FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w11 1/7 p. 30-31
  • Ahoana no Hanoherana Fakam-panahy?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Hanoherana Fakam-panahy?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Mitovitovy Aminy
  • Nisy Nanendrikendrika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Noravana i Sodoma sy Gomora
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Nanohitra Fakam-panahy i Jesosy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Nampiaiky An’ireo Nihaino Azy i Jesosy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
w11 1/7 p. 30-31

Ho An’ny Ankizy sy ny Tanora:

Ahoana no Hanoherana Fakam-panahy?

JOSEFA—FIZARANA 1

Toromarika: Tsara raha amin’ny toerana mangina ianao no mamaky ny andinin-teny eto ambany. Alao sary an-tsaina ilay tantara. Ataovy toy ny hoe teo mihitsy ianao, ka renao ny feo manodidina sy ny olona miteny, ary tsapanao ny fihetseham-pon’ireo olona asongadina ao.

Mpandray anjara: Josefa sy ny vadin’i Potifara

Famintinana: Nahatohitra fakam-panahy i Josefa ka tsy nanaiky hanao firaisana tamin’ny vadin’i Potifara.

1 ALAO SARY AN-TSAINA ILAY TANTARA.—VAKIO NY GENESISY 39:1-12.

Alao sary an-tsaina hoe hoatran’ny ahoana ny hangezan’ny tranon’i Potifara.

․․․․․

Araka ny hevitrao, hoatran’ny ahoana ny bika sy ny tarehin’i Josefa? (Vakio indray ny andininy 6.)

․․․․․

Araka ny hevitrao, hoatran’ny ahoana ny fihetseham-pon’i Josefa rehefa niresaka tamin’ny vadin’i Potifara izy, eo amin’ny andininy 8 sy 9?

․․․․․

2 FAKAFAKAO ILAY TANTARA.

Nahoana i Josefa no mety ho nalaim-panahy haloto fitondran-tena? (Vakio ny Filipianina 2:12, ary eritrereto ny zava-nitranga tamin’i Josefa. Taiza, ohatra, ny fianakavian’i Josefa sy ny mpiara-mivavaka taminy tamin’izany?)

․․․․․

Araka ny hevitrao, nahoana i Josefa no nahatsapa fa fahotana eo anatrehan’Andriamanitra ny fanitsakitsaham-bady, nefa tamin’izany mbola tsy nisy lalàn’Andriamanitra nandrara an’izany? (Vakio sy saintsaino ireto andinin-teny ireto: Genesisy 2:24; 12:17, 18; Romanina 2:14, 15; Hebreo 5:14.)

․․․․․

3 AMPIHARO IZAY NIANARANAO. SORATY ETO IZAY NIANARANAO MOMBA NY...

Fifandraisan’ny hoe mifehy tena sy manaja tena.

․․․․․

Soa azon’ireo manaraka foana ny fitsipik’Andriamanitra momba ny fitondran-tena.

․․․․․

Antony hanazarana ny “fahaiza-misaina.” (Hebreo 5:14)

․․․․․

FAMPIHARANA HAFA.

Rahoviana koa ianao no tokony ho hentitra kokoa mba hanoherana fakam-panahy hanao firaisana? (Vakio sy saintsaino ny Joba 31:1; Salamo 119:37; Efesianina 5:3, 4.)

․․․․․

4 INONA NO HITANAO HOE TENA MAHASOA ANAO AMIN’IO TANTARA IO? NAHOANA?

․․․․․

tsy manana Baiboly ve ianao? Mangataha amin’ny Vavolombelon’i Jehovah na vakio izany, ao amin’ny www.watchtower.org

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara