FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w11 1/3 p. 16-17
  • Iza moa i Jesosy Kristy?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Iza moa i Jesosy Kristy?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Mitovitovy Aminy
  • Iza moa i Jesosy Kristy?
    Vaovao Tsara Natao ho Anao!
  • Jesosy Kristy — nirahin’Andriamanitra ve?
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
  • Jesosy Kristy, ilay hitahian’Andriamanitra ny olombelona
    Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
  • Fanomezana avy Amin’Andriamanitra ny Vidim-panavotana
    Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
w11 1/3 p. 16-17

Ianaro ny Tenin’Andriamanitra

Iza moa i Jesosy Kristy?

Hodinihina ato amin’ity lahatsoratra ity ny fanontaniana mety ho napetrakao. Ho hitanao ato hoe aiza ao amin’ny Baiboly ny valin’izany. Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hiara-midinika aminao momba izany.

1. Iza moa i Jesosy Kristy?

Tsy toy ny olombelona rehetra i Jesosy fa fanahy tany an-danitra, talohan’ny nankanesany tetỳ an-tany. (Jaona 8:23) Izy no noforonin’i Jehovah voalohany, ary nanampy tamin’ny famoronana ny zavatra hafa rehetra. Noforonin’i Jehovah mivantana izy, ka antsoina hoe Zanaka ‘lahitokan’Andriamanitra.’ Mpitondra tenin’Andriamanitra izy, ka antsoina koa hoe “ny Teny.”—Jaona 1:1-3, 14; vakio ny Ohabolana 8:22, 23, 30; Kolosianina 1:15, 16.

2. Nahoana i Jesosy no tonga tetỳ an-tany?

Naniraka ny Zanany hanketỳ an-tany Andriamanitra, ka nafindrany tao an-kibon’i Maria, virjiny jiosy, ny ain’izy io. Tsy olombelona àry no rain’i Jesosy. (Lioka 1:30-35) Tonga tetỳ an-tany i Jesosy mba 1) hampianatra ny marina momba an’Andriamanitra, 2) ho modely amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra, 3) hanome ny ainy lavorary ho “vidim-panavotana.”—Vakio ny Matio 20:28; Jaona 18:37.

3. Nahoana isika no mila vidim-panavotana?

Vola aloa mba hanafahana olona iray ny vidim-panavotana. Tsy nokasain’Andriamanitra hihantitra sy ho faty ny olona, tamin’ny voalohany. Ahoana no hahalalantsika izany? Nilaza tamin’i Adama, ilay lehilahy voalohany, Andriamanitra fa ho faty izy raha manota. Tsy maty mihitsy i Adama hatramin’izao raha tsy nanota. Marina fa taonjato maro tatỳ aoriana i Adama vao maty, kanefa efa nanomboka nihasimba ny vatany tamin’ilay andro tsy nankatoavany an’Andriamanitra. (Genesisy 2:16, 17; 5:5) Namindra ota sy fahafatesana tamin’ny taranany rehetra i Adama. ‘Niditra’ tamin’ny olona rehetra avy tamin’i Adama àry ny fahafatesana. Izany no mahatonga antsika hila vidim-panavotana.—Vakio ny Romanina 5:12; 6:23.

4. Nahoana i Jesosy no maty?

Iza no afaka hanome vidim-panavotana hanafahana antsika amin’ny fahafatesana? Rehefa maty isika, dia ny tenantsika ihany no afaka amin’ny fahotantsika. Tsy misy olombelona tsy lavorary mahavita manafaka ny fahotan’ny hafa.—Vakio ny Salamo 49:7-9.

Tsy nandova ota i Jesosy ka tsy maty noho ny fahotany, fa maty noho ny fahotan’ny hafa. Nandefa ny Zanany ho faty ho antsika Andriamanitra mba hampisehoana fa tena tiany ny olombelona. Tia antsika koa i Jesosy ka nankatò ny Rainy sy nanome ny ainy ho antsika.—Vakio ny Jaona 3:16; Romanina 5:18, 19.

5. Inona no ataon’i Jesosy izao?

Nanasitrana ny marary i Jesosy, nanangana ny maty, ary nanavotra ny olona tamin’ny ota sy fahafatesana. Nasehony tamin’izany hoe inona no hataony ho an’ny olon-drehetra mankatò, amin’ny hoavy. (Lioka 18:35-42; Jaona 5:28, 29) Natsangan’Andriamanitra ho fanahy izy rehefa maty. (1 Petera 3:18) Nipetraka teo ankavanan’Andriamanitra izy avy eo, ary niandry ny fotoana hanomezany azy ny fahefana ho Mpanjakan’ny tany manontolo. (Hebreo 10:12, 13) Efa manjaka any an-danitra i Jesosy izao, ary mitory an’izany vaovao tsara izany maneran-tany ny mpanara-dia azy.—Vakio ny Daniela 7:13, 14; Matio 24:14.

Kely sisa dia hampiasa ny heriny i Jesosy, mba hamaranana ny fijaliana rehetra sy izay mahatonga izany. Hankafy fiainana ao amin’ny paradisa eto an-tany ireo olona an-tapitrisany mino an’i Jesosy sy mankatò azy.—Vakio ny Salamo 37:9-11.

Olona falifaly ao amin’ny Paradisa

Hankafy fiainana ao amin’ny paradisa eto an-tany ireo olona an-tapitrisany mino an’i Jesosy sy mankatò azy

Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? toko 4, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara