FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w09 1/10 p. 15
  • Tena Misy ve ny Devoly?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tena Misy ve ny Devoly?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Mitovitovy Aminy
  • Ilay fahavalon’ny fiainana mandrakizay
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
  • Satana
    Mifohaza!—2013
  • Iza moa i Satana? Tena Misy ve Izy?
    Mifohaza!—2007
  • Toetra Ratsy Fotsiny ve i Satana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
w09 1/10 p. 15

Manontany ny Mpamaky

Tena Misy ve ny Devoly?

Eny, ampianarin’ny Baiboly fa tena misy i Satana Devoly. Ihomehezan’ny mpanao tsikera anefa izany hevitra izany. Ny toetra ratsy ao amin’ny olona fotsiny, hono, izany Satana izany.

Tsy tokony ho gaga isika raha tsy mitovy ny hevitry ny olona momba ny hoe iza marina i Satana. Intỳ misy ohatra: Mety hamafa ny dian-tanany eo amin’ny toerana nanaovany heloka bevava ny mpanao ratsy, mba tsy hahafantarana azy. Afaka manohy ny asa ratsiny izy amin’izay, nefa tsy ho fantatra mihitsy. Toy izany koa fa i Satana no tompon’andraikitra amin’ny faharatsiana. Faly manao ny asa ratsiny ao amin’ny miafina izy, ka mampirisika ny olona ho ratsy fitondran-tena. Nohazavain’i Jesosy tsara fa i Satana no mahatonga ny faharatsiana eto an-tany. Nantsoiny hoe “mpitondra an’izao tontolo izao” i Satana.—Jaona 12:31.

Ahoana no nampisy ny Devoly? Anjely lavorary tany an-danitra izy tamin’ny voalohany nefa nikomy. Lasa Devoly izy rehefa naniry mafy ny hivavahana. Andriamanitra ihany anefa no tokony hivavahana. Hita ao amin’ny Baiboly ny resaka nifanaovan’i Satana sy Jesosy, teto an-tany. Nasehon’ny Devoly fa fatra-paniry fahefana izy. Nasainy ‘niankohoka indray mandeha’ teo anatrehany i Jesosy.—Matio 4:8, 9.

Nasehon’i Satana koa ny faniriany, tamin’izy nifampiresaka tamin’Andriamanitra. Hita ao amin’ny bokin’i Joba izany. Tiany hivadika amin’Andriamanitra ny olona, ka manao izay ho afany izy.—Joba 1:13-19; 2:7, 8.

Eritrereto izao: Raha niresaka tamin’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy i Satana, azo lazaina ve hoe ny toetra ratsy ao anatin’ny olona fotsiny izy? Tsy misy faharatsiana velively ao amin’Andriamanitra sy ny Zanany! Mazava àry fa tena misy i Satana. Anjely ratsy tsy manaja an’i Jehovah sy Jesosy izy.

Voaporofo koa fa tena misy ny Devoly rehefa jerena ny faharatsiana eto an-tany. Avelan’ny firenena sasany ho lo fotsiny, ohatra, ny sakafo tsy laniny nefa ny vahoakany maty mosary. Mitahiry fitaovam-piadiana mahery vaika mba hifamonoana koa ireo firenena, sady manimba ny tontolo iainana. Toy ny hoe jamba anefa ny ankamaroan’ny olona, ka tsy fantany akory ny anton’izany fankahalana sy fanimban-tena izany. Nahoana?

Asehon’ny Baiboly fa “manajamba ny sain’ny tsy mino” i Satana. (2 Korintianina 4:4) Mampiasa fikambanana tsy hita maso izy mba hifehezana ny olona. Izy no “lehiben’ny demonia.” (Matio 12:24) Intỳ misy ohatra: Afaka miara-miasa amin’ny andian-jiolahy maro be ny lehiben’ny fikambanan’ny mpanao heloka bevava, na dia tsy mampahafantatra ny tenany aza. Mampiasa an’ireo anjeliny ratsy koa i Satana mba hifehezana olona maro be, nefa tsy fantatr’ireo olona ireo akory izany.

Tena faly isika satria ahariharin’ny Baiboly amintsika ny momba ny Devoly sy ny fikambanany! Afaka manao zavatra hanoherana azy isika. Mampirisika antsika ny Baiboly hoe: “Maneke an’Andriamanitra, fa tohero kosa ny Devoly, dia handositra anareo izy.”—Jakoba 4:7.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara