FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w10 1/7 p. 30-31
  • Ahoana no Hahitana Namana Tsy Mivadika?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Hahitana Namana Tsy Mivadika?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Mitovitovy Aminy
  • Noravana i Sodoma sy Gomora
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Nanasitrana Tamin’ny Fomba Mahagaga i Jesosy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Nisy Nanendrikendrika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Nampiaiky An’ireo Nihaino Azy i Jesosy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
w10 1/7 p. 30-31

Ho An’ny Ankizy sy ny Tanora

Ahoana no Hahitana Namana Tsy Mivadika?

Toromarika: Tsara raha amin’ny toerana mangina ianao no mamaky ny andinin-teny eto ambany. Alao sary an-tsaina ilay tantara. Ataovy toy ny hoe teo mihitsy ianao, ka renao ny feo manodidina sy ny olona miteny, ary tsapanao ny fihetseham-pon’ireo olona asongadina ao.

Mpandray anjara: Jonatana, Davida, Saoly

Famintinana: Lasa naman’i Jonatana akaiky indrindra i Davida, rehefa avy namono an’i Goliata.

1 ALAO SARY AN-TSAINA ILAY TANTARA.—VAKIO NY 1 SAMOELA 17:57–18:11; 19:1; 20:1-17, 41, 42.

Araka ny hevitrao, hoatran’ny ahoana ny paozipaozin’i Saoly? (Jereo ny 1 Samoela 10:20-23.)

․․․․․

Mbola tanora i Davida tamin’izy nihaona voalohany tamin’i Jonatana. Araka ny hevitrao, hoatran’ny ahoana ny endrik’i Davida? (Jereo ny 1 Samoela 16:12, 13.)

․․․․․

Araka ny hevitrao, nanao ahoana ny fihetseham-pon’i Davida sy Jonatana, rehefa nifanao veloma izy ireo? (Jereo ny 1 Samoela 20:41, 42.)

․․․․․

2 FAKAFAKAO ILAY TANTARA.

“Nanjary niraiki-po be tamin’i Davida i Jonatana”, na hoe “lasa mpinamana be” izy ireo, araka ny Baiboly Dikan-teny Anglisy Maoderina. (1 Samoela 18:1) Inona no toetran’i Davida mety ho nahatonga an’i Jonatana ho tia azy? (Jereo ny 1 Samoela 17:45, 46.)

․․․․․

Zokin’i Davida 30 taona teo ho eo i Jonatana. Araka ny hevitrao, nahoana izy ireo no lasa “mpinamana be”, na dia nifanelanelana be aza ny taonany?

․․․․․

Inona avy no mampiavaka ny tena namana, raha jerena io tantara mahaliana io? (Jereo ny Ohabolana 17:17; 18:24.)

․․․․․

Zava-dehibe kokoa tamin’i Jonatana ny hoe tsy nivadika tamin’i Davida noho ny hoe tsy nivadika tamin’ny rainy. Nahoana?

․․․․․

3 AMPIHARO IZAY NIANARANAO. SORATY ETO IZAY NIANARANAO MOMBA NY . . .

Namana.

․․․․․

Tsy fivadihana.

․․․․․

Minamana amin’ny olon-dehibe.

․․․․․

Ahoana no hataonao mba hahatonga an’ireo namana tsara hinamana aminao?

․․․․․

4 INONA NO HITANAO HOE TENA MAHASOA ANAO AMIN’IO TANTARA IO? NAHOANA?

․․․․․

TSY MANANA BAIBOLY VE IANAO? AZONAO ATAO NY MANGATAKA AMIN’NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara