Fizarana Diplaoman’i Gileada, Kilasy faha-129
“Andronareo Androany”
OLONA efa ho 8 000 no nanatrika ny fizarana diplaoman’ny kilasy faha-129, tamin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada, tamin’ny 11 Septambra 2010. Hoy i Samuel Herd, anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah: “Andronareo androany, ka tonga hiara-paly aminareo izahay!”
“Ny sofina mandre”
Ny Rahalahy Herd no nanomboka ny fandaharana. Nilaza izy fa tokony hampiasa tsara “ny sofina mandre” ny Kristianina rehetra, ka hihaino tsara ny Tenin’Andriamanitra. (Ohabolana 20:12) Hoy izy tamin’ireo misionera: “Efa nihaino an’i Jehovah foana ianareo nandritra izay volana vitsivitsy izay, ary hanao izany foana mandrakizay.”
Ahoana anefa no azon’ireo misionera vaovao ampiasana tsara ny sofiny? “Rehefa mihaino tsara ny Tenin’Andriamanitra”, hoy ny Rahalahy Herd. Hoy koa izy: “Maro ny zavatra horesahina mandritra ny fandaharana androany, izay hanampy anareo amin’ny asa misionera hataonareo.”
“Matokia an’i Jehovah amin’ny fonareo manontolo”
Niresaka an’io loha hevitra nampisaintsaina io tamin’ny mpianatra i Gerrit Lösch, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Notantarainy fa imbetsaka ireo mpanompon’i Jehovah fahiny sy ankehitriny no nampiseho ny fatokisany azy.
Toy izany koa fa “mila maneho fatokisana ireo misionera, any amin’ny tany anendrena azy”, hoy ny Rahalahy Lösch. “Mety hieritreritra, ohatra, ianareo hoe: ‘Ho vitako ve ny hianatra teny vaovao, sy hizatra kolontsaina vaovao, ary hizaka alahelo rehefa te hody?’ ” Nilaza ny Rahalahy Lösch fa “ny fatokisana an’i Jehovah” no vahaolana.
Novakiny koa ny Ohabolana 14:26 hoe: “Tena feno toky ny olona matahotra an’i Jehovah.” Hatoky an’i Jehovah bebe kokoa isika, raha misaintsaina ireo fomba maro nitahiany antsika.
Milaza ny Baiboly fa “ho toy ny hazo nambolena eo amoron-drano” ireo matoky an’i Jehovah, “izay mampisandrahaka ny fakany eny akaikin’ny renirano. Tsy hihontsina akory izy na tonga aza ny hafanana, fa hirobona foana ny raviny.”—Jeremia 17:7, 8.
Nilaza àry ny Rahalahy Lösch hoe: “Tokony hatoky an’i Jehovah foana ianareo, na inon-kidona na inon-kihatra.”
“Tahafo ireo anjely tsy mivadika”
Izany no lahatenin’i Stephen Lett, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Manome modely tena tsara ho antsika ny anjely. Hoy ny Rahalahy Lett: “Mendrika hotahafina daholo izay rehetra lazain’ny Baiboly momba azy ireo.” Niresaka toetra efatra ananan’ireo anjely izy avy eo. Miaritra izy ireo, manetry tena, vonon-kanampy, ary tsy mivadika.
Milaza ny Baiboly fa nisy anjely iray nanohitra ny ‘andrianan’i Persa’, izay demonia mahery, nandritra ny 21 andro. (Daniela 10:13) Niaritra io anjely io. Nilaza ny Rahalahy Lett fa ‘mitolona amin’ireo fanahy ratsy’ koa ny Kristianina. (Efesianina 6:12) Hoy àry izy tamin’ny mpianatra: “Miadia mafy mba hanohizana ny asa nanendrena anareo.”
Tsy nety nilaza ny anarany ny anjely iray, rehefa nangataka izany i Manoa, rain’i Samsona. Nanetry tena io anjely io. (Mpitsara 13:17, 18) Hoy ny Rahalahy Lett tamin’ny mpianatra: “Rehefa misy midera na mandoka anareo, dia manetre tena ka aza misarika ny sain’ny hafa ho amin’ny tenanareo. I Jehovah sy ny fandaminany kosa omena voninahitra.”—1 Korintianina 4:7.
“Nisy anjely anankiray avy any an-danitra niseho” tamin’i Jesosy, ary “nankahery azy”, tamin’izy tao amin’ny zaridainan’i Getsemane, taloha kelin’ny nahafatesany. (Lioka 22:43) Vonon-kanampy io anjely io. Hoy ny Rahalahy Lett: “Mivavaha ka angataho ny fanampian’i Jehovah, mba hahitanareo izay tena ilain’ny hafa. Miezaha avy eo hanome izay ilain’izy ireo.”
Anjely vitsivitsy monja no nikomy niaraka tamin’i Satana. Afaka milaza àry isika fa tsy nivadika ny ankamaroan’ny anjely, ka modely tsara.—Apokalypsy 12:4.
Nampirisihin’ny Rahalahy Lett ny mpianatra hoe: “Tohero ny Devoly, toy ny nataon’ireo anjely tsy mivadika ireo. Tohero izy dia handositra.”—Jakoba 4:7.
Zavatra hafa telo nisongadina
“Ataovy Vatolampin’ny Fonareo Foana i Jehovah.” Io lahateny mahaliana, miorina amin’ny Salamo 73:26 io no nataon’i Gary Breaux, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Etazonia. Nanampy ny mpianatra izy mba hiantehitra amin’i Jehovah. Amin’ny heviny ahoana i Jehovah no vatolampy? Hoy ny Rahalahy Breaux: “Afaka manampy anareo tsy hivadika i Jehovah ka hiambina ny fonareo.” Marina aloha fa mety hamitaka antsika ny fo rehefa misy zavatra mitsapa ny fiaretantsika. (Jeremia 17:9) Mety hahatonga ny misionera hiala, ohatra, ny toe-tany, ny sakafo tsy mahazatra, ary ny misionera miray trano aminy. “Hisy fotoana tsy maintsy hisafidy sy hanapa-kevitra ianareo”, hoy ny Rahalahy Breaux. “Hisafidy ny hanao zavatra mampifaly an’i Jehovah ve ianareo? Ho ‘vatolampin’ny fonareo’ i Jehovah raha manao izany ianareo. Hitari-dalana anareo izy.”
“Ampy Finoana ve Ianareo mba Hirobo-drano?” I Sam Roberson, mpampianatra ao Gileada, no namelabelatra an’io lahateny io, izay niorina tamin’ny Josoa toko 3. Ahoana no nahafahan’ireo Israelita an-tapitrisany niampita ny Reniranon’i Jordana nefa tondraka ny rano? Nasain’i Jehovah nandidy ny mpisorona i Josoa hoe: ‘Aza mihetsika eo amin’ny Jordana.’ Nampanantena Andriamanitra hoe: “Raha vao manitsaka ny ranon’i Jordana ny faladian’ny mpisorona ... dia hijanona tsy hikoriana ny ranon’i Jordana ... ka tsy hihetsika fa ho toy ny tohodrano.” (Josoa 3:8, 13) Hoy ny Rahalahy Roberson: “Tsy maintsy hisy olana maro toy ny ‘Jordana’ eo amin’ny fiainanareo, ka mety hisakana anareo tsy hahazo fitahiana.” Mety hisy olana, ohatra, aminareo sy ny misionera namanareo. “Ny asa hifantohana fa tsy ny mpiasa.” Nandrisika ny mpianatra ny Rahalahy Roberson hoe: “Raha manam-pinoana ianareo ka vonona hirobo-drano, dia hanampy anareo hiampita an’ireo ‘Jordana’ ireo i Jehovah.”
“Ataovy Izay Hampahomby ny Fikasanareo!” I William Samuelson, anisan’ny mpampianatra, no nanao io lahateny io. Niorina tamin’ny Ohabolana 16:3 izy io, hoe: “Ankino amin’i Jehovah ny asanao, dia hahomby izay kasainao.” Nanontany ny mpianatra izy hoe: “Midika ve izany fa tsy tokony hanao na inona na inona intsony isika, afa-tsy ny ‘manankina ny asantsika’ amin’i Jehovah?” Tsia, hoy izy, satria milaza ny Ohabolana 16:1 hoe: “Ny mandamina ny hevitra ao am-po no an’ny olombelona.” Nilaza ny Rahalahy Samuelson hoe: “Tsy hanao fahagagana mba handamina ny hevitra ao am-ponareo i Jehovah. Tokony ho azonareo antoka kosa fa tsara ny antony mahatonga anareo hanao zavatra. Hanana fo tsara foana ianareo, raha mianatra sy mivavaka ary miara-miasa akaiky amin’ny biraon’ny sampana. Hataon’i Jehovah mahomby koa izay kasainareo.”
Fitantarana sy fanadinadinana
Anisan’ny fiofanan’ireo mpianatra ny fitoriana miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana. Nasain’i Mark Noumair, anisan’ny mpampianatra, nitantara ny zavatra hitany ny mpianatra maromaro. Tena nisongadina tamin’izany ny anjara asan’ny vavaka mba hahitana olona tso-po.
Nankao amin’ny hotely fisakafoana, ohatra, ny mpivady iray. Tsikaritry ny tovolahy iray mpiasa tao fa nanao vavaka mangina izy ireo. Nanontany izy raha Vavolombelon’i Jehovah izy ireo. Namaly izy ireo hoe eny. Nilaza ilay mpiasa fa zanaka Vavolombelona izy, saingy niala tamin’ny finoana. Efa nanao heloka bevava mihitsy aza izy ary nigadra. Tsapany fa te hifandray amin’i Jehovah indray izy. Nilaza koa izy fa talohan’ny nidiran’ilay mpivady tao amin’ilay hotely, dia nivavaka tamin’Andriamanitra izy mba hanampy azy hanitsy ny fiainany. Nivaly ny vavaka nataony!
Nanao an’ilay lahateny hoe “Andramo ka Jereo fa Tsara i Jehovah” i Rudi Hartl, ao amin’ny Sampan’asan’ny Famaliana Taratasy. Nadinadininy tamin’izany i Wayne Wridgway avy any Mozambika, sy Jason Reed avy any Silia, ary Kenji Chichii avy any Népal. Efa niofana tao Gileada koa izy ireo. Noresahin’izy ireo ny olana natrehiny, tamin’izy ireo vao lasa misionera. Nila nianatra fiteny vaovao, ohatra, izy ireo, na nizatra tamin’ny kolontsaina vaovao, na nalahelo ka te hody. Hoy ny Rahalahy Chichii: “Nanampy anay mivady ny nitady namana teo anivon’ilay fiangonana vaovao, haingana araka izay azonay natao. Lasa tsy te hody intsony àry izahay.”
Rehefa avy nomena diplaoma ireo mpianatra 56, dia namaky taratasy fisaorana ho an’ny Filan-kevi-pitantanana ny mpianatra iray. Izao no anisan’ny voalaza tao: “Hitanay rehetra hoe tena tia anay ianareo, sady tsy nitandro hasasarana nanome anay an’ireo lesona ianarana, nitsidika anay, ary nanome anay toro lalana ara-panahy mahasoa. Hanao izay fara herinay àry izahay, rehefa tonga any amin’ny tany anendrena anay, mba hanahaka ny fitiavana nasehonareo, ny fiaretanareo, ny fanetren-tenanareo, ary ny fiahianareo.”
[Teny notsongaina, pejy 28]
‘Rehefa misy midera anareo, dia aza misarika ny sain’ny hafa ho amin’ny tenanareo’
[Teny notsongaina, pejy 29]
“Tsy maintsy hisy olana maro toy ny ‘Jordana’ eo amin’ny fiainanareo”
[Tabilao/Sarintany, pejy 31]
ANTONTAN’ISA MOMBA ILAY KILASY
9 tany nanana solontena
56 mpianatra
28 mpivady
33,0 salanisan-taona
17,9 salanisan’ny taona naha tao amin’ny fahamarinana
13,3 salanisan’ny taona nanompoana manontolo andro
[Sarintany]
(Jereo ny gazety)
Notendrena any amin’ireo firenena 25 aseho eto ambany ireo mpianatra
TANY NANENDRENA
BOLIVIA
BOTSWANA
BOLIGARIA
CONGO (KINSHASA)
CÔTE D’IVOIRE
GAMBIA
ALEMAINA
INDE
INDONEZIA
KENYA
LIBERIA
MACÉDOINE
MADAGASIKARA
MALEZIA
MOZAMBIKA
PANAMA
PEROA
POLONINA
ROMANIA
SERBIA
SIERRA LEONE
SOAZILANDY
TANZANIA
OGANDÀ
ZIMBABWE
[Sary, pejy 30]
Mpianatra nanao fampisehoana ny zavatra hitany teny am-pitoriana
[Sary, pejy 31]
Ny Kilasy Faha-129 Nahazo Diplaoman’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada
Amin’ilay lisitra eto ambany, ireo laharana dia asiana nomerao avy eo aloha mankany aoriana, ary ireo anarana dia tononina avy eo ankavia miankavanana isaky ny laharana.
1) Munaretto, R.; Olofsson, Y.; Budden, K.; Najdzion, L.; Moya, G.; Treviño, G.; Dion, A.; Fleegle, A.
2) Smith, J.; Michael Raj, J.; Smith, S.; Paramo, A.; McDonald, J.; Deans, M.; Joyal, S.; Watson, L.
3) Joyal, C.; Crawley, T.; Hacker, D.; Shynkarenko, J.; Knapp, T.; Ayling, J.; Highley, C.; Olofsson, B.
4) Fitzpatrick, M.; Najdzion, B.; Skallerud, L.; Harris, A.; Harris, S.; Budden, R.; Paramo, Y.; Skallerud, K.
5) Crawley, B.; Michael Raj, J.; Lodge, A.; Lodge, R.; Herms, N.; Fitzpatrick, J.; Moya, R.; Munaretto, P.
6) Watson, S.; Deans, M.; Hacker, J.; McDonald, J.; Treviño, J.; Harris, S.; Herms, C.; Harris, P.
7) Shynkarenko, V.; Highley, T.; Smith, A.; Dion, J.; Ayling, R.; Smith, B.; Knapp, T.; Fleegle, B.