FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w11 1/1 p. 29
  • Taolan’olona avy any Azia Hita Tany Italia

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Taolan’olona avy any Azia Hita Tany Italia
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Mitovitovy Aminy
  • Atsinanana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Tonga Hatraiza ny Fitoriana Tany Atsinanana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Fizarana 6: Roma: Herim-panjakana Fahenina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Spaonjy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
w11 1/1 p. 29

Taolan’olona avy any Azia Hita Tany Italia

AHOANA no nahatongavan’ny lehilahy iray avy any Azia tany amin’ny Fanjakana Romanina fahiny, 2 000 taona lasa izay? Te hahalala ny valin’izany ny mpikaroka, rehefa nahita zavatra mahavariana tany amin’ny faritra atsimon’i Italia tamin’ny 2009.

Taolambalo 75 no nofongarin’izy ireo tao amin’ny fasana romanina fahiny, any Vagnari, 60 kilaometatra any andrefan’i Bari. Rehefa nozahana ny ADN tamin’ireo taolana ireo, dia hita fa teraka teny amin’ny manodidina teny ihany ny ankamaroan’ireo olona ireo. Nahagaga an’ireo mpikaroka anefa ny valin’ny fizahana ny taolan’ny lehilahy iray. Hita mantsy fa avy any Azia Atsinanana ny razambeny avy amin’ny reniny.a Taolambalo tany amin’ny taonjato voalohany na faharoa tany ho any izy io. Milaza ny tatitra iray fa “izay vao nisy taolambalo nanana razambe avy any Azia Atsinanana, tany amin’ny Fanjakana Romanina.” Iza àry io lehilahy io?

Hoy koa ilay tatitra: “Ny tonga ao an-tsaina voalohany dia hoe tonga tany io olona io tamin’ny fotoana nifanaovan’i Chine sy Roma varotra lamba landy.” Heverina anefa fa niampitampita tamin’ny mpanera io varotra io, fa tsy nisy mihitsy nanao an’ilay dia 8 000 kilaometatra, avy any Chine mankany Italia.

Inona no fantatra momba io lehilahy io, raha jerena ny toerana nahitana ny taolambalony? Tanàna ambanivohitra nofehezin’ny mpanjaka i Vagnari fahiny, ary nisy mpandrendrika vy sy mpanao tafo tanimanga tany. Andevo ny ankamaroan’ireo mpiasa, ary izany koa angamba ilay lehilahy. Tsy nanan-karena izy io, satria vilany tokana no hany fananany nalevina niaraka taminy, ary nisy faty hafa koa natao teo amboniny.

Nahoana no mahaliana izany? Niankina tamin’ny toerana lavitra indrindra nalehan’ny olona fahiny mantsy ny fielezan’ny hafatra notorin’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Asehon’ny Baiboly fa nitondra ny vaovao tsara tany amin’ny faritra lavitra ireo vahiny tonga tao Jerosalema, taorian’ny Pentekosta taona 33. (Asan’ny Apostoly 2:1-12, 37-41) Hita avy amin’io taolambalo io àry fa nisy olona avy any Azia Atsinanana nankany amin’ny faritr’i Mediterane, tamin’izany fotoana izany.b

[Fanamarihana ambany pejy]

a Tsy ahafantarana ny razamben’ny rain’ny olona iray io karazana fizahana io.

b Voaporofo koa fa nisy Tandrefana nankany Azia Atsinanana. Jereo ny lahatsoratra hoe “Tonga Hatraiza ny Fitoriana Tany Atsinanana?”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 2009.

[Sarintany, pejy 29]

(Jereo ny gazety)

ROMA

Vagnari

Ranomasina Mediterane

AZIA ATSINANANA

OSEANA PASIFIKA

[Sary, pejy 29]

Taolambalon’ny lehilahy iray avy any Azia Atsinanana, tao amin’ny fasana Romanina fahiny

[Sary nahazoan-dalana]

© Su concessione del Ministero per i Beni e le Attività Culturali-Direzione Regionale per i Beni Culturali e Paesaggistici della Puglia - Soprintendenza per i Beni Archeologici della Puglia

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara