Fantatrao Ve?
Inona no anton’ilay fanisam-bahoaka nahatonga an’i Jesosy ho teraka tany Betlehema?
Milaza ny Filazantsaran’i Lioka fa namoaka didy i Aogosto Kaisara hoe hisy fanisam-bahoaka manerana ny Fanjakana Romanina. “Nankany amin’ny tanàna niaviany avy” àry “ny olona rehetra mba hosoratana anarana.” (Lioka 2:1-3) Any Betlehema no tanàna niavian’i Josefa, ka nandeha tany izy sy Maria mba ho fankatoavana an’io didy io. Izany no nahatonga an’i Jesosy ho teraka tany Betlehema. Natao hanamora ny fanangonana hetra sy ny fiantsoana olona hanao miaramila ny fanoratana ny anaran’ny mponina toy izany.
Efa fanao tany Ejipta hatramin’ny taona maro ny fanisam-bahoaka, tamin’ny fotoana nandresen’ny Romanina ny Ejipsianina tamin’ny taona 30 T.K. Milaza ny manam-pahaizana fa naka tahaka an’izany fanaon’ny Ejipsianina izany ny Romanina, ka nampihatra izany tamin’ny faritra hafa nanjakany.
Namoaka didy mba hanaovana fanisam-bahoaka toy izany, ohatra, ny governora romanina tany Ejipta, tamin’ny taona 104, ary voatahiry any amin’ny Tranomboky Britanika ny dika mitovy amin’io didy io. Izao no voalaza ao: “Hoy i Gaius Vibius, Mpiadidy mifehy an’i Ejipta: Hanomboka izao ny fanisam-bahoaka fanao isan-trano. Tokony hasaina hiverina any amin’ny faritra niaviany àry ny olona rehetra, na inona na inona antony nifindrany. Ho voaisa izy ireo amin’izay, sady ho afaka hamboly eo amin’ny taniny sy hikarakara tsara ny famboleny.”
Nahoana i Josefa no nieritreritra hanome taratasy fisaraham-panambadianaa an’i Maria, nefa mbola vao mpifamofo izy roa?
Milaza ny Filazantsaran’i Matio fa fantatr’i Josefa hoe nitoe-jaza i Maria nefa ‘efa voafofo ho vadiny’ sady mbola tsy niray trano taminy. Tsy nahalala i Josefa hoe nitoe-jaza “noho ny herin’ny fanahy masina” i Maria, ka tsy maintsy ho nieritreritra hoe nanitsakitsaka azy izy. Izany no nahatonga azy ‘hikasa hisaraka’ tamin’i Maria. Mety ho nikasa hanao taratasy fisaraham-panambadiana i Josefa tamin’izay.—Matio 1:18-20.
Efa toy ny mpivady ny mpifamofo teo amin’ny Jiosy. Tsy miray trano anefa izy roa, raha tsy efa vita ny fampakaram-bady. Tena zava-dehibe ny fifamofoana. Raha efa mpifamofo ny olon-droa nefa misaraka, satria niova hevitra ilay lehilahy na nisy antony lehibe hafa, dia tsy mahazo manambady ilay vehivavy raha tsy nahazo taratasy fisaraham-panambadiana. Noheverina ho toy ny maty vady ny vehivavy, raha maty talohan’ny fampakaram-badiny ny fofombadiny. Raha nijangajanga ny vehivavy efa manana fofombady, dia noheverina ho nanitsakitsa-bady ka nohelohina ho faty.—Deoteronomia 22:23, 24.
Azo inoana fa nosaintsainin’i Josefa izay hanjo an’i Maria raha manala baraka azy ampahibemaso izy. Fantany hoe tokony hilaza izay nitranga any amin’ireo olona manana fahefana izy. Te hiaro an’i Maria anefa izy ary tsy te hanala baraka azy, ka nikasa hisaraka taminy mangingina, angamba hanome azy taratasy fisaraham-panambadiana. Rehefa manana an’io taratasy io mantsy ny reny tokan-tena, dia midika izany fa efa nanambady izy.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mety ho manana heviny hoe nikasa hanao taratasy fisaraham-panambadiana ilay hoe “nikasa hisaraka” ao amin’ny Matio 1:19.
[Sary, pejy 16]
Didy momba ny fanisam-bahoaka, nataon’ny governora romanina tany ejipta, taona 104
[Sary nahazoan-dalana]
© The British Library Board, all rights reserved (P.904)