nilaza koa ny apostoly Petera fa i Satana Devoly no lehiben’ny fanahy ratsy rehetra, ary tahaka “ny liona mierona, mitady olona harapaka” izy.—Efesianina 6:12; 1 Petera 5:8.

Inona no fomba voalohany ampiasain’i Satana mba hanisiana ratsy antsika? Mamitaka antsika izy, na maka fanahy antsika hanao zavatra halan’Andriamanitra. Lazain’ny Baiboly fa “miseho foana ho toy ny anjelin’ny mazava” izy. (2 Korintianina 11:14) Miseho ho mpiaro ny olona izy, nefa manajamba ny sain’izy ireny mba tsy hahalalany hoe iza marina i Satana, ary iza marina Andriamanitra. (2 Korintianina 4:4) Nahoana izy no mamitaka toy izany?

Maniry mafy ny hivavahana mantsy izy, ary tiany hanao izany ny olona, na fanahy inian’izy ireo izany na tsia. Tamin’i Jesosy tetỳ an-tany, dia nasainy ‘niankohoka indray mandeha’ teo anatrehany. Hoy anefa i Jesosy: “Mandehana ianao, ry Satana, fa voasoratra hoe: ‘I Jehovah Andriamanitrao no tsy maintsy iankohofanao.’ ” (Matio 4:9, 10) Tsy nety nanao zavatra toa mampiseho fanekena na fivavahana amin’i Satana mihitsy ilay Zanak’Andriamanitra.

I Jehovah no fanahy mahery indrindra, ka tsy avelany hijaly maharitra ireo mankatò azy. (Salamo 83:18; Romanina 16:20) Tsy tokony hanao zavatra mety hahatonga antsika hivavaka amin’i Satana sy ny demoniany isika, raha te hampifaly an’i Jehovah toa an’i Jesosy. Mila fantarintsika àry ireo fanao nentim-paharazana, izay mety hahatonga antsika hivavaka amin’ny fanahy ratsy.

Inona ireo fanao halan’Andriamanitra?

Nampitandrina ny Israelita i Jehovah Andriamanitra mba tsy hanarahan’izy ireo ny fanaon’ny firenena nanodidina. Hoy izy: ‘Aoka tsy hisy eo aminao ny olona manao sikidy, na mampiasa herin’ny maizina, na mitady fambara, na mpilalao ody, na mpilaza ozona famosaviana.’ Hoy ny Baiboly momba ny olona nanao an’ireo: ‘Maharikoriko an’i Jehovah izay rehetra manao ireo zavatra ireo.’—Deoteronomia 18:10-12.

Saintsaino àry ireto fanontaniana ireto, rehefa mandinika ny fombafomba eo amin’ny faritra misy anao ianao: Mampirisika ny olona hinohino foana ve ilay fombafomba? Misy zavatra heverina fa afaka miaro ve amin’ilay izy? Ampiasana ozona famosaviana ve ilay izy? Mety hahatonga ny olona hanaiky ny fanahy ratsy ve ilay izy, fa tsy hanaiky an’i Jehovah na Jesosy, ilay solontenany?—Romanina 14:11; Filipianina 2:9, 10.

Nahoana ianao no tokony hanalavitra ny fanao misy an’ireo zavatra ireo? Satria “tsy afaka ny hihinana amin’ny ‘latabatr’i Jehovah’ sy ny latabatry ny demonia ianareo”, hoy ny apostoly Paoly izay nahazo ny fanahy masina. Nampitandrina izy fa hanao “izay hahasaro-piaro an’i Jehovah” ireo niezaka nampifaly an’Andriamanitra, sady nampifaly fanahy hafa. (1 Korintianina 10:20-22) Mitaky ny hanompoana azy irery ihany i Jehovah Andriamanitra, ary mendrika an’izany izy.—Eksodosy 20:4, 5.

Diniho koa izao: Mahatonga ny olona hino ve ilay fanao fa tsy tompon’andraikitra amin’ny ataony izy? Meloka, ohatra, ny olona mijangajanga sy manao firaisana alohan’ny fanambadiana, any amin’ny faritra maro. Melohin’ny Baiboly koa izany. (1 Korintianina 6:9, 10) Eken’ny olona sasany any amin’ny faritr’i Pasifika anefa ireo fanao ireo, raha toa ilay ankizivavy ka milaza hoe tsy tompon’ny tenany izy fa te hanao firaisana, satria “voan’ny ravina maitso”,b hono.

Milaza anefa ny Baiboly fa tompon’andraikitra amin’ny ataontsika isika. (Romanina 14:12; Galatianina 6:7) Nihevitra, ohatra, i Eva, ilay vehivavy voalohany, fa nofitahin’i Satana ka tsy nankatò an’Andriamanitra. Hoy izy: “Ny menarana no namitaka ahy, ka nihinana aho.” Nampamoahin’i Jehovah ihany anefa i Eva. (Genesisy 3:13, 16, 19) Hampamoahiny koa isika.—Hebreo 4:13.

Inona no tsy maintsy ataonao?

Mila mandray fanapahan-kevitra hentitra ianao, raha te hampifaly an’Andriamanitra sy hanaraka ny didiny. Izany indrindra no nataon’ny olona tso-po tany Efesosy, tamin’ny taonjato voalohany. Nangonin’izy ireo izay bokiny momba ny filalaovana ody, ary ‘nodorany teo anatrehan’ny rehetra’, mba hialana tamin’ny herin’ny fanahy ratsy.—Asan’ny Apostoly 19:19.

“Nanatona ka niaiky sy nilaza an-karihary ny nataony” ireny olona ireny, talohan’ny nandoroany an’ireo boky. (Asan’ny Apostoly 19:18) Nanohina ny fon’izy ireo mantsy ny fampianaran’i Paoly momba an’i Kristy, ka nopotehiny ireo boky. Tsy narahiny intsony koa ireo fanao nentim-paharazana.

Sarotra ny miala amin’ireny fanao ireny. Izany koa no tsapan’i James, ilay noresahina terỳ aloha. Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy, ary tiany ny zavatra nianarany. Mbola nanao an’ilay rarafono ihany anefa izy. Nino ny fampanantenan’i Jehovah momba ny hoavy izy, sady nieritreritra fa mbola nila nanaraka ny fanao nentim-paharazana mba ho voaro.

Inona no nanampy an’i James hiova? Hoy izy: “Nivavaka tamin’i Jehovah aho, mba hiarovany sy hanampiany ahy hianatra hitoky aminy. Nialako koa anefa ireo fombafomba narahiko.” Nidiran-doza ve i James? “Tsia!”, hoy izy. “Lasa nahay nitoky tamin’i Jehovah kosa aho, ary lasa namako akaiky izy.” Efa fito taona izao i James no mpitory manontolo andro, ary manampy olona hahafantatra izay ampianaran’ny Baiboly.

Nahoana raha manao toa an’i James? Diniho ny fombafomban’ny olona eo amin’ny faritra misy anao, ary ‘ampiasao ny sainao’, mba hahitana raha mifanaraka amin’ny “sitrapon’Andriamanitra” izy ireny na tsia. (Romanina 12:1, 2) Manàna herim-po, avy eo, mba hialana amin’izy ireny. Afaka matoky ianao, amin’izay, fa ‘handray anao’ i Jehovah, ary hiaro anao. (2 Korintianina 6:16-18) Hahatsapa toa an’i James ianao fa marina izao fampanantenan’ny Baiboly izao: “Ny anaran’i Jehovah dia tilikambo mafy, ary mihazakazaka ho ao ny marina ka voaro.”—Ohabolana 18:10.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Fombafomba nentim-paharazana angatahana ny fanampian’ny fanahy.

b Teny iantsoana ny famosaviana amin’ny alalan’ny ravinkazo na sakafo manokana izy io. Omena an’ilay ankizivavy izany, ary mahatonga azy ho tia lehilahy iray, hono, ilay izy. Tsy mitovy ny ankizivavy lazaina fa voan’ny ravina maitso, sy ny ankizivavy nomena zava-mahadomelina ary noterena hanao firaisana. Tsy manan-tsiny ilay ankizivavy noterena.

[Sary, pejy 19]

“Korokoro”

[Sary nahazoan-dalana]

Courtesy of Dr. Bakshi Jehangir

[Sary, pejy 19]

Ankizivavy manangona ambinambin-tsakafo mba tsy hisy hampiasa izany hamosaviana azy

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara