FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w11 1/10 p. 3
  • Efa Nisy Nandainga Taminao Ve?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Efa Nisy Nandainga Taminao Ve?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Mitovitovy Aminy
  • Ratsy Be ny Vokatr’ilay Lainga Voalohany
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2020
  • Nandainga i Petera sy Ananiasy: Inona no Ianarantsika avy Amin’izany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Nahoana no Mora Erỳ ny Mandainga?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Nahoana Aho no Mila Manao ny Marina?
    Manontany ny Tanora
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
w11 1/10 p. 3

Efa Nisy Nandainga Taminao Ve?

ANISAN’NY zavatra mampalahelo indrindra ny hoe olona natokisanao no nandainga taminao. Mety ho diso fanantenana ianao, na ho tezitra, na hahatsapa mihitsy hoe voafitaka. Mampisaraka ny mpinamana sy ny mpivady ny lainga. Maro koa no very vola an-tapitrisany noho ny lainga.

Inona àry no ho tsapanao raha fantatrao fa nampianarina lainga momba an’Andriamanitra ianao? Raha tia fivavahana ianao dia mety ho tena mafy aminao izany. Izany no tsapan’ireto olona ireto:

● “Namitaka ahy ny fiangonana.”—DEANNE.

● “Tezitra aho. Nahatsiaro ho voafitaka aho satria rava ny fanantenako sy ny tanjoko.”—LUIS.

Tsy hieritreritra mihitsy angamba ianao hoe mety ho lainga ny zavatra nampianarina anao. Mety ho olona atokisanao sy tsy mieritreritra ny hamitaka anao mihitsy mantsy no nampianatra an’ilay izy. Mety ho ny ray aman-dreninao izany, na namanao be, na mompera, na pasitera. Mety ho efa ela koa ianao no nino an’ilay fampianarana. Tsy ekenao ve anefa fa mety ho diso ny hevitra iray na dia betsaka aza no mino azy? Nanaiky an’izany i Franklin Roosevelt, prezidàn’i Etazonia taloha, ka nilaza hoe: “Tsy hoe rehefa averimberina resahina akory ny lainga dia lasa marina.”

Ahoana àry no ahalalanao raha lainga no nampianarina anao na tsia? Hoy i Jesosy rehefa nivavaka tamin’Andriamanitra: “Ny teninao no fahamarinana.” (Jaona 17:17) Manampy antsika hanavaka ny marina amin’ny lainga àry ny Tenin’Andriamanitra na ny Baiboly.

Misy lainga maro momba an’Andriamanitra ahariharin’ny Baiboly. Handinika dimy amin’izany isika. Mety hanatsara kokoa ny fiainanao ny mahafantatra ny marina.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara